ILAY VALA TOKANA

21. rhaj0 ( 26/04/2017 11:11)

Ka ho an'i RBNIR sy Gasy1zay izany, ny Leglizy (Katolika) sy ny Fiangonana (Protestanta) ohatra dia TSY ilay "vala tokana" velively, fa ilay anareo ao no izy??

22. RBNIR ( 26/04/2017 11:43)
rhaj0:

Ka ho an'i RBNIR sy Gasy1zay izany, ny Leglizy (Katolika) sy ny Fiangonana (Protestanta) ohatra dia TSY ilay "vala tokana" velively, fa ilay anareo ao no izy??

Mbola tsy niteny aho hoy aho hatreto fa dia io indray ianao amin'ilay mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko rhajo a!
23. rhaj0 ( 26/04/2017 12:21)
Mbola mametraka fanontaniana aho hoy aho hatreto, fa dia io indray ianao fa mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko RBNIR a!
24. rhaj0 ( 26/04/2017 13:58)
Fa dia tsy mahasaka mamaly fanontaniana i RBNIR eee... Fa dia ahoana loatra. Mahamenatra ve ny foto-kevitra (nampianarin'i Hrnrn ao)

Fa dia io ahantoko io izany ilay izy ee..

Ka ho an'i RBNIR sy Gasy1zay izany, ny Leglizy (Katolika) sy ny Fiangonana (Protestanta) ohatra dia TSY ilay "vala tokana" velively, fa ilay anareo ao no izy. Teboka.
25. endriny ( 26/04/2017 16:13)

RBNIR:

Ka izay mihitsy no anton'ny lohahevitra mifanipaka satria mbola samy mihevitra ny tenany ho samy hafa dia tsy mety miditra ao anatin'ilay vala tokana.....

Tamin'ny andron'i JK tsy otran'izany fa na teo ary ireo fiangonana maneran-tany dia fahamarinana 1 no niarahana nanantanteraka....


Ka tsy lalan-tokana ange ry RBNIR no mankany Raoma e. Fa izay ahatongavana any fotsiny no tanjona. Noho izany tsy misy afaka milaza hoe iry no mety na iry no tsy mety.

Raha te ho Tanjombato aho ka miala eto Anosy: Iza no miteny aminao fa tsy tonga any Tanjopmbato aho raha tsy mandeha taxibe na taxi? Afaka mandeha tongotra aho, na mamonjy Lemizo amin'ny 4 maraina, na mandeha skotera, na bisikileta.

Dia hiteny ve ianao hoe diso na tsy mety na tsy marina rehefa tsy mandeha taksibe na taksy?

Sady teoria ange hoy ianareo ny finoana e. Noho izany tsy misy diso. Samy tsy misy porofo

Atra raha teo tsy mety miteny mihintsy hoe iry no diso na iry no marina

Jesosy tsy nanafatra hoe manangana fiangonana
26. RBNIR ( 27/04/2017 08:30)
endriny:

Ka tsy lalan-tokana ange ry RBNIR no mankany Raoma e. Fa izay ahatongavana any fotsiny no tanjona. Noho izany tsy misy afaka milaza hoe iry no mety na iry no tsy mety.

Diso izany endriny a! ny tanjona dia any amin'ilay FIAINANA MANDRAKIZAY (VIE ETERNELLE)....

Ato amin'ity tany vaovao misy tanana vaovao izay tsy amboarin-tanana fa alatsaka avy any an-danitra ity....


« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apokalypsy 21:1)
« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apokalypsy 21:2)
27. endriny ( 27/04/2017 10:43)
Ka tsy i Jesosy no niteny izany re ry RBNIR fa i Jaona Apokaliptika a.

Naniraka ny mpianatra andeha hitory i Jesosy. Dia niverina ny mpianatra ka nilaza hoe:" tena misy olona mitory toa ny zavatra toriantsika koa any ry mpampianatra"

Izany hoe eto izany kay

1) efa nisy zanak'Atra hafa nampianatra koa kay fa tsy nanao TV ry zareo angamba.

2) mazava io tantara io fa tsy tokana ny mankany raoma satria hoy i Jesosy hoe: "mandeha any amin'ny toeran-kafa raha efa misy mpitory any amin'ny nanirahako anareo"
28. rhaj0 ( 27/04/2017 10:56)
endriny:
Naniraka ny mpianatra andeha hitory i Jesosy. Dia niverina ny mpianatra ka nilaza hoe:" tena misy olona mitory toa ny zavatra toriantsika koa any ry mpampianatra"

TEna ampazahoy toko aman'andininy nitatitra an'io hoe ee..

Zava-dehibe io, satria... raha marina io, dia milaza izany, raha ny fhazoako azy, fa "niresaka" t@ olon-kafa (ankoatry Jesosy) koa izany i Andmntra.

Ary io tsy voatery ho olona tao @ Moyen orient tao foana izany, fa ... mety any Dago.. toa an'i Samuelson :-)
29. endriny ( 27/04/2017 11:11)
Tena tsy dia haiko ny toko sy andiny koa
30. endriny ( 27/04/2017 13:27)

RBNIR:

Diso izany endriny a! ny tanjona dia any amin'ilay FIAINANA MANDRAKIZAY (VIE ETERNELLE)....

Ato amin'ity tany vaovao misy tanana vaovao izay tsy amboarin-tanana fa alatsaka avy any an-danitra ity....


« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apokalypsy 21:1)
« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apokalypsy 21:2)



Nofin'ny tsy ampy divay io sa nofin'ny boboky ny divay
31. RBNIR ( 27/04/2017 15:00)
indice fitadiavana ilay vala tokana ireto (misy point commun) Ireo olona nitory fahiny dia voairaka mivantana avokoa fa tsy hoe naniraka ny tenany akory.....

I Jesosy ohatra raha niteny hoe : « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Voairaka mivantana i Jesosy hampianatra fa tsy hoe naniraka ny tenany akory....


I jaona mpanao batisa koa izao raha niteny hoe...« Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jaona 1:33)

Voairaka mivantana i Jaona mpanao batisa (tahaka an'i mosesy fa tsy hoe naniraka ny tenany akory)

I paoly koa ohatra raha niteny hoe « Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Galatiana 1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Galatiana 1:12)

Voafidy sy nampianarina mivantana (tahaka ireo apostoly 12 lahy teo aloha ihany koa i paoly fa tsy hoe naniraka ny tenany akory.....

Ireo natao mpitory sy mpiandry vala araka izany dia tsy maintsy koa olona iray na maromaro (ny apostoly taloha 12) izay irahina mivantana sy ampianarina mivantana (tsy misy mpanelanelana) fa tsy hoe maniraka ny tenany akory.....
32. rhaj0 ( 27/04/2017 15:22)
Ka i Pasitera atsy @ valabe Protestanta, na i Mopera atsy @ valabe Katolika izany ve ry RBNIR dia "TSY voahiraka mivantana", fa kosa nirahin'ny Foibe sy Vatican... Izay ve no tianao lazaina???
33. RBNIR ( 28/04/2017 04:59)

rhaj0:

Ka i Pasitera atsy @ valabe Protestanta, na i Mopera atsy @ valabe Katolika izany ve ry RBNIR dia "TSY voahiraka mivantana", fa kosa nirahin'ny Foibe sy Vatican... Izay ve no tianao lazaina???


« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asan'ny Apostoly 17:30)


Amin'izao androntsika izao izany fahamarinana izany vao amianarin'i Jesosy indray.....

Tsy jerevana ny vita rehetra tany aloha (ny olona tsy tsaraina amin'ny zavatra tsy fantany)...

Fa ankehitirny kosa Andriamanitra dia mitaona ny olona rehetra hiverina amin'ilay tsy misy kilema.....
34. bor2lais ( 28/04/2017 06:30)
:-)
gasy1zay:

Tsy mbola nitombo t@ fahalalana tsara foana ve ianao RBNIR nandritry zay tsy nandalovako teto izay?

:-)
35. irakiraka ( 28/04/2017 07:13)
bor2lais tia mitsiky ataontsika hoe vava
Rbnir tia manoratra ataontsika oe tanana
gasy1zay ataotsika hoe inn re (za koa vaovao d zay vao nahita ani gasy1zay) saina ohatra?
irakiraka ohatra oe akihikely hih

Maro ny momba ny tena
36. RBNIR ( 28/04/2017 07:24)
Ny tena tsy misy kilema dia IZy mivantana no mampianatra azy tsy misy mpanelanelana....
37. irakiraka ( 28/04/2017 07:35)
...Mila fitaovana mahery ampiasaina, takan'ny siny hoditra vaovao, nofenoina divay :)
38. rhaj0 ( 28/04/2017 11:17)
irakiraka:
bor2lais tia mitsiky ataontsika hoe vava
Rbnir tia manoratra ataontsika oe tanana
gasy1zay ataotsika hoe inn re (za koa vaovao d zay vao nahita ani gasy1zay) saina ohatra?
irakiraka ohatra oe akihikely hih

Maro ny momba ny tena

mbo tso-po (humble) koa ianao izany ry Irakiraka, ka hoe ianao no akihikely.. ianao mipelipelika be io ve dia akihikely fotisny :)
39. rhaj0 ( 28/04/2017 11:27)
RBNIR:
Tsy jerevana ny vita rehetra tany aloha (ny olona tsy tsaraina amin'ny zavatra tsy fantany)...

Taiza nisy an'io "fampianarana" lazainao io ao @ Baiboly ry RBNIR, f'aza mba mamoromporona eo. Ameo toko aman'andininy mihintsy... ntss... raha hahita eo ianao.

Sady @ izay ilay "valabe katolika/protestanta" angaha "tany aloha"??

Avilambilano eo ihany ny "fampianarana" ry RBNIR, dia tohizo ny belazaonao, ka hoe, ilay "mivilambilanao" io no "tsisy-kilema" eee...
(menatra anao RBNIR mihintsy angamba i Jesosy ao ambany rangolahy ao)
40. RBNIR ( 28/04/2017 11:36)
« Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. » (Amosa 3:7)


Mampahafantatra tsara IZY aloha....Miala nenina mafy dia mafy mihitsy.....rehefa tsy mety mino izay IZY vao......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4767