Tantaran'ny Finoana Fivavahana

41. rhaj0 ( 19/04/2017 18:17)
"mikorontana" i RBNIR satria ... izy efa nilamina tao @ "fampianarana-tsisy-kilema" tokana an'i Hrnrn tao, izao vao tonga saina, fa kay misy "fampianarana-(tsy-mitovy-@)-tsisy-kilema" koa kay, ary dia lasa sirika sy oainina ireto kileman'ilay nitono-tena ho tsisy kilema (i Hrnrn).

Fa miverina @ ilay sondazy adiavin'i RBNIR aho izany ee.. ngo dia efa nanao sondazy an-tendron'orona ao ianao ry RBNIR, dia valakabe fa ireto olona (nampianao) voan'ny soloky sy fitaky ny 1/10, toa tena TSY mandeha @ izay laoniny akoriny ny fiainany ... Dia mba menatra ihany ianao ny handainga, dia mody izaho no ilanao voa tsy hary, abosibosinao hanao sondazy..
42. RBNIR ( 20/04/2017 06:57)
ny zavatra hitako hatreto aloha dia teha vitsy mpamaly ilay sondagenao, donc mitombina ny voalazanao : ianao dia tsy mifanerasera amin'ireo olona ireo, ka mandiniha tena fa voaporofo ankehitriny fa ny atheist izany raha tarafina aminao dia olona "tsy tia mifanerasera" amin'ny kristianina (indrindra raha vao mpivavaka be sy mpandoa 1/10)....
43. rhaj0 ( 20/04/2017 11:23)
efa notantaraiko taminao, ilay namana Kristiana, vao nahare fa "tsy toa azy" aho, dia noalaviriny sy tsy niarahany niasa na niresaka akoriny aho, satria, @ finoana Kristiana(ny), dia "devoly" aho.

Ny Kristiana no mpiavonavona sy mpanilikilika ry RBNIR aaa...

Koa na ianao azany dia iavonavonana sy ahilikiliky ny "havanao ao @ Tompo" rahefa manara-body an'i Hrnrn ao io ianao, fa lazain-dreo Kristiana namanao fa sekta ny anareo.
44. lahindroy ( 20/04/2017 19:40)
maniry antsy rehetra ho salama lalandava ny tenako

rehefa matetika ny mpanaradia finoana iray (kristiana , ...) no tia mifanerasera amin'ny hafa ?
-rehefa mpiray finoana aminy aloha ; miara-miangona , na miara mamonjy mosquée na synagoga ...; na koa miaraka ao anatin'ny fikambanana miray tendro amin'ilay finoana (sampana vehivavy , tanora kristiana , mpiasa-panjakana kristiana ...)

-rehefa mpanaradia finoana samihafa dia ...mihena ohatry ny fen'antitra ny fifandraisana : mifanerasera betsaka tokoa ve ny fikambanana tanora kristiana sy ny fikambanana silamo ohatra ? manao ahoana ny fifandraisana sy ny faneraserana eo amin'ny kristiana sy ireo mpanaradia finoan-dRazana (fanamasinana eny amin'ny doany , fanaovana fanatitra ara-pomban-dRazana : maro tokoa ve ny kristiana manatrika an'izany araky ny hevitsika ? ary ny mpanaradia ny finoan-dRazana na ny tsy mpino ny fisian'Andriamanitra ve misy hitanareo manatrika batisa na mariazy any am-piangonana ?

-inona no ataon'ny kristiana na ny silamo ohatra rehefa mahita olona tsy ao anaty ny finoany ?
amin'izao dia ny manao izay azony hatao rehetra handresena lahatra ny hafa hanaraka ny finoany : izay ihany no tena votoatin'ny fifandraisan'ny kristiana na ny silamo amin'ny olon-kafa !

ny tsy mpino ?
manaseho ny heviny tahakan'ny rehetra koa izy ireny fa afatesakosa matetika dia TSY MITARIKA olona hanaradia azy satria :
-tsy misy fiangonana na mosquée na synagoga ...na toerana anankiray manokana iaraha- maneho ny TSY FINOANY
-manaja ny finoan'ny tsirairay (fanajana akory tsy midika velively hoe TSY MITSIKERA) nohon'ny fiheveran'ny ankabeazan'izy ireny fa mbola tsy misy porofo mivantana (porofo eo amin'ny dikany ara-tsiansa no resahiko eto) hilazana fa misy tokoa izany mpamorona izany na tsia ; aminy dia SAFIDY novokarina antony samihafa ny fanarahana an'ity na iry ; mbola tsy nisy ohatra teo amin'ny samy TSY MPINO ady nifanaovany ka nahafatesana olona aman'etsiny tahakin'izay hita eo amin'ny finoana hafa (ady teo amin'ny samy kristiana , ny samy silamo na koa ny kristiana sy ny silamo na ny adin'izy ireny amin'ireo izay tsy manaiky ny hanaraka ny finoany)

fehiny : ny fifaneraseran'ny TSY MPINO amin'ny hafa dia fifanerasera malalaka , tsy misafidy na inona na inona finoana arahin'ny olona satria finamanana na fihavanana ...no tadiaviny fa TSY PROPAGANDY NY TSY FINOANY
45. rhaj0 ( 21/04/2017 14:59)
ny "guerre des religions" dia efa ... fomba (Kristiana) eee.. Koa na @ izao taona 2000 izao azany, vitan-drizareo tao Andravoahangy mihintsy ny nifanipatsipaka tao. Dia ny taty Montreal koa nifanipatsipaka eee.. nefa anie efa gasy vitsy kely aty an-tany lavitra aty.

ilay "tafika masina" angaha dia hitory fitia hono? Ary ny hoe Katolika tsy mitia Protestanta angaha tsy toa ny vao omaly. Izao ny TJ anaovana toera-tsy zaka. Ny Sekta sahala @ fara-faikan'olona.

Nefa anie samy "mpihavana ao @ Tompo" daholo hono zareo. Mainka izany fa zahay Atheist izay "tsy havany (ao @ Tompo)".

Esy e ry mpiavonavona sy mpanilikilika.. @ voninahitr'Andmntra.

46. endriny ( 21/04/2017 16:45)
Ka ilay teoria no be dia be fa tsy misy porofo ara pratika mihintsy. Dia samy milaza ny azy ho marina eo daholo koa.

27 dia boka aza mbola ho atao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3095