Kolon-tsaina malagasy ?

1. Prime ( 01/04/2017 11:00)
Miverimberina matetika ato ny momba ny kolon-tsaina malagasy izay maharesy lahatra ny maro hoe tokony haverina, fa ny ahy ny mba tiako resahana dia ny hoe, fa inona marina moa ilay atao hoe : kolon-tsaina malagasy ? dia iza no atao hoe Malagasy ?

Raha tsy mazava mantsy ireo raha ny fahitako azy dia resapoana ihany ilay miresaka ny kolon-tsaina malagasy tokony ho izao sy zaria...

Mankasitraka antsika mizara!
2. perse108 ( 01/04/2017 16:02)
raha mandinika aho dia ny kolon-tsaina avy any ivelany indray ary no mibahan-toerana eto madagasikara ka mety ho tsy misy lanjany intsony ny kolontsaintsika
3. Prime ( 03/04/2017 14:40)
perse108:

raha mandinika aho dia ny kolon-tsaina avy any ivelany indray ary no mibahan-toerana eto madagasikara ka mety ho tsy misy lanjany intsony ny kolontsaintsika


Ekeko amin'ny anakpobeny fa io indrindra ilay fanontaniana hoe fa inona tokoa moa ilay hoe : "kolontsaintsika"?
4. rhaj0 ( 05/04/2017 15:19)
hono ho'a.. culture ve no kolon-tsaina?

(tsy hoe, te-hiresaka ny an'ny vazaha foana satria tsara-voazanaka, fa tiako ho fantatra raha izay ilay izy, dia ijereko hoe inona ny an'ny vazaha, satria ... avy eo no mety hahitako ny hoe, inona no antsika, satria ho hita fa samy hafa be ilay izy)
5. shafira ( 02/07/2017 13:09)
ka na ny kolotsaina malagasy aza nge efa tsy fantatry ny zaza vao tson e
6. Calinbrandon ( 10/07/2017 06:50)
Kolon-tsaina sy kolontsaina ?
Culture, us et coutumes, traditions, langue, territoire, ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8892