Ny Biby ve nofo sy fanahy koa

1. rhaj0 ( 11/04/2017 10:58)
Hoy mantsy RBNIR sy Jeremia...
RBNIR:
« Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jeremia 32:27)

Ianao ngah tsy nofo????

novalian'i rhaj0 ny 26/04/2017 12:15
2. irakiraka ( 11/04/2017 12:30)
Rbnir sy Jeremia :-)
3. RBNIR ( 11/04/2017 12:32)
« Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano. » (1 Korintiana 15:39)
4. RBNIR ( 11/04/2017 12:33)
fanampiny ny biby sns tsy manampanahy fa ny olona irery ihany.....
5. RBNIR ( 11/04/2017 12:35)
ny olona ihany no afaka mivavaka satria hoy ny teny hoe....« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)

raha tsy misy "fanahy" tsy afaka mivavaka amin'Andriamanitra...
6. RBNIR ( 11/04/2017 12:40)
Ary mbola hafa ihany koa ny tenan'ireo olona any an-danitra ireo....« Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny ety an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny ety an-tany. » (1 Korintiana 15:40)

Io tena Any an-danitra io no fampanantenana omena ny olona ankehitriny (io ilay TENA MAHARITRA MANDRAKIZAY).....

« fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Korintiana 15:52)

Secret daholo izany e, moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va hoy IZY?????

7. RBNIR ( 11/04/2017 12:45)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Korintiana 15:53)
8. rhaj0 ( 11/04/2017 13:25)
Ka "nofo" ihany izany ny Biby, na dia "nofo" tsy mitovy @ Olona, ary dia arak'i Jeremia, dia Andrmntry ny Biby koa izany ilay "Andrimanitry ny nofo rehetra"

Dia io izany fa voavaha (an'i Jeremia) ny fanontaniana: nisy koa ny Andrmntry ny Dinaozoro :-)

Ny @ "fanahy" indray, dia "TSY manam-panahy" indray hono izany ny Biby. Ka @ RBNIR sy i Jaona, dia izay "mivavaka" ihany no "manam-panahy".

Dia nefa anie ny Akoho raha hisotro rano moa maninona ry RBNIR? :-)
Ary ny Alik, hozy ny Papa Fransoa, dia mba mankany am-paradisa koa.
9. RBNIR ( 11/04/2017 13:35)
rhaj0:

1 rehefa mampitovy tena amin'ny biby ny olona dia tena hitovy amin'ny biby marina tokoa ary dia tena biby mihitsy koa no andraisan'Andriamanitra azy fa tsy olona....

Ny olona anefa dia nataon'Andriamanitra.....« Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. » (Genesisy 1:27)

2 mety hafa angamba ny paradisa antenain'ny katolika fa raha ny ahy aloha dia izao ny voasoratra momba azy....« Fa any ivelany ny alika .....» (Apokalypsy 22:15) (mitombona foana io na sens propre na sens figuré)
10. rhaj0 ( 11/04/2017 13:44)
Asa k'lou toatoa ny ahoana ny fandraisan-dry RBNIR (mpino) izany hoe "Biby". Tena hotrhotry ny tsinontsinona izany, na hoe lozabe gaigy izany an... Sa diso aho?

Ny olona aty ohatra anefa, ny alika taizany ao, dia tsara taiza sy tsara sakafo ets..., mitovy na mihoatra ny zanany ao. Aiza moa i Fransoa no tsy nibaradaka hoe, tena hiaraka aminy any am-paradisa koa ny alika ee...

Fa sokafy ny saina sy ny fo ary ny maso ry RBNIR a... Rahefa jerenao ny ati-maso (sy fanahy) an'izay alika ao, dia tena ho hitanao izany. TSy ao anaty Baiboly izany fa ao @ ati-mason'ilay alika ho'a ee...
11. RBNIR ( 11/04/2017 13:48)
rhaj0:

Ny olona aty ohatra anefa, ny alika taizany ao, dia tsara taiza sy tsara sakafo ets..., mitovy na mihoatra ny zanany ao. Aiza moa i Fransoa no tsy nibaradaka hoe, tena hiaraka aminy any am-paradisa koa ny alika ee...

Tsy idirako izay ataony any fa ho anao manokana ity, raha hamelona ihany ny gasy aty bdb no mampalahelo rhajo....
12. rhaj0 ( 11/04/2017 13:55)
dia ho anao manokana koa ity... maninona no pehanao ny 1/10-n'ny hatsembohan'ny mampalahelo RBNIR aaa..
13. RBNIR ( 11/04/2017 13:59)
rhaj0:

dia ho anao manokana koa ity... maninona no pehanao ny 1/10-n'ny hatsembohan'ny mampalahelo RBNIR aaa..

Ny 1/10 tsy afaka mihinana izany aho satria aho tsy voatokana ho amin'izany fa izaho ary no manome....

Fanampiny, izaho koa tsy terena hanome na tsy hanome fa consiencen'ny tsi11 io...
14. rhaj0 ( 11/04/2017 14:31)
koa na "tsy mihinana" ilay 1/10 hono azany ianao ry RBNIR, dia maninona ianao no miray tsikombakomba ka manala izany am-posin'ireo Malahelo, fa tsy mba "mandeha manjono" araka ny fampianaran'i Jesosy no ataonao?

Fa raha ny Alika indray, dia ny olona, koa na ianao koa aza, dia samy manao izay tandrify azy sy izay azony atao ee... tsisy fanaperana eto an-tany af dia samy miezaka ao sy samy miaro ny rambony.

Fa iverenana ny "nofo" sy "fanahy" an'ny Biby.

Fa toa ny fivavahan'i Abrahama (Jiosy, Kristiana, Moslimo) iihany ho'a no toa tena "matahotra" Biby:
- Ankoatr'ilay "menarana" ao @ Genesisy,
- dia ao koa ilay "Bibidia" atsy @ Apokalipsia,
- na koa irep "Kisoa" nanarian'i JEsosy ny Devoly
- sy koa ny "Alika", alefa any ivelany, hoy ihany ny Appokalipsia sy RBNIR

dia ny hitako aloha, dia tsy mahay miaina (miaraka @ biby) ireto izy...

15. RBNIR ( 12/04/2017 05:39)
rhaj0:

Fa iverenana ny "nofo" sy "fanahy" an'ny Biby.

Fa toa ny fivavahan'i Abrahama (Jiosy, Kristiana, Moslimo) iihany ho'a no toa tena "matahotra" Biby:
- Ankoatr'ilay "menarana" ao @ Genesisy,
- dia ao koa ilay "Bibidia" atsy @ Apokalipsia,
- na koa irep "Kisoa" nanarian'i JEsosy ny Devoly
- sy koa ny "Alika", alefa any ivelany, hoy ihany ny Appokalipsia sy RBNIR

lasa miova indray ange izany lohahevitra izany e...

aleo hofitiniko aloha ny resaka teo aloha,

Nametraka ity ianao hoe : ny biby ve nofo sy fanahy koa...

Hoy mantsy RBNIR sy Jeremia...

"« Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jeremia 32:27)
Ianao ngah tsy nofo????"

Dia novaliako hoe
« Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano. » (1 Korintiana 15:39)

fanampiny ny biby sns tsy manampanahy fa ny olona irery ihany.....
ny olona ihany no afaka mivavaka satria hoy ny teny hoe....« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)
raha tsy misy "fanahy" tsy afaka mivavaka amin'Andriamanitra...

Ary mbola hafa ihany koa ny tenan'ireo olona any an-danitra ireo....« Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny ety an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny ety an-tany. » (1 Korintiana 15:40)
Io tena Any an-danitra io no fampanantenana omena ny olona ankehitriny (io ilay TENA MAHARITRA MANDRAKIZAY).....
« fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Korintiana 15:52)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Korintiana 15:53)

Araka ireo teny ireo dia ilay nofo rehetra tian'Andriamanitra lazaina dia ny olona fa tsy ny biby akory satria ny olona no afaka mivavaka Aminy fa tsy ny biby (ny olona no misy fanahy fa tsy ny biby akory)

Fanampiny ny baiboly dia mametraka mazava fa samihafa ny "voninahitra" nomena ny biby sy ny olona, ary samihafa ihany koa ny voninahitra nomena ny olona ety antany (nomena vatana mety maty) sy ireo any andanitra (nomena vatana maharitra mandrakizay)

Mampanantena anefa Andriamanitra fa homeny ny olona ihany koa ilay vatana maharitra mandrakizay....

Inona ary no tokony ataoko sy ataonao?????

« ......... fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. » (1 Samoela 2:30)

OMEO VONINAHITRA IZY DIA OMENY VONINAHITRA IANAO FADIO NY MANAMAVO AZY....DIA HO AZONAO ILAY VATANA VAOVAO MAHARITRA MANDRAKIZAY!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
16. rhaj0 ( 12/04/2017 10:37)
ka dia napetrapetrak'i RBNIR tsara izany ny ambaratongany.. Ny an'ny Biby dia nofo "TSY tena izy, fa ny an'ny Olona no "tena izy". Ny mpisolelaka no "fanahy tena izy" fa ny mpanota mihinan'ny tsakaokany.

Ka i RBNIR izany io manavaka (ny tenany) ho "tena izy", nefa anie na i Jeremia aza efa nilaza hoe "Andriamanitry ny (nofo) rehetra".

Dia ianao mihitnsy ry RBNIR no MPANILIKILIKA, fa anaovanao rabefilaza eto ny hoe, i Andrmntra no manilikilika.

Fa mba nojereko indray ity 1 Samoela 2:30-ndRBNIR. Toa ahindrahindran-dRBNIR ilay izy fa toatoa ny hoe i Andmntra en personne no miteny azy. Nefa rahefa zohina ilay toko aman'andininy, dia..
i Samoela 2:27 Ary nisy olon'Andriamanitra anankiray tonga tao amin'i Helì ary nilaza taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo...

mouah ha ha... IZA ilay olon'Andrmntra nitompo-teny hoe, izy hono nahare an'Andmntra???

Dia izany koa no ianaran-dry Herinirina.. Izy Herinirina no mirediredy ao, dia lazainy fa i Andrmntra no niteny an'izany. Koa na i RBNIR aza manao an'io koa ho'a.

Ka ianareo RBNIR sy Hernirina ve no mirediredy, sa kosa, dia tena Andrmntra tokoany no mirediredy ee ???? Rahefa TSY miteny Andrmntra @ rediredinareo, na ny rediredy akapokareo a@ anaraNY, dia... ao tsara mihitnsy izany ee... "Vatolahy angeren'ny Vorona" ho'a...
17. RBNIR ( 12/04/2017 11:11)
afaka mihomehy tsara hoy aho ianao rhajo a, otran'ny tamin'ny andron'ny Noa, nibaliaka tsara ny andro ary zato taona taty aoriana vao tanteraka ilay faminaniana....

Fa izay ilay hoe Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andrasako foana e!!!Valio | Miverina eny ambony
18. rhaj0 ( 12/04/2017 12:10)
rhaj0:
Ka ianareo RBNIR sy Hernirina ve no mirediredy, sa kosa, dia tena Andrmntra tokoany no mirediredy ee ???? Rahefa TSY miteny Andrmntra @ rediredinareo, na ny rediredy akapokareo a@ anaraNY, dia... ao tsara mihitnsy izany ee... "Vatolahy angeren'ny Vorona" ho'a...

Izaho aloha mbola (te-)mino hoe, ry RBNIR sy Herinirina no mireviredy fa TSY i Andrmntra.

Fa ny mahavariana ahy, tsy voalohany no misy ny toa an-dry RBNIR sy Hrnrn. Dia izay efa aman'arivo taonany izay ve dia ... "hangeren'ny Vorona ao io foana ilay Vatolahy"??

fa dia aza manao fanahim-borona ry RBNIR aa ... :-)
19. RBNIR ( 12/04/2017 12:27)
ny vorona hoy aho tsy misy fanahy....
20. lahindroy ( 20/04/2017 19:48)

salama jiaby
fanontaniana tokana :
voaporofo ara-biolojika ve fa akora samihafa tokoa ny misy eo amin'ny nofon'ny olona sy ny biby ? mba omeo ny toera-mpikarohana (laboratoire sy ny laharany ary ny anaran'ny gazety siantifika namoaka an'izany aza fady ; misaotra)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3004