Raha te handroso

21. rhaj0 ( 11/04/2017 16:38)
rhaj0:
Eka rô.. "Manana adidy masina" @ olona hafa i Irakiraka. Satria i Irakiraka dia "mpino nateraka". Ary ho @ "voninahitry ny Tompo" daholo izany (ho) ataon'i Irakiraka izany.

Izay izany ilay izy raha azoko tsara...

Izany izany ny an'i Irakiraka ao @ imagination-ny ao.

Fa izaho koa, ato @ imagination-ko ato, dia mahatsiaro "manana adidy masina" ny hanazava ny olona, indrindra ny Ankizy, fa tena tsy mitombona ary ahitan-doza akoriny azany itony Finoana/Fivavahana (kristiana) itony. Tsy @ isam-batan'olona ihany fa @ fiaraha-monina ankapobeny mihintsy.


Ka hay izany misy "itoviazantsika" ihany ity fiainana ity ... :-)
22. irakiraka ( 12/04/2017 12:56)
Eka mamany, izay voalazanao zay mintsy ny finoako: Jesosy no vaha olana na sehatra inona na sehatra inona.

Fa eo ihany enao, mba omeo ny hevitrao marina hoe raha misy olona mamaky eto, miaina tanteraka ny krizy eto @ firenena izy @ zao fotoana zao. Olona tapi-dalan-kaleha, mety tsy an'asa akory, tena miraviravy tanana.
23. rhaj0 ( 12/04/2017 13:31)
Raha te-handroso, nefa ny fiainana krizy, dia raha ny toro-hevitro, dia .. raiso an-tanana ny fiainanao eee..

hialao aloha ny resaka misavoana mamitaka.
- Aza manaiky rebirebena hoe, manao lamentation na vavaka dia ho avy ny mazia-mirakla dia ho rava ny krizy.
- Na akoriny koa hoe, manomeza 1/10-karena, dia tafavoaka ho azy eo fa ho lehibe kokoa ny famerim-bola.
- Aza mandany andro @ izany fa ampiasao ny ora sy fotoana ary ny hery sy angovo @ ampitomboanao ny aminao, na fahalalana na traikefa..

Dia ataovy ny tokony ato (action), ary mizotoa ny hiroso isan'andro. Hevero foana ihany fa tsisy mazia-mirakla ho'a io, fa ezaka (mety ho) lavitr'ezaka mitohy no (ho) atao. Ny firosoanao, na dia kely fotisny azany androany, dia ao anatin'ny process lavabe: maka toerana (mi-se positionner) ny hiroso kokoa foana ianao.

Herezo ny dia.
24. endriny ( 12/04/2017 14:25)
Sarotra be aloha ilay "te handroso". kanefa ilay filaozaofian'ny fandrosoana mbola miankina amin'ny filaozaofia 2000 taona lasa izay e.

Sady sarotra be ny fandrosoana raha ny masoandronao mihiratra dizin'ny fisotroana jesosy fotsiny.

Ny filetehan'i Madagasikara dia noho ny fisotroana Jesosy teny amin'ny 13 mai isaky ny 7 na 9 taona. Izao izao mihamikamina amin'ny fahasahiranan'ny vahoaka ireo mpitondra fiangonana sy ny mpanao politika.
25. irakiraka ( 13/04/2017 06:50)
Tena mila mandroso ara-panahy tokoa isika efa nandray an’i Jesosy.
Mila antsika ny Tompo.

Ohatra anankiray ihany io nolazaina io hoe betsaka nge ny olona tena mampalahelo, miaina anaty fahantrana tanteraka sns sns. Izahay zany moa dia tena mahita satria misy fotoana any @ toerana faran’ze mahantra, maloto no irahina. Mijaly ny olona…
Mety misy sehatra maro no antony mahatonga an’zany raha ny mpandalina manokana no anontaninana.
Fa raha ny vaha olana kosa dia ny ao @ Tompo no tena azo antoka. Ary betsaka ireo nino, dia nahita ny voninahitr’Andriamanitra.

Tsy manana volafotsy na volamena aho hoy Petera izay fa izay ananako no omeko. Ka ra izaho manokana ry mpiray tampo ao @ Tompo dia mahita irika foana aho hanambarako an’Jesosy.

Ndao handroso, ndao hanao asa :)
26. irakiraka ( 13/04/2017 07:17)
Dia mbola RBNIR irery moa ny nanome ny heviny hoe raha te handroso (ara-panahy) inn no atao.
Raha ny hevitro dia ireto ary:
-fiainam-bavaka
-famakiana Tenin’Andriamanitra (sy fiainana azy moa mazava ho azy :)
-fiarahana mande @ Fanahy Masina
-fitaomana olona ho an’I Jesosy
27. rhaj0 ( 13/04/2017 11:12)
"Raha te-handroso" ny lohateny, fa lasa "te-handroso (ara-panahy)" indray kay no tian-dry Irakiraka ho re. Tsy hitanao ve ry Irakiraka fa efa nihomehezan'ny mpiresaka ity izy, toa ny hoe, tsisy aroso fa lany, na hoe, mitaingena bisikileta... Fa io ho'a ataovy mahitsy sy tsotra f'aza mba fangoligolika mamitapitaka toa io, dia avy eo vao mody hoe, allegory izy io fa ianareo mpamaky rehetra no tsy mahataka-davitra, na tsy voabitsik'Andrmntra...
28. endriny ( 13/04/2017 13:20)
Raha te handroso ara-panahy
Manantona an'ilay Daily Lama
Fa izy no tompon'ny namasinina
kanefa voaendaka tany Sina
Izy no tompon'ny avo be
ka mahatonga azy mandehandeha

Ka raha te handroso ara-panahy
manantona azy dia tsy manahy

Vita Tompoko
29. irakiraka ( 14/04/2017 05:35)
Navadin-dry zana-drazana ndray ny ondany alina :-)
30. endriny ( 21/04/2017 16:31)
Angaha ianareo tsy mivadik'ondana rehefa matory
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1617