MAHAFATY NY DIDY FOLO

101. MINDAOZY ( 23/05/2017 13:47)
Hoan'i RBNIR.

Raha ny ISAIA 42:1-6 no teneninao dia tsy azonao ilay resaka, fa FANEKENA VAOVAO io.

Fa ilay DIDY FOLO FANEKENA TALOHA izay an'ny jiosy manokana io noteneniko teo io hoe "angalarinao" SALAMO 147:19,20.

Fa mba iza koa ary ity JESOSY izay maniraka anareo hangalatra ny didy folon'ny jiosy?

Fa ilay nampitandrina didy folo an'ilay jiosy eo @ MATIO 19:17-21 dia i YAHOSHUAH. Nasainy notandremana aloha ilay didy folo, satria mbl tsy maty teo @ hazo fijaliana Izy teo, fa nampiany hoe eo @ 21 AVIA MANARAKA AHY. Fa rehefa manaraka Azy amzay dia tsmaintsy tonga ary @ hazo fijaliana, dia eo amzay ilay EFESIANA 2:15 (RAVA NY DIDY FOLO).

Fa mpangalatra ianao RBNIR a! Tena mpangalatra ianao!
Iny didy folo izay angalarinao iny ihay no miapanga anao.
102. RA TAN ( 24/05/2017 05:24)
RBNIR:

Izaho dia mino ilay Anarana hoe Jesosy, nefa dia tsy mpanota intsony satria aho efa nandray famonjena...

-Tena mpanota ianao matoa mila didy folo e (1TIMOTY,1:9 Ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna(didy folo), fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ..)

-Mamita-tena ianao sady mampandainga an'A/tra (1JAONA,1:8,10), satria tsy olomarina ianao fa tena mpanota, nefa milaza fa tsy mpanota.

- Tafasaraka @ A/tra ianao fa mitandrina didy folo (GAL,5:4 Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin'ny lalàna(didy folo), efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo):
Raha ilay Kristy tena marina dia tsy miaraka @ mpitandrina didy folo Izy, fa tafasaraka aminy ny mpitandrina didy folo. Ka iza izany ity a/try ny grika(ZEUS/JESOSY) miaraka aminao sady mampitandrina didy folo anao ity? Iza io! Devoly io.

Devoly no ivavahanao, donc, tena mpanota ianao!
103. RBNIR ( 24/05/2017 08:19)
MINDAOZY:

Raha ny ISAIA 42:1-6 no teneninao dia tsy azonao ilay resaka, fa FANEKENA VAOVAO io.

Araka ny fomba famalianareo azy eto no hitondrako ny resaka an!!!

Ny olona rehetra mahita eto dia miara mahatsapa (tsy izaho irery) fa ianareo ao dia mihevitra fa ingahy samuelson edward ilay resahina ao amin'ny Isa.42:1-6 ary dia tena nihevitra mihitsy koa ianareo fa ilay nosy dia tsy iza fa i Madagasikara....

Fa efa tsara hoy aho rehefa miala amin'ny hevitra diso e!!!

Ho fanitsiana izay diso koa ange ny tanjon'ny adihevitra eto fa tsy hoe hifanitrikitrika akory e!!!

Dia tazomy tsara amin'izay ny fahamarinana ry MINDAOZY a!!!
104. RBNIR ( 24/05/2017 08:21)
RA TAN:

Devoly no ivavahanao, donc, tena mpanota ianao![/b]

Tsy mandinika, mitenitenena foana eo ihany fa tsy ho voavela heloka intsony ny hafaranao!!!

Miteny ratsy ny Fanahy Masina!!!
105. RBNIR ( 24/05/2017 08:31)
MINDAOZY:

Raha ny ISAIA 42:1-6 no teneninao dia tsy azonao ilay resaka, fa FANEKENA VAOVAO io.
Fa mpangalatra ianao RBNIR a! Tena mpangalatra ianao!
Iny didy folo izay angalarinao iny ihay no miapanga anao.

Tsy misy resaka fanekena vaovao ao fa fitsipika ho an'ny Jentilisa no lazainy ao MINDAOZY a!!!

«..........Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy. » (Isaia 42:1)

Araka io teny io ny fitsipika izay havoakan'Ilay Zanak'Andriamanitra dia ho an'ny Jentilisa.....

Ity teny ity dia fitsipika iray navoakany ....« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)

Araka izany dia namoaka an'io fitsipika io ho an'ny Jentilisa Izy (raha tohizana dia didy ao amin'ny didy folo no tanisainy ao)!!!
106. RA TAN ( 24/05/2017 09:18)

Tonga dia tena diso be avy hatrany ianao ry RBNIR a!

1) Miteny ianao hoe JESOSY.
Tsy zanak'A/tra izany io jesosy teneninao io, fa mpisoloky: a/try ny grika io!

2) YAHOSHUAH io niresaka t@ ilay Jiosy teo @ MATIO,19:17 io.
Koa satria YAHOSHUAH mbola tsy maty teo @ hazo fijaliana dia mbola tsy rava aloha ny didy folo; dia tsy maintsy iny aloha no asaina dandreman'ny olona raha misy manontany.
Fa tohizo eo @ andininy 21, fa nampian'i YAHOSHUAH hoe "AVIA MANARAKA AHY".
Rehefa manaraka Azy anefa dia tsy maintsy tonga ary @ hazo fijaliana, dia eo amin'izay ilay "EFES 2:15 RAVA NY DIDY FOLO"(efa im-be dia be aho no nanazava an'io, fa odinao ho fanina foana. Fa averiko foana, fa hoan'ny mpamaky izao fa tsy hoanao).

3) Ilay ISAIA42:1-6 dia FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA, io didy folo nambaranao io anefa voarara tsy azon'ny jentilisa idirana(SALAMO,147:19 milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy, ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'i Israely, 20tsy mba nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy).
Ary izany fitsipika hoan'ny jentilisa izany dia FANEKENA, ary VATAN'OLONA MIHINTSY (YAHOSHUAH), fa tsy soratra: vakio ny ISAIA42:6. Izany hoe tena hafa mihintsy, fa tsy hoe ilay didy folo ihany.

Fa i RBNIR tsy mahalala didy afa tsy didy folo (tsy mahalala biby afa tsy saka, raha sahona dia mety kely loatra angamba dia tsy hitany). Ra vao mahita didy na fitsipika iRBNIR dia didy folo foana no ao antsainy. Izany tokoa ilay hoe jamban'ny didy folo; misalobona dia tsy mahalala inn inn intsony(2KOR,3:14 fa efa donto ny sainy; fa ambarank'androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, ...15fa misy fisalobonana manarona ny fony mandraka androany)
107. RBNIR ( 24/05/2017 09:29)
RA TAN:

3) Ilay ISAIA42:1-6 dia FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA, io didy folo nambaranao io anefa voarara tsy azon'ny jentilisa idirana(SALAMO,147:19 milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy, ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'i Israely, 20tsy mba nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy).
Ary izany fitsipika hoan'ny jentilisa izany dia FANEKENA, ary VATAN'OLONA MIHINTSY (YAHOSHUAH), fa tsy soratra: vakio ny ISAIA42:6. Izany hoe tena hafa mihintsy, fa tsy hoe ilay didy folo ihany.

Didy nomeny io ary izao no nolazainy ho an'ireo mpianatra....

« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, ......
« sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Matio 28:20)

1 FIRENENA REHETRA NO NANIRAHANA AZIREO
2 HOY IZY HOE MAMPIANATRA AZY HITANDRINA IZAY REHETRA NANDIDIAKO ANAREO....

IZAY REHETRA NANDIDIANY AN'IREO MPIANATRA NO ASAINY AMPIANARINA SY TANDREMAN'NY FIRENENA REHETRA....
108. RA TAN ( 25/05/2017 07:20)

Ny DIDY nasainy notandremana anefa dia ny tenin'i Yahoshuah "JAONA,12:49,50" sy ny tenin'ny Apostoly"1KOR,14:37".

"1KOR,14:37 Raha misy milaza azy ho mpaminany na manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa DIDIN'NY TOMPO ny teny izay soratako aminareo"
Didin'i Yahoshuah ny tenin'ny Apostoly.

Dia hoy ary ny tenin'ny Apostoly izay didin'ny Yahoshuah hoe:
"ASA,15 AZA ASAINA MITANDRINA DIDY FOLO NY HAFA FIRENENA"
"EFES,2:15 RAVA NY DIDY FOLO"
"GAL,5:4 TAFASARAKA @ A/TRA IZAY MITANDRINA DIDY FOLO".

Ary hoy koa i Yahoshuah hoe:
"MAT,23:15 ZANAKY NY HELO INDROA LAVITRA MIHOATRA NOHON'NY FARISEHO NY HAFA FIRENENA MITANDRINA DIDY FOLO".

Ny Ray aman-dReny SAMUELSON EDWARD irery eto ambonin'ny tany no manana mampianatra an'izany didy nampilazana ny Apostoly sy Yahoshuah izany.
Fa ny an'ny mpitondra fivavahana rehetra maneran-tany ny mifanohitra @ izany; ny didy folo izay voarara tsy azo omena ny jentilisa indray no nasainy notandreman'ny olona rehetra, dia voahitsaka daol ny soratra masina rehetra
109. RBNIR ( 26/05/2017 05:32)
Ity didy ity koa dia nampianariny sy nasainy notandreman'ireo mpianatra koa!

« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)

Rehefa vakiana ny tohiny dia izao « Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Matio 19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Matio 19:19)

Didy folo ireo nampianariny sy nasainy notandremana ireo...noho izany araka ity teny ity dia mila ampianarina sy asaina tandreman'ireo "firenena rehetra ihany koa ny didy folo anisany ny jentilisa) ...« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, ......
« sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Matio 28:20)

110. RA TAN ( 26/05/2017 08:42)
Marihako aloha fa YAHOSHUAH no niresaka t@ ilay zatovo israeliana, fa tsy ilay a/try ny grika(zezo zeus juzas jesus iesous ...).

MATIO 19 :17-21
17 Fa hoy i Yahoshuah taminy : nahoana Aho no anontanianao an’izay tsara ? Iray no tsara; far aha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy. 18Hoy ralehilahy taminy; inona avy moa? Di ahoy I Yahoshuah: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, 19Manaja ny rainao sy ny reninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao(TSY MAINTSY MBOLA ILAY DIDY FOLO ALOHA NO NASAINA NOTANDREMANY, SATRIA MBL TSY MATY TEO @ HAZO FIJALIANA I YAHOSHUAH TEO DIA MBL TSY NIPETRAKA NY DIDY VAOVAO).
20Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola maha tanteraka ahy?(NA DIA MITANDRINA DIDY FOLO AZA TSY TANTERAKA) 21Dia hoy i Yahoshuah taminy: raha te ho tanteraka ianao, mandehana amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia manaraka Ahy

AVIA MANARAKA AHY: rehefa manaraka an’i Yahoshuah dia tsy maintsy tonga ary @ hazo fijaliana, dia eo amin’izay ilay “EFESIANA,2:15” naharava an’ilay didy folo.

“EFES,2:15 Fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana
(raha @ baiboly DIEM moa dia tena mazava be: “Nofoanan’I Kristy ny lalànan’ny jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny”)”
TENA RAVA NY DIDY FOLO.

=> GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. TAFASARAKA @ A/TRA IZAY MBOLA MITANDRINA DIDY FOLO.
111. RA TAN ( 26/05/2017 08:47)
NY TENIN’NY APOSTOLY SY NY TENIN’I YAHOSHUAH NO DIDY ATY @ FANEKENA VAOVAO.

JAONA,12:49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay ho lazaiko. 50Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazainy tamiko.

1KOR,14:37Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.

=> “EFES,2:15” RAVA NY DIDY FOLO (AZA MITANDRINA DIDY FOLO INTSONY) io no DIDY VOALOHANY aty @ fanekena vaovao.

Far aha tsy rava ny didy folo(fanekena taloha) tsy tafapetraka ny fanekena vaovao.

=>Izay mitandrina didy folo indray izany manomboka eo dia “mandika ny didin’A/tra aty @ fanekena vaovao”; izay mitandrina didy folo dia mandika lalàna; manota (porofon’izany: GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna(didy folo), efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo)

112. RBNIR ( 26/05/2017 11:31)
Izay ilay lazaiko hoe lasa resaky ny moana sy marenina, efa nisy ny famitinana ery ambony dia anjaran'ny tsi11 sisa mandinika e!
113. RBNIR ( 26/05/2017 22:21)
RA TAN:

Dia hoy ary ny tenin'ny Apostoly izay didin'ny Yahoshuah hoe:
"ASA,15 AZA ASAINA MITANDRINA DIDY FOLO NY HAFA FIRENENA"
"EFES,2:15 RAVA NY DIDY FOLO"
"GAL,5:4 TAFASARAKA @ A/TRA IZAY MITANDRINA DIDY FOLO".

« .......... Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. » (Fil.3:1)
Asa.15 : tsy didy folo fa famorana hoy ny teny vao manomboka ny Asa.15 hoe « [Ny nifandiran'ny sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena. » (Asan'ny Apostoly 15:1)

Gal.5:4 : tsy didy folo fa ireto ireo lalàna notandreman'ny olona ka nahatonga an'i paoly niteny an'io....« Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. » (Galatiana 4:10)

Efe.2:15 (fahateraham-baovao no resahina eo)
Dikan-teny katolika :15tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany;
Dikan-teny protestanta : « fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, » (Efesiana 2:15)
Dikan-teny frantsay l'inimitié, ayant anéanti par sa chair la loi des ordonnances dans ses prescriptions, afin de créer en lui-même avec les deux un seul homme nouveau, en établissant la paix,
Vakio tsara fa "Misy zavatra 2 hakambana dia miteraka olona vaovao iray....
Ny iray dia ilay olona lavitra an'Andriamanitra fahiny.....Ny faharoa dia i Kristy (vakio ny efe.2:13,14)

Mitovy amin'ity ihany ny zavatra tiany holazaina eo amin'io efe.2:15 io « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Galatiana 2:20)

Kristy no velona ao anaty : tsy mila ny lalàna intsony satria efa ilay Kristy tsy mpanota, tsy mpandika lalàna no velona ao anatin'ilay olona.....

Fa averiko hatrany Kristy ilay tsy mpandika lalàna no velona ao anatin'ilay olona......
114. RA TAN ( 27/05/2017 04:33)
RBNIR:

Asa.15 : tsy didy folo fa famorana hoy ny teny vao manomboka ny Asa.15 hoe « [Ny nifandiran'ny sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena. » (Asan'ny Apostoly 15:1)

Ny soramandry aloha tsy tenin'A/tra izany fa interpretation an'ny mpandika baiboly a, ka tsy iny no ifikirana.

GAL,5:3 Ary lazaiko marina amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatoa ny lalàna rehetra izy

ASA,15:5 Fa ny mino sasany izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa nitsangana ka nanao hoe: tsy maintsy forana ireny, ka asaina mitandrina ny lalàn'i Moshè

=> TENA NATAON'NY FARISEO ZANAKY NY HELO INDROA LAVITRA NY OLONA (MAT,23:15), ARY MPIRAY TSIKOMBAKOMBA @ FARISEO IRETO MPAMPITANDRINA D10 IRETO.
115. RA TAN ( 27/05/2017 04:35)

116. RA TAN ( 27/05/2017 05:02)
RBNIR:

Gal.5:4 : tsy didy folo fa ireto ireo lalàna notandreman'ny olona ka nahatonga an'i paoly niteny an'io....« Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. » (Galatiana 4:10)

Aza avilivily RBNIR ilay fahamarinana a! Jereo fa mazava be ny teny:

GAL,5:3 Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky ho forana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankato ny lalàna rehetra izy. 4 Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin'ny lalàna (lalàn'i Moshè ASA,15:5), efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.

Tena ilay LALÀN'I MOSHÈ io tenenina io; tena ny DIDY FOLO io ny dikan'izany.

=>TENA TAFASARAKA @ A/TRA NY MPITANDRINA DIDY FOLO.

ÔÔÔÔÔÔÔÔÔÔÔÔÔÔÔÔ. ... ÔÔ!!!

Ny aza mba maty e!
Any @ helo avy atrany!
117. RA TAN ( 27/05/2017 05:23)
RBNIR:

Efe.2:15 (fahateraham-baovao no resahina eo)

Mbola miezaka ny mamilivily ihany RBNIR, nefa teny efa mahitsy be io sady mazava.

EFES,2:15 Nofoanan'i Kristy ny lalànan'ny jiosy mbamin'ny didy amam-pitsipiny, ...
(baiboly DIEM io; manaiky an'io daholo ny mpitondra fivavahana eto M/car).

=>TENA RAVA NY DIDY FOLO EEE!

Fa raha tsy rava io tsy afaka niaraka t@ A/tra ny jentilisa.

Fa iny didy folo iny no nampifandrafy ny jiosy sy ny jentilisa.
118. MINDAOZY ( 27/05/2017 07:51)
Tsara averina koa ity fa tena mahafinaritra:

RA TAN:

Fa mihatra @ I RBNIR ity tenin’I YAHOSHUAH ity manao hoe:
JAONA,8:43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44Ianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky rainareo no tinareo atao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy mitoetra amin’ny marina, satria tsy misy marina aminy.

Tsy misy marina @ devoly, fa diso daholo ny zavatra rehetra aminy;
Ary izay no nahatonga an’I RBNIR hanadiso ny soratra masina; lazainy fa diso daol ny soratra masina rehefa tsy mifanaraka @ eritreriny.

Fa toy izao ny fahamarinan’y soratra masina:
MITONDRA MANKANY ISRAEL NY DIDY FOLO; ARY ANY ISRAEL IHANY NO TANDREMANA:
DEO,6:1 DEO,12:1 DEO,7:1

NATOKANA HOAN’NY JIOSY(ISRAELIANA) IRERY NY DIDY FOLO, FA TSY NATAO HOAN’NY HAFA FIRENENA:
SALAMO,147:19 Milaza ny teniny amin’I Jakoba Izy, ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’Israely. 20Tsy mba nanao toy izany tamin’izay firenena hafa Izy.
NEHEMIA,13:3 Ary rehefa ren’ny olona ny lalàna dia noroahany niala tamin’ny Israely ny olona hafa firenena rehetra.
=> MILAZA NY TENANY HO JIOSY IZAY HAFA FIRENENA MITANDRINA DIDY FOLO; SINAGOGAN’NY SATANA IZANY MAZAVA HOAZY(APOK,2:9).
Mbola tsy misy resaka rava didy folo akory eto dia io fa tratra sahady nareo: MPANGALATRA NY DIDY NOMENA NY JIOSY; SINGGOGAN’NY SATANA NO NIAFARANY.

"MAT,5:17"

*MAT,5:17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka
Rehefa jerena anefa ny zavatra nataon’I Yahoshuah dia; tsy tena tsy nitandrina an’ilay didy folo, fa nanosihosy an’io aza no nataony:
Raha ny @ didy folo dia tsy mahazo miasa sabata, fa Yahoshuah niasa sabata: (JAONA,5:17 Fa Yahoshuah namely namely azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. 18Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny jiosy, tsy noho Izy tsy nitandrina ny sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra ny Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.
=>TSY NY DIDY FOLO NO NOTANTERAHIN’I YAHOSHUAH EO @ IO “MAT,5:17” IO, FA NY TENY MILAZA AZY AO @ LALANA SY NY MPAMINANY:
LIOKA,24:44 fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo.
TERAKA AO BETLEHEMA( MIKA,5:1 =>MAT,2:1)
GENOCIDE ANA ZAZAKELY (JER,3:1=> MAT,2:16-18)
NILOKANA NY AKANJONY (SAL,22:18 =>JAONA,19:24)
TSY MISY HOTAPAHINA NY TAOLANY (EKS,12:46 =>JAONA,19:31-33)
Santionany @ ireo teny milaza Azy izay notanterahiny ireo, fa mbola be dia be ao.

“ROM,3:31 koa mahafoana ny lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria izany, fa mampiorina tsara ny lalàna isika”
Valiny:
MATIO,5:18 Mandrampahafoan’ny lanitra sy ny tany dia tsy hisy ho foana akory ny amin’ny lalàna, na litera iray na dia tendron-tsoratra iray aza mandram-paha tanterak’izy rehetra.

Mizara roa io teny io:
1)RAHAFA FOANA NY LANITRA SY NY TANY DIA FOANA NY DIDY FOLO “AO ISRAEL”.
Ka mbola tsy foana ny lanitra sy ny tany izao, dia mipetraka tsara io “ROM,3:31 io AO ISRAEL”. Mba haseho fa tena misy didy folo mahafaty tokoa ao Israel. Dia marim-pototra tsara ny nahatongavan’I YAHOSHUAH tao; mba hamonjy ny olona ho afaka @ izany fahafatesana nohon’ny didy folo izany.

2)REHEFA TANTERAKA NY LALANA REHETRA DIA FOANA NY DIDY FOLO “AO AMIN’I YAHOSHUAH”:
ROM,13:10 ny Fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, koa dia ny Fitiavana no fahatanterahan’ny lalàna
JAONA,15:13 tsy misy manana Fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
YAHOSHUAH no nahatanteraka ny lalàna t@ alalan’ny Fitiavana lehibe nohon’ny namoizany ny ainy teo @ hazo fijaliana: dia io ilay “EFESIANA,2:15 RAVA NY DIDY FOLO”

EFESIANA,2:15 Nofoanan’i Yahoshuah ny lalànan’ny jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin’ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan’i Yahoshuah fampihavanana. 16Ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia nanafoana ny fankahalana, ka nanambatra antsika ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra. 17Izany no nahatongavan’I Yahoshuah nitory vaovao mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy tamin’ny jiosy izay akaiky Azy.

-Raha tsy teo YAHOSHUAH nandrava ny didy folo tsy tafaraka t@ A/tra ny hafa firenena (fa ny hafa firenena dia halan’A/tra raha ny @ didy folo NEH,13:3)
-Rehefa tonga i YAHOSHUAH dia foana ny didy folo, dia miaraka @ YAHOSHUAH ny jiosy izay te hoany andanitra:
GAL,3:23 Talohan’ny nahatongavan’izany finoana izany dia voagadra sy voageja teo ambany lalàna izahay jiosy, mba hiandrandranay ny finoana izay efa hambara aty aoriana. 24Koa ny lalàna dia mpitaiza anay mba hiandrandranay an’i Yahoshuah, ka hahatonga anay ho marina eo imason’Andriamanitra noho ny finoana. 25Efa tonga kosa ankehitriny izany finoana izany, ka tsy fehezin’izay mpitaiza intsony izahay.

=> GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’I Yahoshuah ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. TAFASARAKA @ A/TRA NAREO MPITANDRINA DIDY FOLO

RAFITRA EFA NILAOZAN’A/TRA NY DIDY FOLO:
2KOR,3:7 fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato
1KOR,15:56 fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana, ary ny lalàna no herin’ny ota.
ROM,7:9 fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota ka dia maty aho

MPANOTA IZAY MITANDRINA DIDY FOLO:
1TIM,1:9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna(didy folo), fa ny mpandika lalàna sy ny maditra,dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona. 10Ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema

119. MINDAOZY ( 27/05/2017 08:08)
RAVA NY LALAN'NY JIOSY: RAVA NY LALAN'I MOSHE: RAVA NY DIDY FOLO: YAHOSHUAH NO NANDRAVA AZY: RESY NY DEVOLY: AFAKA MIARAKA @ A/TRA IZAHAY: TAFIDITRA ANY ANDANITRA IZAHAY:

120. RA TAN ( 27/05/2017 12:13)
Hoy i RBNIR tary aloha hoe:
RBNIR:

miala tsiny aho fa ny atao hoe fanekena vaovao dia ny fanoratana ilay didy ao ampo fa tsy hoe didy vaovao akory (taloha ilay didy dia nosoratana tamin'ny vato na koa taratasy (izany hoe tety ivelan'ny tenan'ny olona) fa amin'ny fanekena vaovao kosa dia soratana ao anatin'ilay olona ilay didy (tsy misy filazana didy folo tonta izany ao amin'ny hebreo 8
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5162