JESOSY JESUS JESOA JESO ZEZO ZEUS andriamanitry ny grika, fa YAHOSHUAH ilay zanak'Andriamanitra Jiosy.

101. RBNIR ( 25/04/2017 13:25)
Ity no hivavahako!!!

« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo. » (Eksodosy 3:14)
102. RBNIR ( 25/04/2017 13:26)
ILAY TENA IZY E! ILAY MITENY FA TSY SARISIKOTRA!!! IZAY VOAPOROFO FA TENA MISY!!! ILAY NANAPOROFO FA MISY NY FITSANGANAN'NY MATY TAMIN'NY NANANGANANY NY ZANANY LAHY TOKANA!!!
103. rhaj0 ( 25/04/2017 14:09)
entre-pa fa mampihomehy ilay "zanany lahy tokana". Efa mipetraka mazavabe io fa "lahy tokana" i Jesosy, nefa i RBNIR mbola mitomany ho "zanak'Andrmntra" ihany :-)

Ka ny fahazoako an'i RBNIR izany, dia:
TSY mitovy, TSY iray ny Andrmntra ivavahan'ny isan'isany eto ee...

Asa raha miombo-kevitra @ RBNIR daholo ry Stahtam sy RA TAN sy Miindaozy na koa Irakiraka.
104. RBNIR ( 25/04/2017 14:26)
Zanany mitovy voninahitra Aminy io TOKANA io rhajo a! samy Andriamanitra (nom commun ilay Andriamanitra eto)...

« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Filipiana 2:5)
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)

105. RBNIR ( 25/04/2017 14:28)
Ireto avy ny hierarchie amin'ny voninahitra

1 Andriamanitra (tafiditra ao ny Ray , Zanaka, ary ny Fanahy Masina)

2 Anjely (ireo nomena vatana tsy mety lo any an-danitra any

3 ny olona (misy fanahy saingy manan nofo mety maty ihany

4 ny biby sy ny vorona isan-karazany

Dia otran'izay e, isika nampanantenaina mba hiakatra hitovy amin'ny anjely (hanana vatana tsy mety maty......
106. RA TAN ( 26/04/2017 03:24)
RBNIR:

Ity no hivavahako!!!

« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo. » (Eksodosy 3:14)

=> Ny Dadan'i YAHOSHUAH anie no niteny an'io e! YAH no anarany (Yah havah => Yahvah). A/tr'i Abraham sy Isaka sy Yakob Izy: A/tr'i Samuelson Edward dia A/tray koa.
Fa ianao aza tsy mahalala ny anarany akory sady tsy miaraka aminay, ka ahoana n ilazanao fa Izy no ivavahanao???
107. RBNIR ( 26/04/2017 07:31)

RA TAN:

Ngah moa IZY nampitondra Anarana an'i Mosesy teo? nefa araka io resakany io dia "tokony" ho fantatry ny Zanak'Israely hoe Iza marina no naniraka an'i Mosesy??
108. MINDAOZY ( 26/04/2017 12:56)

"EKS,3:14 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Moshè: IZAHO(YAH, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY(HAVAH. ... 15Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Moshè: izao no holazainao amin'ny zanak'Israely: Yahvah, Andriamanitry ny razanareo, dia Anriamanitr'i Abrahama ...; izany no anarako mandrakizay, ...
RBNIR:

Ngah moa IZY nampitondra Anarana an'i Mosesy teo? nefa araka io resakany io dia "tokony" ho fantatry ny Zanak'Israely hoe Iza marina no naniraka an'i Mosesy??

Vakio tsara aloha ireo dia jereo koa ny zavatra teneninao.

Ilay miteny hoe "IZAHO" dia YAH, ary milaza ny momba Azy ilay hoe "HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY"(HAVAH).
Noho izany: YAH HAVAH => YAHVAH no anarany.
109. RBNIR ( 26/04/2017 13:47)
Izany hoe raha azoko tsara dia tato ianao izany no naka an'io famaritana io???

https://habasar.wordpress.com/2013/05/22/hebrew-word-study-yahovah/

Dia ahoana aloha ilay hoe nentiny avy any an-danitra e? mbola tsy novalianao ange e.....
110. RA TAN ( 28/04/2017 05:48)

RBNIR:

Izany hoe raha azoko tsara dia tato ianao izany no naka an'io famaritana io???

https://habasar.wordpress.com/2013/05/22/hebrew-word-study-yahovah/

Dia ahoana aloha ilay hoe nentiny avy any an-danitra e? mbola tsy novalianao ange e.....

Valiny:
Ny anaran'ny zanaka ao @ io site nasehonao io aza YESHUA fa tsy YAHOSHUAH. Ny hebreu ancien anefa tsy nanana lettre "E" fa "È" no nananany.
Sady ilay YESHUA lazainy fa i JESUS ihany.
Fa i YAHOSHUAH izay nampianarin'i Ray aman-dreny SAMUELSON EDWARD tena hafa mihintsy sady tsy misy mitovy aminy.
111. RBNIR ( 28/04/2017 06:23)
ilay YAH HAVAH no noresahiko teo fa tsy ilay YAHOSHUAH RA TAN
112. RBNIR ( 28/04/2017 07:32)
Ianareo mantsy mamerimberina an'ity resaka tsy misy mahafantatra afats"ingahy samuelson edward e sns e, nentiny avy any an-danitra e!! sns nefa rehefa atao ny fikarohana dia hita miharihary fa......

Dia ny mampalahelo na dia efa aseho aza dia mbola hoy ihany i RA TAN hoe......
113. MINDAOZY ( 09/05/2017 12:20)

RBNIR:

Izany hoe raha azoko tsara dia tato ianao izany no naka an'io famaritana io???

https://habasar.wordpress.com/2013/05/22/hebrew-word-study-yahovah/

Dia ahoana aloha ilay hoe nentiny avy any an-danitra e? mbola tsy novalianao ange e.....

Izany fialonana e!
Tena be fialonana be ilay RBNIR.

Taiza ianao no nahita anay na ny Ambassadeur an'i Yahoshuah nampiasa an'io site lazainao io????

Fa ra tena misaina ianao dia tsy tokony hanao fihetsika tahaka an'io akory.
Fa ny tokony ataonao dia ny mijery hoe marina ve ilay anarana sa diso.
114. MINDAOZY ( 09/05/2017 12:31)

RBNIR:

Ianareo mantsy mamerimberina an'ity resaka tsy misy mahafantatra afats"ingahy samuelson edward e sns e, nentiny avy any an-danitra e!! sns nefa rehefa atao ny fikarohana dia hita miharihary fa......

Dia ny mampalahelo na dia efa aseho aza dia mbola hoy ihany i RA TAN hoe......

Tsy any wa no iadiankevitra, fa ny zavatra tokony hoteneninao izao dia MARINA sa DISO ilay anarana? Dia porofoy ny valiteninao.

Raha heverinao fa diso ilay anaran'A/tra dia asehoy eto izay heverinao fa marina iarahamahita.
115. RBNIR ( 09/05/2017 23:36)
Any mihititsy ilay IZY mindaozy a! olona "mpandainga" no milaza hoe avy any an-danitra ity Anarana ity raha toa ka:
1- Tsy nisy akory ILAY avy any an-danitra nidina tety nanome MIVANTANA ILAY ANARANA
2- na koa farafaharatsiny nisy iray niakatra nankany tany an-danitra dia avy eo nampitondraina ILAY ANARANA.....

Raha tsy nisy tamin'ireo 2 ireo tanteraka dia hamafisiko hatrany DISO hoy aho io fampianaran'ingahy samuelson edward io fa TSY ANARANA AVY ANY AN-DANITRA IZANY io ANARANA io fa Anarana noforoniny io araka ny fisainany sy ny fieritreretany fotsiny ihany....

Zava-doza ange izany hoy aho e, milaza fa nirahany nefa tsy nirahany akory.....milaza fa nampitondrainy hafatra nefa tsy nampitondrainy akory......

« Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. » (Jeremia 23:31)
« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jeremia 23:32)
116. RA TAN ( 10/05/2017 04:48)
*ISAIA,42:1 Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko; Napetrako tao aminy ny Fanahiko;
Hamoaka fitsipika hoan'ny jentilisa Izy.
... 3 ... Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
4 Tsy ho reraka na ho kivy Izy mandram-panoriny ny rariny amin'ny tany,
Ary ny Nosy hiandry ny lalàny.

LIOKA,4:17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy dia nahita ny teny voasoratra hoe:
18 Ny Fanahin'i Yahvah no ato amiko, ...
21 Ary Yahoshuah niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.

=> YAHOSHUAH NO AMBARA @ IREO TENY IREO.
Nefa i Yahoshuah tsy nankany @ Nosy ka namoaka fitsipika hoan'ny jentilisa tany.
Fa ankehitriny tanteraka eto M/car io "ISAIA,42:1,4" io: ny Ray aman-dReny SAMUELSON EDWARD mamoaka fitsipika hoan'ny jentilisa; Izy ilay voafidin'A/tra sady sitraky ny fony ka nametrahany ny Fanahiny.
=>2000 TAONA ATY AORIANA TAFAVERINA I YAHOSHUAH.
117. RA TAN ( 10/05/2017 06:04)

118. RA TAN ( 10/05/2017 06:13)
YAHOSHUAH no tena A/tra.

119. RA TAN ( 10/05/2017 06:19)
TENA TAMPINA NY LALANA TRATRAN'ILAY DIMAMPOLOKELIN'I YAHOSHUAH.

120. stahtam ( 10/05/2017 08:33)

[quote=RA TAN]
TENA TAMPINA NY LALANA TRATRAN'ILAY DIMAMPOLOKELIN'I YAHOSHUAH.

[quote=stahtam]
Ny mankeny Ambohidrapeto no mety ho voatampinareo fa raha ny làlana mankany @ famonjena tsy mankany ka! Ny famonjena dia avy any Ziona, io indray tsy voatampinareo.
Dia mihinjakinjàha sy mitabatabà sy mihorakoràha fa malalaka ny làlana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3371