Andao aza ho alalinintsika hatramin'ny voalohany mihintsy ny baiboly dia hohitantsika ny marina...sa ny diso

61. Davjo ( 24/05/2017 05:43)

endriny:

Mety mammon-divay I Mosesy tamin'ny nanoratra an'io.

Kanefa I Mosesy tsy nahay nanoratra hebreo satria izy lehibe tao an-dapan'ny Farao.

Raha tsy lehibe tany Chine ve aho tsy ahay hanoratra teny sinoa? :p
62. Miharena ( 24/05/2017 10:43)
Mahafinaritra ity loha-hevitra ity.

Fa ny hany mba mahagaga fotsiny dia mihevitra ve Endriny fa ny Masoandro no mazava voalohany noforonin'ny Mpahary?

IZY aza no Mazava Voalohany koa inona ary ity fanadihadiana tsy mitombina ity!

Mba mandiniha vao mitsikera!

Ianao io izao dia MAZAVA no namoronana anao. Fa ny olana rehefa maizina ny saina dia maizina koa ny fanahy na vis-versa.

Aoka hazava isika fa tsy ho isan'izay mitoetra ao anaty haizina e!

Ny filahatry ny famoronana tsy azo heverina araka ny fisainantsika olombelona fa dia io no voasoratra araka ny tsindrimandry nomena ny mpanoratra tamin'izany fotoana izany.

Fa eo ihany isika. Rehefa tsy manaiky fa misy ny bitsiky ny Fanahy dia tsy hanana fahazavan-po amin'ny fifanakalozana momba ny Finoana.

Mazotoa mikaroka sy mikatsaka ny Fanahy Masina hiasa ao am-po e!

63. rhaj0 ( 24/05/2017 12:28)
Miharena:
Rehefa tsy manaiky fa misy ny bitsiky ny Fanahy ...

io izany no foto-dresaka @ Miharena. Izaho moa TSY mahatakatra na Tsy mahare an'izany "bitsibitsika" izany.. Fa dia tena mba "tantarao" aminay eto hoe ry Miharena izay "bitsika" renao ao izao??

Io ho'a tena mila mba anaovanareo mahare "bitsika", anaovanareo description @ antsipirihany mihintsy, satria, mety "misy" ihany anie ilay bitsika maniditsidina aty aminay, fa izany hoe, TSy hainay hoe, izay ilay "bitsika" fa levona ao @ bruit de fond eee...

ka mba toroy izany izahay ry Miharena aaa.. Toatoa ny ahoana izao "bitsika" renao ao izao???
64. Miharena ( 24/05/2017 13:10)

rhaj0:

Mahafinaritra rehefa manomboka liana.

Mila fantarina aloha ny mandrafitra ny olona izay manan-tsaina sy feon'ny fieritreretana ary manana indrindra ny fanahiny.

Rehefa iniana tsy fantatra ny fanahinao dia aza manatena ny hahazo bitsiky ny Fanahy ianao.

Raha hazavaina amin'ny antsipirihany izy io dia lasa fampiasan-tsaina indray ka vao maika mahavery anao.

Fa aleo ianao mamaky izay voambara amin'ny Baiboly momba ny Fanahy Masina miteny. Toa an'i Jesoa izay nilaza hoe tsy IZY no miteny fa ny RAY no miteny ao AMINY.

Rehefa adinonaa tanteraka ny momba anao ka avelanao IZY hiteny ao amponao dia mivoaka ny bitsiky ny Fanahy ao aminao.

Rehefa manomboka mahazo ny resaka rehetra ao anaty Baiboly ianao dia manomboka manana ny bitsiky ny Fanahy.

Andramo aloha dia omeo valiny aho hoe azonao ve ny lazain'ny Baiboly ara-bakiteny amin'ny momba ny Fanahy Masina ?

- Ao ohatra ny nahazo ny Mpianatra raha nitory teny tamin'ny fiteny samihafa
- Ao ny nahazo an'i Saoly lasa Paoly rehefa nisehoan'ny Mazava Lehibe ka lasa mpitory teny.

Ho an'ny mbola be saina dia tsy mba mahazo AZY io mihitsy aloha fa aoka hazava ny resaka
65. rhaj0 ( 24/05/2017 13:45)
Tena efa bebe ihany ny toko aman'andininy ao @ Baiboly norasarasaina niaraka t@ namana teto.

Fa aleo apetrako mazava ny angatahako, ary tena iangaviana, @ Miharena izany ee..

1- raha tena efa "bien conçu" ao @ Miharena ao azany iilay resaka "Fanahy (Masina)", dia mba fintino kely eto @ fehezan-teny iray, na paragraphe iray, hoe ilay izy.
(tsy mila mivalampatra mamelatra toko andininy hafa indray, fa tena apetraho carré mazava eto fa tsy boribory eeee...)

2- raha tena efa "niainana" tao @ Miharena iilay naheno "bitsika" avy t@ Fanahy )(Masina), dia mba decriver-o hoe toatoa ny ahoana izy tao?? "bitsika" izany hoe, misy "feo" re ve?? Dia toatoa ny ahoana ilay "feo"?? miteny gasy? Feo beso?

(entre-pa: raha asianao condition hoe, mila mahay an'izao sy izao anie izy io, mety mbola ho ela vao ho hay, nefa ilay "bitsika" mety efa misidina eo, ka dia ho very eee.. tsy izay iantefan'ilay "bitsika" no very, fa ... mampalahelo ihany raha very ilay "bitsika" eee...)
66. endriny ( 25/05/2017 04:18)

Davjo:

endriny:

Mety mammon-divay I Mosesy tamin'ny nanoratra an'io.

Kanefa I Mosesy tsy nahay nanoratra hebreo satria izy lehibe tao an-dapan'ny Farao.

Raha tsy lehibe tany Chine ve aho tsy ahay hanoratra teny sinoa? :p

Angamba tsy izay no tiako niavina na hoe: Tsy izay rehetra mipetraka eto Behoririka akory dia mahay miteny Malagasy.

Fa teo amin'ny rafipiarahamonina fahagola sy vao taonjato vitsivitsy eny fa na ankehitriny aza dia nisy ilay fahamboniana. Ka ny tandapa ihany mianatra, ny havan'a drowns sy ny zanak'a driana ihany no ampianarana Ka lasa manampahaizana sy filaozaofa. Dia tamin'ny andron'i Mosesy, i Mosesy dia nota aim' your farao tao an-Dapany, Ka dia izay no tsy nahaizany nanoratra tamin'ny teny Hebreo.

Fa tsy hoe ny any Sina mianatra anglisy amin'ny internety akory
67. Miharena ( 25/05/2017 04:22)

rhaj0:

Tena efa bebe ihany ny toko aman'andininy ao @ Baiboly norasarasaina niaraka t@ namana teto.

Fa aleo apetrako mazava ny angatahako, ary tena iangaviana, @ Miharena izany ee..

1- raha tena efa "bien conçu" ao @ Miharena ao azany iilay resaka "Fanahy (Masina)", dia mba fintino kely eto @ fehezan-teny iray, na paragraphe iray, hoe ilay izy.
(tsy mila mivalampatra mamelatra toko andininy hafa indray, fa tena apetraho carré mazava eto fa tsy boribory eeee...)

2- raha tena efa "niainana" tao @ Miharena iilay naheno "bitsika" avy t@ Fanahy )(Masina), dia mba decriver-o hoe toatoa ny ahoana izy tao?? "bitsika" izany hoe, misy "feo" re ve?? Dia toatoa ny ahoana ilay "feo"?? miteny gasy? Feo beso?

(entre-pa: raha asianao condition hoe, mila mahay an'izao sy izao anie izy io, mety mbola ho ela vao ho hay, nefa ilay "bitsika" mety efa misidina eo, ka dia ho very eee.. tsy izay iantefan'ilay "bitsika" no very, fa ... mampalahelo ihany raha very ilay "bitsika" eee...)

Tsotra ihany no azo ambara aminao rhaj0. Ianao dia isan'ny mpandinika raha ny fahitana ireo sehon-kevitra ataonao eto.

Tsotra ny teny hoe : fantaro ny zava-drehetra ary tano mafy izay tsara.

Rehefa irinao ilay bitsiky ny Fanahy dia mivavaha dia miandrasa fa aza mitady AZY lavitra.

Hoy Jesoa/Jehovah hoe antsoy Aho dia hovaliako ianao.

Fa raha ny hoe momba ny fahazoana izany fahafenoan'ny Fanahy Masina izany no tantaraina, raha tsy miaina AO tsy afaka mamaritra azy. Fahatsapana HAFA mihitsy tsy mitovy amin'ny fahatsapana amin'ny fiainana andavanandro ary fifanakalozana mivantana no misy rehefa miasa ao amintsika ny Fanahy Masina. Izany dia miseho amin'ny feo, amin'ny zava-miseho, amin'ny bitsika hijery ny vontoatin'ny Soratra Masina ary koa ny vontoatin'ny tranga misy eo amin'ny fiainana andavanandro ary koa ny fahalalana zava-miafina mbola tsy naseho ireo izay minia mikimpy.

68. rhaj0 ( 25/05/2017 12:45)
Miharena:
Izany dia miseho amin'ny feo, amin'ny zava-miseho, amin'ny bitsika hijery ny vontoatin'ny Soratra Masina ary koa ny vontoatin'ny tranga misy eo amin'ny fiainana andavanandro ary koa ny fahalalana zava-miafina...

ok.. "mahare feo" izany i Miharena. Dia averina kely foana ihany ilay fanontaniana:
Dia toatoa ny ahoana ilay "feo"?? miteny gasy? Feo beso?
Na akoriny aza, tena mba iangaviana mafy ianao ry Miharena, hoe, ameo santionany, ohatra mivaingana, hoe inona no "nolazain'ilay feo" taminao. Dia efa isaorana mitafotafo mialoha anao.

(mety efa "nahare" koa ho'a izaho, na ny olona hafa, fa SAINGY "nahare fa tsy nihaino", satria ho'a, TSY mahalala hoe, "izay ilay feo", ary dia levona tao @ bruit de fonds. ka dia raha ampahalalanao tsara @ antsipirihany hoe, toatoa ny ahoana izao renao ao izao, dia mba mety ho ... manga ny lanitra eeee....)
69. Miharena ( 25/05/2017 13:18)

Efa ampy aloha ireo fa tsy afaka manome antsipirihany satria izay tsy mangetaheta feno bruits de fonds. Ny mpiady hevitra tsy mahare izany feo izany ary tsy afaka mahazo raha tsy manana saina sy fo mazava.

Rehefa misy miteny aminao fotsiny hoe IZY no AO AMINAO ary mitantana anao amin'ny lafiny rehetra, dia izay ilay FEO. Feno ianao miaraka AMINY ary mazava aminao daholo izay rehetra vakianao sy dinihinao miaraka AMINY.

Mahereza e!
70. rhaj0 ( 25/05/2017 13:43)
Ny henoNAO anie no iangaviana mba ho tantarainao. Averina indray, izao "feo" ren'i Miharena izao no angatahina an'i Miharena mba ho tantarain'i Miharena.

Fa TSY hoe, izay reKO (nefa tsy henoiko) no vabahana eee...

Fa miolakolana mihodikodina be i Miharena, ka TSY mahalaza akoriny hoe, inona izao feo ren'i Miharena ao izao.

Raha ny fahitako azy, dia TSISY FEO RE-n'i Miharena izany akoriny. TSISY. Fa i Miharena moa voasesika nampinoana, dia nino, fa "misy" hono izany "feo" izany, ary dia izay foana no averimberin'i Miharena eraky ny serasera eto.
71. Miharena ( 26/05/2017 04:30)

Ity fomba fanoratrao ity dia midika hoe tsy tsotra ianao rhaj0. Mamoron-kevitra amin'ny tenanao manokana ianao milaza hoe TSISY izay ren'ny hafa. Satria maka tohan-kevitra avy amin'ny tenanao ihany ianao.

Raha jerena dia lasa heverinao fa izay fiheverana ao aminao dia tsy azo hozongozonina na dia hisy fahagagana voalaza etsy sy eroa aza!!
72. rhaj0 ( 26/05/2017 12:49)
Tonga dia voasoketa ho "tsy tsotra" moa hono aho, hozy i Miharena, ka dia niverenako ny resaka etsy ambony... ngo dia izay tokoany.

Miharena 24/05/2017 12:43:
Rehefa tsy manaiky fa misy ny bitsiky ny Fanahy ...

rhaj0 24/05/2017 14:28:
io izany no foto-dresaka @ Miharena. Izaho moa TSY mahatakatra na Tsy mahare an'izany "bitsibitsika" izany.. Fa dia tena mba "tantarao" aminay eto hoe ry Miharena izay "bitsika" renao ao izao??

Ka io izany no niantombohan'ny fifanakalozana eee.. ka moa va mba "tsotra" ianao ao io ry Miharena ka "namaly ny fanontaniana", izay fiangaviana?

Toa tsy "tsotra" fa "niolakolana" i Miharena, ary h@ izao dia tena TSISY fitantarana teto ny @ izao feo ren'i Miharena ao izao.

Ka tena TSISY izany izao feo ren'i Miharena ao izao.
73. bor2lais ( 26/05/2017 15:55)
Miharena > miarahaba anao tonga soa eto indray e ! :-)
74. Miharena ( 29/05/2017 04:43)

bor2lais:

Miharena > miarahaba anao tonga soa eto indray e ! :-)

Bor2lais> Tsy nandositra lavitra kah! teo hatrany ihany fa sendra tsy afaka nanoratra loatra e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2087