MPIANANY HONO NEFA TSY MAHAFEHY NY VAVANY........

21. rhaj0 ( 03/04/2017 11:46)
RBNIR:
Soa ihany fa notsindrinao tsara hoe "efa lasa normal" ...Midika izany fa taloha ny olona dia nahatsapa fa tsy normal izany.....

io indray ry RBNIR dia mivoatra ny olona sy ny sosaity aaa...
Ohatra fotsiny, ny "fanandevozana" dia tena "normal" t@ l'an zero eee... Koa marina mafy na i Jesosy azany ve tsy nanana mpiasa-la-bonne nanao izay sitra-pony rehetra ao.

Fa dia ao ianao mikiri-biby mihidy ao @ revy de l'an zero ao ee.. Ny olona efa efa misoka-tsaina dia mifandefitra sy mifanaja @ izay maha-izy ny olona rehetra, na sarim-bavy izy na sarin-dahy.

Fa rahefa TSY ifandefitra sy ifanaja moa nareo ry RBNIR, fa mbola hanivativa sahala @ mpampianatra-mahay-nareo, dia ... voninahitra ho Azy sy anareo izany ee... Ao nareo sy ny hadalana na havendranareo hitan'ny Ankizy ao.
22. RBNIR ( 03/04/2017 12:53)
rhaj0:

Fa rahefa TSY ifandefitra sy ifanaja moa nareo ry RBNIR, fa mbola hanivativa sahala @ mpampianatra-mahay-nareo, dia ... voninahitra ho Azy sy anareo izany ee... Ao nareo sy ny hadalana na havendranareo hitan'ny Ankizy ao.

Ilay izy ange tsy hoe contre amin'ilay olona e, fa hoe inona no takian'ny Sitrapon'Andriamanitra???

Dia izay no ampahafantarina eto, mba hifampitaizana amin'ny fahamarinana sy mba hananan'izay rehetra mino fanantenana amin'ilay fiainana mandrak'izay.......

Izahay rhajo tsy miady amin'iza na amin'iza....fa hafa mihitsy ny fahavalonay....« Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] » (Efesiana 6:12)
23. rhaj0 ( 03/04/2017 13:05)
RBNIR:
inona no takian'ny Sitrapon'Andriamanitra

Dia ianao izany no mitono-tena ho "mpisolo vavan'Andrmntra". F'angaha Izy nangataka manokana anao hanelanelana ry RBNIR?

Sa moa, Izy izany TSY hita TSY re mihintsy, ka dia mirotsaka ianao? Dia lazainao fa Ianao no mahalala izany "sitrapoNY" izany, ary dia avy ianao, toa ny mpampianatra-mahay-nao, manivativa (olona) ka manao teny mahery, mampitaha ny olona @ biby, ka "ry menarana" no asesika(re)o.
24. RBNIR ( 03/04/2017 23:57)
rhaj0:

Dia ianao izany no mitono-tena ho "mpisolo vavan'Andrmntra". F'angaha Izy nangataka manokana anao hanelanelana ry RBNIR?
Sa moa, Izy izany TSY hita TSY re mihintsy, ka dia mirotsaka ianao? Dia lazainao fa Ianao no mahalala izany "sitrapoNY" izany, ary dia avy ianao, toa ny mpampianatra-mahay-nao, manivativa (olona) ka manao teny mahery, mampitaha ny olona @ biby, ka "ry menarana" no asesika(re)o.

« Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. » (Apokalypsy 12:9)

Nanomboka tamin'io fotoana io no nanjerana an'i satana tety ambonin'ny tany....

Ny olona rehetra (tsy ankanavaka) dia taranany avokoa.....nanomboka teto satria nandray izay natolony....(nandray OTA....)

« [Ny nanotan'i Adama sy Eva, sy izay nataon'Andriamanitra taminy] Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha? » (Genesisy 3:1)
« Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany; » (Genesisy 3:2)
« Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo; » (Genesisy 3:4)


Ny taranaka rehetra taty aoriana dia "nandova" an'io ota io avokoa satria héreditaire io OTA io...« Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; » (Romana 5:12)

Nanomboka teo dia nifarana ny promesse (vie étérnel).....


Ny fitiavan'Andriamanitra? Hamerina indray ilay promesse tapaka ho an'ny zanak'olombelona izay voafitak'ilay menarana......« Fa toy izao no nitiavan Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jaona 3:16)

Ilay OTA nolovaina ao anaty ao no maha taranak'i ny menarana ny olona 1, rehefa afaka io OTA io dia miverina ho zanak'Andriamanitra indray kosa ilay olona.....

Ny FAMONJENA dia ny fanesorana an'io OTA io......ny fanesorana ny olona iray tsy ho tarakan'ilay menarana intsony....« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:5)

Tahaka an'izao ilay izy....

Rehefa afaka io ota io dia afaka amin'ny fanandevozan'ny OTA ilay olona (tsy taranak'ilay menarana ela intsony) ary miverina lasa zanak'Andriamanitra kosa indray ny olona iray....

rehefa tafaverina zanak'Andriamanitra ilay olona dia afaka ny handova tahaka an'i Jesosy amin'izay...« Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. » (Romana 8:17)

Ka aza mora tafintohina ry rhajo fa fomba fiasan'Andriamanitra daholo izany a!!!
« Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. » (Jakoba 3:2)

Averiko hatrany rehefa i Jesosy no miteny tsy hoe fanaratsiana akory izay fa mikendry ny hiovan'ny olona fo IZY amin'ny filazana ny marina.....
25. RBNIR ( 04/04/2017 11:42)
Te ho afaka amin'ilay OTA ve ianao ?

Araho ity fandaharana ity fa ho hitanao ao ny fomba hanesoran'Andriamanitra ilay OTA...





TOROHEVITRO AMINAO MANAPAHA HEVITRA AVY HATRANY FA TSY HANENINA AKORY IANAO!!!

TENA TIA ANAO ANDRIAMANITRA!!! MIANDRY NY FANAPAHANKEVITRAO IZY!!!

SAMIA HO TAHIN'I JESOSY DAHOLO!!!
26. rhaj0 ( 04/04/2017 12:26)
RBNIR:
Hamerina indray ilay promesse tapaka ho an'ny zanak'olombelona izay voafitak'ilay menarana

ntsss... naninona hono ry RBNIR no tsy nopehan'Andmntra fotsiny ilay menarana dia vita kabary??... f'angaha hono Andrmntra tsy omnipresent omnipotent, ka taiza izy t@ ora nidona?? Toa na ny menarana koa azany izany mba nahafitaka Azy an...

Eo vao hoe, promesse eee... tapaka eee... Dia lehilahilehibe io ianao ry RBNIR dia mbola minomino izany tantara norafidrafetana ho an'ny zazabodo izany...
27. RBNIR ( 04/04/2017 13:02)
Izay ilay "libre arbitre" nomena ny olona izay saingy ny nampalahelo dia tany amin'ny ratsy izy no nijabaka....
28. endriny ( 04/04/2017 13:42)

RBNIR

Ny menarana re ry RBNIR tsy misy afa tsy eto Madagasikara fa aza mamorona a.. SA hoe tena marina fa any Ambondrombe ny atao hoe Edena?

i RBNIR angamba mbola tsy nipataloha sy niakanjo raha tsy nisy io bibilava (mody lazaina hoe menarana io), mbola tsy mahalala menatra.

MBa hevero ange hoe: "TSY NISY NY MENARANA NANAMBAKA ANi EVA" e, dia isika rehetra izany mbola samy niboridana daholo mandeha eny Analakely, na mifampitakosina ao anaty taksy be. Ahoana re ny fofona amin'izany e? Fa izany hoe mety tsy nisy taksibe koa hatramin'izao.

Mety ho tsara koa ilay fofona satria tsy mahalala ny ratsy isika amin'io a. Dia tsy nisy adala sy hendry izany koa. Dia tsy nisy mpampianatra baiboly sy ondry volosana ihany koa.

Toa hitako ery ry RBNIR mitango voatsinefy eo Behoririka, sady manao fehiloha vonimboasary.

Fa ny manahirana kely dia hoe tsy misy WC koa izany amin'io, fa samy eny ambody hazo eny no mivoaka
29. rhaj0 ( 04/04/2017 19:37)
Dia azoko @ izay i Endriny rahefa miteny hoe, dia tena "sadikadikan-draha" ilay Andrmntry ny Baiboly kah... Eto izany "nalainy fanahy" i Razanakolona, dia raha voan'ny fakam-panahy, tonga dia mihinan'ny tsakaokany.

Sahala @ rehefa manjono io izany ee... Alaina fanahy Ratrondro. Fa LIBRE ARBItRE hono io an... Dia raha mitsatsaingoka eo Ratrondro, dia tena ny hadalany raha voajono dia ho voahendy izy, satria dia ny nataony (hatendany) ihany no nahafaty azy. Fa izaho ilay manjono izany, dia tena Masina Masina foana ihany an...

Tena vicieux fangolika alikamaty mihintsy ilay anganonareo k'le...
30. RBNIR ( 05/04/2017 05:00)

rhaj0:

Dia azoko @ izay i Endriny rahefa miteny hoe, dia tena "sadikadikan-draha" ilay Andrmntry ny Baiboly kah... Eto izany "nalainy fanahy" i Razanakolona, dia raha voan'ny fakam-panahy, tonga dia mihinan'ny tsakaokany.

Sahala @ rehefa manjono io izany ee... Alaina fanahy Ratrondro. Fa LIBRE ARBItRE hono io an... Dia raha mitsatsaingoka eo Ratrondro, dia tena ny hadalany raha voajono dia ho voahendy izy, satria dia ny nataony (hatendany) ihany no nahafaty azy. Fa izaho ilay manjono izany, dia tena Masina Masina foana ihany an...

Tena vicieux fangolika alikamaty mihintsy ilay anganonareo k'le...
Inona moa izany no hiavahan'ny olona amin'Andriamanitra raha toa ka tsy manisy fepetra Andriamanitra entiny hanehoana fa IZY no mpamorona ary ny olona kosa no noforonina????
31. RBNIR ( 05/04/2017 05:00)
Raha mametraka fitsipika v ny Ray amandreninao ao an-trano ao dia midika v izay fa sadikadikan-draha izy???
32. rhaj0 ( 05/04/2017 12:23)
ENY... sadikadikan-draha ny RaR mametrapetraka "fitsipika" mamingavinga ny zon'ny Ankizy.

io indray dia hotry ny tsy ho takatrao mihintsy, fa tsarovy ny resako eto, rahefa ho voadona ianao @ ho avy. Fa @ ho avy, dia tena (mety) hitory anao any @ Fitsarana ny zanakao, noho ny "fitsipika adala" napetrapetrakao tao.

Ny aty @ tany mandroso efa ela ary betsaka no raikitra io.. Avadibadiho ato
http://lmgtfy.com/?q=children+sue+parents

Ary ity azany no tena izy aminy: enjehin'ny Ankizy any @ Fitsarana ny RaR-ny fa nampanao didi-poitra azy. Ny circumcision, toa ny excision, dia "abus" sy "mutilation"
http://lmgtfy.com/?q=child+sues+parents+over+circumcision
33. RBNIR ( 05/04/2017 12:33)
rhaj0:

ENY... sadikadikan-draha ny RaR mametrapetraka "fitsipika" mamingavinga ny zon'ny Ankizy.

Tena hafa kely marina ny fiainanao any rhajo, tsy misy fitsipika intsony izany fa rehefa tsy mifanaraka amin'ny tianao avy dia ok, mety daholo an!!!

Tsy misy RaR sy zanaka intsony.....Misaotra anao nanazava tsara (dia sahy milaza ianao fa defenseur ny kolontsaina malagasy v?)

Aleo marina ny ankizy no hitsara....
34. rhaj0 ( 05/04/2017 12:43)
TSY ny RaR no mamaritra ny Fitsipika fa ny Fiaraha-Monina.

Asa ianao raha mba manan-janaka ao. Fa tsy nanontanin-tena ve ianao hoe, tena tsisy nianatra ho RaR ity, ka tena indraidray toa tena manaonao foana.

Ary rahefa abus sy mutilation, toa ny circumcision sy excision, no ataonao, araka izay mba saim-pantatrao ao,, dia ... tandremo ho'a fa mety direction prison any aoriana any eee....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5203