Mikasika ny finoana

1. hedarally12 ( 29/03/2017 15:11)
Misy Sakramenta telo fototra iorenan'ny fiainana manontolo ny maha-kristianina:inona avy izy ireo? Mba hifampizarao na ambarao,amin'ny maha-kristianina anao,ny fiainanao ny Sakramentan'ny Batemy noraisinao.
1/- fakafakao?? Dia porofoy??
novalian'i endriny ny 07/04/2017 13:22
2. RA TAN ( 29/03/2017 16:25)
miteny ianao hoe "kristiana", dia avy @ hoe "kristy" izany. dia mipetraka ny fanontaniana hoe IZA NO ANARAN'ILAY KRISTY???
3. endriny ( 29/03/2017 17:13)
Nisy ramatoa nandeha taksiborosy avy any Ambanivohitra. Ka moa ve raha tsy hainy hoe Sprinter Sa Mazda ilay nandehanany dia midika fa tsy nandeha taksiborosy izy?
4. RBNIR ( 29/03/2017 17:24)
:-) iny indray no tsy hitako ry endriny (ny ahy indray mantsy tsy izay fa hoe raha tsy fantany v ny anaran'ilay sofera moa nanakana azy tsy ho tonga tany amin'ny arrivée v izany???)

P.S: fa ianao izany te handeha amin'ilay taxi brousse ihany sa????

5. RKjeanclaude ( 29/03/2017 18:19)
mba misy koa ny tsy mety handoa saran-dalana, sy milaza ho mahafantatra ilay mpamily dia manao bontolo fotsiny handeha, nefa efa mihoatra ny 15 taona aza. Fa raha i Bera aloha ny anaran'ny Soafera dia hisy hilaza hoe: Tsy hotonga any amin'ny farany ianao raha tsy miantso azy amin'ny tena anarany hoe Robert, dia ny hafa milaza hoe Albert, dia misy indray miteny hoe tsy sofera io fa barman satria satria izany hoe bera izany dia avy amin'ny hoe labiera ka hovery any ianareo. Nefa anie izy antsoina hoe bera dia mamaly e. Fa misy koa aza miteny hoe Lita no hiantsoako azy satria izay no nintsoan-dreniny azy fony izy kely ka izaho tsy handeha.

dia samy manana ny fomba fandraisany azy e!
6. rhaj0 ( 29/03/2017 18:35)
MIsaotra mampivanitika rizareo aa :-)
Izao obsession-dRa Tan @ izao anaran'Izy izao angaha ho vita mihintsy. Ilery irery no dangidangitra @ izany anarany izany, fa ny olona angaha misy mandraharaha...


Fa ndao kosa mba iverenana ny fanontanian'i Hedarally12 eee ... Hoe inona ilay Sakramenta..
[size=4]Izaho izao manaraka basiketibaolina amerikana, fa misy ekipa ao hoe, Sacremento Kings. Hors-suze angamba aho o??.. efa nataoko kely botity ity f'aza valiana akory eee..[/size]
7. volafitia ( 29/03/2017 21:37)
Raha mety dia mba omeo ange aloha ny famaritana ny hoe: "Sakramenta" e? Toa samy manana izay lazainy mantsy raha hoe ny isa fotsiny no lazaina eto.

Ny sasany miteny hoe 7 ny sakramenta, ny hafa milaza hoe 3 ny sakramenta. Ka iza amin'ireo no marina? Iza no diso?

Dia aleoko tsy mitanisanisa eto sao dia mahazo tsiny amin'ny zavatra tsy hay eto.
8. MINDAOZY ( 30/03/2017 02:59)
rhaj0:

Izao obsession-dRa Tan @ izao anaran'Izy izao angaha ho vita mihintsy. Ilery irery no dangidangitra @ izany anarany izany, fa ny olona angaha misy mandraharaha...



ASA,10:43 IZY no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny ANARANY no ahazahoan'izay rehetra mino AZY famelankeloka.

Nareo tsy misy miraharaha an'ilay anarana ireo izany mazava hoazy fa olo-meloka daholo sady tsy te hahazo famelan-keloka
9. RBNIR ( 30/03/2017 08:47)
Izaho manokana aloha otran'ny mbola tsy nahita mazava tao anaty baiboly hoe misy sakrameta izao no isany tokony hatao dia mahazo ny fiainana ny olona iray......
10. irakiraka ( 30/03/2017 10:47)
Ilay ramatoa nandeha taksibrosy avy any am-banivohitra nolazain'ny Endriny io nge ka mangetaheta ho any Quebec hono izy.
Dia manoro-bato mafana raha milaza azy hoe mandehana jereo izay misoratra hoe: Ambatondrazaka rariva....Fa na hisolo taksibrosy eo aza tsy ho tonga any @ndry Rhaj0 :)
Fa tsy maintsy asaina manao pasipaoro aloha izy.
Jesosy no lalana ahazoana fiainana.
11. rhaj0 ( 02/04/2017 09:54)
Nefa indray, ilay "lalana (ahazoana fiainana) toroin'i Jesosy" mankaty Kanada, toa mampanofy Kalesa tarihin-tsoavaly toka-tandroka (unicorne) eny @ rahona botsiaka.

Fa dia ny imagination-nao no ho tonga aty izany ee... :-)
12. irakiraka ( 03/04/2017 06:14)
Ie betsaka tokoa ireo nanenjika an’I nenitoa t@ zany fanapa-kevitra-ny zany.
Fa tsy nahôn-dranenitoa zany satria nino izy hoe ny olona rehetra ao an-tanana nge ka afaka mankany avokoa satria efa novidian’Ilay Lehilahy Tompon’ny Tany any Kanada ny billet n’ny olona rehetra. (Jaona 3:16)
Dia tao ny malailay fonosana.
Tao ny be loha hoe tsy misy Kanada zany ee. Aza manofy ratsy eo. Ataovy fotsiny ze ahatsara ny vokatra tsaramaso @ ty taona ty dia zay. :-)
Tao ndray diso lalana hoe ho any nefa mikiry any @fasan’karana no hividy billet.
Tao koa ny efa notezaina mafy tanaty fomban-drazana ka ny fatahorana ho very faty no ataony mameno ny fo.
Fa Ranenitoa dia tena tao am-pony tokoa ny ho tonga any @ zany Tanana tsara tarehy, tsara lavitra raha oharina @ ty tanana misy azy ao ‘Alatsinainy bakaro’
Dia nanaraka ny Lalana tokony haleha izy
Azony ny pasipaoro. (IJao 5:12) .Mila fenoina fahalalana teny vahiny koa anefa ny saina fa tsy afaka mandeha vide (Josoa 1:8)

13. rhaj0 ( 03/04/2017 11:19)
Io moa dia maro marina ny lalana mitondra mankany mankany. Ary ny tsi11 dia mihevitra fa ilay lalana mba (hany) fantany ao no "tena izy". Tsy fantany akoriny ny lalana hitan'ny hafa, fa ny azy ihany no takany, dia izay foana no asesiny, dia toa tereny hisesika miaraka aminy ao daholo koa ny olona.

Nefa anie ilay lalana mba (hany) fantany
- dia lalana nofaritana sy novisavisaina t@ l'an zero
- no sady feno toatoa ny hoe tsy mahazo manao an'izao, ary tsy maintsy manao an'izao sy izao, fa raha tsy izany, dia tonga dia avarina any @ hantsana mangitsogitsoka, ary ho endasina any
- sady @ izay koa hono, voafetra ho 144.000 no isan'ny afaky ny ho raisina any @ izay ho aleha any


Fa raha mba misokatra ihany mantsy ny sainy, dia mba fantariny ny an'ny olona hafa, indrindra ny olon'ny taona-2017 izao... dia mety ho hendry @ izay izy, tsy manolo-bato mafana ka mamitaka ny zanany, dia hivaralila @ izao lalana mba (hany) fantany izao.
14. endriny ( 04/04/2017 05:31)
Samia mamorona ny sakramentany eo e. Ny olona efa misakra foana na andro na alina fa mbola tsy mahita mangirana mihintsy. Ka asa rahoviana no hivimbina labozy Jesosy hanazavana any?
15. RBNIR ( 04/04/2017 05:57)
rhaj0:

- sady @ izay koa hono, voafetra ho 144.000 no isan'ny afaky ny ho raisina any @ izay ho aleha any

Ny baiboly tsy milaza hoe 144 000 fotsiny no isan'ireo hovonjena....

Tsy fahaizana ny dikan'izay voalaza ao amin'ny bokin'ny apokalipsy no mahatonga ny fampianarana hoe 144 000 fotsiny ihany no hovonjena....
16. irakiraka ( 04/04/2017 12:14)
Aza miandry tolorana ee. Tsy hoe maizina be ato fa rovina enao vao hitondra labozia aty.
Efa nanampidirana électricité tompoko ao aminareo fa ianao no andrasana hanampiaka ny interrupteur.
17. rhaj0 ( 04/04/2017 12:22)
144.000..
Jereo hono ny ao @ Apokalipsia ao ry RBNIR aa... Fa raha kamo ny sainao, dia minoa fotsiny rahefa mamaky ny famintinana nataon'ny olona (izay mety ho Kristiana toa anao ihany)

https://en.wikipedia.org/wiki/144000_(number)

Dia sirisiriho etsy ambanimbanin'io lahatsoratra io, fa ny Maya atsy zamerika koa nahita ny numerolojian'ny 144.000... Ka 12 x 12 = 144, dia latsaka ny 0 telo dia pouah pouah .. feno ny isa.

Ka tena mety Andrmntra tokana izany no nibitsika ny Mayan tatsy zamerika, sy ny Kristiana tatsy moyen-orient, nefa izy roaroa ireo dia tsy mahalala akoriny fa mi-existe ny andaniny.
18. RBNIR ( 04/04/2017 12:47)
Mizara 2 mazava tsara ilay fahitana:

Fahitana voalohany Apok.7:1-8 (Ireo 144 000)

« [Ny niarovana ny Isiraely marina mba tsy hosimban'ny loza ho avy, sy ny fahasambaran'ny tonga any an-danitra ka afaka amin'ny fahoriana lehibe] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza. » (Apokalypsy 7:1)
« Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: » (Apokalypsy 7:2)
« Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika. » (Apokalypsy 7:3)
« Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'isiraely rehetra. » (Apokalypsy 7:4)
« Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina. » (Apokalypsy 7:5)
« Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina. » (Apokalypsy 7:6)
« Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'Isakara roa arivo amby iray alina. » (Apokalypsy 7:7)
« Avy tamin'ny firenen'i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. » (Apokalypsy 7:8)

Fahitana faharoa Apok.7:9-17 (ireo kosa dia ireo miakanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia eny an-tanany...
Vakio tsara fa hoy ny teny manomboka eo "rehefa afaka izany.....izany hoe hafa mihitsy ilay teo aloha dia hafa mihitsy indray ity manaraka ity.....


« Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, » (Apokalypsy 7:9)
« dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry. » (Apokalypsy 7:10)
« Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona* sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra [* Gr. presbytera] » (Apokalypsy 7:11)
« nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. » (Apokalypsy 7:12)
« Ary ny anankiray tamin'ny loholona* namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? [* Gr. presbytera] » (Apokalypsy 7:13)
« Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. » (Apokalypsy 7:14)
« Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary. » (Apokalypsy 7:15)
« Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. » (Apokalypsy 7:16)
« Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8). » (Apokalypsy 7:17)

Dikan'ireo fahitana....
Mizara 2 mazava tsara ny voasoratra eo fahitana 2 samihafa...

1 Ireo 144 000 Dia manambara ireo israelianina hovonjena amin'ny andro farany 12 000 isaky no foko no angalan'Andriamanitra azireo (vakio apok.7:1-8)

2 Ireo miankanjo fotsy lava mitana sampandrofia kosa dia voalaza fa tsy tambo isaina ny isany ary avy avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo

Ireo indray kosa dia manambara ireo hafa firenena (ankoatran'ny israelianina) izay hovonjena.....

Fampianaran'i Jesosy mivantana izany rhajo tsy natao ho hita any anaty google fa izay tiany no nampianariny azy.....
19. endriny ( 04/04/2017 13:32)

RBNIR:

1 Ireo 144 000 Dia manambara ireo israelianina hovonjena amin'ny andro farany 12 000 isaky no foko no angalan'Andriamanitra azireo (vakio apok.7:1-8)


Ka hono ho'a I RBNIR izany izao taranak'iza amin'ilay foko 12? Raha tsy izany mantsy tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra. Sa oha-pitenenana fotsiny io?

RBNIR:

2 Ireo miankanjo fotsy lava mitana sampandrofia kosa dia voalaza fa tsy tambo isaina ny isany ary avy avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo

Fa angaha nisy rofia naniry tany Israely taloha e? Ataoko fa zava-maniry tokana an-tany tsy misy afa tsy eto Madagasikara ny rofia. Mitovy amin'ny menarana ihany.
Ka sao dia teto Madagasikaraka mihintsy aza ny Edena sy Jesosy taloha no nipetraka?

Ary ilay dekaonina mpivarotra saribao eto aminay izany tsy ho any mihintsy raha izany koa.
20. RBNIR ( 04/04/2017 15:31)
1 izaho tsy ho isan'ireo 144000 satria aho tsy israelianina

2 izaho tsy maintsy ho isan'ireo hiakanjo fotsy lava

3 ilay ankanjo fotsy lava tsy hoe fitafiana ara-bakiteny fa fitafiampanahy io.....

Itony izao misy ankanjo azo hitafiana.....

« Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, » (Efesiana 6:14)
« Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala. » (Kolosiana 3:12)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1997