[color=red]TSY SAHY MITONONA NY ANARAN'NY MESIANY ...

1. RA TAN ( 28/03/2017 08:35)
TSY SAHY MITONONA NY ANARAN'NY MESIANY INTY JIOSY GASY IRAY(stahtam) IZAY MITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO SADY MANOHITRA MAFY AN'I YAHOSHUAH (YAHOSHUAH www.rtvyahoshuah.com )

Raha niresaka tamiko io stahtam io tao @ http://forum.serasera.org/forum/message/m55c1e708dc951/160 dia izao no hevi-dehibe nisongadina:


RA TAN:(01/12/2016 08:15)
“JODAISME” miady @ Yahoshuah sy ny mpianany
“JODAISME” tsy mino testameta vaovao
“JIOSY MPITANDRINA DIDY FOLO” miady @ YAHOSHUAH SY NY MPIANANY (ISAIA 66:5; ASA 4:17,18; 1TES 2:14-16). Ny jiosy mpitandrina didy folo dia soloin’ireto jiosy gasy ireto tena raha eto M/car…


STAHTAM:(02/12/2016 07:48)
…Ny Mesia inoako dia Jodaiste ka lojika be ny teninao. Yahoshuah dia tsy jodaiste, normal izany ny fifanoherana raha misy. “JODAISME tsy mino ny testameta vaovao” Ka taiza no nisy Jodaistes nanorina fampianarana t@ io? Ny Mesia inoako dia ny Lalàna sy ny Mpaminany sy ny Salamo no nataony fototry ny fampianarany sy notanterahiny fa tsy ny tantaran’ny testameta vaovao. …
… Raha ny testameta vaovao no lazainao fa filazantsara dia manamafy tsara mihintsy izany fa samy hafa ny baibolintsika. Hafa no nomena ny Jodaistes ary hafa ny anareo. Manamafy izany ny Salamo 147/19,20 satria ny Isiraeliana no voalaza eo. Ny testameta vaovao no anareo. Olona hafa taty aoriana no nanoratra ireny hianareo fa ilay ivavahanay sy ilay Mesia nirehiny kosa dia tsy mba nanome izany testameta vaovao izany hoanay. Izy sy ny mpianany dia tsy nanorina ny fiangonany t@ izay verset avy tao. …
“ROM 11:28 ra ny amin’ny filazantsara dia fahavalo ny jiosy noho ny aminareo”. Ary ilay olona niteny an’io verset io mba inona? …

RA TAN:(03/12/2016 10:39)
Teto aloha izany dia TENA NANAMBARA AMPAHIBEMASO IANAO, FA “TSY MINO NY TESTAMETA VAOVAO”IANAO; mazava hoazy fa nareo jiosy gasy rehetra dia tsy mino filazantsara daholo. Ary tena toherinareo à fomba rehetra mihintsy izany.
Mipetraka ary ny fanontaniana:
AIZA AO @ LALANA SY NY MPAMINANY ARY NO MISY AN’IZANY MESIA-NAREO IZANY???
FA NY MPAMINANY SY NY LALANA ARY NY SALAMO DIA EFA SAMY NANONDRO AN’I “YAHOSHUA”H DAHOLO: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”.
Ary aty @ testameta vaovao no fahatanterahan’izany rehetra izany.
Nolavinao anefa ny testameta vaovao, donc, NOLAVINAO NY TENIN’NY MPAMINANY ARY NY SALAMO. Noho izany, NOLAVINAO KOA NY TESTAMETA TALOHA: Tena ny BAIBOLY IRAY MANONTOLO MIHINTSY NO LAVINAO. …
Fa izahay mpanaradia an’I YAHOSHUAH kosa milaza fa MARINA DAHOLO NA NY TESTAMETA TALOHA NA NY TESTAMETA VAOVAO. Satria tenin’ny Dadanay izay any andanitra no ao; Izy no nanao an’ireo..


STAHTAM:(04/01/2017 07:05)
… porofoy amiko fa fahatanterahan’ny testameta taloha ny testameta vaovao (raha anisan’ny testameta vaovao ny bokin’i Matio) dia hanaiky aho fa MARINA ny teninao. …

RATAN: (10/01/2017 08:49)
I Moshè efa niteny hoe:
“DEO 18:15 Mpaminany avy aminao dia avy amin’ny rahalahinao tahaka ahy, no hatsangan’I Yahvah Andriamanitrao hoanao; izy no henoinareo”
Dia jereo ary ny mpaminany Israeliana fa samy nanondro an’I YAHOSHUAH daholo. Ary i YAHOSHUAH koa mbola nampahatsiahy an’izany; ka hoy Izy hoe: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”
- ATERAKY NY VIRIJINY IZY:
“ISAIA 7:14” tanteraka izany ao @ MAT 1:18-23

-TERAKA AO BETLEHEM IZY:
“MIKA 5:1” tanteraka izany ao @ MAT 2:1

-GENOCIDE ANA ZAZAKELY T@ ANDRONY:
"JER 31:15" tanteraka izany ao @ MAT 2:16-18

-TSY NOTAPAHINA NY TAOLANY:
"SAL 34:20" "EKS 12:46" tanteraka izany ao @ JAONA 19:31-33

-NILOKANA NY AKANJONY:
"SAL 22:18" tanteraka izany ao @ JAONA 19:24


T@ andron’I YAHOSHUAH no nahatanterahan’ireo tenin’ny mpaminany ireo; ary nohon’I YAHOSHUAH no anton’ireo teny ireo. Santionany fotsiny ireo, fa be dia be ao fa tsy ary ho voatantarako eto daholo.
Fanontaniana mipetraka @ stahtam izay mitsipaka ny TESTAMETA VAOVAO:
RAHOVIANA IREO TENIN’NY MPAMINANY IREO VAO HO TANTERAKA RAHA EFA NOLAVINAO NY TESTAMETA VAOVAO???
IZA ILAY MESIA ERITRERETINAO??? IZA NO ANARANY???
RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY???
Didin’I Yahvah A/tra mpamorona ny zava-drehetra ny tenin’ireo mpaminany israeliana ireo (DEO 18:18), ka izay tsy mino an’ireo tenin’ny mpaminany Israeliana ireo dia hotsarain’I Yahvah (DEO18:19). Dia miomana koa ianao ry stahtam fa hotsarain’I Yahvah tahaka an’ireo ELOHYM an’ny Egyptiana koa a (EKS 12:12).
NITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO IZAY FAHATANTERAHAN’NY TENIN’NY MPAMINANY IANAO, DIA MAZAVA HOAZY FA MITSIPAKA NY TENIN’NY MPAMINANY AO @ TESTAMETA TALOHA; DIA MAZAVA FA NY TESTAMETA TALOHA MIHINTSY NO TSIPAHINAO.
Porofon’izany ny fanitsahanao ny “DEO 30:11-13”; angalarinao ilay didy tsy natao hoanao dia entinao mandositra aty M/car.


STAHTAM:(16/01/2017 07:31)
… Ny kristy eritreretinao aza ange ka iomehezan’ny israeliana e! Taranaka haterak’I Davida no Mesia nolazain’ny faminaniana Israeliana. Ny anao anefa dia sady tsy taranak’I Davida no mbola avy @ fanahy koa. …

RA TAN: 19/01/2017 16:02)
… VALIO ALOHA IREO FANONTANIANA MAROBE MITAMBESATRA AMINAO EO AMBONY IREO:
- Rehefa nolavinao ny testameta vaovao izay fahatanterahan’ny tenin’ny mpaminany dia IZA NO ANARAN’IZANY MESIANAO IZANY????? Izay tsy ao anaty testameta vaovao mazava hoazy.
- Raha mbola mivingitra didy folo ihany ianao dia ATAONAO AHOANA NY TENIN’NY MPAMINANY ISRAELIANA IZAY MIFANIPAKA @ DIDY FOLO????
- Dia aza odina fanina ilay “DEO,30;11-13” a!! …


STAHTAM:(20/01/2017 07:49)
… Voasoratra ao anatin’ny testameta taloha @ teny hebreo ny Mesia inoako. Mbola tsy nosoratana akory io testameta vaovao-nareo io dia efa fantatry ny Israeliana izany. Tsy misy idiran’ny testameta vaovao @ izany … Ny anarany? Tsy yahoshuah (Anarana azo avy @ mathematique io yah+hoshuah=yahoshuah) fa Anarana hafa efa nambaran’ny mpaminany (israeliana) sy nosoratany tao anaty baiboly hebreo hatry ny ela. …

RA TAN:
TSY MILA RESAKA LAVA BE IZANY, FA TONGA DIA TONONY ETO NY ANARANY
Fa maninona ianao no tsy mahasahy mitonona ny anaran'ny mesia-nao ry stahtam a?


novalian'i RA TAN ny 18/05/2017 01:40
2. RBNIR ( 28/03/2017 08:56)
Ny fandinihiko azy, tsy nisy Andriamanitra nampahafantatra ingahy samuelson edward, fa izy no nanao fikarohana manokana tany dia namoaka ity anarana ity....

Ka ny hatahorako dia hivoaka hiharihary ny tsy fahamarinan'ity anarana ity satria ingahy Samuelson Edward dia miseho ho jiosy miohatra ireo jiosy (manao demonstration amin'ny teny hebreo) nefa toa tena mampihomehy b ireo ankizy ilay izy satria toa tsy miteny akory ilay teny????

SAO DIA MBA HO AFABARAKA ETO IANAREO IREO RA TAN A!!!
3. RBNIR ( 28/03/2017 08:59)
CONSEIL D AMIS HOY AHO AN!!! AMPIRIMO ANY ALOHA REHEFA MBOLA TSY VOAMARINA TSARA!!!
4. RBNIR ( 28/03/2017 09:44)
Torohevitra omeko anao, dia tadiavo ny misy an'ireo epistily nosoratan'i paoly fa izay Anarana voasoratra any no Anarana nasaina nentin'ny paoly ho an'ireo Jentilisa marobe...
5. RA TAN ( 28/03/2017 19:32)

RBNIR
"Ny fandinihiko azy, tsy nisy Andriamanitra nampahafantatra ingahy samuelson edward, fa izy no nanao fikarohana manokana tany dia namoaka ity anarana ity...."

Valiny:
NY AMBASADAORAN'I YAHOSHUAH TSY MPANAO FIKAROHANA SADY TSY MILA AN'IZANY. IZY AZA REHEFA MAMPIANATRA TSY MILA PREPARATION AKORY (jereo ny tv dia hitanao eo). FA MATOA TSIS MAHATOHITRA NY FAHAMARINANA REHETRA IZAY AMBARANY, MIERITRERETA FA TSY OLOMBELONA TAHAKA ANAREO IZY.


"Ka ny hatahorako dia hivoaka hiharihary ny tsy fahamarinan'ity anarana ity"

Valiny:
IREO ANARANA MPISOLOKY REHETRA ALOHA IZAO NO MIVOAKA MIHARIHARY NY TSY FAHAMARINANY, REHEFA TAFAVERINA ILAY TENA ANARANA MARINA "YAHOSHUAH". ARY VOADONA DAOL IREO TSY IZY REHETRA DIA TSY MAINTSY POTIKA.

"satria ingahy Samuelson Edward dia miseho ho jiosy miohatra ireo jiosy (manao demonstration amin'ny teny hebreo) nefa toa tena mampihomehy b ireo ankizy ilay izy satria toa tsy miteny akory ilay teny????"

Valiny:
IZAY GASY REHETRA MITANDRINA DIDY FOLO NO ATAO HOE MILAZA NY TENANY HO JIOSY (SAL,147:19,20), DIA NAREO IZANY
6. RA TAN ( 28/03/2017 19:33)

RBNIR:

Ny fandinihiko azy, tsy nisy Andriamanitra nampahafantatra ingahy samuelson edward, fa izy no nanao fikarohana manokana tany dia namoaka ity anarana ity....

Ka ny hatahorako dia hivoaka hiharihary ny tsy fahamarinan'ity anarana ity satria ingahy Samuelson Edward dia miseho ho jiosy miohatra ireo jiosy (manao demonstration amin'ny teny hebreo) nefa toa tena mampihomehy b ireo ankizy ilay izy satria toa tsy miteny akory ilay teny????

SAO DIA MBA HO AFABARAKA ETO IANAREO IREO RA TAN A!!!
7. RBNIR ( 29/03/2017 04:53)
RA TAN:

MIERITRERETA FA TSY OLOMBELONA TAHAKA ANAREO IZY.

Tsy olombelona???? dia inona izany ingahy samuelson Edward, sao dia mba efa lasa Andriamanitra koa izy ao aminareo ao????

Tena mifohaza RA TAN fa tafajabaka ange ianareo izany e!!!!

Olombelona i samuelson Edward,

IZY aza dia nolazaina fa olona (na dia Andriamanitra aza)...« Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, » (1 Timoty 2:5)
8. RBNIR ( 29/03/2017 04:59)
RA TAN:

FA MATOA TSIS MAHATOHITRA NY FAHAMARINANA REHETRA IZAY AMBARANY, MIERITRERETA FA TSY OLOMBELONA TAHAKA ANAREO IZY.

Teneno izy hoe aza manandratena hono hoe RA TAN an!!!
Eto aloha dia efa manomboka hita ny marina amin'ilay anarana fa toa noforoniny ilay izy fa tsy araka ny tena izy marina....

Tsy tsapanao v fa ilay dikanteny hebreo ampiasainy tsy mifanaraka amin'ny tena heviny amin'ny teny hebreo sa mila haharihary mihitsy izay vao hiaiky ianao RA TAN????

Tedavo hoy aho ny epistily nosoratan'i paoly fa mbola any hono dia ento aty jerena hoe inona no voasoratra ao...

Sady fanampiny i paoly tsy nanoratra tamin'ny teny hebreo raha ny fahafantarako azy fa teny hafa no nanoratany ireo epistily.......


I paoly mantsy dia voafidy hitondra ilay Anarana any amin'ny Jentilisa????« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asan'ny Apostoly 9:15)

Nampahafantarin'i samuelson edward anareo v izany rehetra izany????



9. RBNIR ( 29/03/2017 05:18)
RA TAN:

IZY AZA REHEFA MAMPIANATRA TSY MILA PREPARATION AKORY (jereo ny tv dia hitanao eo).

Don io RA TAN an, ary b dia b no manana an'io fa saingy tsy tia misehoseho sy mirehareha izany satria amin'ny maha Don azy dia afaka esorin'Andriamanitra amin'ny olona iray io raha mirehareha ilay olona.......
10. RA TAN ( 29/03/2017 09:44)
RBNIR:
Tsy olombelona???? dia inona izany ingahy samuelson Edward, sao dia mba efa lasa Andriamanitra koa izy ao aminareo ao????


RA TAN:
"1JAONA,3:9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ...". IZAHAY ATY @ YAHOSHUAH NO TSY MPANOTA DIA IZAHAY NO ATAO HOE ZANAK'A/TRA. => ANDRIAMANITRA IZAHAY N DIKAN'IZANY SATRIA ZANANY.
"SALAMO,82:6 Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo indrindra ianareo rehetra". NY A/TRA IZANY TSY ANANKIRAY FA BE DIA BE. IZAHO KOA AZA A/TRA KA INONA NO PROBLEM-NAO RA A/TRA NY AMBASADAORAN'I YAHOSHUAH.


RBNIR:
Tena mifohaza RA TAN fa tafajabaka ange ianareo izany e!!!!


RA TAN:
TENA TAFAJABAKA AO @ FIAINANA MANDRAKIZAY IZAHAY.



RBNIR:
Olombelona i samuelson Edward,


RA TAN:
"YAHOSHUAH DIA A/TRA, FA REHEFA NIDINA TETY ANTANY IZY DIA NIOVA HO OLONA; SATRIA NY OLOMBELONA N ETY ANTANY. DIA TAHAK'IZANY KOA, RAHA TSY MIOVA HO ANDRIAMANITRA IANAO TSY MAHAZO MIDITRY NY LANITRA; FA NY NOFO AMAN-DRA TSY MANDOVA NY FANJAKAN'A/TRA"
.


RBNIR:
« Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, » (1 Timoty 2:5)


RA TAN:
"1JAONA,3:8 Izay rehetra manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly no manota hatramin'ny voalohany".
IANAREO REHETRA IZAY MIVAVAKA @ IO A/TRAREO IO ANEFA DIA SAMY MILAZA FA MPANOTA DAHOLO. => IZA ZANY IO IVAVAHANAREO IO ARAKA AN'IO SORATRA MASINA IO????


Rehefa tsis fantatrao ny tenin'i YAHOSHUAH dia aza miteniteny foana, fa aleo mitazana fotsiny na manontany ankitsim-po. Fa fitsarana izao
11. RBNIR ( 29/03/2017 17:19)
RA TAN:

Rehefa tsis fantatrao ny tenin'i YAHOSHUAH dia aza miteniteny foana, fa aleo mitazana fotsiny na manontany ankitsim-po. Fa fitsarana izao

Fitsarana marina tokoa, mazava amiko ankehitriny fa nampianarin'ingahy samuelson edward ianareo hoe Andriamanitra daholo isika ka izay no mahatonga ny avonavombava tsy afaka eo imolotrao RA TAN.....

Izaho koa mba nampianarina hoe « Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. » (Matio 12:37)

Ny teninao no efa nana.....ko anao RA TAN
12. RA TAN ( 29/03/2017 19:41)

RBNIR:

Fitsarana marina tokoa, mazava amiko ankehitriny fa nampianarin'ingahy samuelson edward ianareo hoe Andriamanitra daholo isika ka izay no mahatonga ny avonavombava tsy afaka eo imolotrao RA TAN.....

Izaho koa mba nampianarina hoe « Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. » (Matio 12:37)



Valiny:
-Ny soratra masina mihintsy koa no milaza fa A/TRA IZAHAY (1JAONA,3:9 & SAL,82:6)

-Satria ve milaza ny marina aminao aho dia lazainao fa miavonavom-bava? Izany kosa ny anao efa tena fialonana e

-Ny "MAT,12:37" dia tenin'i YAHOSHUAH fa tsy teninao. Ianao aza mpanota ko; olo-meloka anie ianao ny dikan'izany e. Dia ianao izay olo-meloka indray ve no mba milaza fa hitsara ny olo-marina; milaza ny hitsara an'A/tra? Tena tsis fantatrao ireo soratra masina ireo satria A/tra aza tsy fantatrao sady tsy hitanao (1JAONA,3:6).
Fa ianao izao no iharan'ny fitsarana: MPANOTA IANAO; RA MATY ANY @ HELO. NY AZA MBA MATY E, ho hitako ianao izay ho afaka eo!
13. volafitia ( 29/03/2017 21:44)
Ka tsy azoko mihintsy ilay hevitra, fa maninona moa ianao RA TAN izany raha manonona manontolo ny anaranao eto dia amin'izay mba hitako hoe tena marina ny zavatra lazainao.

Sa ianao matahotra ny ho fantatr'olona? Misy mahamenatra ve izany ny resakao matoa ianao miafina amin'io RA TAN io, fa tsy ny tena anaranao koa no asehoanao eto?

Dia toa izay daholo isika rehetra.

Dia lasa ny saiko hoe: "Maninona kay isika Malagasy no tsy sahy mitonona anarana?"

Mahita adiresin'olona (email) be dia be aho, fa ny antsika Malagasy dia matetika adiresy tsy mifanaraka amin'ny anarantsika akory. Mahavariana mihintsy.

Satria angamba isika tsy dia tia milaza ny marina sa hoe ahoana?
14. MINDAOZY ( 30/03/2017 03:37)

volafitia:

Ka tsy azoko mihintsy ilay hevitra, fa maninona moa ianao RA TAN izany raha manonona manontolo ny anaranao eto dia amin'izay mba hitako hoe tena marina ny zavatra lazainao.

Sa ianao matahotra ny ho fantatr'olona? Misy mahamenatra ve izany ny resakao matoa ianao miafina amin'io RA TAN io, fa tsy ny tena anaranao koa no asehoanao eto?

Dia toa izay daholo isika rehetra.

Dia lasa ny saiko hoe: "Maninona kay isika Malagasy no tsy sahy mitonona anarana?"

Mahita adiresin'olona (email) be dia be aho, fa ny antsika Malagasy dia matetika adiresy tsy mifanaraka amin'ny anarantsika akory. Mahavariana mihintsy.

Satria angamba isika tsy dia tia milaza ny marina sa hoe ahoana?


VALINY:
Ny ato @ ity plateforme ity no mametraka hoe solon'anarana no entintsika miditra ato dia atao izay rehefa te ho tafiditra ato.
Fa ny soratra masina kosa mametraka mazava tsara fa raha te hiditra any andanitra ianao dia "TOKANA ny anaran'ilay A/tra Mpamonjy mitondra mankany (ASA,4:10)": YAHOSHUAH no anarany dia tsy azo ovaina izany.
15. RBNIR ( 31/03/2017 06:45)
RA TAN:

-Satria ve milaza ny marina aminao aho dia lazainao fa miavonavom-bava? Izany kosa ny anao efa tena fialonana e

Tsy ilay teny ao amin'ny Soratra Masina no olana fa ilay vava tafahoatra hoe Sarimbavy Rakoto sns...Olona miady antsena ange RA TAN no manao an'izany e,

F'angah koa moa raha misy manaratsy anao dia voatery tsy maintsy valina amin'ny fanaratsiana ihany koa???

Adinonao ngah ity??? « tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. » (1 Petera 3:9)


Conseil d'amis daholo izany atsipy ho an'ny manampanahy an!
16. RA TAN ( 31/03/2017 14:55)
Hoan'i RBNIR.
I Paoly aza raha niteny t@ galatiana dia hoy izy hoe "ry galatiana adala! ..."(GAL,3:1-).
Ary hoy koa i Yahoshuah t@ Fariseo sy Mpanoradalana hoe "ry bibilava taranaky ny menarana, ... fasana milalotra fotsy, ..."(MAT,23:...).
Dia ahoana koa ianao @ izany ary???

Mitsara koa ianao mahitsy ary: ny an'iza no ratsy kokoa, ny an'i PAOLY nilaza ny galatiana ho adala sy ny an'i YAHOSHUAH nilaza ny Fariseo hoe bibilava taranaky ny menarana, sa ny ahy izay niteny hoe sarimbavy ... ???
17. RBNIR ( 01/04/2017 19:52)
Tsy mitovy hoy aho RA TAN an , ianao mamaly ny fanaratsiana ataon'i statham anao (tahaka ny olona 2 mifamaly eny antsena io manaratsy ilay iray dia avy koa ilay iray mba manaratsy avy eo) fa i Paoly sy Jesosy raha miteny dia mikendry izay hiovan'ireo olona ireo fo....(hita ary tsapa hoe fitiavany no hitenenany) ....

18. RA TAN ( 05/04/2017 05:44)

RBNIR:

Tsy mitovy hoy aho RA TAN an , ianao mamaly ny fanaratsiana ataon'i statham anao (tahaka ny olona 2 mifamaly eny antsena io manaratsy ilay iray dia avy koa ilay iray mba manaratsy avy eo) fa i Paoly sy Jesosy raha miteny dia mikendry izay hiovan'ireo olona ireo fo....(hita ary tsapa hoe fitiavany no hitenenany) ....




==> Hoy i YAHOSHUAH(tsy jesosy) hoe: "MAT,23:33 Ry bibilava taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana hoany amin'ny helo?". Ny fariseo izay lohan'ny mpitandrina didy folo mihintsy eto no nataon'i Yahoshuah hoe menarana (devoly). Tena nalefany nankany @ helo ilay devoly fa tsy hoe nokendreny mba hiova fo akory ilay devoly. I stahtam no misolotena ny jiosy mpitandrina didy folo ra eto m/car izay mitsipaka ny testameta vaovao. Dia toheriko izy, satria izaho zanak'A/tra.
19. RBNIR ( 05/04/2017 07:09)
ireto olona nitenenan'i jaona mpanao batisa ireto koa izany lasa any amin'ny helo???

« Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? » (Matio 3:7)
20. RA TAN ( 05/04/2017 08:32)

RBNIR:

ireto olona nitenenan'i jaona mpanao batisa ireto koa izany lasa any amin'ny helo???

« Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? » (Matio 3:7)


==>
TENA ZANAKY NY HELO mihintsy ireo mpanora-dalàna sy fariseo nomen'i Jaona teny maharary ireo.
Fahavalon'ny filazantsara ireo jiosy mpitandrina didy folo ireo (ROM,11:28 ra ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo). Ary ny gasy mitandrina didy folo dia zanaky ny helo indroa lavitra mihoatra an'ireo aza (MAT,23:15) sady sinagogan'ny satana (APOK,2:9)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4005