Mahavariana

1. volafitia ( 29/03/2017 22:08)
Variana aho ry zareo amin'ity forum finoana ity. Mahafinaritra ilay izy amin'ny maha adihevitra azy. Saingy manafitohina ihany koa.

Manafitohina hoy aho satria misy sahy manebaka ny namany eto hoe: tsy mahay, tsy nianatra

Fa mahamenatra ilay izy. Tsy haiko na mety izay koa angamba no maha-Malagasy antsika.

Ahoana moa no ilazanao fa ny olona iray, izay tsy hainao akory ny mombamomba azy dia lazainao ankitsirano hoe: Tsy nianatra ianao, Dondrona ianao...

Sady amin'izay re eto amin'ny finoana, izay tokony ho fitaratra amin'izany atao hoe fifanajana sy fifankatiavana izany ilay izy.

Ny sasany moa dia miteniteny foana mihintsy.

Angamba mba misy fomba fiteny sy fifanajana ihany tokony apetraka amin'ity forum ity.

Ka tokony mba ho filamatra daholo isika rehetra.

Asa moa fa mety izay koa no zavatra iainantsika an-davan'andro ka tsy mahagaga. Dia tsy gaga intsony isika raha voazimbazimba ny momba antsika rehetra.
novalian'i endriny ny 01/04/2017 04:40
2. MINDAOZY ( 30/03/2017 03:49)
Ny tena tsy fanajana dia ny zavatra ataon'ny olona amin'A/tra.
Raha YAHOSHUAH no anaran'ilay zanak'A/tra mpamonjy, dia sahin-draolombelona n nanovaova an'io araka ny sitrapony avy. Nefa ny soratra masina efa milaza hoe: "ASA,4:12 tsy misy famonjena amin'ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena". Tokana ny anaran'ny mpamonjy arak'izany ary tsy azo ovana.
Ny anaran'i BARACK OBAMA maninona no tsy ovain'ny olona mihintsy na aiza na aiza manerantany, fa samy mahay manonona an'io daholo, fa rehefa ny anaran'A/tra dia maninona no ovain'ny olona fotsiny izao?
Mpanambany an'A/tra sady mpanivaiva an'A/tra izay manovaova ny anarany. Mazava fa fahavalon'A/tra izany. Dia ny aza mba maty e, fa tonga d any @ helo!
3. RBNIR ( 30/03/2017 07:40)
volafitia:

Variana aho ry zareo amin'ity forum finoana ity. Mahafinaritra ilay izy amin'ny maha adihevitra azy. Saingy manafitohina ihany koa.

Manafitohina hoy aho satria misy sahy manebaka ny namany eto hoe: tsy mahay, tsy nianatra

Fa mahamenatra ilay izy. Tsy haiko na mety izay koa angamba no maha-Malagasy antsika.

Ahoana moa no ilazanao fa ny olona iray, izay tsy hainao akory ny mombamomba azy dia lazainao ankitsirano hoe: Tsy nianatra ianao, Dondrona ianao...

Sady amin'izay re eto amin'ny finoana, izay tokony ho fitaratra amin'izany atao hoe fifanajana sy fifankatiavana izany ilay izy.

Ny sasany moa dia miteniteny foana mihintsy.

Angamba mba misy fomba fiteny sy fifanajana ihany tokony apetraka amin'ity forum ity.

Ka tokony mba ho filamatra daholo isika rehetra.

Asa moa fa mety izay koa no zavatra iainantsika an-davan'andro ka tsy mahagaga. Dia tsy gaga intsony isika raha voazimbazimba ny momba antsika rehetra.


Aleo hiharihary ny mazava sy ny maizina rehefa tsy laitra hanarina ry zareo volafitia a,

Dia ny ankizy sisa no misafidy izay tiany harahina eo, ireo mpanambony tena sa ireo mpanetritena???

Ireo malefaka sa ireo mpiavonavona???

Aleo mihitsy hivoaka eto, hahafantarany hoe kay v otran'izany fiavahan'ny tena mpianany sy ireo izay nandà Azy ary ireo izay milaza fa mpianany nefa.....
4. hery ( 30/03/2017 09:20)

MINDAOZY:

Ny tena tsy fanajana dia ny zavatra ataon'ny olona amin'A/tra.
Raha YAHOSHUAH no anaran'ilay zanak'A/tra mpamonjy, dia sahin-draolombelona n nanovaova


Na ianao koa aza efa manovaova azy. Tsy mino aho hoe alfabeta tahaka izao no fanoratra azy. Alfabeta latinina io ampiasainao io.
5. RBNIR ( 30/03/2017 09:27)
Ka eo mihitsy ilay izy, betsaka no efa afaka manaporofo ankehitriny fa anarana noforonon'ingahy samuelson edward io fa tsy nisy Andriamanitra nampahafantatra azy tao izany.....
6. RBNIR ( 30/03/2017 09:30)
izao dia lasa ampianariny koa ireo mpino ao aminy ao fa hoe lasa Andriamanitra kely daholo ary dia izy no voalohan-daharana amin'izany....

Normal B lasa mieboebo B ireo mpino dia lasa manao teny FENO AVONAVONA (sy FANAMBANIANA NY HAFA)....

Dia ianao indray no menatra satria izireo dia mitonona fa mpianany koa hono......
7. RA TAN ( 30/03/2017 12:03)

RBNIR:

Ka eo mihitsy ilay izy, betsaka no efa afaka manaporofo ankehitriny fa anarana noforonon'ingahy samuelson edward io fa tsy nisy Andriamanitra nampahafantatra azy tao izany.....


VALINY:
Inona daholo izany porofo izany??? mba asehoy eto iaraha-mahita ra misy.
Anarana noforoniny ko maninona no tsy misy mahatohitra nareo na iray aza; fa voadona daholo ireo anaran-diso rehetra dia potika.
8. RA TAN ( 30/03/2017 12:16)

RBNIR:

izao dia lasa ampianariny koa ireo mpino ao aminy ao fa hoe lasa Andriamanitra kely daholo ary dia izy no voalohan-daharana amin'izany....

Normal B lasa mieboebo B ireo mpino dia lasa manao teny FENO AVONAVONA (sy FANAMBANIANA NY HAFA)....

Dia ianao indray no menatra satria izireo dia mitonona fa mpianany koa hono......


VALINY:
Inona n fanambaniana nataonay taminao???
Tsy nisy nanambany anao izany izahay, fa ny tena marina ianao no mahatsiaro tena ho latsaka ambany manoloana ny fahamarinana; dia normal be koa ianao raha menatra.
9. RA TAN ( 30/03/2017 12:25)

hery:


MINDAOZY:

Ny tena tsy fanajana dia ny zavatra ataon'ny olona amin'A/tra.
Raha YAHOSHUAH no anaran'ilay zanak'A/tra mpamonjy, dia sahin-draolombelona n nanovaova


Na ianao koa aza efa manovaova azy. Tsy mino aho hoe alfabeta tahaka izao no fanoratra azy. Alfabeta latinina io ampiasainao io.


VALINY:
Tsis idiran'ny latin izany. A/try ny jiosy anie io fa tsy an'ny latin e. Anarana jiosy io (@ teny hebreo).
Ary raha mivavaka koa dia ny manonona an'ilay anarana no zava-dehibe fa tsy ny manoratra
10. RBNIR ( 30/03/2017 12:31)
RA TAN:

Ary raha mivavaka koa dia ny manonona an'ilay anarana no zava-dehibe fa tsy ny manoratra

Midika v izany hoe raha sendra diso fanoratra aza dia mety foana????
11. hery ( 30/03/2017 12:52)

RA TAN:




VALINY:
Tsis idiran'ny latin izany. A/try ny jiosy anie io fa tsy an'ny latin e. Anarana jiosy io (@ teny hebreo).
Ary raha mivavaka koa dia ny manonona an'ilay anarana no zava-dehibe fa tsy ny manoratra


Ah bon? Noheveriko fa hafa mihitsy ny litera jiosy. Kay misy Y sy H sns koa.
12. endriny ( 30/03/2017 13:12)

MINDAOZY:

Ny tena tsy fanajana dia ny zavatra ataon'ny olona amin'A/tra.


Ka raha ny olona mifanerasera aminao aza tsy hainao ny manaja azy, izay Atra tsy hitan'ny maso any koa no ahoana?

Sady tsy Atra izany koa no anaran'io fa manana anarana Jiosy mazava be io. Ka raha mba manakambo ihany re, maninona no tsy atao amin'ny teny Hebreo daholo izy rehetra e?

Ny an'ilay misalaka tapany e, mihomehy ny olona miboridana kanefa ny hitinafy tsy mahasarona ravim-b....
13. RA TAN ( 30/03/2017 13:30)

endriny:


Ka raha ny olona mifanerasera aminao aza tsy hainao ny manaja azy, izay Atra tsy hitan'ny maso any koa no ahoana?

Sady tsy Atra izany koa no anaran'io fa manana anarana Jiosy mazava be io. Ka raha mba manakambo ihany re, maninona no tsy atao amin'ny teny Hebreo daholo izy rehetra e?



VALINY:
Ny anao izay ny olona mifanerasera indray no ataonao ambony noho A/tra? Tena nofo be ianao; tsy mahatazana afatsy izay hitan'ny masony; tsy fatatrao mihintsy ny zava-panahy dia manambany an'A/tra ianao.
Na manana ny "nom propre-ny" aza A/tra dia tsy fanao ny manonononona fahatany ny anarany, fa be voninahitra loatra Izy.
Ary tsy misy soratra masina miteny hoe tsy maintsy atao teny hebreo daholo ny rehetra, fa raha mahita ianao dia avoay eto.
14. endriny ( 30/03/2017 14:33)
YAHOSHUA = BEN

Inona moa no dia ivakiako loha amin'ny fanajana izay Atrao sadikadika manao sorona olona any RATAN
15. RKjeanclaude ( 30/03/2017 16:25)
volafitia a! aza gaga ny amin'ny tsirairay sy izay lazainy satria marina ilay voasoratra fa arakarak'izay be ao am-pon'ny olona ihany mo hitenenan'ny vavany. Raha fanambaniana no be ao am-pony dia izay no avoakany, raha fanajana dia izay, ......sns
16. RBNIR ( 30/03/2017 17:35)
RA TAN:

Inona n fanambaniana nataonay taminao???
Tsy nisy nanambany anao izany izahay, fa ny tena marina ianao no mahatsiaro tena ho latsaka ambany manoloana ny fahamarinana; dia normal be koa ianao raha menatra.

Tsy tamiko ianao no nanao fa tamin'ny hafa, saingy mahatsiaro menatra aho satria ianao mitonona ho manompony nefa ny teny avoakan'ny vavanao mahamenatr'olona....
17. RBNIR ( 30/03/2017 17:53)
Fa izao RA TAN

Mba ianareo ihany ny toetran'ireto olona 2 mpianany fahiny ireto...

Izao no nanaovan'ny olona azireo.....

« Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona! » (Asan'ny Apostoly 14:11)
« Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera*, ary Paoly kosa Merkory**, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra. [* Gr. Zeosy] [** Gr. Hermesy] » (Asan'ny Apostoly 14:12)
« Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra. » (Asan'ny Apostoly 14:13)

Nasandratry ny olona ho Andriamanitra izireo...

Izao kosa no nataony ho setrin'izany.....
« Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe: » (Asan'ny Apostoly 14:14)
« Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, » (Asan'ny Apostoly 14:15)

Olona tahaka anareo ihany izahay hoy izy roalahy....Ary tsy nahafaly azireo mihitsy ny naovana azireo ho toy ny Andriamanitra (nandriatra ny fitafiany izy hoy Soratra Masina)

Ity koa nisy anjely iray izay niankohofan'ny apostoly Jaona....

« Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana. » (Apok.19:10)

Andriamanitra ihany no ivavaho hoy izy (1 ihany ny Andriamanitra fa tsy misy Andriamanitra kely b d b izany........

Mahirata re RA TAN fa tena ajabak'ingay samuelson edward ange hoy aho ianareo izany e....





18. RA TAN ( 31/03/2017 07:31)
endriny:

YAHOSHUA = BEN

Inona moa no dia ivakiako loha amin'ny fanajana izay Atrao sadikadika manao sorona olona any RATAN


VALINY:
Anarana TOKANA sady anarana AMBONY nohon'ny anarana rehetra ny anarana "YAHOSHUAH" (FIL,2:9); TSY MISY ANARANA MITOVY AMINY.
Donc, DISO BE ianao mampitovy an'i YAHOSHUAH @ zany BEN-nao manokana izany.

Fa izao no mahagaga: ianao efa niteny hoe izany BEN izany no zanak'a/trao (izay noforoninao araka ny eritreritrao; tsis porofo).
Dia tokony hanaja an'io BEN-nao io ianao raha io no heverinao ho marina; fa YAHOSHUAH hoy ianao diso.
Eto nefa tena nampitovinao indray ny zavatra lazainao fa marina sy lazainao fa diso.
1) Nodisoinao i YAHOSHUAH araka ny tsy firaharahinao sy ny fankahalanao Azy. => dia diso koa izany ilay BEN-nao izay nampitovinao taminy (ny tenananao ihany izany no manadiso an'ilay BEN izay nolazainao ho marina).
2) YAHOSHUAH ilay anarana TOKANA mahafeno ny fepetra rehetra voalazan'ny soratra masina dia IO IRERY no MARINA. => Esory any ny BEN-nao fa diso; lavin'ny soratra masina.

Conclusion:
Na ny tenanao na ny soratra masina dia samy milaza fa diso ilay BEN-nao. Fa ny soratra masina milaza fa soratra masina milaza fa marina YAHOSHUAH. Ny soratra masina no ekena fa marina, fa tsy mitombina ireo teninao ireo fa fa fanasoketana ny marina fotsiny. Fa ny tsy firaharahinao sy ny tsy finonao tsy mahafoana ny fahamarinan'A/tra.
19. RA TAN ( 31/03/2017 08:05)

RA TAN:
Inona n fanambaniana nataonay taminao???
Tsy nisy nanambany anao izany izahay, fa ny tena marina ianao no mahatsiaro tena ho latsaka ambany manoloana ny fahamarinana; dia normal be koa ianao raha menatra.

RBNIR:
Tsy tamiko ianao no nanao fa tamin'ny hafa, saingy mahatsiaro menatra aho satria ianao mitonona ho manompony nefa ny teny avoakan'ny vavanao mahamenatr'olona....

RA TAN:
"saingy mahatsiaro menatra aho (hoy ianao". Mazava fa ianao no milaza fa menatra eo.
Nolazainao koa hoe "mitonona ho mpanompony" aho. MITONONA HO MPANOMPON'IZA??? Fa nga ianao ianao saropiaro @ i YAHOSHUAH??? fa Izy mantsy no tompoko.
ARY INONA ILAY TENY NAVOAKY NY VAVAKO KA NAHAMENATRA ANAO???

Ny fanahinao efa mahafantatra fa marina izao teny ambara aminao izao, fa ny nofonao io be famalina io. AZA AMPIJALINA NY FANAHINAO, FA EFA MITARAINA MAFY IZY. Misy antony io matoa ianao mandre an'izao teny marina izao; na hino ianao na tsy hino
20. RBNIR ( 31/03/2017 09:33)
tsara ihany dia fomba namalianao azy ity RA TAN an, aleo hiavaka marina tokoa tsara dia tsara ny nanidrianao hoe Tompointsika (amin'izay tsy afangaron'ny olona)

Ary aleo ho porofoina eto ny tsy mampitovy azy rehetra:

1 Ny Anay, nampianatra ny mpanompony hanetry tena fa tsy hihevitra ny tenany ho Andriamanitra (jereo ny nataon'i paoly sy barnabasy) olona tahaka anareo ihany izahay hoy izy roalahy.
Ny anareo nampianatra anareo hanandratena miohatra ny olona rehetra ka mahatonga anareo hihebohebo fatratra ankehitriny satria hoe efa lasa Andriamanitra daholo hono...

2 Ny anao dia YAHOSHUAH (anarana izay manomboka hita sy voaporofo ankehitriny fa tsy originel fa ingahy samuelson edward no namorona azy)

Ny Anay kosa dia ilay Anarana nentin'i paoly tany amin'ireo Jentilisa (marihina fa i paoly tsy nanoratra tamin'ny teny hebreo ho an'ireo jentilisa)

3 Ny Anay niteny hoe « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Ny anareo kosa dia tonga ary nilaza fa RAVA NY DIDY FOLO sns....

4 Nitondra porofo ilay Anay fa tsy Rava ireo didy tamin'ny alalan'ireto teny ireto...
- « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)

Notanisainy ao ambanin'io ireo didy folo izay lazainareo fa rava ankehitriny.....

- « Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana. » (Lioka 11:42)

Tokony mbola atao ny fahafolony hoy IZY eto ary tsy tokony navela ihany koa ny fitsarana (justice) sy ny fitiavana an'Andriamanitra,

- 9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

Dikanteny katolika amin'ny teny angilisy io http://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4

Mazava be mbola tokony hotandreman'ireo milaza ny tenany ho olon'Andriamanitra ny andro fahafito na ny Sabata...

Ny anareo moa dia efa nataonareo tsinontsinona izany ankehitriny....


Ka aleo ny ankizy hisafidy malalaka RA TAN.... an,

P.S : ny fanahiko dia malahelo mafy satria na dia efa hatao miharihary aminao aza ny tena fahamarinana fa hoe DISO BE io fampianaran'ingahy samuelson edward io, dia indrisy fa minia mikipy ihany izato ianao ry namako eto amin'ny serasera....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1744