Ny fivavahan-drazana mitaha amin'ny fivavahana kristianina

1. endriny ( 25/04/2017 13:34)
Maha lasa saina ihany ny rija fototra eo amin'ny fivavahan-drazana sy ny fivavahana kristianina. Tsy mitombona ve ny fivavahan-drazana ka mahatonga ny olona voatarika amin'ny fivavahana kristianina? Sa ny fototra iorenan'ny fivavahan-drazana no malemy?

Hatreto aloha dia mora ahodina sy vonoina ny fivavahan-drazana eto Madagasikara sy aty Afrika. Ny antony dia tsy misy fototra raikitra ara-tsoratra toy ny baiboly. Hany ka miova eny an-dalana ny tantarany sy ny rijany arakaraky ny mpisokela sy ny mpitankazomanga ary ny mpitantara. Io fanana fototra an-tsoratra io, na dia mifototra amin'ny angano aza no fahalemen'ny fivavahan-drazana aty amintsika.

Ny fanana an'io fototra an-tsoratra io kosa no mampahery ny silamo sy ny bodista ary ny hindoista. Satria afaka mampiady soratra amin'ny soratra izy.

Dia io antony io no an'isany hamafana ny tantara sy ny finoana aty amintsika. Fanahinian'ny mpikaroka sy ny mpitsikomba mihintsy aza ny hanafenana ny rakitra efa misy ho an'ny amin'ny toeram-pitehirizana manara-penitra, izay tsy jeren'ny sarababem-bahoaka.
novalian'i endriny ny 04/05/2017 13:23
2. irakiraka ( 25/04/2017 13:59)
Ny tena olana koa nge ry Endriny rehefa nandany ron-doho t@ iny foto-kevitra iray iny dia sahirana ny hijery fahamarinana hafa.
Fa izaho mbola manoro hevitra hoe ny fahamarinana dia Iray ihany. Jao 14:6 "Hoy Jesosy taminy: Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana)
Raha ny razana antsika malagasy no jerena dia nalaza nanam-pahendrena tokoa zareo. Tsy midika izany fa tokony hivavahana satria na t@ fahavelony aza mety tsy nahavita namaha ny olany akory izy. Mety nanana ny fahalemeny izy (toetra ratsy, mety mpijangajanga beu, sady reny ol taloha ireny hono tsy laitra mitsy hih).
Fa raha hivavaka ihany aho dia Ilay Tsara Indrindra no anankinako ny ho aviko. Ilay Velona mandrakizay. Ny velona mantsy no afaka mandre, manam-pahefana hanafaka.

3. rhaj0 ( 25/04/2017 14:03)
Izaho indray anefa mihevitra fa "miaina" ny fi(s)ainana eee... miovaova araka ny firosoana sy fivoarana sy fahalalana sns...

Koa raha "miova eny an-dalana ny finoana" dia.... tena normal be mihintsy amiko ny iovany, ary tokony ho izay akoriny azany no lalam-piainana.

Satria ilay "finoana/fivavahana" dia napetraka mba ilaminan'ny fiaraha-monina. Koa raha mivoatra miroso ny fiaraha-monina, dia tokony torak'izay koa ny "finoana/fivavahana".


Ny mifanohitra @ izany, dia io iaraha-mahita io, fa ilay "voasoratsa dia voasoratra", dia efa hita foana io fa "gaigy", satria dia @ lojikan'ny tantara sy jeogirafia t@ namoronana azy, nefa dia mbola betsaka ny manao fiki-maty amin'azy ao foana.


Fa na izany aza, dia ilaina ihany ny nametraka an-tsoratra izao "fivavahan-drazana" izao.. hakana inspiraka... raha misy azo raisina ho inspiraka.

Fa dia efa isaorana mialoha i Endriny raha hamelabelatra eto ny @ "fivavahan-drazana".
4. bor2lais ( 25/04/2017 14:38)
endriny:

Hatreto aloha dia mora ahodina sy vonoina ny fivavahan-drazana eto Madagasikara sy aty Afrika. Ny antony dia tsy misy fototra raikitra ara-tsoratra toy ny baiboly. Hany ka miova eny an-dalana ny tantarany sy ny rijany arakaraky ny mpisokela sy ny mpitankazomanga ary ny mpitantara. Io fanana fototra an-tsoratra io, na dia mifototra amin'ny angano aza no fahalemen'ny fivavahan-drazana aty amintsika.

:-)
Ka toy ny vala tsy misy fefy ve izany ilay izy na mety nisy ihany fa efa lo araka ilay lazainao ? :-)
5. endriny ( 25/04/2017 14:48)
Lo tokoa ilay vala.

Satria vala naorina tamin'ny fifampitokisana am-bava ilay izy fa tsy niorina tamin'ny taratasy. Ka io moa izay mahay manoratra ihany no mandresy dia resy tamin'ny vala taratasy izany ny vala rora
6. rhaj0 ( 25/04/2017 16:25)
Tsiriho ato @ FB-n'ny Malagasy Ve ianao ny @ Ambondrombe
https://www.facebook.com/Malagasyveianao/?hc_ref=NEWSFEED

MISITERIN'AMBONDROMBE:
Araka ny fitantaran'Andriamatoa Latimer Rangers

Raha faritana tsotsotra ara-jeografia, manolotra avaratry ny tendrombohitra Andringitra, ao anatin’ny distrikan’i Ambalavao Tsienimparihy, no ahitana an’Ambondrombe. Ny kaominin ’Ambohimahamasina no mamaritra azy, izay sahabo ho 50 km miala ny tanànan’Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony.Ny taona 1970 ary, tapa-kevitra ity mpanao gazety nahavita fitetezana be indrindra an’i Madagasikara ity fa hihanika ny tampon’Ambondrombe.....

7. endriny ( 26/04/2017 16:06)
jereo eto Ito misy tantaran'Ambondrombe, araka ny lovantsofina teo Ambohimahamasina sy ny manodidina

8. irakiraka ( 27/04/2017 06:43)
Raha ny hevitro @ maha mpino ahy dia izao e: izaho Malagasy, izaho manana ny razambe-ko fa t@ fotoana izay nanapahako hevitra fa hanara-dia an’I Jesosy dia ny sitra-pon’Andriamanitra lo no banjiniko mialohan’ny zavatra rehetra

Misy ny fomban-drazana izay tsy mifanipaka @ sitrapon’Andriamanitra (ohatra: mamangy @fahoriana, manome solon-damban’ny maty)
Misy kosa anefa ireo izay tena mifanohitra ee. Ka na dia nisy fotoana aza aho tena nifaly niaraka t@fianakaviana miara mihira an’lay oe aaaizaa ny zana-drazanee, miaraka @ lé vary be menaka ;)…. Rehefa ny lanitra no tanjona dia mila mahafoy izay fomba tsy izy (izay tsy moramora an) satria izay ilay hoe: “Midira @ vavahady ety ianareo, ..., fa ety ny vavahady ary tery ny lalana izay mankany @ Fiainana” Mat 7:13-14

Fahendrena, fitiavana RaR, kolontsaina no hevitra hitondrana azy io fa misy fahendren’izao t izao izay fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra 1Kor 3:19

Dia tena misy tezitra ny fianakaviana an (azoko tsara mintsy). Fa izay ilay voasoatra ao @ Matio 10:32-36 (azonao vakina)

Ka ho anao (mpino) an izay mbola miasa saina, efa ho ririnina mantsy ty ny andro, mivavaha mafy mba ny Tompo anie hanokatra ny masom-panahy

Afaka mba ampian’ireo namana nateraka indray koa ve hoe tsy mila voa tsy ary ny Tompo fa inona no antony tsy ankasitrahany ny fivavahana @ razana ...
9. endriny ( 27/04/2017 10:28)

irakiraka:

Misy ny fomban-drazana izay tsy mifanipaka @ sitrapon’Andriamanitra (ohatra: mamangy @fahoriana, manome solon-damban’ny maty)


1 i Irakiraka ve mamaky baiboly sy TV ary manaraka ny fampianaran'ilay krstosy sa ahoana e? I Jesosy mihintsy no nilaza ny hoe: "avelao ny maty handevina ny maty ao aminy". Tsy navelan'i Jesosy andeha hanampy ny olona amin'ny fahoriana ilay ranamana raha te hanaraka azy. Sa tsy ao anaty baiboly indray io.

irakiraka
Misy kosa anefa ireo izay tena mifanohitra ee. Ka na dia nisy fotoana aza aho tena nifaly niaraka t@fianakaviana miara mihira an’lay oe aaaizaa ny zana-drazanee, miaraka @ lé vary be menaka ;)…. Rehefa ny lanitra no tanjona dia mila mahafoy izay fomba tsy izy (izay tsy moramora an) satria izay ilay hoe: “Midira @ vavahady ety ianareo, ..., fa ety ny vavahady ary tery ny lalana izay mankany @ Fiainana” Mat 7:13-14
[/quote:


Aza mampihomehy re rey olona a. Tsy misy miteny mihintsy ao hoe aza mamadika na aza manao vary be menaka. Asa raha mba hainao fa ny nahafantarana voalohany hoe nitsangana tamin'ny maty i Jesosy dia noho ireo vehivavy nandeha mba hanao adidy tamin'ny faty efa nalevina.

[quote=irakiraka
Fahendrena, fitiavana RaR, kolontsaina no hevitra hitondrana azy io fa misy fahendren’izao t izao izay fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra 1Kor 3:19

Dia tena misy tezitra ny fianakaviana an (azoko tsara mintsy). Fa izay ilay voasoatra ao @ Matio 10:32-36 (azonao vakina


Miala satroka aho amin'ireto dika vilana ireto ry Irakiraka a

I Jesosy indrindra no tsy tia ny RR sy ny fianakaviany: 1) 12 taona izy t@ zay ary notadiavin'ny RR fatratra. Rehefa hita izy dia hoy izy: "manao ny asan'ny Raiko aho". 2) 30 taona izy dia mba niangavy azy ny reniny fa lany ny divay, tonga dia novinvavingainy tamin'ny teny mahery hoe: Ravehivavy. 3) 30 taona izy tamin'izay ary tadiaviny havany sy ny reniny dia hoy indray izy: Fa iza no moa no reniko sy rahalahiko.... 4) 33 taona izy dia mba nitsetra azy reniny fa nampiajliana ho faty izy dia hoy izy hoe: ravehivavy, aza mitomany ahy akory, fa indroa ny zanakao

Ka asa re .
10. endriny ( 27/04/2017 10:33)
Ka ny hitako tena nampitindra ny fiaraha-monina ara-drazana dia ny fandalana ny fizokiana sy ny Ray aman-dReny.

Ny fivavahan-drazana indray dia tsy mba mifototra amin'ny fahotan'ny tena sy ny tsy fahalavorariana, fa nataova isaorana sy ankatelemana ary angatahan-tsodrano avy amin'i Zanahary
11. rhaj0 ( 27/04/2017 10:50)
endriny:
Ka ny hitako tena nampirindra ny fiaraha-monina ara-drazana dia ny fandalana ny fizokiana sy ny Ray aman-dReny.

Ity kosa aloha dia tsy mba hanome inspiraka amiko mihintsy. Ka mety zandriny koa angamba aho tao @ fianakams, ka dia lasa nanohitra ilay zoky; ilay zoky @ io nanohitra ny RaR (krizy d'ado). Dia io ho'a ilay ataonay fihomehezana, rahefa mitrena ireo lehibe hoe, tsy manaja ny experience vecue, dia ampianay ao ambadiky ny lamosiny hoe, vecue par un con.

Ny fandalana lalaiko dia ny fandalana ny lalAna sy izay fifampitondrana notinapaky ny fiaraha-monina, izay miorina @ fitovian-jo sy saranga, na inona fiaviany, fironany (ara-tsex), na sex-ny, na taonany, ...

Efa hainao ny sexism, fa ny Ankizy ankehitrio koa dia efa mahalala tsara ny
ageism = prejudice or discrimination on the basis of a person's age.

endriny:
Ny fivavahan-drazana indray dia tsy mba mifototra amin'ny fahotan'ny tena sy ny tsy fahalavorariana, fa nataova isaorana sy ankatelemana ary angatahan-tsodrano avy amin'i Zanahary

Ity no manome inspiraka.. Ilay hoe, rahefa hanao raha, dia ampazahoana ny Andrmntra sy ny Razana, SY koa izay "Fanahy Ratsy"... dia milamina ny tany.

Ka io mamimgavinga ireo "Fanahy Ratsy" ireo ihany no vao mainka anaovan'ilay "Fanahy Ratsy" ny ataony. Io anie dia @ ilay fitenenana hoe, ny lehibe no miady dia ny ankizy no voaporiporitra eee..

Ireo "Fanahy TSara" sy "Fanahy Ratsy" no tsy mifanaraka any @ izay misy azy aby any, dia Raolona aty no miantoka.

(Anaty fonosana fa @ maha-Atheist ahy, dia TSY mino izay Fanahy Tsaratsy any aho, fa ao @ imagination collective daholo izany. Mba mametraka ny resaka @ fijerin'ny Mpino azy fotsiny aho io)
12. endriny ( 27/04/2017 11:10)

rhaj0:

endriny:
Ka ny hitako tena nampirindra ny fiaraha-monina ara-drazana dia ny fandalana ny fizokiana sy ny Ray aman-dReny.

Ity kosa aloha dia tsy mba hanome inspiraka amiko mihintsy. Ka mety zandriny koa angamba aho tao @ fianakams, ka dia lasa nanohitra ilay zoky; ilay zoky @ io nanohitra ny RaR (krizy d'ado). Dia io ho'a ilay ataonay fihomehezana, rahefa mitrena ireo lehibe hoe, tsy manaja ny experience vecue, dia ampianay ao ambadiky ny lamosiny hoe, vecue par un con.

Ny fandalana lalaiko dia ny fandalana ny lalAna sy izay fifampitondrana notinapaky ny fiaraha-monina, izay miorina @ fitovian-jo sy saranga, na inona fiaviany, fironany (ara-tsex), na sex-ny, na taonany, ...

Efa hainao ny sexism, fa ny Ankizy ankehitrio koa dia efa mahalala tsara ny
ageism = prejudice or discrimination on the basis of a person's age.


Ny fiarahamonina niainanao, izay efa voasasan'ny fototra kristianina no nahatonga an'io Rhaj0 a. Izay no maha hafakely ny any anindrana. Ny any ohatra vao tonga fadim-bolana ny ankizivavy dia efa atokana trano, ary omena vola manokana andehanany mividy ny tinafy, satria efa hain'i RR fa manomboka mila lehilahy izy. Ny tovolahy indray rehefa manomboka vakifeo.

Eo amin'ny rafitra rehetra dia io fizokiana io no mametraka ny rindra sy ny lamina matetika: oh ny mpianatra sy ny mpampianatra, oh ny Papa na ny Filoha dia fetran-taona apetraka mihintsy amin'ny fisafidianana azy fa tsy hoe repoblika faha-4 fa ataovy 20 dia azo fidiana ho filoha e.
Oh. Eo amin'ny miaramila dia tsy hisy mihintsy hoe zandrikely 14 e prom indray no jeneraly alohan'ny 7e prom.

Ka tsy gaga isika raha mifanalika ny eto andrenivohitra satria na misy olona lehibe aza eo tsy misy izay andeha hanaja azy intsony fa ny hamaly ihany no mahamaika.

Moa koa ny RR Malagasy kristianina mihintsy no masiaka.
13. irakiraka ( 27/04/2017 12:12)
Tsy @ fahaizana na fahalalàna (manokana) nge no andikana io Tenin’Andriamanitra io.
Indrindra ny tena fa mino zanahary. (kay mo lay zanahary no fivavahan-drazana zany ?)
Fa manararaotra aho ho an’ireo izay mahatsiaro antsoina hoe kristianina (@ ankapobeny moa zany), fa samy hafa zany zanahary sy Andriamanitra tsy toha zany.
Tsy azo atambatra ireo.

Ilay Andriamanitra Ray @alalan’I Jesosy Kristy dia Dieu saro-piaro. Saro-piaro ny @fanahiko. Sarobidy aminy tokoa ny fanahiko, ka nahatonga nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana ny Fiainana Mandrakizay
@ fotoana ianao misafidy ho zanak’Andriamanitra dia mila misaraka @ fivavahana hafa na razana io, na zanahary, na vato, na hazo, na rano sns sns

Eto dia mifona manala satroka hozy Endriny zay fa izay omenao toerana ambony noho Andriamanitra eo @ fiainanao dia sampy no iantsoana azy.
14. rhaj0 ( 27/04/2017 12:28)
RBNIR:
na misy olona lehibe aza eo tsy misy izay andeha hanaja azy intsony fa ny hamaly ihany no mahamaika.

Ohatra izany, Ingahy Trump izay efa mihoatra ny 70 taona no "olona lehibe" mendrika ny ho pezida?? na dia efa fantatra mialoha azany ny toetran'alikany, ary dia io iaraha-mizaka io ny vokany izao???

(tsiriho ato fa naraviko ao ny @ Trump,
https://rahampitso.blogspot.ca/2017/04/youve-been-trumped-4.html
15. endriny ( 27/04/2017 13:12)
Aoka aloha hazava fa rafitra ankapobeny no narosoko teto ny @ fizokiana, fa tsy hoe tranga miavaka ohatra ny Trump aloha e.

Na izany aza ny Ntaolo dia efa nahita fa misy ny olona sasany : "manao fahanteran'amboa ka Antitra vao misary gaigy "

Efa hitan'ny Ntaolo io tranga manokana io kay
16. endriny ( 27/04/2017 13:54)
Ny Malagasy rehefa hanao zavatra dia mangata-pitahiana, ka toaka sy vatomamy na vola madinika no aterina ho an'i Zanahary, na koa akoho, ondry na mijoro omby mihintsy. Rehefa vita izay natao dia manao fisaorana. Ka zavatra toa ireo taloha ihany no aterina na arakaraky ny voady natao.

Fa dia misy toaka foana aloha a. Tia toaka be i Zanahary. Ohatran'i Jesosy tia divay ihany.
17. rhaj0 ( 27/04/2017 14:32)
irakiraka:
Ilay Andriamanitra Ray @alalan’I Jesosy Kristy dia Dieu saro-piaro. Saro-piaro ny @fanahiko. Sarobidy aminy tokoa ny fanahiko, ka nahatonga nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana ny Fiainana Mandrakizay

Mba tena noeritreretinao ve ny dikan'io ataonao pli-vava io ry Irakiraka, sa tena rahefa averimberina ny lamentation dia lasa mitombona sy manjabe @ farany???

Dia ny fanahinao, eny ilay anao irery ao io, dia noho ny aminao, sy ny mitovy (finoana) aminao izany no "namonoana" an'i Jesosy t@ l'an zero??

Hoe, hozy Andrmntra hoe, ndao vonoina i Jesosy aloha. Dia avy eo atsangana @ maty. Dia @ izay dia avotra koa ny mpino toa Irakiraka.

18. irakiraka ( 28/04/2017 08:07)
O ra Endriny .....
Aza d manamafy fo fa andramo ihany ka izahao. Ao @ Tompo na @ fotoana inn no miantso azy dia eo Izy. Tsy mila fombafomba no anatonana azy fa fanoloran-tena.
Andriamanitra mahefa Izy. "Nandefa ny Teniny Izy mba hahasitrana" Sal 107:20

Isika mila tahiana isan'andro. Dia hitady toaka isan'andro ho an'i zanahary ianao?
Ankoatry ny fitahiana ny fiainana. Tsy manana hetaheta handova ny lanitra v ianao?
Ny fanompoan-tsampy dia ahazoana ozona satria fandrafiana an'Andriamanitra.
Ary ny fiafaràny dia ho very any @ helo raha tsy mibebaka.
Mifona lo fa tsy maintsy tenenina ihany ny marina ....
19. irakiraka ( 28/04/2017 08:18)
Io averimberiko io no atao hoe filazan-tsara ra Rhaj0.
Efa natao hamerina an'io mitsy ny vavako ;) (aza iasana saina fa tsy azonao zany)
" Fa ny teny ny @ hazo fijaliana dia fahadalana ny @ izay ho very " IKor 1:18
20. rhaj0 ( 28/04/2017 11:06)
Entre-pa aloha fa tsy dia tena mazava ny Baiboly famakinao izany ry Irakiraka. Jereo nefa ny an'ny Katolika
1 Korintiana 1:18Fa hadalana ny fampianarana ny amin'ny hazo fijaliana ho an'izay very,
=== "fampianarana" fa tsy "teny"

ary jereo koa ny an'ny frantsay
1 Corinthiens 1.18 Car la prédication de la croix est une folie pour ceux qui périssent;
=== "predication" = enseignement.

Asa raha hitanao fa TSY MITOVY mihintsy ny resaka.. Sa navilambilanao indray re ry Irakiraka ny soratra tao @ Baiboly? Sa ny Baibolinao mihintsy no hotrhotrany?.. ka ny pli-vavanao izany toa mivilana kouh...

hitako akia ndry no misahotaka (confuse) foana eto :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2441