MAHAFATY NY DIDY FOLO

1. RA TAN ( 13/04/2017 14:20)
Rafitra efa nilaozan'Andriamanitra ny didy folo dia mahafaty; mamelona ota:
- 2KOR,3:7 Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin'ny vato*(DEO,5:6- ...19) ...
- ROM,7:9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
- 1KOR,15:56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.

YAHOSHUAH: ilay Fanekena vaovao no vahaolana. Izy ilay tena zanak'A/tra nandrava ny didy folo(EFESIANA,2:15); dia resiny ny fahafatesana, vitany ny nanaisotra ny fahotana. Izay miaraka @ YAHOSHUAH tsy mpanota intsony(1JAONA,3:5,6,9).


www.rtvyahoshuah.com
novalian'i RA TAN ny 26/07/2017 12:14
2. rhaj0 ( 13/04/2017 15:25)
dia ohatrohatra ve izany hoe, i RA TAN, raha maninomaninona ny reniny ao, dia TSY manota, satria efa miaraka @ Yahoshuah??
3. RBNIR ( 13/04/2017 23:52)

rhaj0:

dia ohatrohatra ve izany hoe, i RA TAN, raha maninomaninona ny reniny ao, dia TSY manota, satria efa miaraka @ Yahoshuah??

Izao no vokany zavatra torianareo RA TAN
Ka dia anareo sy Andriamanitra io hoy aho......Tsy azonao antsaina mihitsy v hoe taominareo ny fon'ny olona hanao tsinontsinona ny sitrapon'Andriamanitra???????
4. RBNIR ( 14/04/2017 00:30)
Na izany aza mba hampahazava ny fon'ny mpamaky sy mba hanitsy anao ihany koa raha mety ianao dia aleo valiana ihany ity teneninao ity....
1 Ny didy folo dia tsy mahafaty fa manome fiainana mandrakizay:
Hoy Jesosy hoe : « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Matio 19:18)

Vakio tsara fa didy folo ireo tanisain'i JEsosy ireo ary nambarany eny aloha fa ny fitandremana ireo no antoka hidirana ao amin'ny fiainana.....

2 « Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona, » (2 Korintiana 3:7)

Ilay "soratra" voasoratra teo amin'ny "vato" no mahazo tsiny eo (iny ilay soratra ivelan'ny olona) iny ilay novonoina araka ny « ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kolosiana 2:14)

Fa novaina natao Soratra anatiny kosa ilay izy ao amin'ny fanekena vaovao (iny didy iny ihany fa saingy tsy natao soratra ivelany intsony fa novaina ho soratra anatiny) « "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," » (Hebreo 10:16)

3 « Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho. » (Romana 7:9)
Ny atao hoe "famonjena" dia fanesorana ilay OTA tsy ho ao anatin'ny olona intsony....« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:5)

Tsy ilay didy akory no ratsy na koa hoe mahafaty.....« Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17). » (Romana 7:7)
« Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna. » (Romana 7:13)

Vakio tsara fa hoy ny teny eo hoe Koa ny tsara va no nahafaty ahy (ilay didy no tiany tenenina eo)? Sanatria izany!

Ilay ota no mitondra fahafatena fa tsy ilay didy......Nefa rehefa voavonjy ny olona iray dia ny zavatra ataon'Andriamanitra voalohany dia ny fanesorana ilay ota tsy ho ao anatin'ilay olona ao intsony...

4 - 1KOR,15:56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
Zaraiko 2
1 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana (manamafy ilay voalazako ery ambony hoe tsy ilay didy akory fa ilay ota no mitondra fahafatesana....
2 ary ny lalàna no herin'ny ota. mitombina io raha ohatra ka mbola misy ota (tsy nandray famonjena) ilay olona fa rehefa nandray famonjena kosa ilay olona dia tsy misy ota intsony ao anatiny..........

5 « fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, » (Efesiana 2:15)

Efa nazavaiko io, ovaina lasa olom-baovao ilay olona (lasa mandeha araka ny lalàna sy ny fitsipiny) noho ilay soratra anatiny fa tsy ivelany tahaka ny taloha intsony....Nohon'ny Fanahy Masina izay manova ny fon'ilay olona tanteraka mihitsy mba handeha araka ny lalàna sy ny fitsipika izay nataon'Andriamanitra.....« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)

Ilay olombaovao resahina ao amin'ny efe.2:15 io dia tsy iza akory fa ilay kristy velona ao anaty « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Galatiana 2:20)

rehefa Kristy no velona ao anaty dia lasa manana fiainana mitovy amin'i Kristy ilay olona (lasa olomarina) tsy mahay manota (tsy mahay mandika ny sitrapon'Andriamanitra....

Ka tsy fiteny koa hoy aho izany hoe didy folo mitondra fahafatesana izany....Tsy ny didy no mitondra fahafatesana fa ny ota « Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy,(Rom.7:7a)

Koa tandremo tsara re ny fomba fiteninareo RA TAN an, eto izao i rhajo dia efa mametraka fanontaniana sahady hoe raha maninomaninona ny reninao izany ianao (na koa hoe ny anabavinao) dia tsy misy bedy io fa mandeha ho azy daholo??????

Ilay fomba fiteninareo mihitsy no misy diso.....Tsy fiteny ny hoe RAVA NY DIDY FOLO, tsy fiteny koa ny hoe ny didy folo mitondra fahafatesana sns.....Ka ahitsiho re fa sao dia hanenenana e!
5. RA TAN ( 14/04/2017 03:28)
RBNIR:


rhaj0:

... i RA TAN, dia TSY manota, satria efa miaraka @ Yahoshuah??

Izao no vokany zavatra torianareo RA TAN
Ka dia anareo sy Andriamanitra io hoy aho......Tsy azonao antsaina mihitsy v hoe taominareo ny fon'ny olona hanao tsinontsinona ny sitrapon'Andriamanitra???????


==> Inty no sitrapon'A/tra: "HEB,10:9 dia hoy indray Izy: Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa"
NY SITRAPON'A/TRA DIA NY MANAISOTRA NY FANEKENA TALOHA (DIDY FOLO) MBA HAMPITOERANA NY FANEKENA VAOVAO (LALÀN'I YAHOSHUAH)
6. RA TAN ( 14/04/2017 04:08)
RBNIR:

1 Ny didy folo dia tsy mahafaty ...


Valiny:
Nolavinao ny "2KOR,3:7" FANOMPOANA MITONDRA FAHAFATESANA ILAY VOASORATRA TEO @ VATO(DIDY FOLO).

"MAT,19:17-21"
YAHOSHUAH eo no miresaka @ ilay Israeliana(tsy hafa firenena) fa TSY JESOSY. Mbola tsy maty teo @ hazo fijaliana i YAHOSHUAH teo dia mbola tsy rava aloha ny didy folo, dia normal be ts maintsy ilay didy folo aloha no nasaina notandreman'ilay Israeliana(tsy hafa firenena). Fa tsy mahatanteraka anefa ilay didy folo na dia voatandrina aza. Noho izany ra te ho tanteraka dia:MAT,19:21amidio daholo ny fanananao rehetra dia omeo ny mahantra (tsy misy an'izany ao @ didy folo) dia AVIA MANARAKA AHY HOY I YAHOSHUAH.
Rehefa manaraka an'i YAHOSHUAH dia ts maintsy tonga ary @ hazo fijaliana; dia eo amzay ilay "EFES,2:15 RAVA NY DIDY FOLO"
7. RA TAN ( 14/04/2017 04:46)
"HEB,8:7 Fa raha tsy nanantsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa: NANANTSINY NY DIDY FOLO MATOA NAPETRAKA NY FANEKENA VAOVAO.
8 Indro avy ny andro hoy Yahvah, izay hanaovako fanekena vaovao ... 9nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; TSY MITOVY @ DIDY FOLO NY FANEKENA VAOVAO, FA HAFA MIHINTSY.
10 ... Hataoko ao antsainy ny lalàko, sady hosoratako ao ampony ... hoy Yahvah. ILAY FANEKENA VAOVAO IZANY, FA TSY HOE AKORY ILAY DIDY FOLO EFA TONTA TARY NO NAMBOAMBOARINA; FA TENA HAFA MIHINTSY NY ATAO HOE VAOVAO.
11 ... Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra ... TSY MPANOTA NY OLONA ATY @ FANEKENA VAOVAO MAZAVA HOAZY MATOA MAHAFANTATRA AN'A/TRA (1JAONA,3:6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota, izay rehetra manota dia tsy nahita na mahalala Azy) ATY @ YAHOSHUAH IZANY, FA NY ANY @ JESOSY MPANOTA DAHOLO.
8. RBNIR ( 14/04/2017 05:10)

RA TAN:

RBNIR:

1 Ny didy folo dia tsy mahafaty ...


Valiny:
Nolavinao ny "2KOR,3:7" FANOMPOANA MITONDRA FAHAFATESANA ILAY VOASORATRA TEO @ VATO(DIDY FOLO).

"MAT,19:17-21"
YAHOSHUAH eo no miresaka @ ilay Israeliana(tsy hafa firenena) fa TSY JESOSY. Mbola tsy maty teo @ hazo fijaliana i YAHOSHUAH teo dia mbola tsy rava aloha ny didy folo, dia normal be ts maintsy ilay didy folo aloha no nasaina notandreman'ilay Israeliana(tsy hafa firenena). Fa tsy mahatanteraka anefa ilay didy folo na dia voatandrina aza. Noho izany ra te ho tanteraka dia:MAT,19:21amidio daholo ny fanananao rehetra dia omeo ny mahantra (tsy misy an'izany ao @ didy folo) dia AVIA MANARAKA AHY HOY I YAHOSHUAH.
Rehefa manaraka an'i YAHOSHUAH dia ts maintsy tonga ary @ hazo fijaliana; dia eo amzay ilay "EFES,2:15 RAVA NY DIDY FOLO"


Ahoana marina tokoa moa no avy dia ilazanareo fa israelianina no niresaka taminy tamin'io fotoana io? ny voasoratra dia hoe nisy anankiray???? fa tsy hoe nisy jiosy anankiray???
9. RBNIR ( 14/04/2017 05:31)
fa ilay voasoratra ao amin'ny 2kor.3:7 dia mazava be fa ilay soratra teo amin'ny vato no resahina (soratra ivelan'ny olona) fa ilay soratra anatiny kosa tsy voakasik'io....Ilay soratana ao anaty mantsy dia tsy inona fa ireo lalàna teo aloha ireo ihany....
10. stahtam ( 14/04/2017 05:37)

[quote=RA TAN]
Rafitra efa nilaozan'Andriamanitra ny didy folo dia mahafaty; mamelona ota:
- 2KOR,3:7 Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin'ny vato*(DEO,5:6- ...19) ...
- ROM,7:9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
- 1KOR,15:56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.

YAHOSHUAH: ilay Fanekena vaovao no vahaolana. Izy ilay tena zanak'A/tra nandrava ny didy folo(EFESIANA,2:15); dia resiny ny fahafatesana, vitany ny nanaisotra ny fahotana. Izay miaraka @ YAHOSHUAH tsy mpanota intsony(1JAONA,3:5,6,9).


www.rtvyahoshuah.com

[quote=stahtam]
ABOBO n° 31: ny didy folo dia mahafaty (mamelona ota)
1- I Daniela mpaminany dia mpitandrina didy folo, "ilay malala indrindra" no niantsoan'i Elôhym azy. Ny fiantsoanareo ny mpitandrina didy folo kosa dia mpanota. Ka tsy marina ve ny teniko hoe: samy hafa ny ivavahantsika? Ny malala indrindra aty aminay dia mpanota any aminareo.
2- Na dia i Paoly ilay apostolinareo aza dia niteny hoe "hovonjena avokoa ny Israely rehetra" (ny mpitandrina didy folo izany) Romana 11/26; izany hoe rehefa velona izany ny otan-dry zareo dia hovonjena daholo izy!!! mdr!
Ento foana raha mbola misy abobo sy saka be loha hamidy any e!
11. RA TAN ( 14/04/2017 06:47)
RBNIR:

fa ilay voasoratra ao amin'ny 2kor.3:7 dia mazava be fa ilay soratra teo amin'ny vato no resahina (soratra ivelan'ny olona) fa ilay soratra anatiny kosa tsy voakasik'io....Ilay soratana ao anaty mantsy dia tsy inona fa ireo lalàna teo aloha ireo ihany....


VALINY:
Inona ilay soratra teo amin'ny vato? --> Didy folo ilay soratra teo amin'ny vato izay voalaza fa fanompoana mitondra fahafatesana.

Ary soratanana inona indray izany lalàna teo aloha lazainao fa ao anaty izany? Ao anaty inona? (ao anatin'ilay vato sa ao anaty inona?)
Fa mazava be ny "HEB,8:9" fa TSY ARAKA NY DIDY FOLO ILAY FANEKENA VAOVAO, FA TENA HAFA MIHINTSY ARAKA NY MAHA VAOVAO AZY; tsy hoe ilay didy folo ihany no namboamboarina. Fa raha iny ihany no namboamboarina dia tsy misy maha vaovao azy.
Ny LALÀN'I YAHOSHUAH(FANEKENA VAOVAO) NO NOSORATANA AO AMPO SY AO ANTSAINA, fa tsy ny didy folo izany.
12. RBNIR ( 14/04/2017 07:02)
RA TAN:

VALINY:
Inona ilay soratra teo amin'ny vato? --> Didy folo ilay soratra teo amin'ny vato izay voalaza fa fanompoana mitondra fahafatesana.

Ary soratanana inona indray izany lalàna teo aloha lazainao fa ao anaty izany? Ao anaty inona? (ao anatin'ilay vato sa ao anaty inona?)

Izay ilay lazaiko hoe tsy mamaky (na mody tsy mamaky izay soratan'ny olona ianao RA TAN an

Jereo ny soratatko ery ambony....« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Hebreo 8:10)

Ilay lalàna (didy folo ao anatiny) dia tsy hosoratana amin'ny vato intsony fa hosoratana ao ampon'ilay olona indry kosa........

Ka tsy misy didy rava sns izany eo fa ny fitoerany fotsiny no novaina, (raha tety ivelan'ny olona izy teo aloha dia natao kosa ao anatin'ilay olona....

Efa nanome ohatra aho, taloha ny olona tsy sahy nangalatra noho ilay didy hoe Aza mangalatra, fa ankehitriny kosa dia ilay olona anatiny mihitsy no ovaina tsy ho mpangalatra...

Dia tsy ilaina intsony hoy aho ny miteny azy hoe aza mangalatra satria ny tenany aza efa tsy mpangalatra intsony....dia otran'izay daholo ireo didy ireo e, (anisan'ny andro fahafito izay tsy tianareo mihitsy).....
13. RA TAN ( 14/04/2017 07:12)
stahtam:

ABOBO n 31: ny didy folo dia mahafaty (mamelona ota)


NB:
Matoa teny aty @ testameta vaovao ny sujet eto dia nataoko hoan'izay mino ny testameta vaovao, fa tsy misy idiran'i stahtam izay mitsipaka ny testameta vaovao izany. Amin'i stahtam dia abobo daholo ny testameta vaovao rehetra fa tsy ireo versets vitsivitsy ireo ihany.

Fa raha te hiresaka didy folo eto ianao ry stahtam dia ndana vahao aloha ny "DEO,30:11-13" raha mahavaha ianao a. Io mantsy milaza hoe TSY AZO TANDREMANA ATY ANY IVELAN'NY TANY ISRAEL NY DIDY FOLO, FA ANY ISRAEL IHANY.
Ndana mody any israel ianao ra te ho marina @ io didy folo io.
Fa maninona ianao no ts mety mody any israel? Sa efa fantatrao fa ra vao tonga any ianao dia horoahin'ny israeliana araka ny lalàna(DEO,7:2,3 EKS,34:11-14 LEV,2O:23), satria fantany fa gasy be ianao fa mody mitomany ho jiosy fotsiny?
14. RA TAN ( 14/04/2017 07:57)

RBNIR:

« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Hebreo 8:10)

Ilay lalàna (didy folo ao anatiny) dia tsy hosoratana amin'ny vato intsony fa hosoratana ao ampon'ilay olona indry kosa..


=> HEB,8:8 Indro avy ny andro, hoy Yahvah, izay hanaovako fanekena vaovao (TSY ILAY DIDY FOLO, FA EFA TONTA NY DIDY FOLO) ...
9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; (TSY DIDY FOLO INTSONY IO, FA HAFA MIHINTSY).
10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'israely, ... hoy Yahvah: dia hataoko ao ant-sainy ny lalàko, sady ho soratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko (NY LALÀNA ATAONY AO AMPO SY AO ANTSAIN'NY OLONY DIA FANEKENA VAOVAO, FA TSY DIDY FOLO)
15. RBNIR ( 14/04/2017 08:16)
miala tsiny aho fa ny atao hoe fanekena vaovao dia ny fanoratana ilay didy ao ampo fa tsy hoe didy vaovao akory (taloha ilay didy dia nosoratana tamin'ny vato na koa taratasy (izany hoe tety ivelan'ny tenan'ny olona) fa amin'ny fanekena vaovao kosa dia soratana ao anatin'ilay olona ilay didy (tsy misy filazana didy folo tonta izany ao amin'ny hebreo 8
16. RA TAN ( 14/04/2017 08:18)
Amin'i RBNIR izany ny atao hoe VAOVAO dia ny teo aloha izay efa tonta ihany no amboamboarina???

Ohatra:
-Misy kiraro efa ratsy be efa ravidrovitra b izany; mainty ny lokony. Dia notampitampenana iny avy eo.
-Misy kiraro mbola tsara be tena mbola tsy niasa koa etsy ankilany; fotsy ny lokony.

Fa ny olona rehetra ra anontaniana hoe aiza @ ireo kiraro ireo no vaovao dia matoky aho fa samy hilaza hoe "ilay kiraro fotsy mbola tsy niasa no VAOVAO", fa ilay efa tonta na hotampitampenana tahaky ny inona eo aza ka hatao ao anaty baoritra tsara tarehy tsy vaovao izany iny fa tonta foana.
Fa i RBNIR irery izany no miteny hoe "ilay kiraro ratsy be efa rotidrotika no atao hoe vaovao" satria natao tao anaty baoritra tsara tarehy.

Dia tahak'izany koa, ny fanekena vaovao dia tena hafa mihintsy fa tsy ilay didy folo izay efa tonta akory
17. stahtam ( 14/04/2017 08:43)

RA TAN:

[quote=stahtam]
ABOBO n 31: ny didy folo dia mahafaty (mamelona ota)


NB:
Matoa teny aty @ testameta vaovao ny sujet eto dia nataoko hoan'izay mino ny testameta vaovao, fa tsy misy idiran'i stahtam izay mitsipaka ny testameta vaovao izany. Amin'i stahtam dia abobo daholo ny testameta vaovao rehetra fa tsy ireo versets vitsivitsy ireo ihany.

Fa raha te hiresaka didy folo eto ianao ry stahtam dia ndana vahao aloha ny "DEO,30:11-13" raha mahavaha ianao a. Io mantsy milaza hoe TSY AZO TANDREMANA ATY ANY IVELAN'NY TANY ISRAEL NY DIDY FOLO, FA ANY ISRAEL IHANY.
Ndana mody any israel ianao ra te ho marina @ io didy folo io.
Fa maninona ianao no ts mety mody any israel? Sa efa fantatrao fa ra vao tonga any ianao dia horoahin'ny israeliana araka ny lalàna(DEO,7:2,3 EKS,34:11-14 LEV,2O:23), satria fantany fa gasy be ianao fa mody mitomany ho jiosy fotsiny?

[quote=stahtam]
1- "Matoa teny aty @ testameta vaovao ny sujet eto dia nataoko hoan'izay mino ny testameta vaovao, fa tsy misy idiran'i stahtam izay mitsipaka ny testameta vaovao izany"
Izay mihitsy no anaporofoako azy hoe abobo. Mazava ve?
2- DEO 30/11-13: io dia naman'ny EKS 12/12 ka mamaky teny sy manao interprétation tora-po no azonao atao @ io. Tsy ho anareo io (Salamo 147/19,20).
3- "Ndana mody any israel ianao ra te ho marina @ io didy folo io"
I Daniela tany Babylona dia marina t@ io didy folo io, i Hanania sy Misaela ary Azaria koa; ka mamoaka ny lainga efa velona ao anatinao fotsiny ianao @ io fehezanteny io.
4- "Sa efa fantatrao fa ra vao tonga any ianao dia horoahin'ny israeliana araka ny lalàna(DEO,7:2,3 EKS,34:11-14 LEV,2O:23), satria fantany fa gasy be ianao fa mody mitomany ho jiosy fotsiny?"
i Doega Edomita dia niasa tao @ tempoly tany Jerosalema (Israel) fa tsy nisy Israeliana nandroaka azy izany tany; i Oria miaramilan'i Davida dia Hetita nipetraka tany Israel, tsy nisy nandroaka fa i Davida nikitikitika azy aza no nahita loza...; ka izao e:
- alefaso ihany raha mbola misy abobo holazainao
- Tsy natao ho anao mihitsy ireo DEO sy EKS ary LEV novakivakianao ireo dia avy eo nampifanandrifindrifiana @ ilay doctrine-n'i episcopo. Noho izany midira @ ireo dia hitrotrongitrongy tahaka izao ianao.
18. RBNIR ( 14/04/2017 08:59)
ilay fanoratana azy ao ampo no fanavaozana fa tsy ilay didy soratana ao ampo akory RA TAN...
Taloha dia nosoratana ivelan'ny fo ilay didy (soratana tamin'ny vato, ttsy sns....)
19. RBNIR ( 14/04/2017 09:01)
fa maninona kay ianareo ao no tsy mijangajanga RA TAN??? (sa diso aho fa mijangajanga daholo ianareo ao???
20. RBNIR ( 14/04/2017 09:10)
vakio tsara fa ilay soratanana no novonoina fa tsy ilay didy akory,

Samihafa izany....« ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kolosiana 2:14)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3786