Tsofiko rano (Justin RAJORO)

1. stahtam ( 04/04/2017 07:17)
Miarahaba antsika mpisera rehetra!
Sao mba misy manana ny TENA tonon'ilay hira hoe "Tsofiko rano Rafaraniaina" iny isika? Tena mitady ny tenako satria rehefa tena nandinika aho dia toa pièce théâtrale izany ilay hira ka misy anaran'olona sy resaka tsy tena mazava voatonona ao anaty tononkira. Toa izao ilay tsy azoko antoka ho marina (nataoko banga):
Ny angolam-pitiavanareo amafiso
Ny angolam-pitiavanareo amafiso;
Ary....................................efa diso
Ny fanantenana efa diso.
Ny..................................... koa, ny ...............................irifiry
Ny adidy aminao ô,...............................................

Dia misaotra antsika izay manome valin-teny ho anay e!
novalian'i stahtam ny 04/05/2017 06:29
2. kaye ( 09/04/2017 09:35)
Izao no hitako sur internet ka asa na marina na diso

Mise en ligne le 19 oct. 2010
Tsofiko rano Rafaraniaina
Hahatontosa ny zavatra ilaina
Tsy hisy hisakana itony fitia
Satria ianareo efa vita sonia

Ny angolam-pitiavanareo hamafiso
Fa ny fanantenana efa diso
Ry velona koa ny eto anie hirifiry
Ny adidy aminao ambolen-tsy maniry

Fa ny ahiahy razandry atsaharo
Ianao sy ny tiana efa vita fiaro
Ny adidin-dRamialy efa tapitra teo
Na soa na ratsy inty ny havanareo
Na soa anie na ho ratsy ento fa havanareo



stahtam:

Miarahaba antsika mpisera rehetra!
Sao mba misy manana ny TENA tonon'ilay hira hoe "Tsofiko rano Rafaraniaina" iny isika? Tena mitady ny tenako satria rehefa tena nandinika aho dia toa pièce théâtrale izany ilay hira ka misy anaran'olona sy resaka tsy tena mazava voatonona ao anaty tononkira. Toa izao ilay tsy azoko antoka ho marina (nataoko banga):
Ny angolam-pitiavanareo amafiso
Ny angolam-pitiavanareo amafiso;
Ary....................................efa diso
Ny fanantenana efa diso.
Ny..................................... koa, ny ...............................irifiry
Ny adidy aminao ô,...............................................

Dia misaotra antsika izay manome valin-teny ho anay e!






3. stahtam ( 10/04/2017 05:15)
stahtam ho an'i kaye:
Misaotra indrindra kaye, ny tena tsy mazava amiko @ ity tononkira ity mantsy dia ilay teny hoe: ny fanantenana efa diso. Toa milaza fahatanterahana fanambadiana mantsy ilay hira dia asa raha mba misy azonao anampiana. Misaotra mialoha e!
4. kaye ( 04/05/2017 05:46)
Miarahaba ô ! Izao vao hitako ity hafatra ity ka ialana tsiny. Ny tena marina dia tamin'ny internet io tononkira io no nalaiko fa ny contexte tsy fantatro. Fa raha ny fahazoako azy dia angamba tsy noeritreretin'ny ray aman-dreniny hoe hanambady sahady ity faravaviny na koa hoe mety olona hafa no noeritreretin-jareo ho vadiny... teo ilay fahadisoam-panantenana...fa na izany aza nitsodrano azy ihany ry zareo.

stahtam:

stahtam ho an'i kaye:
Misaotra indrindra kaye, ny tena tsy mazava amiko @ ity tononkira ity mantsy dia ilay teny hoe: ny fanantenana efa diso. Toa milaza fahatanterahana fanambadiana mantsy ilay hira dia asa raha mba misy azonao anampiana. Misaotra mialoha e!
5. stahtam ( 04/05/2017 06:29)
OK kaye! azoko tsara ny tianao hambara ary mino aho fa tsy lavitra ny marina angamba izay. Misaotra indrindra t@ fahasahiranana dia mirary soa ho anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2715