FA HANDOSITRA HO AIZA ISIKA E????

1. RBNIR ( 27/03/2017 15:18)
Inona no tena mampitahotra mafy ireo mpitondra ambony ireo ka hitadiavany làlana mankany amin'ny planeta mars any?

http://www.futura-sciences.com/sciences/actualites/vol-habite-mission-humaine-vers-mars-trump-valide-projet-nasa-60286/#xtor=EREC-52-%5BACQ%5D-20170327-%5BACTU-Mission-humaine-vers-Mars-:-Trump-valide-le-projet-de-la-Nasa%5D
novalian'i rhaj0 ny 04/04/2017 12:12
2. rhaj0 ( 27/03/2017 15:57)
Efa hoe, nandeha tany @ Volana ny olona, efa ho 50 taona lasa izay, kanefa ho'a, tsy taitra i RBNIR ny mamoromporona revirevy, dia misavika ny Baiboly, ka hoe, tena resa-Baiboly ny Volana io, ary hoe, "handositra any @ volana" ny olona eee...


Fa asa raha hainao i Rael, fa zahavo any @ gogola. i Rael dia mino fa tena misy Andtrmna hidina avy any, mitaingina sambon-danitra. Misy fiangonan-dRael aty, ary nanaovany aeroport hiantsonan'ny sambon-danitra mihintsy ny tafon'ny Egliziny.

Mitapy Rael ooo ?
(entre-pa fa mety tianao i Rael, satria izy koa, toa anareo, dia mikepoka 1/10-karenan'olona)


Sa indray Scientologist no manintona anao? Zareo koa mino fa any an-danitra any no "fonenan-tsoa" eee...

Mitapison koa ry Scientologist ooo ?
(entre-pa fa mety tianao ry Scientologistl, satria zareo koa, toa anareo, dia mikepoka 1/10-karenan'olona)


Ka izato ianao... ry RBNIR?? mba manao ahoana aaa... :-)
3. lahindroy ( 27/03/2017 16:27)

RBNIR:

Inona no tena mampitahotra mafy ireo mpitondra ambony ireo ka hitadiavany làlana mankany amin'ny planeta mars any?

http://www.futura-sciences.com/sciences/actualites/vol-habite-mission-humaine-vers-mars-trump-valide-projet-nasa-60286/#xtor=EREC-52-%5BACQ%5D-20170327-%5BACTU-Mission-humaine-vers-Mars-:-Trump-valide-le-projet-de-la-Nasa%5D


salama jiaby e

efa ho 2 00 000 taona izao no efa tsy nety nijanona amin'izay toerana nisy azy tao Afrika ireo razamben-draolombelona ka lasa niparitaka tany Asia , Europa
avy eo ny amapahan'ireo mponina tany Asia niala tany fa mbola nikaroka toeran-kafa hanorenam-ponenana vaovao ary misy mihitsy aza ...tonga teto Madadagasikara ka ry RBNIR ireny na angamba ry rhajO na izaho dianaisan'ny taranak'izy ireny
vao 600 taona fotysiny izay dia nanitatra ho any Zamerika ny Europeana ary araky ny fanambaran'i rhajO dia vao tsy ampy 50 taona akory izao ry zareo no nijery izay mety misy eny amin'ny volana ary tsy ho ela dia ho eny amin'ny marsa
tahotra ve sa hetatahetan-drambelona ahita zava-baovao foana ? sao kosa ary RBNIR misy mihevitra ry zareo ireny fa mety any ny fanjakan'i...Jesoa ? iza no mahalala !
4. RBNIR ( 28/03/2017 09:22)
Izao ny marina vao avoakan'Andriamanitra ry rhajo sy lahindroy a,
5. RBNIR ( 28/03/2017 09:27)
Ny tiako hahatongavana dia ity, maninona ny amerikana no manjary manao investissement be amin'ny fandehanana ho any amin'ny Mars sy projet be hikarohana ny momba ny trou noir???

http://www.futura-sciences.com/sciences/actualites/astronomie-x-ixpe-nouvelle-mission-nasa-explorer-trous-noirs-65833/


Saintsaino fa projet maromaro no miditra en competition tao nefa dia ireo no voafidy????
6. rhaj0 ( 28/03/2017 10:35)
RBNIR:
Saintsaino fa projet maromaro no miditra en competition tao nefa dia ireo no voafidy????

Toro-hevitro aminao ry RBNIR. 'ndana halalino kely ny tsi11 @ ireo proze sy proze hafa eee... Any no andaniana ny jiro sy ny ron-doha ary ny angovo sy ny hery. Ivereno mihintsy ny basique f'aza manao io fanaonao io, ka tsindrotsindrohina izao termes scientifiques izao, nefa tsy hay akory na ny dikany azany, dia izay fehezan-teny mirima @ tsy-fahalalanao ao no averimberina eto.

Fa raha mbola mievoka boky tonta ao foana koa ianao, dia tianao aronjona @ io boky tonta io daholo izay mihetsika, dia ... esy eee...

... be vola dia mikepokepoka ilay 1/10-n'olona marina angamba ianao ao, ka tsy mila mba mitsikaraka sy manita-tsaina intsony, fa lanianao @ izany ny fi(s)ainanao ao an... Dia ataovy eo foana ho'a, fa dia io hita dia hihomehezan'ny Ankizy lava io ianao ee...
7. RBNIR ( 28/03/2017 11:08)
Misy zavatra tsinjon'ny Amerikana ao rhajo a! (secret d'état izy hatreto aloha fa ao aoriana ao tsy afaka hanafina intsony ry zareo e!)

Mba henoy ihany ity olona ity fa efa tena akaiky ny handrarahana ireo loza fito farany eto amin'ity izao tontolo izao ity....


8. rhaj0 ( 28/03/2017 11:25)
Raha handalina ny "fara andro" ianao ry RBNIR, dia aza mba manaiky sesefana abobo de l'an zero. Io boky tonta ievohanareo io anie ho'a, eritrereto tsara ao fa fahalalana toa ny inona no fototrany? Tsy fantatra akory t@ izany fa boribory io tany io. Ny fara-vodilanitra no valam-parihy t@ izany. Dia mandeha ny imazination, dia fara-andro koa no atao poezia.

Mivoaha haingana mihintsy tao ry RBNIR, dia halalino @ izay ny fahalalana-2017. Efa eraky ny interinety io ny fampianarana ny fototra (basique), dia any ho'a no handanio ny ron-doha f'aza manaiky sesefan'i Herinirina abobo ao, dia miventiventy mandany ny jiro sy ny bandwidth @ izao resak'adalan'i Herinirna izao.
9. RBNIR ( 28/03/2017 11:38)
Tamin'ny l'An 0 (mbola tsy nisy télescope, satellite sy vidéo satellite) dia efa nisy 1 nanao description fin du monde amin'ny alalan'ny trou noir iray tafiditra ato tamin'ny galaxie lactée....
10. rhaj0 ( 28/03/2017 12:15)
"fin de la galaxie" izany ilay izy fa TSY "fin du monde".

Ary raha manaraka ny fahalalana-2017 ianao, dia ahatakatra tsara fa ambara-pahafatinao, sy ny zafikelinao, dia mbola eto raolombelona. Dia "minoa" fa ilay zafikelinao no hanazava anao ny fandehany (fa tsy izao goaik'antitra taloha tany, koditra fa ho faty, dia mi-delire)
11. rhaj0 ( 28/03/2017 12:25)
Averiko indray.. aza mba manao sahala @ i Jesosy, na koa i Herinirna, izay goaik'antitra, kely fahalalana, dia koditra fa ho faty, dia mi-delire... dia ao koa ianao miara-mi-delire azy ao.

Todiho ny Ankizy, ary atokiso izy ireo fa izy ireo no hanazava anao ny fandehany.
12. RBNIR ( 28/03/2017 13:30)

rhaj0:

"fin de la galaxie" izany ilay izy fa TSY "fin du monde".

Midika v izany fa miaiky ianao fa tena naneho fahitana momba ny trou noir Jesosy???

Dia mba ampiasao ny saina e, tamin'ny fomba ahoana no nahafantarany fa trou noir iray afaka mitelina galaxie 1 ary ahoana no nahafantarany amin'ny antsipirihiny ireo scenario nefa IZY mbola tany amin'ny taona 0???

Ampiasaho hoy aho ny loha fa misy ange intelligence efa avo lenta be mifehy izao tontolo izao ary i Jesosy dia nirahina ho famantarana ny fisian'io intelligence supérieur io mba haneken'ny olona rehetra ny voasoratra anaty Soratra Masina e!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
13. endriny ( 28/03/2017 13:43)

RBNIR:

Tamin'ny l'An 0 (mbola tsy nisy télescope, satellite sy vidéo satellite) dia efa nisy 1 nanao description fin du monde amin'ny alalan'ny trou noir iray tafiditra ato tamin'ny galaxie lactée....


Aleo aloha hazavaina amintsika fa tsy 1 akory na 2 ny lavamainty ato amin'ny galakosia misy antsika. Fa ny iray akaiky indrindra ny tany dia 1.600 tarataona miala amin'ny masoandro. Raha azavaina misimisy dia eo amin'ny 300.000km/segaondra ny hafainganm-pandehan'ny taratra iray. Dia ataovy ny kajy.

Rahoviana izany io 1.600 tarataona io no hanafosafo ny tany.

Mampihomehy koa ilay hoemitsoaka eny Mars, dia mety afaka amin'ny lavamainty. Ohatran'ny hoe zazakely manao fangalapiery ao mbadiky ny tongo-tseza.

Saingy atao ahoana moa fa ny mpitarika finoana sasany aza efa nanonona ny andro ho an'ny fara andro tamin'ny 2001 kanefa tsy tanteraka ilay izy. Fa mbola bobaka ihany ny mpanaraka azy.

Ny mpitonotena ho apostoly sy mpitondra hafatr'Atra mitombo andro aman'alina famafy ny fiainana ka tsy maintsy manao Kotofetsy sy Mahaka angamba.
14. rhaj0 ( 28/03/2017 14:08)
TEna saron'i Endriny ny hadalan'i RBNIR marina :-)

Hoe pehan'ny Lavamainty ny Latera sy ny Maosandro, hozy RBNIR, fa i RBNIR anefa @ io handeha hitsoaka atsy @ Mars hono .. (sahala @ tsy ao @ systeme solaire i Marsa @ io)

Izany no alehany ry RBNIR rahefa mitsindrotsindroka termes scientifique, nefa TSy hay akoriny na ny basique-ny azany.

Izany no alehany ry RBNIR rahefa manao fiki-maty lava @ izao délire-de-l'an-zero izao..

ka i RBNIR no oainina eto, sa i Jesosy? :-)
15. RBNIR ( 28/03/2017 14:21)
Theorie daholo ireo hatreto aloha, fa ny fahatanterahany no andrasantsika e, ekena misy hitan'ny olona, saingy misy tsy hitany ka hatreto dia tsy maninona fa mbola mihomehy nareo aloha (tahaka ny nahazo an'i noa ihany io)....
16. rhaj0 ( 28/03/2017 14:31)
Letia ee... tena nataon'i RBNIR parallele aminy i Noah.

i Noah anefa, hono, "miresaka" @ Andmntra. i RBNIR ao koa ve "miresaka @ Andrmntra"??

Io ho'a raha "miresaka" na mahita an'Andtmrna ao ianao ry RBNIR, dia tena mba lazao azany hoe, toatoa ny ahoana izao Andrmntra izao, na bikany na tarehiny, na feony..
17. RBNIR ( 28/03/2017 14:43)
« Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. » (Matio 24:37)


Ny zavatra rehetra ange dia efa hitan'Andriamanitra mialoha ary nosoratany mialoha avokoa e....
18. RBNIR ( 28/03/2017 15:06)
Iry olona ery ambony ery ange ka miresaka amin'i Jesosy e........
19. RKjeanclaude ( 28/03/2017 19:26)
io lava-mainty ekenao io koa (satria efa hita(nao) t@ famelabelarana ara-petra-kevitra) fa manohitra ny lalànan'ny fitaran'erana e!
20. RKjeanclaude ( 28/03/2017 19:28)
rhaj0 no tiako omena io hafatra ambony io a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0868