You are here: home > Forum

Inona ny pub hitanareo etsy @ ankavanana io

Lohahevitra : Informatika
Fitohizan'ny hafatra : Inona ny pub hitanareo etsy @ ankavanana io
Valiny : 8
rhaj0 - 18/04/2017 15:36
TEna mba liana aho hoe, inona no hitanareo tsi11 aby any, @ ilay pub etsy @ ankavanana @ takelaky ny serasera eto io.

Ny hitako izao dia hoe "Muslim and Single?"; toa izao:

https://tpc.googlesyndication.com/daca_images/simgad/11683049976813705121

Raha izay, dia tena hoe, heverin-drizareo ho
- Moslimo aho ve izany, na hoe tia Moslimo
- lehilahy ary mitady sipa

(tena misy karazany 2 na 3 no atolon-drizareo ahy, ary samy izay lohahevitra ziay; ny iray dia hoe "Date Arab Woman"
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 19/04/2017 01:37
Tena tsy matiko lolo fa tena ampazahoan'i google foana toa iretsy sary etsy ambany ilay takelaky ny serasera rahefa sokafako ee..

Fa mety hoe 'izaho" no cibler-ny'ilay pub. Nefa koa, ngo dia ny serasera no heverin-drizreo ho seraseran'ny "lehilahy moslimo mitady vady' koa ee ?? Ka mba lazao ho'a toatoa ny inona no hitanareo ao.

Ny tena manahirana mantsy, dia @ izao andron'i Trump izao, dia rahefa mandalo douanes ho any USA zahay, dia afaka angatahan-drizareo ny facebook sy ny password ohatra. Dia mety ho hitany any izany ny profil internet"-ko. Ka raha lehilahy moslimo mitady vady" no ahitany ahy, dia ... hihinan'ny tsakaokany aho izany!!..

https://tpc.googlesyndication.com/daca_images/simgad/16604138663421009082
https://tpc.googlesyndication.com/daca_images/simgad/2357268850277873815
https://tpc.googlesyndication.com/daca_images/simgad/1713127629126965076
https://tpc.googlesyndication.com/daca_images/simgad/10912600865309506273

Valio | Miverina eny ambony
hery - 19/04/2017 10:34
loll

Tena miankina am'zay zavatra mahaliana sy jerenao isanandro ihany io an.

http://forum.serasera.org/media/images/m/920e16586f9d35c2ed2e70cd987488e4.png
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 19/04/2017 12:48
hi hi hi... eny azany fa mijery viavy aho eto @ internet eto eee.. c'est normaaallll

Fa ilay "arabo/moslimo" kosany no tsy azoko satria dia tena TSY mijery izany aho. Ka io ve ny serasera no heverina hoe "arabo/moslimo"?? Sa indray ilay "rhaj" no moslimo??

Ny olana ho'a dia io Trummp trump-ndoza io.. Raha vao arabo/moslimo ianao, dia efa hafa no fijerin'ny olona (trumpiste) anao, nefa tsy ilaozan'izay adala any @ izay aleha (douane).

Tsaroako nisy namako tany FR tany hono, dia hoe, mila miova fitafy (style) mihintsy hono, @ izay tsy afangaroan'ny olona @ Arabo.. Ka dia ahoana izany no ataoko hamitahana ny robot-ndrilerony eto @ internet eto? isan'andro izany mody manokatra site-na baiboly?
Valio | Miverina eny ambony
hery - 20/04/2017 10:46
loll

Andao atao hoe ilay fiteny angamba? Pub google io, mety rehfa mijery site hafa koa dia ireo no mitranga fa tsy dia misy ifandraisany loatra amin'ny serasera.
Valio | Miverina eny ambony
booboo - 20/04/2017 15:37
pub air france, airbnb, vols pas cher pour xxxx. Mamofopofona vacances
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 20/04/2017 18:41
Naheno resaka t@ radio aho @ io pub voyage io. Dia hoe, ilay pub amen-dreo anao io "hono", dia tolorany @ lafolafo aloha hono ianao. Dia raha miodikodina ianao fa tsy voajono, dia izay vao ameny mora koakoa. Nefa indray misy koa milaza fa raha vao ela fikenona ianao, dia miakatra miakatra indray..

'nga tsy mandaginina.. tsy hay intsony izy ity..
Valio | Miverina eny ambony
booboo - 21/04/2017 14:01
(Ny an'i Air France, tsy haiko raha zà irery no tratran'izay, fa rehefa tonga ary @ " payer " @ zay dia lazainy fa misy olana ara-teknika dia mila miantso an-tel. Niantso tokoa, tonga any @ faran'ny raha dia hiova serveur ouz fa bloqué tokoa ny bla² mahandrasa kely. Avy teo, finallement tsisy intsony ilay vol aller @ ora nofidiako izay no tsy nampety ny raha teo et bla², fa ireto misy propositions ora hafa. Evidahoazy, manatombo 200 euros mihoatra aby ny ora atolony...)
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 21/04/2017 19:38
entre-pa ry Hery, fa mandehandeha eraky google sns ihany aho, fa tena tsisy manome ahy "arab woman" mihintsy na ny pitiny azany. Ny serasera irery no manolotra arab woman!!!

Fa mety marina ny an'i Hery, satria in-1 mandeha nameny Latina; dia in-1 mandeha koa black woman; dia in-1 mandeha lamaodim-behivavy. Fa izao dia ity arab woman ity foana. Dia mbola entre-pa ihany, fa manja kosa kay zareo ao ambany burqa ao an ..
Valio | Miverina eny ambony