MPIANANY HONO NEFA TSY MAHAFEHY NY VAVANY........

1. RBNIR ( 27/03/2017 10:52)
Tena mampalahelo fa dia misy mitonona hoe mpianany sns eto nefa ny avoakan'ny vavany dia tena mahamenatra B loatra....

Raha izaho dia aleoko tsy miteny.....

Izy ity ange tsy hoe otran'ny any amin'izao tontolo izao ka tsy misy frein intsony fa dia alefalefa daholo izay ao anaty ao e!!!

Izao n'inona na inona no lazainao teto dia mazava fa ny fonao mihitsy izao no mbola maloto...

Koa raha milaza ianao fa olona efa voadio sns....dia ny vavanao no hanamarinana anao....

« Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. » (Matio 15:18)
« Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy*;[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3] » (Matio 15:19)


Izay ambaran'ny vavanao no hitsarana anao raha MADIO FO MARINA IANAO NA TSIA....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
novalian'i rhaj0 ny 05/04/2017 12:43
2. RBNIR ( 27/03/2017 10:55)
« Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. » (Jakoba 3:2)


Asan'ny devoly ange no mandrangitra anao eto e, nefa ianao zahana toetra raha mahafehy vava na tsia..........
3. rhaj0 ( 27/03/2017 12:19)
Koa ilay Mpampianatra (mahay) azany TSY miteny TSY mivolana, koa ianao koa ry RBNIR no tena mba hotry ireny mpaka 19 mpisolelaka ireny.. ny devoaranao atrehina ee ... :-)
4. RBNIR ( 27/03/2017 12:36)
rhaj0:

Koa ilay Mpampianatra (mahay) azany TSY miteny TSY mivolana, koa ianao koa ry RBNIR no tena mba hotry ireny mpaka 19 mpisolelaka ireny.. ny devoaranao atrehina ee ... :-)

Faly ery rhajo rehefa misy misolafaka eto (AVANTAGIKO ITY HOY IZY IZAY).....Soa fa efa nampahafatarina ahy daholo ny tetika ataon'ingahy rainy rehefa hampiasa olona IZY.....
5. rhaj0 ( 27/03/2017 12:58)
Tsy hoe "faly" kosany aho ry RBNIR aa... Malahelo azany aho hoe, inona ary ity mivaralila ity ry Kristiana namana isany, sady @ izay, dia hoe, izao izany ny hoe: voninahitra ho Azy daholo hono izany..

Fa marina ny anao fa "faly" @ dikany hoe, mihomehy mivanitika aho eee... Mahay (mampivanitika) ianareo ao @ finoanareo ao kah.. :-)

Ary tena "planiNY" sy tetikaNY daholo mihintsy izao...
6. endriny ( 27/03/2017 13:57)
Mba alaivo an-tsaina hoe : "Inona no mba kaozin'i Jesosy tamin'ny nandroaka ireo mpivarotra teo amin'ny Sinagaoga?"

ka raha I Jesosy kosa aza mahateny toa izany, maika fa ny mpianany ve?

I Petera aza tena niozona mihintsy hoe: "Mba san'ba... raha fantatro akory io lehilahy lazainareo io?" rehefa notondroin'ilay ramatoa iray izy hoe: "Ito koa mpianany"
7. RBNIR ( 27/03/2017 15:20)
Hafatra ho an'ny manampanahy iny endriny a, enga anie ka tsy hirotsaka andamosingisa fotsiny ihany....
8. rhaj0 ( 29/03/2017 02:55)
O ry RBNIR.. hono ho'a.. i Jesosy azany ve mba "mahafehy vava" koa?

Ivereno tetezina ny Matio-Marka_lioka-Jaona, fa hahita ianao ny vavan'i Jesosy, na t@ reniny, na t@ mpianany... manivativa, manaz'inona olona, mamelively, manafokafoka..

RAha "mpampianatra" ankehitrio no manao vava toa izany dia efa migadra!


Raha mahitsy saina sy fo ianao ry RBNIR, ary mahasahy miatrika ny marina, dia raha mba ny fahatakarako azy, dia tena vitanao ny mamoaka izany hoe "Jesosy TSY mahafehy vava" izany eto. Ameko chance ianao ny mamoaka izany, fa raha tsy mahavita moa ianao, fa menatra, dia ilazao eto fa dia ho ataoko izany eee...
9. RBNIR ( 29/03/2017 05:24)
rhaj0:

O ry RBNIR.. hono ho'a.. i Jesosy azany ve mba "mahafehy vava" koa?

Hisitona lakilosy indray v ry rhajo a!

Efa haintsika tsara io tetika io fa tsy mahavoa antsika e!
10. RBNIR ( 29/03/2017 05:25)
rhaj0:

O ry RBNIR.. hono ho'a.. i Jesosy azany ve mba "mahafehy vava" koa?

Immagineo fotsiny hoe i Jesosy v dia sahy hiteny amin'i statham hoe jereo fa SARIMBAVY ianao (na SARINDAHY) ry statham???
11. RBNIR ( 29/03/2017 05:36)
olona mpiady antsena ange no manao an'izany e, ny antsika eto miady hevitra hamantarana ny marina
12. rhaj0 ( 29/03/2017 13:28)
RBNIR:
olona mpiady antsena ange no manao an'izany e...

hi hi hi... ity ilay "ady an-tsena" ry RBNIR aa... Mba confirmer-o kely hoe azafady.. :-)

Matio 21:12 Dia niditra tao amin'ny tempolin'Andriamanitra Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin'ny tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin'ny fipetrahan'ny mpivaro-boromailala.

Tena sahala @ Lesarla (andriana nasoavina) mihintsy i Jesosy izany an... Sa i Lesarla no nianatra avy t@ mpampianatra "mahay"?


Fa eraky ny Baiboly dia giravy ilay hoe, "mpampianatra mahay" nefa tena mifiritidritika mihintsy ny fanivativana olona an... Raha ankehitrio Izy mitonantonana mbola manao an'io, marina mafy tsy tena torin'olona dia migadra fa tena harassement pisikolozika izany. Dia lazaina indray izao fa "enjehina" sy "maritiora" hono Izy..

Matio 23:13 Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy,...
19 Ry jamba...
33 Ry bibilava, taranaky ny menarana...
13. RKjeanclaude ( 29/03/2017 17:07)

rhaj0:

RBNIR:
olona mpiady antsena ange no manao an'izany e...

hi hi hi... ity ilay "ady an-tsena" ry RBNIR aa... Mba confirmer-o kely hoe azafady.. :-)

Matio 21:12 Dia niditra tao amin'ny tempolin'Andriamanitra Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin'ny tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin'ny fipetrahan'ny mpivaro-boromailala.

Tena sahala @ Lesarla (andriana nasoavina) mihintsy i Jesosy izany an... Sa i Lesarla no nianatra avy t@ mpampianatra "mahay"?


Fa eraky ny Baiboly dia giravy ilay hoe, "mpampianatra mahay" nefa tena mifiritidritika mihintsy ny fanivativana olona an... Raha ankehitrio Izy mitonantonana mbola manao an'io, marina mafy tsy tena torin'olona dia migadra fa tena harassement pisikolozika izany. Dia lazaina indray izao fa "enjehina" sy "maritiora" hono Izy..

Matio 23:13 Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy,...
19 Ry jamba...
33 Ry bibilava, taranaky ny menarana...


aiza izao izay misy soratra hoe tsena eo?
14. rhaj0 ( 29/03/2017 19:38)
driii.. f'angaha tsy mpivarotra ireo nataon'i Jesosy roak'alika ireo.. Any an-tsena no misy mpivarotra.

Sa aleo azany atao hoe "ady an-Tempoly" eee.. koa tsy vao mainka loza?!!! Hoe i Jesosy dia "mpiady an-Tempoly"??

Tena mba loza izany ny nanjo ny ... "fipetrahan'ny mpivaro-boromailala" fa nazeran'i Jesosy, hoy i Matio.
15. volafitia ( 29/03/2017 21:57)
Ny fahalalako azy aloha ry zareo dia I Jesosy angamba no omby masiaka be ronono a.

Rehefa mahafinaritra azy ny manodidina dia manao fahagagana izy manova ny rano ho divay, mampitombo ny mofo, mampitsangana ny maty ho velona indray.

Fa rehefa sorena izy dia zava-doza no avoakany. Na ny Ray sy ny Reniny aza noroahiny raha nitady azy. Saingy mbola zatovo izy tamin'iny ka angamba ohatran'ny zatovo rehetra ihany fa tsy Atra akory. Na koa hoe menatra amin'ny fahantran'ny Ray aman-dReniny izy teo anatrehan'ny mpanora-dalana dia naelony aloha mody tsy nahafantatra an'ireto Ray sy Reniny (aleo ataoko hoe angamba sao manafitohina ny sasany).

Fa inona tamin'ny fampianaran'i Jesosy no noraisintsika? Angamba izay no zava-dehibe fa tsy hoe izao no voasoratra ary izao no dikany.

Ny fandikana ny voasoratra dia anjaran'ny tsirairay. Ary noho ilay izy fijery manokana dia aleo tsy zaraina sao manafitohina ny hafa.

Kanefa moa raha te ahazo mpanohana amin'ny hevitrao ianao dia tsara sy mahomby ny mampiseho azy am-pahibemaso toa izao. Saingy tsarovy fa manomboka eo dia "Exploitation" na "fitrandrahana izahana tombon-tsoa" no ataonao fa tsy ilay tena volazan'ny mpanoratra taloha akory.
16. RBNIR ( 30/03/2017 09:16)
Afangaronao ilay izy ry rhajo, misy mahasamihafa azy B mihitsy ny nataon'i Jesosy fahiny sy ny avonavombava ataon'ny namana sasany (izay mihevitra ny tenany ho Andriamanitra) eto.......

Nanome ohatra mazava aho hoe Jesosy v dia hahasahy miteny amin'ireo fariseo hoe tena sarimbavy (na koa hoe sarindahy) mihitsy ianareo fariseo ireto?????
17. rhaj0 ( 02/04/2017 09:44)
Sarindahy sy sarimbavy izany ve k'lou
- lahy vavivavy fihetsika, na vavy lahilahy fihetsika?
- sa, transvestite = travesti, izany hoe tia miankanjo lahy ny vavy?
- sa kosa trans-gender, hoe lahy fa tena vavy fihetsika, na vavy fa tena lahy fihetsika
- sa indray, trans-sexual, hoe lahy fa tena mahatsiaro ho vay, na vavy fa tena mahatsiaro ho lahy?

izany rehetra izany anie ry RBNIR efa lasa "normal" eee... Asa raha takatrao izany hoe "different fa normal". Asa raha mba efa takatrao @ izay ilay hoe LGBTTIQQ2SA, izay efa noresahina teto.


Fa nareo Kristiana moa, voageja @ fisainana de l'an zero ao, dia rahefa TSy mitovy conforme anareo, dia ... sahala @ tsy olona. "Olona" re ny sarimbavy/sarindahy ry RBNIR aa...


Dia nefa anie, i Jesosy, dia rahefa manivativa olona, dia tena petahany ho TSy sahala @ Olona, fa tena Biby mihintsy eee... "Ry Bibilava" hoy Jesosy izay @ "olona".


Fa dia aza fatra-panenjika ny namana eto, izay petahinao hoe "tsy mahafehy vava" re ry RBNIR, nefa ny mpampianatrao mahay azany tsy mahavita an'izany akoriny koa.
18. RBNIR ( 03/04/2017 06:24)
rhaj0:

izany rehetra izany anie ry RBNIR efa lasa "normal" eee...
Fa dia aza fatra-panenjika ny namana eto, izay petahinao hoe "tsy mahafehy vava" re ry RBNIR, nefa ny mpampianatrao mahay azany tsy mahavita an'izany akoriny koa.

Soa ihany fa notsindrinao tsara hoe "efa lasa normal" ...Midika izany fa taloha ny olona dia nahatsapa fa tsy normal izany.....

Fahatanterahan'ity teny ity io
« Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; » (Romana 1:26)
« ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. » (Romana 1:27)


Raha mamaky ny romana eo ambony kely eo ianao dia Andriamanitra mihitsy no nanolotra azireo ho amin'ireo toerana ireo....

Ary ny antony nanoloran'Andriamanitra azy amin'izany toerana izany dia ireto avy...

« Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, » (Romana 1:22)
« koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. » (Romana 1:23)

1 Mpandoka tena ho hendry ireo olona natao lasa PD sns ireo
2 Mpanao tsinontsinona ny voninahitr'Andriamanitra izireo....

dia tezitra Andriamanitra dia nataony lasa olona tsy mahalala menatra intsony manao ny tsy fanao (Vakio tsara io Romana toko 1 io e!!!


Efa nambarako ombieny ombieny, tsy mitovy ny ataon'i Jesosy sy ny namana sasany mifanaratsy eto...Ny an'i Jesosy (sy i paoly) raha niteny izireo dia mikendry ny hivan'ilay olona teneniny fo,

Ny an'ireo namana sasany eto kosa dia mifanaratsy , manaratsy ny iray dia mba manaratsy koa ilay iray....
19. RBNIR ( 03/04/2017 06:28)
fanitsiana, Jesosy sy i paoly raha miteny mikendry ny hiovan'ilay olona hitenenany.....
20. RBNIR ( 03/04/2017 06:29)
ilay mifanaratsy mantsy tsy nampianarin'i Jesosy ....« tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. » (1 Petera 3:9)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2335