NATOKANA HOAN'NY ISRAELIANA IRERY NY DIDY FOLO (LALÀN'I MOSHÈ), FA TSY NATAO HOAN'NY HAFA FIRENENA.

141. rhaj0 ( 04/05/2017 13:51)
RBNIR:
Ka na tsy misy fitoriana aza dia efa voampita ny hafatra....

Ka inona azany ity ataon'i Herinirna ity ry RBNIR aaa... "mitory" ilery sa tsy mitory??? Dia ianao RBNIR koa @ io mamerimberina ny video-fitoriana ataon'i Hrnrn.

Sa tena TSy hain'i Herinirina ny "mampita ny hafatra" @ fanehoana ny fiainany, satria ny "fiainan'i Herinirina" dia .. lozabe..
- mikepokepoka ny 1/10-mpanana'ny olona fa tsy mba miasa-manjono araka ny fampianaran'i Jesosy...
- manandra-tena ho mpianatr'i Jesosy, dia mieboebo eo, nefa kay TSY mahavita azy akoriny; koa na i JEsosy azany efa manompa azy hoe "taranaka tsy mino sy ratsy fanahy" izy teo.
142. RBNIR ( 04/05/2017 13:57)
Ny tiako ambara dia fitoriana avokoa izany rehetra izany.....

Ny olana napetrak'i RA TAN teny ampiandohana dia hoe oviana hono Andriamitra no nitory tamin'ny jentilisa fa mila tanterahina ny didy 10......

Tsy mila torina izany fa rehefa mahita ny Jiosy ianao dia tokony hiaiky fa ny Andriamanitry ny Jiosy no tena IZY ary tokony ho tonga ao antsainao ny hoe handeha aho hatahotra Azy ka hanao ny sitrapony e!!!
143. RBNIR ( 04/05/2017 13:59)
Taloha dia ny Jiosy no fanasin'ny tany....

Ankehitriny kosa dia ireo mino sy manao ny sitrapony no fanasin'ny tany....« Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona. » (Matio 5:13)


Fanasina = tahaka ny sira....manome tsiro ny tany dia mahazo ny manodidina azy ilay fanasina dia mihamasina avokoa ny rehetra (raha manaiky fa tsy mandà an!!!)

144. rhaj0 ( 04/05/2017 15:36)
RBNIR:
Tsy mila torina izany fa rehefa mahita ny Jiosy ianao dia tokony hiaiky fa ny Andriamanitry ny Jiosy no tena IZY

Letia ee... Dia nefa i Einstein izao Jiosy... nefa TSY mino izao Atra (an'ny Jiosy) izao.

FA rehefa mahita an'i Herinirna (@ video) koa k'lou ianao, dia ... tena tsy resy lahatra mihintsy hoe "mahavita azy" ilery eee :-)
145. RBNIR ( 04/05/2017 15:39)
ka azy ny azy e, azo atao tsara ange ny tsy manompo Azy e,

Saingy hoy ny teny hoe .....« Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. » (Mpitoriteny 8:11)


Raha ny tena marina rehefa maty ange vao tena handray ny valin'asany avy ny tsi11 e!
146. RBNIR ( 04/05/2017 16:03)
rhaj0:

FA rehefa mahita an'i Herinirna (@ video) koa k'lou ianao, dia ... tena tsy resy lahatra mihintsy hoe "mahavita azy" ilery eee :-)

Normal izany ka raha nifanohitra tamin'izay no fijerinao no mety nampahatahotra....

« ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, » (1 Korintiana 1:28)
147. rhaj0 ( 04/05/2017 16:48)
letia ee.. nopehan'i Saoly lasa Paoly h@ razanay k'le.. hoe "iva razana"??? inona koa aloha nefa no dikan'izany eee...

Kay i Andrianaivoravelona no nipitsoka kosany.. Jereo ny dika anglisy

1 Corinthians 1:28 God chose the lowly things of this world and the despised things—and the things that are not—to nullify the things that are,


Letia ee... tena nadikan'ilay Andrianaivoravelona ho "things" ny "razana" k'le... Tena manompa gasy kosany izany eee... Dia izay koa nefa no ataon-dry Kristiana (RBNIR) tsianjery maimbo sy dridran-gilo ao @ fi(s)ainany ao... loz'ty..
148. RBNIR ( 04/05/2017 23:04)
rhaj0:

Letia ee... tena nadikan'ilay Andrianaivoravelona ho "things" ny "razana" k'le... Tena manompa gasy kosany izany eee... Dia izay koa nefa no ataon-dry Kristiana (RBNIR) tsianjery maimbo sy dridran-gilo ao @ fi(s)ainany ao... loz'ty..

tena marina io ka!!! izay mihitsy ny engagement nekena teo anatrehan'i Jesosy, tsy maintsy ho avy ny fanompana sy ny fanivaivana ary ny fanaovana tsinontsinona (noho ny finoana Azy)

Eto amin'ity serasera ity ange dia efa voamarina daholo izany tenin'Andriamanitra izany e!!!
149. endriny ( 05/05/2017 03:58)
Angaha moa tsy i Pilato sy ireo miaramila ary ny fariseo sy ny mpanoradalana no efa nanompa sy nanivaiva azn'i Jesosy.

Ny Ray aman-dReniny sy ny havany aza nivaivainy teo imasom-bahoaka. Ka ny tody tsy misy izany fa ny natao no niverina ka akory atao
150. RA TAN ( 05/05/2017 05:10)
RBNIR:

Ny olana napetrak'i RA TAN teny ampiandohana dia hoe oviana hono Andriamitra no nitory tamin'ny jentilisa fa mila tanterahina ny didy 10......

Tsy mila torina izany fa rehefa mahita ny Jiosy ianao dia tokony hiaiky fa ny Andriamanitry ny Jiosy no tena IZY ary tokony ho tonga ao antsainao ny hoe handeha aho hatahotra Azy ka hanao ny sitrapony e!!!


Zavatra tsotra kely no napetrako taminareo:
Aiza ny soratra masina milaza fa nasain'A/tra nitandrina didy folo ny hafa firenena?
Teny ao @ soratra masina milaza an'izany no ilaina(ekena ho marina), fa tsy ny eritreritrao manokana any akory. Fa voasoratra hoe "tsy azo anampiana ny teny sady tsy azo anesorana" (DEO,4:2). Ianao izao nanampy, satria ny eritreritrao manokana io teneninao io.
151. RBNIR ( 05/05/2017 05:45)

endriny:

Angaha moa tsy i Pilato sy ireo miaramila ary ny fariseo sy ny mpanoradalana no efa nanompa sy nanivaiva azn'i Jesosy.

Ny Ray aman-dReniny sy ny havany aza nivaivainy teo imasom-bahoaka. Ka ny tody tsy misy izany fa ny natao no niverina ka akory atao

izany hoe izay izany fanadiovantenan'i endriny? ny tody tsy misy fa ny ataonareo kristiana no averina aminareo???

Hono hoy aho, efa impiry ianao izao no efa noivaivaiko teto? (idem pour rhajo)....
152. RBNIR ( 05/05/2017 05:55)
RA TAN:

RBNIR:

Ny olana napetrak'i RA TAN teny ampiandohana dia hoe oviana hono Andriamitra no nitory tamin'ny jentilisa fa mila tanterahina ny didy 10......

Tsy mila torina izany fa rehefa mahita ny Jiosy ianao dia tokony hiaiky fa ny Andriamanitry ny Jiosy no tena IZY ary tokony ho tonga ao antsainao ny hoe handeha aho hatahotra Azy ka hanao ny sitrapony e!!!


Zavatra tsotra kely no napetrako taminareo:
Aiza ny soratra masina milaza fa nasain'A/tra nitandrina didy folo ny hafa firenena?
Teny ao @ soratra masina milaza an'izany no ilaina(ekena ho marina), fa tsy ny eritreritrao manokana any akory. Fa voasoratra hoe "tsy azo anampiana ny teny sady tsy azo anesorana" (DEO,4:2). Ianao izao nanampy, satria ny eritreritrao manokana io teneninao io.


Io RA TAN rehefa tsy takatry ny olona iray ny fahamarinana (zava-miafina) dia ao amin'ny toko sy andininy sisa izy no mifikitra a!

Efa noteneniko taminao hoe Andriamanitra v izany araka ny hevitrao dia LOZA BE MARINA TOKOA AVY DIA MANDRINGANA TSY MISY FAMPANDRENESANA????

Sao dia heverinao fa tsy nitory azy i NOA (na dia tsy voasoratra aza)????....Nandritra ny zato taona izy niteny tamin'ny olona hoe niresaka tamiko Andriamanitra fa handringana hono izy raha tsy mibebaka isika dia nasainy nanamboatra ity sambo B ity izaho handosiran'izay mino sy mibebaka....
153. andriatiana2 ( 05/05/2017 14:58)
stahtam:


[quote=andriatiana2]
ry zareo a! I paul sy barnabas ange ef niady hevitr be ihan ny amin jentilisa e!araka ny asan apostoly 15: fa ny mino sasan dia nitsangana ka nanao hoe ts maints forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn mosesy ary nivory ny apostoly sy ny loholona mb hihevitr izan zavatr zan.ary.....hatraminy ela andriamtq dia ef nifid teo amnareo f @vavako n handrenesan'jentilisa ny filazantsara... Fa ts nataon mis hafa isik fa nodiovin tam finoan ny fony koa nahoan nareo n maka fanahy an'andriamantr @fametrahanareo zioga @vozon mpianatr izay ts zakan'ny razantsika na isik hoentina? Ny fasoavan tompo n hamonjena antsik ...,tsy mety rah isik manome fahasahiranana ny am jentilisa izay mivery ho am'andriamantra;fa aok anoratr epistil amin isika dia ny mb hifadiany ny hena fahavetavetana..,sy ny fijangajangana ary ny zavatr kendaina sy ny rà..,.Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny ts hampitondra enta mavesatr anareo afa ts izao zavatr izao ihan dia ny .....ary ny fijangajangana;raha matandritena hifady izan ianareo dia ho velona...,ary nony namaky izan ny olona dia faly noho ny anatra tsara

[quote=stahtam]
Te-hananatra anay (araka ilay hoe ry zareo a!) izany ianao ka hoe hanaiky io Asan'ny Apostoly 15 io izahay dia ho faly noho ny anatra tsara. Izaho kosa milaza aminao fa hafatra mampisalasala sy mamingana io hafatra lazainao io :
1°) Tsy anisan'ny zavatra ampifadiana ny jentilisa ve izany ny mamono olona sy ny mandainga fa ny fijangajangana sy ny zavatra kendaina sy ny rà ihany no ampifadiana azy ireo dia ampy?
2°) nahoana ianareo no misotro ny rà-NY rehefa mandray ilay fanasaNY nefa toa hoe sitraky ny Fanahy ilay mampifady rà?
ny olon matoa ef nahita fahagagana sy nahita marimarin ny finoan marin no ahon ndray iz n mbola handainga sy hangalatra moa ve ts ny hicontra anireo ve n filozofa talohan kristy mb ahatonga ny olon ny aminy marina tanteraka.ny aminy fijangajangan moa ve ny empire gricoroman ts nanana andriamanitry ny fijanganjangan ao am finoana grika ve tsisy fijangajangan masina.ary zareo ve ts manatitra zavatr aminy andriamaniny fahiny.mb diniho ihan wa ny civilisation fahiny fa aza lany andro mitsikera baiboly fotsin.2.ny rà dia fanadiovan ny fitoerana masina iz io fahin dia ny jiosy ihan isantaona no mamono zanak'ondry mba hanadiovana fitoerana masina nefa ny tena zanak'ondry dia i kristy ny ràn n hanadiovan ny fitoeran masina izay ts ny jiosy irery fa izao tontolo izao koa iz n mpisoronabe mandrakizay.taloha ny jiosy nametraka ota tao am zanak'osy dia alef any ivelan tanàn mandrakizay in osy in .torakizan kou kristy nitondra ny ota ho any am fasan sy fiainantsihita na helo izay misy an satana izay alef mandrakizay an am fahaverezan mandrakizay
154. RA TAN ( 10/05/2017 01:48)
RA TAN:

Zavatra tsotra kely no napetrako taminareo:
Aiza ny soratra masina milaza fa nasain'A/tra nitandrina didy folo ny hafa firenena?
Teny ao @ soratra masina milaza an'izany no ilaina(ekena ho marina), fa tsy ny eritreritrao manokana any akory. Fa voasoratra hoe "tsy azo anampiana ny teny sady tsy azo anesorana" (DEO,4:2). Ianao izao nanampy, satria ny eritreritrao manokana io teneninao io.



RBNIR:

Io RA TAN rehefa tsy takatry ny olona iray ny fahamarinana (zava-miafina) dia ao amin'ny toko sy andininy sisa izy no mifikitra a!

Efa noteneniko taminao hoe Andriamanitra v izany araka ny hevitrao dia LOZA BE MARINA TOKOA AVY DIA MANDRINGANA TSY MISY
FAMPANDRENESANA????

Sao dia heverinao fa tsy nitory azy i NOA (na dia tsy voasoratra aza)????....Nandritra ny zato taona izy niteny tamin'ny olona hoe niresaka tamiko Andriamanitra fa handringana hono izy raha tsy mibebaka isika dia nasainy nanamboatra ity sambo B ity izaho handosiran'izay mino sy mibebaka....


Izany hoe @ i RBNIR izany dia tsy ilaina ifikirana ny soratra. masina. Tena nataony tsinontsinona ny tenin'A/tra. Iza izany ianao io ny dikan'izany??
Tena fanaky ny fahatezerana voavoatra ho simbana tokoa ianao (ROM,9:22). Tena nanenina A/tra nanamboatra anao.
Tsy maintsy aringany tsy asiany indrafo koa ianao fa manambany Azy.
Ianao olona manohitra an'A/tra koa ve no mba mitomany hitovy @ i NOAH?
Izao aza misy baiboly nefa mbl tsy mino Anna/tra ihany ianao fa manohitra, mainka fa ra ianao no t@ andron'i NOAH izay mbl tsis baiboly. Ary i NOAH koa olona voairaka fa tsy Tanaka anao; ianao olona tsinontsonona.
155. stahtam ( 10/05/2017 05:44)
Ho an'i andriatiana2:
1°) Hoy ianao: "ny olon matoa ef nahita fahagagana sy nahita marimarin ny finoan marin no ahon ndray iz n mbola handainga sy hangalatra moa ve ts ny hicontra anireo ve n filozofa talohan kristy mb ahatonga ny olon ny aminy marina tanteraka.ny aminy fijangajangan moa ve ny empire gricoroman ts nanana andriamanitry ny fijanganjangan ao am finoana grika ve tsisy fijangajangan masina.ary zareo ve ts manatitra zavatr aminy andriamaniny fahiny.mb diniho ihan wa ny civilisation fahiny fa aza lany andro mitsikera baiboly fotsin"
Valiny: ary ny olona efa nahita fahagagana sy nahita ny finoana ve ahoana no tsy nolazainao hoe "dia mbola ho sahy hijangajanga sy hihinana rà indray ve?" Fomban'ny kristianisma mihitsy io manolakolaka resaka miafina any @ hevitra "ara-panahy" io. Inona no idiran'ny fijangajangana ara-nofo @ izay ivavahan'ny grika?
2°) Hoy ianao:"ny rà dia fanadiovan ny fitoerana masina iz io fahin dia ny jiosy ihan isantaona no mamono zanak'ondry mba hanadiovana fitoerana masina nefa ny tena zanak'ondry dia i kristy ny ràn n hanadiovan ny fitoeran masina izay ts ny jiosy irery fa izao tontolo izao koa iz n mpisoronabe mandrakizay.taloha ny jiosy nametraka ota tao am zanak'osy dia alef any ivelan tanàn mandrakizay in osy in .torakizan kou kristy nitondra ny ota ho any am fasan sy fiainantsihita na helo izay misy an satana izay alef mandrakizay an am fahaverezan mandrakizay"
Valiny: dia aiza ilay teny milaza hoe "sotroy àry ny rà (rehefa ràn'olombelona?)" Anadiovana fitoerana ilay rà sa sotroina? Dia maninona indray no raràna tsy hosotroina ny rà hoy ny Fanahy masina sy ry Paoly? Iza ianareo no milaza ny marina? i Paoly sa ianao sa i Kristy?
156. RA TAN ( 16/05/2017 04:16)
Ny sujet eto dia hoe:
NATOKANA HOAN'NY ISRAELIANA IRERY NY DIDY FOLO (LALÀN'I MOSHÈ), FA TSY NATAO HOAN'NY HAFA FIRENENA.

Fa maninona ianareo no mitandrina didy folo?
Iza no nampanapitandrina didy folo anareo?
Lalàna avy taiza no ahafahanareo mitandrina an'io?
157. stahtam ( 29/05/2017 13:15)

[quote=RA TAN]
Ny sujet eto dia hoe:
NATOKANA HOAN'NY ISRAELIANA IRERY NY DIDY FOLO (LALÀN'I MOSHÈ), FA TSY NATAO HOAN'NY HAFA FIRENENA.

Fa maninona ianareo no mitandrina didy folo?
Iza no nampanapitandrina didy folo anareo?
Lalàna avy taiza no ahafahanareo mitandrina an'io?

[quote=stahtam]
Fa maninona ireo voalazan'ny Isaia 56/1-7 no mitandrina didy folo ?
Iza no nampitandrina didy folo ireo olona ao @ Isaia 56/1-7 ?
Lalàna avy aiza no ahafahan'ireo olona voalazan'ny Isaia 56/1-7 mitandrina an'io ?
158. RA TAN ( 30/05/2017 13:50)
stahtam:

Fa maninona ireo voalazan'ny Isaia 56/1-7 no mitandrina didy folo ?
Iza no nampitandrina didy folo ireo olona ao @ Isaia 56/1-7 ?
Lalàna avy aiza no ahafahan'ireo olona voalazan'ny Isaia 56/1-7 mitandrina an'io ?


Ny tinao ho tenenina izany dia hoe DISO ny "SALAMO,147:19,20 NEHEMIA,13:3 DEO,5:1 ..." fa io ISAIA,56:1-7 io irery no marina???

Fa vokatry ny fandavanao ny testameta vaovao anie dia ianao no miraikitra eo e!
Fa aty @ testameta vaovao no solution an'io.

Afa noresahintsika tary ambadika io, fa ianao no mamerina azy eto dia tohizaa izany.
159. stahtam ( 31/05/2017 06:06)

RA TAN:

[quote=stahtam]
Fa maninona ireo voalazan'ny Isaia 56/1-7 no mitandrina didy folo ?
Iza no nampitandrina didy folo ireo olona ao @ Isaia 56/1-7 ?
Lalàna avy aiza no ahafahan'ireo olona voalazan'ny Isaia 56/1-7 mitandrina an'io ?

.....
[quote=stahtam]
1°) Ny tinao ho tenenina izany dia hoe DISO ny "SALAMO,147:19,20 NEHEMIA,13:3 DEO,5:1 ..." fa io ISAIA,56:1-7 io irery no marina???
Valiny: Mifameno avokoa ireo fa noho ilay toe-tsainareo mpanangana sectes dia io zavatra tsy nolazaiko io no lazainao fa tiako hotenenina

2°) Fa vokatry ny fandavanao ny testameta vaovao anie dia ianao no miraikitra eo e!
Fa aty @ testameta vaovao no solution an'io.
Valiny: Ny testamenta vaovao(nareo) dia manamamo anareo fa tsy manankery hanazava ny testamenta taloha. Porofo ianao mifatotra @ Matio 2/23... Teny nomena ny israeliana ve dia boky tsy hita fototra miseho aty aoriana indray no andrasana hanazava azy? Hadalàna bevava

160. RA TAN ( 01/06/2017 09:50)



stahtam:
Fa maninona ireo voalazan'ny Isaia 56/1-7 no mitandrina didy folo ?
Iza no nampitandrina didy folo ireo olona ao @ Isaia 56/1-7 ?
Lalàna avy aiza no ahafahan'ireo olona voalazan'ny Isaia 56/1-7 mitandrina an'io ?

RA TAN:
Ny tinao ho tenenina izany dia hoe DISO ny "SALAMO,147:19,20 NEHEMIA,13:3 DEO,5:1 ..." fa io ISAIA,56:1-7 io irery no marina???

stahtam:
Mifameno avokoa ireo fa noho ilay toe-tsainareo mpanangana sectes dia io zavatra tsy nolazaiko io no lazainao fa tiako hotenenina

RA TAN:
Tena mifameno tokoa ireo, ary samy mitifitra anao daholo:
ISAIA,56:6-7: izay hafa firenena TE (tsy nisy niteny azy hoe tsy maintsy mitandrina, fa sitrapony ny azy) hitandrina didy folo dia tsy maintsy mankany Israel, dia manao fanatitra sy sorona any.
Istahtam tsy mahavita an'izany, donc tsy ianao no tenenina eo.

Ary fantatra koa fa tsy hahavita an'izany ny hafa firenena, dia normal be ra roahina:
NEHEMIA,13:3 DEO,7:1,3 SAL,147:19,20.
Lasa mandeha any ianao ry stahtam, fa tsy misy idiranao sy ny hafa firenena izany.

stahtam:
Ny testamenta vaovao(nareo) dia manamamo anareo fa tsy manankery hanazava ny testamenta taloha. Porofo ianao mifatotra @ Matio 2/23... Teny nomena ny israeliana ve dia boky tsy hita fototra miseho aty aoriana indray no andrasana hanazava azy? Hadalàna bevava

RA TAN:
Tena tsy misy fantatrao tokoa ny testameta taloha matoa toherinao daol koa ny teny ao (ohatra: DEO,30:11-13, DEO,4:1,2, NEH,13:3 SAL,147:19,20 ISAIA,56:6-7, ....).
Ka ny testameta vaovao dia fahatanterahan'ny tenin'ny mpaminany any @ testameta taloha, fa tsy hoe hanazava ny testameta taloha izay tsy azonao fotsiny akory.
Atrany aloha ianao dia efa diso; fa manohitra ny tenin'i Moshè sy ny mpaminany any @ testameta taloha, normal be ianao mitsipaka ny fahatanterahan'ny tenin'ny mpaminany aty @ testameta vaovao. Mitsipaka ny testameta vaovao ianao, satria fahavalon'ny mpaminany tary @ testameta taloha.
Tena toherinao daholo na ny testameta taloha na ny testameta vaovao; dia izay no nahatonga ahy miteny hoe MPANOHITRA BAIBOLY i ngahy stahtam.
Ianao no mamon'ny fankahalana n tena izy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7965