MAHAFATY NY DIDY FOLO

121. RA TAN ( 27/05/2017 12:18)
Dia namaly aho hoe:
RA TAN:

Amin'i RBNIR izany ny atao hoe VAOVAO dia ny teo aloha izay efa tonta ihany no amboamboarina???

Ohatra:
-Misy kiraro efa ratsy be efa ravidrovitra b izany; mainty ny lokony. Dia notampitampenana iny avy eo.
-Misy kiraro mbola tsara be tena mbola tsy niasa koa etsy ankilany; fotsy ny lokony.

Fa ny olona rehetra ra anontaniana hoe aiza @ ireo kiraro ireo no vaovao dia matoky aho fa samy hilaza hoe "ilay kiraro fotsy mbola tsy niasa no VAOVAO", fa ilay efa tonta na hotampitampenana tahaky ny inona eo aza ka hatao ao anaty baoritra tsara tarehy tsy vaovao izany iny fa tonta foana.
Fa i RBNIR irery izany no miteny hoe "ilay kiraro ratsy be efa rotidrotika no atao hoe vaovao" satria natao tao anaty baoritra tsara tarehy.

Dia tahak'izany koa, ny fanekena vaovao dia tena hafa mihintsy fa tsy ilay didy folo izay efa tonta akory

Valio io fanontaniako io, fa mbola tsy novalinao RBNIR a!
122. RBNIR ( 28/05/2017 05:42)
RA TAN:

Ny soramandry aloha tsy tenin'A/tra izany fa interpretation an'ny mpandika baiboly a, ka tsy iny no ifikirana.

« Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apokalypsy 22:18)
« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apokalypsy 22:19)

Averiko hatrany tsy araka ny sitrapon'ny olona no nanoratany ny Soratra Masina « fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)

Raha tsy manaiky an'izany ny olona iray dia mazava ho azy fa tsy mba isan'ilay hitenenan'i petera izireo satria hoy petera hoe "fa fantatrareo voalohany indrindra"



123. RBNIR ( 28/05/2017 06:27)
RA TAN:

Valio io fanontaniako io, fa mbola tsy novalinao RBNIR a!

Efa nazavaiko io fa ianao no tsy mandray e!

« Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Hebreo 8:8)
« Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. » (Hebreo 8:9)
« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Hebreo 8:10)

Ilay lalàna (teo aloha iny ihany) dia tsy atao soratra ivelan'ny olona tahaka ny taloha (soratra teny amin'ny taratasy, teny amin'ny vato fisaka sns....) fa natao soratra anatiny (fianana vaovao Kristy velona ao anaty)...

Ilay olona mpanota mihitsy no ovaina ho lasa tsy mpanota intsony (ny fiainany dia ovaina hifanaraka amin'izay takian'ny lalàna)...

Ohatra raha mpangalatra dia atao lasa tsy mpangalatra hatramin'ny fieritreretany (1 Pet.3:21) dia tsy ilaina intsony ny miteny aminy avy eo hoe aza mangalatra sns satria fantany tsara fa "ratsy" ny fangalarana sns.....

Fa tsy ho takatrao mihitsy izany raha mbola ny fampianaran'ingahy samuelson edward no mameno ny sainao fa tsy ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina (tsy azo anesorana na anampiana)!

Tsy azon'ingahy samuelson edward ilay izy matoa izy tsy mampanaiky anareo ny Sabata na ny andro fahafito...heveriny hoe ambany lalàna ny fitandremana ny andro fahafito nefa raha olona efa navaozina marina dia fantany tsara fa ratsy tahaka ny fangalarana, sy ny fijangajangana sy fandikana ny andro fahafito......

Fanampiny tsy misy olona ho tonga amin'izany hoy aho raha tsy mandray ilay batisa originelle...Izany hoe olona nirahany mivantana no manao ilay batisa.....Olona nomena baiko sy fahefana ary hosotra mivantana avy any ambony....Satria iny fahefana sy hosotra iny no mahatanteraka ilay famonjena ao anatin'ilay olona atao batisa :
Ny batisa dia tsy mahaisotra ny ota sady tsy mitondra fieritreretana tsara araka ilay 1pet.3:21 raha vao tsy olona nomena baiko sy fahefana ary hosotra mivantana avy any ambony no manao ilay batisa fa endrika ivelany fotsiny ihany tsy misy heriny....

Normal Be raha mbola tsy mety afaka eo ambavanao mihitsy ilay "ota" hatramin'izao...Ary ny tena marina dia tsy fantatrao mihitsy ny dikan'ny hoe "tsy mpanota" = tsy mpandika ny lalàn'Andriamanitra.....

Rehefa alaina fanahy ny olona tsy mpanota dia miteny tahaka an'i Kristy (Mat.4:1-10) izy hoe efa voasoratra hoe Aza mangalatra sns....

« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. » (1 Jaona 2:6)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
124. RBNIR ( 29/05/2017 11:48)
Ireto no manamarina fa TSY MAINTSY OLONA NAHAZO BAIKO IRAKA ARY HOSOTRA MIVANTANA NO tokony manao batisa (batisan'ny rano) vao misy heriny sy ankahasitrahan'Andriamanitra ilay batisa....

Iza avy ireo olona voatendry hanao batisa tamin'ny rano voasoratra tao amin'ny baiboly?

1 Jaona mpanao batisa...izay nilaza hoe : « Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jaona 1:33)

Hoy i Jaona hoe "Izay naniraka ahy" .......NISY NANIRAKA I JAONA FA TSY HOE NANDEHA HO AZY TAMIN'IZAO......

2 JESOSY koa dia nanao batisa tamin'ny rano....« Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. » (Jaona 3:22)
« Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona » (Jaona 4:1)

Ary izao koa no notenenin'i Jesosy.....« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

NISY NANIRAKA IHANY KOA I JESOSY FA TSY HOE NANDEHA HO AZY TAMIN'IZAO......

3 Ireo mpianatra....izay nahazo ITY TENY ITY tamin'i JESOSY MIVANTANA....« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)

NISY NANIRAKA IHANY KOA IREO MPIANATRA (Jesosy no naniraka azireo mivantana teto) FA TSY HOE NANDEHA HO AZY TAMIN'IZAO......

Ka izao, ho an-tsika rehetra izay mihevitra fa efa tena efa vita batisa marina tokoa....Efa vita batisa tamin'ny rano marina v ianao? ary Ilay nanao batisa anao tamin'ny rano ve nilaza hoe "nirahina" mivantana ihany koa sa nanira-tena???

Fampieritreretana iny.....famonjena no tanjona : famonjena = fanesorana ny ota + fitadiavana fieritreretana tsara...

Raha tianao handaitra aminao ireo dia tadiavo ny olona nandray baiko, iraka ary hosotra mivantana avy any ambony hanao batisa anao.....
125. stahtam ( 29/05/2017 13:33)
Tsetsatsetsa tsy aritra ho an-dRA TAN izay nanoratra hoe:
"Dia tsy masina izany A/tra aminao satria nanome tso-drano an'i JAKOBA izay nisoloky? Dia tsy masina koa izany i JAKOBA aminao? (GEN,27)" momba io hevitra iray nolazainao io dia toroako hevitra ianao: aza dia mi-insiste be loatra @ io fa:
1°) Torah io ka tsy natokana ho anao ny interprétation-ny,
2°) Handrodana ny tongo-tsezanareo efa mihamangozohozo andro aman'alina, indray ny fanazavana an'io,
3°) Hampivoaka fandrika sy tonta ho anareo indray ny famongaranao an'io.
126. RA TAN ( 30/05/2017 03:10)

RBNIR:
« Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Hebreo 8:8)
« Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;

RA TAN:
Mazava be izany, fa tena hafa mihintsy ilay fanekena vaovao fa tsy ilay D10.

RBNIR:
Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. » (Hebreo 8:9)
« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Hebreo 8:10)

RA TAN:
Yahvah no niteny an'io, fa tsy Jehovah.
Fanekena hafa mihints no nataon'i Yahvah, fa ts D10.
Fa ilay Jehovah tsy mahay manamboatra vaovao dia ilay efa nialan'i Yahvah no notampitapenany dia iny no lazainy fa vaovao.
127. RA TAN ( 30/05/2017 04:16)
RA TAN:

Amin'i RBNIR izany ny atao hoe VAOVAO dia ny teo aloha izay efa tonta ihany no amboamboarina???

Ohatra:
-Misy kiraro efa ratsy be efa ravidrovitra b izany; mainty ny lokony. Dia notampitampenana iny avy eo.
-Misy kiraro mbola tsara be tena mbola tsy niasa koa etsy ankilany; fotsy ny lokony.

Fa ny olona rehetra ra anontaniana hoe aiza @ ireo kiraro ireo no vaovao dia matoky aho fa samy hilaza hoe "ilay kiraro fotsy mbola tsy niasa no VAOVAO", fa ilay efa tonta na hotampitampenana tahaky ny inona eo aza ka hatao ao anaty baoritra tsara tarehy tsy vaovao izany iny fa tonta foana.
Fa i RBNIR irery izany no miteny hoe "ilay kiraro ratsy be efa rotidrotika no atao hoe vaovao" satria natao tao anaty baoritra tsara tarehy.

Dia tahak'izany koa, ny fanekena vaovao dia tena hafa mihintsy fa tsy ilay didy folo izay efa tonta akory

128. RBNIR ( 30/05/2017 06:14)
Otran'ny voatery hampianatra "grammaire" indray v izany sa????

« ....... Izay hanaovako fanekena vaovao ..... » (Hebreo 8:8)
« Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany ..... » (Hebreo 8:9)
« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, .......... hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, ........; » (Hebreo 8:10)

Io angamba izy mazavazava kokoa ; fanekena vaovao = tsy araka ny fanekena natao fahiny fa izao: hataony ao an-tsain'ny olona ilay lalàna ary hosoratany ao ampon'ny olona.....

IZAY NO FANEKENA VAOVAO HOY NY Heb.8:8-10 (tsy manao interpretation mihitsy aho eo fa dia raisiko mazava araka ny voasoratra).....

Ianareo moa zatra manampy sy manaisotra ny tenin'Andriamanitra ka izay izany no nahitanareo zavatra hafa amin'io teny efa mazava B io RA TAN???
129. RBNIR ( 30/05/2017 06:28)
Manamafy izay efa voasoratra tany amboalohany io hoe « Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. » (Jeremia 31:33)


P.S : ny didy folo sns ange no lalàna nampianarina ny mpaminany Jeremia sy ireo olon'Andriamanitra taloha fa tsy hoe lalàna hafa e!!!

Amin'ny teny frantsay izy mazava Be ilay fanekena vaovao dia fametrahana ao anatin'ny olona sy fanoratana azy ao ampon'olona.......


Louis Segond Bible
Mais voici l'alliance que je ferai avec la maison d'Israël, Après ces jours-là, dit l'Eternel: Je mettrai ma loi au dedans d'eux, Je l'écrirai dans leur coeur; Et je serai leur Dieu, Et ils seront mon peuple Jer.31:33

Ireo lalàna fahiny ihany (didy folo sns....) no resahiny eo fa tsy hafa akory e!!!

Izay no mahatanteraka ilay hoe kristy velona ao anaty (ilay olona mpanota mpandika lalàna teo aloha ovaina ho olona tsy mpanota (mpankato ny lalàna rehetra tahakan'i Kristy) Ny fiainany rehetra dia natao hiova handeha araka ny lalàna) Tsy misy ezaka fa fahasoavana no mahatanteraka izany.

Fahasoavana omena eo amin'ny fotoana anaovana ilay batisa originelle.....
Amin'iny fotoana iny no anesorana ny ota ao anatin'ilay olona sy hanomezana azy fieritreretana tsara araka ilay (1 Pet.3:21)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
130. RA TAN ( 30/05/2017 08:57)
RBNIR:
:
« ... Izay hanaovako fanekena vaovao ... » (Hebreo 8:8)
« Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany ..... » (Hebreo 8:9)
« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, ... hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, ...; » (Hebreo 8:10)

Io angamba izy mazavazava kokoa ; fanekena vaovao = tsy araka ny fanekena natao fahiny fa izao: hataony ao an-tsain'ny olona ilay lalàna ary hosoratany ao ampon'ny olona...

(tsy manao interpretation mihitsy aho eo fa dia raisiko mazava araka ny voasoratra)..

Hitanao @ zao ary, fa tena TSY MISY IDIRAN'NY DIDY FOLO izany io, fa interpretation-nao no nilazanao tary aloha hoe "ilay didy folo ihany no nosoratana ao anaty".
Ary izay ilay nahatonga ahy nametraka fanontaniana taminao hoe "aminao ve izany ny atao hoe vaovao dia ny efa tonta ihany no amboamboarina?" dia sahy mamaly an'io fanontaniana io ianao.
131. RBNIR ( 30/05/2017 09:22)
ny lalàna no soratany eo ny atao hoe lalàna dia ireo didy rehetra tany aloha (tafiditra ao ny didy 10....

Izao no filazan'Ilay Zanak'Andriamanitra azy....« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)
132. RA TAN ( 30/05/2017 13:41)
RBNIR:

ny lalàna no soratany eo ny atao hoe lalàna dia ireo didy rehetra tany aloha (tafiditra ao ny didy 10....

Izao no filazan'Ilay Zanak'Andriamanitra azy....« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)



Izay anie no efa nitenenako anao koe hoe "tsy mahalala lalàna afa tsy didy folo ianao" e! ilay nataoko vazivazy hoe "tsy mahalala biby afa tsy saka; raha sahona mety kely loatra dia tsy hitany". Olona misalobona tokoa ianareo ao @ didy folo ao araka ny "2KOR,3:14": donto saina.

AVERIKO ETO INDRAY NY FANAZAVANA AN'ILAY "MAT,5:17":

"MAT,5:17"

*MAT,5:17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka
Rehefa jerena anefa ny zavatra nataon’I Yahoshuah dia; tsy tena tsy nitandrina an’ilay didy folo, fa nanosihosy an’io aza no nataony:
Raha ny @ didy folo dia tsy mahazo miasa sabata, fa Yahoshuah niasa sabata: (JAONA,5:17 Fa Yahoshuah namely namely azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. 18Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny jiosy, tsy noho Izy tsy nitandrina ny sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra ny Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.
=>TSY NY DIDY FOLO NO NOTANTERAHIN’I YAHOSHUAH EO @ IO “MAT,5:17” IO, FA NY TENY MILAZA AZY AO @ LALANA SY NY MPAMINANY:
LIOKA,24:44 fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo.
TERAKA AO BETLEHEMA( MIKA,5:1 =>MAT,2:1)
GENOCIDE ANA ZAZAKELY (JER,3:1=> MAT,2:16-18)
NILOKANA NY AKANJONY (SAL,22:18 =>JAONA,19:24)
TSY MISY HOTAPAHINA NY TAOLANY (EKS,12:46 =>JAONA,19:31-33)
Santionany @ ireo teny milaza Azy izay notanterahiny ireo, fa mbola be dia be ao.

“ROM,3:31 koa mahafoana ny lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria izany, fa mampiorina tsara ny lalàna isika”
Valiny:
MATIO,5:18 Mandrampahafoan’ny lanitra sy ny tany dia tsy hisy ho foana akory ny amin’ny lalàna, na litera iray na dia tendron-tsoratra iray aza mandram-paha tanterak’izy rehetra.

Mizara roa io teny io:
1)RAHAFA FOANA NY LANITRA SY NY TANY DIA FOANA NY DIDY FOLO “AO ISRAEL”.
Ka mbola tsy foana ny lanitra sy ny tany izao, dia mipetraka tsara io “ROM,3:31 io AO ISRAEL”. Mba haseho fa tena misy didy folo mahafaty tokoa ao Israel. Dia marim-pototra tsara ny nahatongavan’I YAHOSHUAH tao; mba hamonjy ny olona ho afaka @ izany fahafatesana nohon’ny didy folo izany.

2)REHEFA TANTERAKA NY LALANA REHETRA DIA FOANA NY DIDY FOLO “AO AMIN’I YAHOSHUAH”:
ROM,13:10 ny Fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, koa dia ny Fitiavana no fahatanterahan’ny lalàna
JAONA,15:13 tsy misy manana Fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
YAHOSHUAH no nahatanteraka ny lalàna t@ alalan’ny Fitiavana lehibe nohon’ny namoizany ny ainy teo @ hazo fijaliana: dia io ilay “EFESIANA,2:15 RAVA NY DIDY FOLO”

EFESIANA,2:15 Nofoanan’i Yahoshuah ny lalànan’ny jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin’ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan’i Yahoshuah fampihavanana. 16Ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia nanafoana ny fankahalana, ka nanambatra antsika ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra. 17Izany no nahatongavan’I Yahoshuah nitory vaovao mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy tamin’ny jiosy izay akaiky Azy.

-Raha tsy teo YAHOSHUAH nandrava ny didy folo tsy tafaraka t@ A/tra ny hafa firenena (fa ny hafa firenena dia halan’A/tra raha ny @ didy folo NEH,13:3)
-Rehefa tonga i YAHOSHUAH dia foana ny didy folo, dia miaraka @ YAHOSHUAH ny jiosy izay te hoany andanitra:
GAL,3:23 Talohan’ny nahatongavan’izany finoana izany dia voagadra sy voageja teo ambany lalàna izahay jiosy, mba hiandrandranay ny finoana izay efa hambara aty aoriana. 24Koa ny lalàna dia mpitaiza anay mba hiandrandranay an’i Yahoshuah, ka hahatonga anay ho marina eo imason’Andriamanitra noho ny finoana. 25Efa tonga kosa ankehitriny izany finoana izany, ka tsy fehezin’izay mpitaiza intsony izahay.

=> GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’I Yahoshuah ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. TAFASARAKA @ A/TRA NAREO MPITANDRINA DIDY FOLO

RAFITRA EFA NILAOZAN’A/TRA NY DIDY FOLO:
2KOR,3:7 fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato
1KOR,15:56 fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana, ary ny lalàna no herin’ny ota.
ROM,7:9 fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota ka dia maty aho


MPANOTA IZAY MITANDRINA DIDY FOLO:
1TIM,1:9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna(didy folo), fa ny mpandika lalàna sy ny maditra,dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona. 10Ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema
133. RBNIR ( 31/05/2017 06:19)
DISO ILAY FANAZAVANAO ILAY MAT.5:17 RA TAN satria Izy ihany no manazava an'ilay izy manomboka eo amin'ny Mat.5:18

« Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.[*Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny Abidy Hebreo] » (Matio 5:18)
« Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 5:19)
« Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Matio 5:20)
« Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. » (Matio 5:21)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] » (Matio 5:22)
« Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, » (Matio 5:23)
« dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. » (Matio 5:24)
« Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao. » (Matio 5:25)
« Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra. » (Matio 5:26)
« Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:27)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » (Matio 5:28)
« Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina* anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.[*Ny teny Grika adika hoe manafintohina amin'ny Testamenta Vaovao, dia mamandrika no tena dikany] » (Matio 5:29)
« Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo. » (Matio 5:30)

1 Tsy hofoanana ny lalàna mandrapahafoana ny lanitra sy ny tany (Mat.5:18)

2 Ampirisihina hitandrina lalàna ny olona (hatramin'ny madinika indrindra) fa tsy asaina mandrava ny lalàna (Mat.5:19)

3- Mila mihoatra ny an'ny fariseo sy ny mpanora-dalàna ny fahamarinana vao afaka miditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra ny olona iray...(Mat.5:20)

Ahoana izany? ny fariseo sy ny mpanora-dalàna dia manana fahamarinana saingy fahamarinana ivelany fotsiny...

Raha Jerena ety ivelany dia hita fa tena mitandrina ny lalàna izireo saingy rehefa Andriamanitra no mijery ny ao anatiny dia hita fa tsy izany velively no hitany....

Izay no nahatonga an'i Jesosy niteny ity teny ity...« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. » (Matio 23:27)

Ohatra anankiray ity nomen'i Jesosy ity : raha ety ivelany dia hita fa tsy mijangajanga izireo "nefa Andriamanitra dia mahita fa feno fitsiriritana vehivavy izireo ao ampony ao!!! (Mat.5:27,28)

Ohatra iray hafa koa ity nomen'i Jesosy ity : raha ety ivelany dia hita fa "tsy mpamono olona" izireo nefa raha ny ao anatiny dia feno fankahalana, fahatezerana, fanafokana olona sns....Mat.5:21-23

Ny atao hoe manana fahamarinana mihoatra noho ny mpanora-dalàna sy ny fariseo dia sady madio ety ivelany no madio ao anatiny....

Ilay fanekena vaovao no fomba hanantanterahan'Andriamanitra an'izany ataony ao anaty ilay lalàna ary soratany ao ampon'ilay olona fa tsy ataony soratra ivelany tahaka ny taloha intsony....(Heb.8:10)

Rehefa voadio ny fon'ilay olona (madio ny fieritreretany 1 Pet.3:21) dia madio ho azy ny ety ivelany...Rehefa ny ao anaty kosa no maloto dia maloto ihany koa no ho hitan'Andriamanitra ety ivelany (Lio.6:45)

Koa amin'ny fanekena vaovao dia ataon'Andriamanitra ao anaty ilay lalàna ary soratany ao ampo, vokany madio ny fon'ilay olona ka ny ataony rehetra dia hifanaraka amin'ilay fadiovam-po izay ananany (kritsy no velona ao anatiny : izay rehetra nataon'i Krisy no ataony ny fiainan'i kristy no fiainany)....ho lasa zanak'Andriamanitra tahaka an'i Kristy ihany koa izy araka izany...

Rehefa ny ao ampo no diovina hifanaraka amin'ny lalàna dia "tanteraka ho azy ety ivelany ilay lalàna" Mat.5:17 ary vaomaika aza miorina tsara Rom.3:31...

Izay ilay izy e! Saingy tsy tanteraka hoy aho izany rehetra izany raha tsy vita batisa originelle ilay olona...

Ny batisa originelle dia "tsy maintsy" olona nandray baiko , fahefana ary hosotra mivantana avy any ambony no manao azy.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA
134. RBNIR ( 31/05/2017 07:11)
RA TAN:

=> GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’I Yahoshuah ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. TAFASARAKA @ A/TRA NAREO MPITANDRINA DIDY FOLO

Io gal.5:4 io hoy aho tsy ny didy folo no resahina eo fa ireto lalàna ireo....
« Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. » (Gal.4:10)
« Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. » (Gal.4:11)

Efa nampianarina ny kolosiana ihany koa io vakio ato...


http://forum.serasera.org/forum/message/m56e6565bd69f4/m56fbbb9ceeccc

Ny olona mitandriana ireo làlàna ireo (voaloambolana, paska , pentekosta, tabernakely, sabata taona) no tafasaraka amin'i Kristy fa tsy ny mpitandrina didy folo akory...

Mila mianatra isika e!! ary raha hianatra ihany dia aleo apostoly no ianarana (olona voafidy mivantana sy nampianarina mivantana).....
135. RA TAN ( 31/05/2017 13:10)

RBNIR:

Io gal.5:4 io hoy aho tsy ny didy folo no resahina eo fa ireto lalàna ireo....
« Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. » (Gal.4:10)
« Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. » (Gal.4:11)

Ny olona mitandriana ireo làlàna ireo (voaloambolana, paska , pentekosta, tabernakely, sabata taona) no tafasaraka amin'i Kristy fa tsy ny mpitandrina didy folo akory...

Mila mianatra isika e!! ary raha hianatra ihany dia aleo apostoly no ianarana (olona voafidy mivantana sy nampianarina mivantana).....


Ao anatin'ny lalàn'i Moshè daholo na ny fitandremana Andro(sabata), na ny fitandremana Volana(voaloham-bolana), na ny fitandremana Taona(paska indray mandeha isan-taona), na ny fitandremana ny didy folo, na ny famorana, ....sns
Ny fitambaran'ireny didy sy fitsipika maro samy hafa nomena ny zanak'israely t@ alalan'i Moshè ireny no atao hoe LALAN'I MOSHE. 613 no isan'izany didy izany, fa tsy folo fotsiny.
Ary tsy misy azo sarahana ireny, fa miaraka daholo(DEO,4:1,2 1MPANJAKA,2:3).
Ra vao mitandrina iray @ ireny dia tsy maintsy mitandrina an'izy rehetra:
GAL,5:3 Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra, fa mpitrosa tsy maintsy mankato ny lalàna rehetra izy (RA VAO MITANDRINA DIDY FOLO KOA IANAO DIA TSY MAINTSY MITANDRINA NY DIDY REHETRA AO @ LALAN'I MOSHE) 4 Dia tafasaraka amin'i Yahoshuah ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin'ny lalàna, efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.

Tsy afaka eo ianao RBNIR a!
Mifatotra ao ianao. Efa manoro ny lalana ivoahana amin'io ihany aho, fa ianao tsy mahay manetry tena fa miseho be saina
136. RBNIR ( 31/05/2017 13:38)
Izay ilay hoe mila mianatra RA TAN an! misy hoy aho ny didy mbola tandremana ary misy kosa no efa nampianarin'ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA fa tsy tandremana intsony

P.S : ilay Sabata voasoratra ao amin'ny kolosiana 2:16 (pluriels amin'ny teny frantsay) SABATA TAONA IO fa tsy Sabata amin'ny andro fahafito.....

Ity lalàna iray ity ohatra dia efa nampianariny fa tsy tandremana intsony....

« [Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?] » (Jaona 8:5)
« [Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] » (Jaona 8:6)
« [Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany] » (Jaona 8:7)


Ireto kosa anefa (didy folo ireto) dia nolazainy fa tsy maintsy tandremana raha te hiditra any amin'ny fiainana ny olona iray....

« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Matio 19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Matio 19:19)


Ny olona tsotra tsy nampianariny an'izany fa ny apostoly irery ihany....
137. RBNIR ( 31/05/2017 13:44)
Ny olona tsotra tsy nampianariny an'izany fa ny apostoly irery ihany....izay no mahatonga an'ingahy samuelson edward tsy mahafantatra an'io....

Ity misy apostoly (olona nofidina mivantana ary koa nampianarina mivantana tsy misy mpanelanelana tahaka an'i paoly apostoly gal.1:11,12)

138. RA TAN ( 31/05/2017 14:33)



RBNIR:
Izay ilay hoe mila mianatra RA TAN an! misy hoy aho ny didy mbola tandremana ary misy kosa no efa nampianarin'ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA fa tsy tandremana intsony

RA TAN:
Eritreritrao manokana izany; torampo be; bontolo be izany ataonao izany. Fa tsis soratra masina milaza an'izany. Fa ny anao ny eritreritrao manokana no alefanao aloha, dia terenao hanaraka ny eritreritrao sy ny toramponao ny soratra masina.

RBNIR:
P.S : ilay Sabata voasoratra ao amin'ny kolosiana 2:16 (pluriels amin'ny teny frantsay) SABATA TAONA IO fa tsy Sabata amin'ny andro fahafito...

RA TAN:
Jereo koa izao fa nareo tsy mety manao an'io SABATAN-TAONA (atsahatra tsy ambolena aloha ny tany rehefa tonga ny fito taona) io.
Diso @ iray monja meloka @ izy rehetra (JAK,2:10).
Tsy afaka ianao RBNIR a! mifatotra ianao!

RBNIR:
Ity lalàna iray ity ohatra dia efa nampianariny fa tsy tandremana intsony....
« [Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?] » (Jaona 8:5)
« [Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] » (Jaona 8:6)
« [Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany] » (Jaona 8:7)


RA TAN:
YAHOSHUAH no teo fa tsy izany JESOSY/ZEUS sampin'ny grika izany a!
Aza mampandainga an'i YAHOSHUAH ianao!
Fa i YAHOSHUAH aza efa niteny hoe "MATIO,5:18 mandrampahafoan'ny lanitra sy ny tany dia tsy misy ho foana akory ny amin'ny lalàna na litera iray na dia tendron-tsoratra iray aza mandrampaha tanterak'izy rehetra"
Maninona no lazainao fa tsy tandremana intsony ilay hoe "aza mijangajanga"???? Rehefa lazainao fa tsy tandremana intsony io, dia aza mitandrina didy folo koa izany (satria miaraka daol ny lalàn'i moshè, fa tsy azo sarahina)
Izany no iafaranareo rehefa te hiaraka @ iny ZEUS sampin'ny grika mampanota olona iny; tena MISALOBONA ianareo; DONTO SAINA (2KOR,3:14,15).
Izao miharihary ny tsy fahalalanareo na inona na inona momba an'io DIDY FOLON'NY JIOSY izay angalarinareo io!
Efa tenenina hoe tsy natao hoanao gasy io, fa tsy miraharaha nareo!
Dia izao tsy mahalala inoninona izao!

RBNIR:
Ireto kosa anefa (didy folo ireto) dia nolazainy fa tsy maintsy tandremana raha te hiditra any amin'ny fiainana ny olona iray....
« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Matio 19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Matio 19:19)


RA TAN:
Io foana no anapoizinanao olona eto, dia tsy sasatra koa aho milaza ny marina:
YAHOSHUAH no niresaka t@ ilay zatovo israeliana, fa tsy ilay a/try ny grika(zezo zeus juzas jesus iesous ...).

MATIO 19 :17-21
17 Fa hoy i Yahoshuah taminy : nahoana Aho no anontanianao an’izay tsara ? Iray no tsara; far aha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy. 18Hoy ralehilahy taminy; inona avy moa? Di ahoy I Yahoshuah: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, 19Manaja ny rainao sy ny reninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao(TSY MAINTSY MBOLA ILAY DIDY FOLO ALOHA NO NASAINA NOTANDREMANY, SATRIA MBL TSY MATY TEO @ HAZO FIJALIANA I YAHOSHUAH TEO DIA MBL TSY NIPETRAKA NY DIDY VAOVAO).
20Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola maha tanteraka ahy?(NA DIA MITANDRINA DIDY FOLO AZA TSY TANTERAKA) 21Dia hoy i Yahoshuah taminy: raha te ho tanteraka ianao, mandehana amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia manaraka Ahy

AVIA MANARAKA AHY: rehefa manaraka an’i Yahoshuah dia tsy maintsy tonga ary @ hazo fijaliana, dia eo amin’izay ilay “EFESIANA,2:15” naharava an’ilay didy folo.

“EFES,2:15 Fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana
(raha @ baiboly DIEM moa dia tena mazava be: “Nofoanan’I Kristy ny lalànan’ny jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny”)”
TENA RAVA NY DIDY FOLO.


=> GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. TAFASARAKA @ A/TRA IZAY MBOLA MITANDRINA DIDY FOLO.


RBNIR:
Ny olona tsotra tsy nampianariny an'izany fa ny apostoly irery ihany....

RA TAN:
Ilay zandrin'i YAHOSHUAH no nampianatra anay ny fahamarinana rehetra, ary manampy anay @ izany koa ny Fanahy masina izay ato anatinay.
Ny apostoly kosa nampianarin'i YAHOSHUAH
139. RBNIR ( 31/05/2017 14:47)
RA TAN:

RA TAN:
Ilay zandrin'i YAHOSHUAH no nampianatra anay ny fahamarinana rehetra, ary manampy anay @ izany koa ny Fanahy masina izay ato anatinay.
Ny apostoly kosa nampianarin'i YAHOSHUAH

Mafinaritra aloha rehefa manaiky ianareo fa tsy apostoly (nofidina sy nampianarina mivantana ingahy samuelson edward....

Dia aza vohizina intsony hoe avy any an-danitra ilay Anarana fa manjary lasa mpandainga eo imasony satria mazava fa Izy tsy nanome mivantana an'iny Anarana iny RA TAN....

Tsy misy resaka tora-po RA TAN fa zava-miafina izany a!

Ny fanatitra (zanak'ondry koa izao dia efa tsy atao intsony satria tandindon'ILAY ZANAKONDRIN'ANDRIAMANITRA IRENY.....

Ato ianao raha hianatra ireo mahasamihafa ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao...

http://forum.serasera.org/forum/message/m54cc29c680e1f#m55eda9988c017
140. RA TAN ( 01/06/2017 08:53)


RBNIR:
Mafinaritra aloha rehefa manaiky ianareo fa tsy apostoly (nofidina sy nampianarina mivantana ingahy samuelson edward....

RA TAN:
Ambony lavitra nohon'ny Apostoly ny zandrin'i Yahoshuah SAMUELSON EDWARD. Satria avy any andanitra izy, fa ny apostoly atrety antany ihany. Ny saina rehetra nananan'ny apostoly 12 mitambatra ao @ zandrin'i Yahoshuah irery, ary izay tsy nananan'ny apostoly aza ananany.
Izy ilay voalaza ao @ ISAIA,42:1-6 Mpanompo voafidin'i Yahvah ka nametrahany ny fanahiny; ilay mamoaka fitsipika hoan'ny jentilisa.
Izy ilay Anjely manana Filazantsara toriana @ mponina ambonin'ny tany (APOK,14:6).
Araho hatrany ny HFF RADIO manerana ny nosy sy ny TV internet www.rtvyahoshuah.com fa ao Izy.

Fa ny mpitondra fivavahana any aminareo mpanaradia ny a/try ny grika anefa misy milaza ny tenany ho apostoly; ary tsy iray fa bdb a!
Dia ahoana koa ianao @ ireny?

RBNIR:
Ny fanatitra (zanak'ondry koa izao dia efa tsy atao intsony satria tandindon'ILAY ZANAKONDRIN'ANDRIAMANITRA IRENY...

RA TAN:
Adala izany aminao A/tra raha nampanao an'ireny ny zanak'israely?
Rehefa tsy mahavita fanatitra sy sorona omby sy osy ve ianao dia izany no mba teninao?

Fa tsotra kely, matoa tsy ilaina intsony ny fanatitra sy sorona omby sy osy dia satria efa tsy @ iny fanekena didy folo iny intsony A/tra. Dia novany ny fisoronana, dia tsy maintsy novana koa ny lalàna(HEB,7:12)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1763