Iray ihany ve ny Andrmntra ivavahana eto ee..

1. rhaj0 ( 25/04/2017 16:39)
Nakisako eto ity lohahevitra ity, fa tena mba liana aho ny hahalala ny valiny... raha sitrakareo.

Ka henjana be ny fifanakalozana eto matetika, ka dia mampanontani-tena hoe, tena IRAY ihany ve izao Andrmntra ivavahan'ny tsi11 eto io izao, sa tena SAMY HAFA??

RAha toa ka samy milaza ny Andrmntrany ho TOKANA, dia miteny ve ny tsi11 izany fa, izao Andrmntrany "tokana" an'azy ao izao, dia TSY (mitovy @) ilay Andrmntry ny andaniny??

Izany hoe TSY iray ihany ny Andrmntra, fa misy isan-karazany. ka raha eto fotsiny izany, dia
1- misy ny Andmntr'i RBNIR
2- misy ny Andmntr'i Irakiraka (sa ity mitovy @ ny an'i RBNIR?)
3- misy ny Andmntr'i RA TAN
4- misy ny Andmntr'i MIndaozy (sa ity mitovy @ ny an'i RA TAN?)
5- misy ny Andmntr'i Stahtam
6- etsetra...

Io izany dia efa misy 5 ny Andmntra (eto @ serasera eto); ary io azzany dia mbola ampian'ny Andmntry ny moslimo, sns...
novalian'i endriny ny 04/05/2017 13:13
2. irakiraka ( 26/04/2017 09:16)
Iray ihany kia ny Andriamanitra Ilay Tompon'ny Tompo, Mpanjakan'ny Mpanjaka.
Ilay nanome ny Zanany Lahitokana dia Jesosy Kristy ho Famonjena
Ilay miasa @ alalan'ny Fanahiny Masina.

Fa maro ireo andriamanitra tsy izy, maro koa ny fampianaran-diso, izay devoly no miasa ao ambadika ao fa vokatry ny tsy fahalalana dia maro no mirona any.


3. RBNIR ( 26/04/2017 09:39)
Maro tokoa ireo Andriamanitra miseho ankehitriny....

Izany indrindra no mahatonga an'Andriamanitra haniraka ny Anjely voalohany ao amin'ny apok.14

Hamerina indray ny olona rehetra ambonin'ny tany mba hitodika sy hiverina amin'ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA dia TSY IZA FA ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY....

VAKIO ATO

http://forum.serasera.org/forum/message/m579b976a9338c
4. rhaj0 ( 26/04/2017 10:51)
Ny fahitako azy, dia IRAY ihany tokoany ny Andrmntr'i RBNIR sy Irakiraka. Tsy iadian-kevitra.

Saingy... tena "mino" ve i RBNIR sy Irakiraka fa io Andrmntrareo io dia Andrmntry ny Moslimo koa? na fotsiny hoe, Andrmntry ry RA TAN?? Na koa Andrmntr'i Stahtam??

(ho an'i RA TAN sy Stahtam, dia aveeriko kely ihany fa dia antsoiko hoe Andrmntra Izy, fa mety hafa no fiantsoanareo Azy.. fa dia ahitsio raha sitrakareo)
5. RBNIR ( 26/04/2017 11:12)
rhaj0:

Saingy... tena "mino" ve i RBNIR sy Irakiraka fa io Andrmntrareo io dia Andrmntry ny Moslimo koa? na fotsiny hoe, Andrmntry ry RA TAN?? Na koa Andrmntr'i Stahtam??

Ny moslimo dia mihevitra marina tokoa fa hoe Andriamanitra iray ihany ireo (ry zareo dia nanavaka ny tenany hoe taranak'i Ismael,

Amin'Andriamanitra anefa dia "fijangajangana ara-panahy no ataon'izireo satria ny didy arahiny dia tsy mitovy intsony amin'ilay didy nomen'i JEHOVAH Andriamanitra hotandremana....

Ny tena marina dia tsy nandray an'i Jesosy Kristy ry zareo fa nandray an'i Mahomet kosa....

Amin'Andriamanitra dia fijangajangana ara-panahy izay....
http://forum.serasera.org/forum/message/m5704374e35428
6. rhaj0 ( 26/04/2017 12:19)
Ka ny Andrmmntry ny moslimo ve dia Andrmntrao ihany eee... izay ilay fanontaniana fa tsy hoe "ameo lamentation" sahaza ho anay zahay eto.

ka dia averina foana ny lohahevitra ee..
Iray ihany ve ny Andrmntra ivavahana eto ee..


Dia marihiko kely koa fa i Jesosy dia ao @ Quran, ary hajain'i Mahomet. Fanefa kosa i Mahomet dia hotry ny fady aminareo ny manonona na dia ny anarany fotsiny aza, ao @ ilay "vala" anareo ao.
7. rhaj0 ( 26/04/2017 12:25)
Ka siriko tatsy @ lohahevitra hafa tatsy..

RBNIR:
Ity no hivavahako!!! « Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy...

RA TAN:
... A/tr'i Abraham sy Isaka sy Yakob Izy: A/tr'i Samuelson Edward dia A/tray koa.

Ka dia Andrmntra IRAY ihany kay izany no ivavahan'i RBNIR sy RA TAN.

F'izany hoe, fa dia maninona loatra azany izy roroa ireo no mifanipatsipaka eto an-tsena toa io... misy tery izany...
8. irakiraka ( 26/04/2017 12:25)
"Dia marihiko kely koa fa i Jesosy dia" ....
Be fanamarihina kely koa ty madama kely tsy mpino ty :-)
9. rhaj0 ( 26/04/2017 12:28)
Ka toa tsy takatr'i Irakiraka kosa anie hoe i Jesosy ao @ Quran ee... Sa hainao io?

Raha hainao mantsy io, dia mety hafa ny fijerinao ny Moslimo, sy ny Andrmntry ny Moslimo.
10. RBNIR ( 26/04/2017 12:30)
rhaj0:

Ka dia Andrmntra IRAY ihany kay izany no ivavahan'i RBNIR sy RA TAN.

Ry RA TAN ihany anie no tsy manaiky an'io e! fa ny mason'ny maro dia......
11. RBNIR ( 26/04/2017 12:32)

rhaj0:

Ka toa tsy takatr'i Irakiraka kosa anie hoe i Jesosy ao @ Quran ee... Sa hainao io?

Raha hainao mantsy io, dia mety hafa ny fijerinao ny Moslimo, sy ny Andrmntry ny Moslimo.

marina izany ao i Jesosy fa saingy tsy raisiny tahaka ny fandraisan'ny kristianina Azy,

Amin'Andriamanitra dia fijangajangana ara-panahy ilay ataon'ny moslimo e!
12. rhaj0 ( 26/04/2017 12:36)
Ka ny Andrmntry ny Moslimo izany dia Andtmntrao koa ry RBNIR.. sa ahoana?
13. RBNIR ( 26/04/2017 12:44)
Raha manaraka tsara ity rohy ity ianao dia IZY mihitsy ange no miteny hoe miàla tao ianareo ry oloko e!


http://forum.serasera.org/forum/message/m5704374e35428

Ka raha IZY no efa miteny hoe olony (izaho indray v no hitsipaka).....saingy hoy IZY hoe mialà tao ianareo......(satria tsy tiany ilay mijangajanga ara-panahy)....
14. rhaj0 ( 26/04/2017 12:51)
Etsy ambony izany efa niaiky i RBNIR fa ny Andrmntr'i RA TAN dia Andrmntr'i RBNIR koa. Dia i RA TAN koa efa nilaza fa "A/tray koa" io.

Bravo.

Dia eto koa izany dia miaiky ihany i RBNIR fa ny Andrmntry ny Moslimo dia Andrmntr'i RBNIR koa (na dia misy resaka mijangajanga azany ao).


Letia ee... sokirina tahak'n'inona ry RBNIR, fa miodikodina tsy mety hiteny mihntsy eee... Fa sirika ihany farany e... Fa ny tsy azoko anie, dia maninona no tsy mahasaka miteny i RBNIR hoe:
IRAY ihany ny Andmntra ivavahan'ny rehetra ireo ee...

Nefa anie tatsy @ Sodoma izy teo, dia efa naparitak'ilay Andrmntra (tokana) ny olona samy hanao ny ataony any @ izay alehany any eee.. Izany hoe "olon'Andmntra" daholo hono ny olona. Izany hoe "Andmntra IRAY ihany" daholo no Andrmntry ny Olona.

Fa io moa absurde sy ridicule... ary dia voatsongotsongo ao ihany ny coco-ndRBNIR, ka dia miodikodina menatra io izy tsy mahasaka milaza fa
IRAY ihany ny Andmntra ivavahan'ny rehetra ireo ee...

15. RBNIR ( 26/04/2017 13:13)
rhaj0:

Fa io moa absurde sy ridicule... ary dia voatsongotsongo ao ihany ny coco-ndRBNIR, ka dia miodikodina menatra io izy tsy mahasaka milaza fa
IRAY ihany ny Andmntra ivavahan'ny rehetra ireo ee...

Ilay izy tsy mora tenenina otran'izay e,
Fantatrao v fa ny baiboly dia mampitandrina fa misy olona mitory JESOSY HAFA??? (nefa dia Jesosy ihany no toriany) saingy hafa????
16. rhaj0 ( 26/04/2017 15:00)
Inona no maha-sarotra ny miteny hoe:
Andriamanitra IRAY ihany no ivavahan'ny rehetra, na hoe TSY izany.
Raha tsy hoe, dia tena misy saina fangolika miasa mafy ao, ka te-hanamboamboatra (spin) ny resaka.

Fa raha zohiko izany, dia tena TSY mino an'izany Andrtmna IRAY izany, na i RBNIR na i Irakiraka, na i RA TAN na i Mindaozy ets... Hoy ianareo rehetra ireo hoe, raha ny fahazoako azy, ary ahitsio raha diso, sy raha sitrakareo, hoy ianareo rehetra (any am-po tsy miloaka), hoe:
TSY Andriamanitra TOKANA no misy, fa Andriamanitra MARO

Fa ny zava-dehibe aminareo, ary lazainareo miolakolaka giravy eo io, dia ny Andriamanitrareo no "tokana", @ dikany hoe "unique" sy "number one", sy miampy ilay dikany hoe "tena izy".
Izany hoe: Izy ilay "IRAY" = unique" = "number one"


Ny olana, na hoe tsy olana moa izany satria dia mampihomehy ilay izy... ilay izy dia hoe:
Ilay Andriamanitr'i Abrahama no resahin'izy rehetra ireo.


Ary dia hotry ny hoe... lasa nizara ho Andriamanitra maromaro izany ilay Andriamanitr'i Abrahama ee... Ary dia..
1- misy ny Andmntr'i RBNIR sy Irakiraka, izay unique = number one amin-zareo
2- misy ny Andmntr'i RA TAN sy i MIndaozy, izay unique = number one amin-zareo
3- misy ny Andmntr'i Stahtam, izay unique = number one amin-zareo
4- misy ny Andmntry ny Moslimo, izay unique = number one amin-zareo
5- etsetra...


17. RA TAN ( 27/04/2017 09:01)
Tena maro be ny a/tra ivavahan'ny karazan'olona maro manerana an'izao tontolo izao. Fa YAHOSHUAH ilay A/tra nahary ny zavatra rehetra. Ireo karazana a/tra sampy be dia be ivavahan'izao tontolo izao ireo dia namboarin'i YAHOSHUAH avokoa, ary mangovitra eo anatrehany avokoa ireo.
18. endriny ( 27/04/2017 10:53)
Izany a. Nyah izao Zanahary, tsy haiko izy na matahotra na mangovitra na mipararetra raha maheno an'io anarana yahoshua io na tsia. Mba tsy niresaka mantsy izahay ny momba an'izay.

Raha izaho manokana aloha tsy afaka ny hitompotena fatratra amin'ny hoe izao no tena marina ary ny an'iry no tena diso. Satria tsy misy Atra sy Zanahary na Yahoshua raha tsy nisy ny olona. Asa ireto kisoako ireto na mba mino hoe nisy Atra, Zanahary, Yahoshua nanamboatra izy?
19. rhaj0 ( 27/04/2017 11:17)
Ka ny kisoa anie ry Endriny no fanariana ny DEvoly eee.. i Jesosy en personne mihintsy no nanome ny fombafomba: alefa any @ kisoa ny devoly. Fa mety mahery izany ny Andrmntry ny Kisoa taty aoriana, satria tsisy mahavita mandefa ny Devoly any @ Kisoa intsony na ny Papa na i Hrnrn na i Yahoshua.

Fa nisy koa kay ny Andriamanitry ny Dinaozaoro. Tezitra mafy ilehio, ary dia naripakany ny Dinaozaoro. Io kosa aloha dia tena nahitana porofo, sisan-taolan-dinaozaoro, fa tsy sahala @ sambofiara Noah, tsy nahitana tapa-kazo akoriny.
20. endriny ( 27/04/2017 13:22)
Ny vorona, ny voay, ny bibilava, ny katsatsaka, ny ramanavy, ny trondro, ny angidina sns ireny mbola dinaozaoro daholo, ary mbola taranany.

Fa ilay sambo fiaran'i Noah aloha tsy dia haiko firy. Afa tsy ny hoe: tsy niaina an'io safo-drano io ny israelita, fa tany amin'ny lemaka asirianina no nisy an'io. Sady tsy misy hazo lehibe azo anaovana sambo any an-tany hefitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2372