IZA ILAY MAZAVA?

1. Davjo ( 11/05/2017 06:09)

endriny:

Jenezy na Genesisy Toko I: Vakio tsara

1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina. 5Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.
6Hoy Andriamanitra: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin'ny rano. 7Dia nataon'Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin'ny habakabaka dia nosarahiny tamin'ny rano ambanin'ny habakabaka, dia tanteraka izany. 8Nataon'Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.

Aiza tsara hoe ny misy ny "LANITRA" a? Eo anelanelan'ny Rahona sy ny tany (Mazava io)

9Hoy Andriamanitra: Aoka hiangona amin'ny fitoerana iray ny rano eo ambanin'ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina. Dia tanteraka izany. 10Nataon'Andriamanitra hoe tany, ny maina; ary nataony hoe, ranomasina, ny rano tafangona, ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 11Dia hoy Andriamanitra: Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, samy mamoa misy ny voany ao aminy, araka ny karazany avy, eny ambonin'ny tany. Dia tanteraka izany. 12Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.
14Hoy Andriamanitra: Misia fanazavana eo amin'ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; 15ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany. Dia tanteraka izany. 16Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra; ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa 17Napetrak'Andriamanitra eo amin'ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, 18hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 19Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.
.

Teo amin'ny andro voalohany (1) eo amin'ny andininy faha3 Atra dia efa nampisy ny maizina sy ny mazava, kanefa aty amin'ny andro faha efatra (4) izy vao nanao ny masoandro amam-bolana. Dia mitombina ve izany?

Dia teo koa izy vao nanao ny kintana, nataony madinidinika kely be dia be ireto kintana ireto.

Ary mbola tsy nisy akory ny masoandro sy ny volana dia efa nisy zavatra naniry teto ambonin'ny tany.

Diso fijery ve ny masoko noho ny setroky ny saribao e ?

Tonga dia valiako avy hatrany fa tsy misy diso izany ny Baiboly, ny tsy fahatakaran-tsika olombelona ny zava-miafina ao amin'ny Baiboly no mahatonga antsika miseho ho marina ka mandefa ny fahadisoana ao amin'ny Soratra Masina.

Tadidio tsara fa hoy ny Baiboly:
I kor 2;17
"Fa milaza ny fahendren' Andriamanitra izahay ka maneho zava-miafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nanaovana izao tontolo izao;"

Talohan'ny nanaovana izao tontolo izao = Genesisy andro voalohany
Misy Voatendrin'Andriamanitra ho voninahintsika tao izany hoe, nampisiana fa nafenina avy eo.

Mba ahafahantsika mahatakatra an'izany dia andeha jerena ilay Genesisy andro voalohany.

Gen 1 1-2
1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava.

Mila mitandrina avy hatrany isika rehefa mamaky ireo mots clés LANITRA, TANY, AIZINA, HANTSANA (LALINA), RANO, MAZAVA.

Satria i Paoly efa niteny fa misy zavatra nafenina talohan'ny fahariana, noho izany tokony tonga saina avy hatrany isika fa ts maintsy nosoratana ny tantaran'ny fahariana kanefa misy namboarina ny fomba fanehoana azy mba hahafahana manafina ilay "efa voatendry hatramin'ny voalohany", raha raisina amin'ny fomba fijerintsika dia misy Codage na camouflage ireo mots clés ireo.

LANITRA: Misy karazany maro ny teny hoe lanitra ao anaty Baiboly
1- Lanitra = ciel: ilay toerana misy rahona sy rivotra
2- Lanitra = habakabaka na espace : ilay toerana ipetrahan'ny planeta sy kintana izay 4 dimensions : 3d (x,y,z) + dimension temps
3- Lanitra ambony : les cieux en haut: ilay toerana itoeran'Andriamanitra, ivelan'ny habakabaka izay tontolon'ny fanahy, ts voafehin'ny 4 dimensions.

TANY: Misy karazany maro ny teny hoe tany ao anaty Baiboly
1- Tany : terre : ilay toerana iorenantsika olombelona
2- Tany ambany: (contraire an'ny lanitra ambony) na lalina na hantsana, Toerana nanorenan'Andriamanitra izao rehetra hitantsika izao (izao tontolo izao).

AIZINA:
1- Aizina = Tenebre:
2- Aizina = Obscurité = absence de lumière
Ny zavatra fanantsika momba ny aizina (obscurité) dia tsy misy existence physique fa rehefa tonga ny hazavana dia tsy afaka manohitra izy.

MAZAVA:
1- Mazava = une personne : Jaona 1,9 Ilay tena Mazava, dia Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin' izao tontolo izao.
1:10 Teo amin' izao tontolo izao Izy, ary Izy no nahary izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
1:11 Tonga tany amin' ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.

2- Mazava = lumière: misy source ary manana exitence physique, mety avy amin'ny masoandro, afo, lampe sns

RANO = RANO = eau = H2O

Gen 1 1-2
1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava.

Mazava be ilay fanamarinana tany amboalohany nataon'ny namana fa ny Tany (planete) dia tsy nisy raha tsy tany amin'ny andro faha-3, ny masoandro dia tsy misy raha tsy tany amin'ny andro faha-4 ary AOKA HAZAVA FA NY AIZINA DIA EFA TEO FA TSY MITENY NY GENESISY HOE ANDRIAMANITRA NAMORONA NY HAIZINA (TENEBRE).

APETRAKO AMIN'IZAY NY FANONTANIANA HOE IZA ILAY MAZAVA?
novalian'i rhaj0 ny 08/06/2017 16:13
2. RBNIR ( 11/05/2017 08:14)
Tena tsara raha mba ampiarahana toko sy andininy fa mahaliana ry davjo...
3. Davjo ( 11/05/2017 08:47)

RBNIR:

Tena tsara raha mba ampiarahana toko sy andininy fa mahaliana ry davjo...

Ilay inona ohatra no tian'i RBNIR ho fantatra?
4. MINDAOZY ( 11/05/2017 08:50)
"IZA ILAY MAZAVA?"

IZA(mitaky anarana personne izany), ILAY(tokana).

Noho izany hisy anarana hivoaka izany eto.
5. Davjo ( 11/05/2017 08:58)

MINDAOZY:

"IZA ILAY MAZAVA?"

IZA(mitaky anarana personne izany), ILAY(tokana).

Noho izany hisy anarana hivoaka izany eto.

Misy parallélisme tokoa ny Genesisy 1 sy ny Jaona 1, samy milaza ny "Tamin'ny voalohany" ary samy miresaka ilay ho MAZAVA

Aleo alefako eto ilay Jaona 1

1:1 TANY am-piandohana ny Teny, ary ny Teny tao amin' Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
1:2 Izy dia tao amin' Andriamanitra hatrany am-piandohana.
1:3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, dia tsy nisy ary izao zavatra nohariana rehetra izao.
1:4 Izy no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
1:5 "Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin' ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy."
1:6 Nisy lehilahy nirahin' Andriamanitra, Jaona no anarany.
1:7 Tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava izy, mba hinoan' ny olona rehetra amin' ny alalany.
1:8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
1:9 Ilay tena Mazava, dia Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin' izao tontolo izao.
1:10 Teo amin' izao tontolo izao Izy, ary Izy no nahary izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
1:11 Tonga tany amin' ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
6. RBNIR ( 11/05/2017 10:34)

Davjo:

RBNIR:

Tena tsara raha mba ampiarahana toko sy andininy fa mahaliana ry davjo...

Ilay inona ohatra no tian'i RBNIR ho fantatra?

Ny teny manamarina an'ireto ohatra...

LANITRA: Misy karazany maro ny teny hoe lanitra ao anaty Baiboly
1- Lanitra = ciel: ilay toerana misy rahona sy rivotra
2- Lanitra = habakabaka na espace : ilay toerana ipetrahan'ny planeta sy kintana izay 4 dimensions : 3d (x,y,z) + dimension temps
3- Lanitra ambony : les cieux en haut: ilay toerana itoeran'Andriamanitra, ivelan'ny habakabaka izay tontolon'ny fanahy, ts voafehin'ny 4 dimensions.
7. Davjo ( 11/05/2017 11:26)

1- Lanitra = ciel: ilay toerana misy rahona sy rivotra:
Asa 4:17 "Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin' ny lanitra ho antsika sady manome taon-jina ka mahavoky ny fontsika amin' ny hanina sy ny fifaliana."

2- Lanitra = habakabaka na espace:
Deo 1:10 Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin' ny lanitra ianareo izao.

3- Lanitra ambony:Deo 4,39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin' ny lanitra ambony sy ety amin' ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.

8. rhaj0 ( 11/05/2017 12:41)
Ilay misavika ny Asa/Deo/Kor dia mampilahatra fampitaha @ ireo anie ka sampona ee...

Io dia toa an'ilay ranamana Strong3 izay. Ny azy, satria tia misavisavika fampitaha na parabaolina izay mba hainy izy, dia mampiasa izany @ izay rehetra (baiboly) vakiany, dia .. @ Strong3 izay, dia rahefa "vehivavy" dia midika fa "Fiangonana".. Na miresaka vehivavy manasa lamba ohatra izany ny Baiboly, dia Fiangonana manasa lamba no dikany izany aminy.

Fa vakio tsara fotsiny ilay genesisy eee... Tsotra be io, ary notsorin'ilay mpanoratra azy mihtsny, nasesiny sy nalaminy tsara.

ka ny Lanitra ao @ GEnesisy dia tsy inona fa ny ankoatry ny Tany (Hantsana + Rano).
9. RA TAN ( 11/05/2017 13:24)
"JAONA,1: 1Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. 2Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. 3Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. 4Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. 5Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.

6Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany;7tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. 8Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. 9Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. 10Teo amin'izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. 11Tonga tao amin'ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy. 12Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny ANARANY
10. Davjo ( 11/05/2017 13:25)

rhaj0:

:)
11. Davjo ( 11/05/2017 13:38)

RA TAN:

ka iza e?
12. rhaj0 ( 11/05/2017 13:48)
RAha ny "mazava" ao @ Genesisy no resahina, dia ... tena tsisy idiran'i Jesosy mihintsy izany.

Ao @ Genesisy, via mbola vao foronina daholo izao rehetra izao. Na ny salakan'i Jesosy azany mbola tsy voaforona.

Fa ny anareo moa vao hoe "mazava" dia tiana asisisisika foana fotsiny ao i "Jesosy".

'ndana ho'a mba mandehandeha miaraka @ gasy pariziana ao.. Fa ny an-dreo, ny immigrants sasany dia "maizina", nefany ho'a izy @ io tsy "mazava" akoriny.

Ka ny anareo ny "mazava" dia Jesosy, ny azy ny "mazava" dia ny .. frantsay eee...
13. RA TAN ( 11/05/2017 14:02)
Davjo:

Ka iza e?

=> YAHOSHUAH ilay Zanak'Andriamanitra Mpamonjy io MAZAVA (na FAHAZAVANA) tiana ho fantatra eto io: Ilay A/tr'i Abraham, A/tr'i Isaka, A/tr'i Yakob, dia ilay A/tr'i SAMUELSON EDWARD izany. Ilay MANDRAVA DIDY FOLO.
14. Davjo ( 12/05/2017 05:47)

RA TAN:

Davjo:

Ka iza e?

=> YAHOSHUAH ilay Zanak'Andriamanitra Mpamonjy io MAZAVA (na FAHAZAVANA) tiana ho fantatra eto io: Ilay A/tr'i Abraham, A/tr'i Isaka, A/tr'i Yakob, dia ilay A/tr'i SAMUELSON EDWARD izany. Ilay MANDRAVA DIDY FOLO.

Tsy hiady hevitra aminao amin'ny anaran'ilay mpamonjy aho fa efa haiko ny "limite" nao fa mahafinaritra rehetra manaiky ianao fa "ilay Mesia"io Mazava io
15. stahtam ( 12/05/2017 08:11)

[quote=RA TAN]
"JAONA,1: 1Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. 2Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. 3Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. 4Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. 5Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.

6Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany;7tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. 8Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. 9Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. 10Teo amin'izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. 11Tonga tao amin'ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy. 12Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny ANARANY

[quote=stahtam]
Mahita an-dRA TAN aty @ resaka FAHARIANA ny lanitra sy ny tany ny tenako ka mba te-hanontany hoe aiza ho aiza eto ilay verset milaza hoe ny anaran'ny NAHARY ny lanitra sy ny tany dia YAHOSHUAH ? Tokony ho eto ve sa any an-kafa sa... tena tsy misy akory mihitsy tahaka ilay mpaminanin'ny Matio 2/23 indray sy ny Elohym-n'ny Eks 12/12 fa mba nanonofy antoandro fotsiny?
16. stahtam ( 12/05/2017 08:26)

RA TAN:

[quote=Davjo]
Ka iza e?

=> YAHOSHUAH ilay Zanak'Andriamanitra Mpamonjy io MAZAVA (na FAHAZAVANA) tiana ho fantatra eto io: Ilay A/tr'i Abraham, A/tr'i Isaka, A/tr'i Yakob, dia ilay A/tr'i SAMUELSON EDWARD izany. Ilay MANDRAVA DIDY FOLO.
[quote=stahtam]
Abraham sy ny zanany ary ny zafiny tsy nivavaka t@ Yahoshuah;
Abraham sy ny zanany ary ny zafiny tsy nivavaka t@ Mesia fa NIANDRY sy NANANTENA ny hihavian'ny Mesia avy aty @ taranany;
Ny mpivavaka @ telo izay iray na roa izay iray na ny sahalahala @ izany no mivavaka @ Mesia fa fanasoketana an-dry Abraham ny filazana fa nivavahany io.
17. RA TAN ( 12/05/2017 13:05)
Davjo:

Tsy hiady hevitra aminao amin'ny anaran'ilay mpamonjy aho fa efa haiko ny "limite" nao fa mahafinaritra rehetra manaiky ianao fa "ilay Mesia"io Mazava io

Ny fanontanianao mantsy manao hoe "IZA ilay Mazava?" Izany hoe mitaky anarana ho tononina izany. Dia io notononiko io ilay anaran'ilay mazava tinao ho fantatra: YAHOSHUAH ilay Izy.
Fa marihako tsara fa TSY ANARANY ny hoe MESIA, fa adjectif izany.
18. Davjo ( 12/05/2017 13:10)

Mesia = Ilay Voahosotra
Imanoela = Andriamanitra eto amintsika
YhshWh = Andriamanitra no mpamonjy

Inona no mahasamihafa an'ireo? raha adjectif ny Mesia de Adjectif koa ny YhshWh
19. RA TAN ( 12/05/2017 13:25)
Hoan'i stahtam.

Ny fanontaniana lehibe apetrak'i Davjo eto izao dia hoe IZA ILAY MAZAVA?
Iza no tsy mahafantatra fa ANARANA no tiany ho fantatra @ izany.
Ny tokony ataonao izao dia ny milaza an'io anarana tin'i Davjo ho fantatra io (satria ianao efa tsy mino an'i YAHOSHUAH sady manohitra Azy).Dia tonga dia tonony eto izay anarana eritreretinao ho izy any raha milaza fa mahafantatra ny marina ianao.

Fa ampatsiahiviko anao ihany koa fa raha nifampiresaka taminao aho tary ambadika ny mikasika ny anaran'izay mesia-nao dia tsy nahasahy nitonona ny anarany mihintsy ianao
20. RA TAN ( 12/05/2017 13:36)
Hoan'i stahtam.

IZA ILAY MAZAVA? hoy i Davjo.
Tsy mety mamaly an'io ianao.

Nanontany anao koa aho tary ambadika hoe IZA NO ANARAN'IZANY MESIA-nao IZANY???
Tsy sahy nilaza ny anarany ianao.

TSY SAHY MITONONA NY ANARAN'NY MESIANY INTY JIOSY GASY IRAY(stahtam) IZAY MITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO SADY MANOHITRA MAFY AN'I YAHOSHUAH (YAHOSHUAH www.rtvyahoshuah.com )

Raha niresaka tamiko io stahtam io tao @ http://forum.serasera.org/forum/message/m55c1e708dc951/160 dia izao no hevi-dehibe nisongadina:

RA TAN:(01/12/2016 08:15)
“JODAISME” miady @ Yahoshuah sy ny mpianany
“JODAISME” tsy mino testameta vaovao
“JIOSY MPITANDRINA DIDY FOLO” miady @ YAHOSHUAH SY NY MPIANANY (ISAIA 66:5; ASA 4:17,18; 1TES 2:14-16). Ny jiosy mpitandrina didy folo dia soloin’ireto jiosy gasy ireto tena raha eto M/car…

STAHTAM:(02/12/2016 07:48)
…Ny Mesia inoako dia Jodaiste ka lojika be ny teninao. Yahoshuah dia tsy jodaiste, normal izany ny fifanoherana raha misy. “JODAISME tsy mino ny testameta vaovao” Ka taiza no nisy Jodaistes nanorina fampianarana t@ io? Ny Mesia inoako dia ny Lalàna sy ny Mpaminany sy ny Salamo no nataony fototry ny fampianarany sy notanterahiny fa tsy ny tantaran’ny testameta vaovao. …
… Raha ny testameta vaovao no lazainao fa filazantsara dia manamafy tsara mihintsy izany fa samy hafa ny baibolintsika. Hafa no nomena ny Jodaistes ary hafa ny anareo. Manamafy izany ny Salamo 147/19,20 satria ny Isiraeliana no voalaza eo. Ny testameta vaovao no anareo. Olona hafa taty aoriana no nanoratra ireny hoanareo fa ilay ivavahanay sy ilay Mesia nirahiny kosa dia tsy mba nanome izany testameta vaovao izany hoanay. Izy sy ny mpianany dia tsy nanorina ny fiangonany t@ izay verset avy tao. …
“ROM 11:28 ra ny amin’ny filazantsara dia fahavalo ny jiosy noho ny aminareo”. Ary ilay olona niteny an’io verset io mba inona? …

RA TAN:(03/12/2016 10:39)
Teto aloha izany dia TENA NANAMBARA AMPAHIBEMASO IANAO, FA “TSY MINO NY TESTAMETA VAOVAO”IANAO; mazava hoazy fa nareo jiosy gasy rehetra dia tsy mino filazantsara daholo. Ary tena toherinareo à fomba rehetra mihintsy izany.
Mipetraka ary ny fanontaniana:
AIZA AO @ LALANA SY NY MPAMINANY ARY NO MISY AN’IZANY MESIA-NAREO IZANY???
FA NY MPAMINANY SY NY LALANA ARY NY SALAMO DIA EFA SAMY NANONDRO AN’I “YAHOSHUA”H DAHOLO: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”.
Ary aty @ testameta vaovao no fahatanterahan’izany rehetra izany.
Nolavinao anefa ny testameta vaovao, donc, NOLAVINAO NY TENIN’NY MPAMINANY ARY NY SALAMO. Noho izany, NOLAVINAO KOA NY TESTAMETA TALOHA: Tena ny BAIBOLY IRAY MANONTOLO MIHINTSY NO LAVINAO. …
Fa izahay mpanaradia an’I YAHOSHUAH kosa milaza fa MARINA DAHOLO NA NY TESTAMETA TALOHA NA NY TESTAMETA VAOVAO. Satria tenin’ny Dadanay izay any andanitra no ao; Izy no nanao an’ireo..

STAHTAM:(04/01/2017 07:05)
… porofoy amiko fa fahatanterahan’ny testameta taloha ny testameta vaovao (raha anisan’ny testameta vaovao ny bokin’i Matio) dia hanaiky aho fa MARINA ny teninao. …

RATAN: (10/01/2017 08:49)
I Moshè efa niteny hoe:
“DEO 18:15 Mpaminany avy aminao dia avy amin’ny rahalahinao tahaka ahy, no hatsangan’I Yahvah Andriamanitrao hoanao; izy no henoinareo”
Dia jereo ary ny mpaminany Israeliana fa samy nanondro an’I YAHOSHUAH daholo. Ary i YAHOSHUAH koa mbola nampahatsiahy an’izany; ka hoy Izy hoe: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”
- ATERAKY NY VIRIJINY IZY:
“ISAIA 7:14” tanteraka izany ao @ MAT 1:18-23

-TERAKA AO BETLEHEM IZY:
“MIKA 5:1” tanteraka izany ao @ MAT 2:1

-GENOCIDE ANA ZAZAKELY T@ ANDRONY:
"JER 31:15" tanteraka izany ao @ MAT 2:16-18

-TSY NOTAPAHINA NY TAOLANY:
"SAL 34:20" "EKS 12:46" tanteraka izany ao @ JAONA 19:31-33

-NILOKANA NY AKANJONY:
"SAL 22:18" tanteraka izany ao @ JAONA 19:24

T@ andron’I YAHOSHUAH no nahatanterahan’ireo tenin’ny mpaminany ireo; ary nohon’I YAHOSHUAH no anton’ireo teny ireo. Santionany fotsiny ireo, fa be dia be ao fa tsy ary ho voatantarako eto daholo.
Fanontaniana mipetraka @ stahtam izay mitsipaka ny TESTAMETA VAOVAO:
RAHOVIANA IREO TENIN’NY MPAMINANY IREO VAO HO TANTERAKA RAHA EFA NOLAVINAO NY TESTAMETA VAOVAO???
IZA ILAY MESIA ERITRERETINAO??? IZA NO ANARANY???
RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY???
Didin’I Yahvah A/tra mpamorona ny zava-drehetra ny tenin’ireo mpaminany israeliana ireo (DEO 18:18), ka izay tsy mino an’ireo tenin’ny mpaminany Israeliana ireo dia hotsarain’I Yahvah (DEO18:19). Dia miomana koa ianao ry stahtam fa hotsarain’I Yahvah tahaka an’ireo ELOHYM an’ny Egyptiana koa a (EKS 12:12).
NITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO IZAY FAHATANTERAHAN’NY TENIN’NY MPAMINANY IANAO, DIA MAZAVA HOAZY FA MITSIPAKA NY TENIN’NY MPAMINANY AO @ TESTAMETA TALOHA; DIA MAZAVA FA NY TESTAMETA TALOHA MIHINTSY NO TSIPAHINAO.
Porofon’izany ny fanitsahanao ny “DEO 30:11-13”; angalarinao ilay didy tsy natao hoanao dia entinao mandositra aty M/car.

STAHTAM:(16/01/2017 07:31)
… Ny kristy eritreretinao aza ange ka iomehezan’ny israeliana e! Taranaka haterak’I Davida no Mesia nolazain’ny faminaniana Israeliana. Ny anao anefa dia sady tsy taranak’I Davida no mbola avy @ fanahy koa. …

RA TAN: 19/01/2017 16:02)
… VALIO ALOHA IREO FANONTANIANA MAROBE MITAMBESATRA AMINAO EO AMBONY IREO:
- Rehefa nolavinao ny testameta vaovao izay fahatanterahan’ny tenin’ny mpaminany dia IZA NO ANARAN’IZANY MESIANAO IZANY????? Izay tsy ao anaty testameta vaovao mazava hoazy.
- Raha mbola mivingitra didy folo ihany ianao dia ATAONAO AHOANA NY TENIN’NY MPAMINANY ISRAELIANA IZAY MIFANIPAKA @ DIDY FOLO????
- Dia aza odina fanina ilay “DEO,30;11-13” a!! …

STAHTAM:(20/01/2017 07:49)
… Voasoratra ao anatin’ny testameta taloha @ teny hebreo ny Mesia inoako. Mbola tsy nosoratana akory io testameta vaovao-nareo io dia efa fantatry ny Israeliana izany. Tsy misy idiran’ny testameta vaovao @ izany … Ny anarany? Tsy yahoshuah (Anarana azo avy @ mathematique io yah+hoshuah=yahoshuah) fa Anarana hafa efa nambaran’ny mpaminany (israeliana) sy nosoratany tao anaty baiboly hebreo hatry ny ela. …

RA TAN:
TSY MILA RESAKA LAVA BE IZANY, FA TONGA DIA TONONY ETO NY ANARANY
Fa maninona ianao no tsy mahasahy mitonona ny anaran'ny mesia-nao ry stahtam a?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.372