Tantaran'ny Finoana Fivavahana

1. rhaj0 ( 10/04/2017 14:20)
novalian'i endriny ny 21/04/2017 16:45
2. endriny ( 10/04/2017 16:34)
Ary tsy misy an'ilay hoe: "Olona milaza fa nahazo hafatra avy any an-danitra tamin'ny internet" ve?
3. rhaj0 ( 11/04/2017 17:26)
hi hi hi.. raha mahay programasio ianao ry Endriny, dia mba amboary toa ny efa ataon'ny olona ato ee..
https://www.portablenorthpole.com/fr/personalize/VD16_F2B/scenario/FRBD02

Io mampiresaka mandefa hafatra ho an'ny Ankizy avy eo @ internety i Pere noel :-)


Fa tena hitan'ny kisarisary ary tena ao @ patsany mihintsy ilay "tantaran'ny finoana/fivavahana" ee... Tena maro no mbola ao @ ilay hoe..

Des gens (Fransoa sy Herinirina ohatra) qui pretendent parler au nom des gens (Jesosy sy ny Anjely ohatra) qui ont prétendu venir du ciel.


Dia ilay Andrmntra sy Jesosy etsy ambony rahona koa ka tena mahatapka eee.. :-)
4. rhaj0 ( 11/04/2017 17:46)
Inty izao hafatra avy any an-danitra ho an'i Papi RBNIR :-)

https://www.portablenorthpole.com/fr/player/58ed15fd2484a-58ed15fd248ec?utm_source=vid-conf&utm_medium=op&utm_campaign=watch-FRBD02
5. RBNIR ( 12/04/2017 07:46)
vinavinan'ny tsy mpino ireo...fa ny tena zava-nisy marina dia efa ela ny olona no nino ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA izay nifanerasera tamin'ny olona tety an-tany hatramin'ny voalohany....

1 Nifanerasera sy niresaka mivantana tamin'i Adama sy Eva....
« Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao? » (Genesisy 3:9)
« Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery. » (Genesisy 3:10)


2 Mbola nifanerasera tamin'ny olona hafa taty aoriana (Enoka) ary hitan'ny olona tsara izany fifaneraserana izany....« Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra. » (Genesisy 5:24)


3 Mbola niresaka sy nifanerasera tamin'i Noa....« Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho. » (Genesisy 6:13)


4 Mbola nifanerasera sy nanome didy ho an'i Abrahama....« satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko. » (Genesisy 26:5)

5 Nifanerasera tamin'i Mosesy.....« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo. » (Eksodosy 3:14)

6 Naniraka an'i JEsosy (Ilay famantarana nomena ny olona fa tena MISY MARINA TOKOA IZY.....)....

http://forum.serasera.org/forum/message/m57d6a25c709ca#m57e1f13fe3d36
6. rhaj0 ( 12/04/2017 10:41)
Naninona no najanona t@ #6 re ry RBNIR.. Naninona no tsy nolazaina koa hoe:
Ary i HErinirina nifanerasera @ tsihatsihay tao, ary voahosotra ho profeta #12, na toatoa izany.

hi hi hi... hay mahalala menatra ihany ianao, dia manafina ny redirevinareo, fanambakana olona @ 1/10 ao io.
7. RBNIR ( 12/04/2017 11:11)
afaka mihomehy tsara hoy aho ianao rhajo a, otran'ny tamin'ny andron'ny Noa, nibaliaka tsara ny andro ary zato taona taty aoriana vao tanteraka ilay faminaniana....

Fa izay ilay hoe Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andrasako foana e!!!Valio | Miverina eny ambony
8. RBNIR ( 12/04/2017 11:17)
7 ankehitriny koa dia efa miseho amin'ny olona koa IZY manaporofo fa tena mbola velona any marina tokoa ....

9. rhaj0 ( 12/04/2017 11:20)
Dia rehefa niseho t@ Herinirna tao azany i Andrmntra ry RBNIR, dia ahoana hono hoz'izy @ izao fahoriana mianjady @ "mampalahelo" eto izao???

Dia rehefa eto ihany, dia ahoana koa hoz'Izy @ hasambaranareo RBNIR sy Herinirna @ filomanosana ao anaty 1/10-karen'olona ao izao? :-)
10. RBNIR ( 12/04/2017 11:42)
Raha azoko tsara izany ny toe-tsainao rhajo dia tsotra : rehefa tsy resy lahatra amin'ny adi hevitra dia tsy maintsy miafara amin'ny fanaratsiana foana ilay resaka????

Amin'ny saina tsy miangatra inona ny idiran'ny 1/10 amin'ny resantsika eto sa izay sisa no bala azo alefa any???
11. RBNIR ( 12/04/2017 11:43)
fa tsy problema ilay izy satria ny aty koa efa zatra e, dia ho hitan'ny ankizy eo ihany koa ange ny fandehany e, A no resahina dia tsy mahita avaly intsony dia asesika ny B....
12. rhaj0 ( 12/04/2017 12:13)
ilay 1/10 ve "fanaratsiana" ry RBNIR aa??? Tokony tena mirehareha akoriny azany anie ianareo fa nahavita an'io ee..

Zaranao RBNIR azany aho manao publicite anareo hoe, any aminareo, tena manaraka ny "fampianarana tsisy-kilema", ary anisan'izany, ny fakana ny 1/10-karena, ho fampandrosoana ny revy.
13. rhaj0 ( 12/04/2017 12:15)
Fa ny fanontaniana voalohany nefa ho'a toa hodian-dRBNIR tsy hita.. Aleo azan yaverina kely:

Dia rehefa niseho t@ Herinirna tao azany i Andrmntra ry RBNIR, dia ahoana hono hoz'izy @ izao fahoriana mianjady @ "mampalahelo" eto izao???
14. RBNIR ( 12/04/2017 12:28)
ny mampalahelo eto izao dia ireo olona "tsy mino"....
15. rhaj0 ( 12/04/2017 12:48)
ianao RBNIR ihany no manondro ny olona "mampalahelo" ao Dago, nefa ny vazaha mitaiza alika no mahamendy azy.

kay izany io akapok'i RBNIR ho "tsy mino" daholo indray ireo olona "mampalahelo" lazainy io. SAtria "tsy mino" ireo olona dia izay no mampihinan'ny tsakaokany azy an... bravo RBNIR.


Loz'ty... Dada ka dadany ho'a ny fanilikilihan'i RBNIR ny olona eee.. akifany ho TSY zanak'Andmrntra ny olona rehetra, @ izay izy RBNIR irery ihany hono no zanaNY, ary dia ho anamboaran'i Jesosy toerana manokana any ho any hono izy RBNIR.
16. RBNIR ( 12/04/2017 13:06)
ity tenin'i Jesosy ity tokony ampieritreritra ny maro....

« Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy. » (Lioka 23:27)
« Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. » (Lioka 23:28)


Aza mitomany Ahy hoy IZY fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo....

Tsy fantatrao marina ny loza hahazo izay rehetra miziriziry tsy hino hatramin'ny farany rhajo!!!
17. RBNIR ( 12/04/2017 13:08)
Ianao no manavaka ny tenanao fa mazava ilay antso, izay manaiky ka manatona no raisiny ho Zanany (tsy izaho no namekatra an'izany fa IZY)
18. irakiraka ( 12/04/2017 13:12)
Fa RBNIR marina tokoa ve efa namangy olona marary mafy any @ hopitaly reny?
Mampalahelo ery ny mason'zareo hitanao mintsy hoe mitady fiainana e?

Fa ireny olona mafy fo reny tokoa nge ra tsy sendra n'ny hoe eto ny limite...tsy tonga saina....

19. rhaj0 ( 12/04/2017 13:14)
Ka ireo olona "mampalahelo" izany ho'a nakapok'i RbNIr ho "tsy-mino" ee... "tsy nanantona" an'Andmntra hono zareo, ary dia io avelan'Andrmntra mihinan'ny tsakaokany ao ireo.
Dia i RBNIR moa ho'a, maka 1/10-karena koa izay vao hi-intervenir, araka ilay fampianarana-tsisy-kilema io.

Henatra ho anao ry RBNIR ary voninahitra ho an'Andmntra.. izay ilay izy an...
20. RBNIR ( 12/04/2017 13:48)
ny malahelo tsy voatery tsy mino, ny manakarena ihany koa tsy voatery tsy mino....Fa arakaraky ny tsi11 io....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1257