JESOSY JESUS JESOA JESO ZEZO ZEUS andriamanitry ny grika, fa YAHOSHUAH ilay zanak'Andriamanitra Jiosy.

1. RA TAN ( 27/03/2017 04:26)
Ao ambadika ao misy miteny hoe "ndao antsointsika amin'ny tena anarany ary Jesosy e".

=>Ny tena anaran'i JESOSY dia ZEUS (ZEUS OLYMPIEN)izay a/try ny grika; izay notononin'ny grec ancien hoe SOUS.
Rehefa manome voninahitra an'io ny grika dia miteny hoe "IE SOUS" (IE ZEUS); izay midika hoe "SALUT SOUS" na hoe "SALUT ZEUS".

IE SOUS (grec) --> IESOUS(grec) => YESOUS(latin) => JESUS(anglais, francais) => JESOSY JESOA JESO ZEZO (gasy).

I ZEUS OLYMPIEN dia a/tr'ilay lehilahin'ota izay atao hoe ANTIOQUS IV EPIPHANE izay nametaveta ny Tempolin'ny Jerosalema t@ 25 desambra (fankalazana ny tsingeritaona nahaterahan'io lehilahin'ota io) (1MAKABEO,1:10- ...).
Dia jereo fa ny manaradia an'i JESOSY koa dia manao fety rehefa 25 desambra, ary arahany fetin'ny "EPIPHANIE"(avy @ anarana hoe EPIPHANE) herinandro aorian'iny.
Ary t@ taona 2007, raha nandalo teto m/car ilay "afo olympique" dia nanaovan'ny manaradia an'i JESOSY fotoampivavahana lehibe tao Mahamasina iny "afo olympique" iny.
Izany no mampiseho miharihary fa "JESOSY IHANY NO ZEUS".

Dia jereo tokoa fa "ny mpanaradia an'i JESOSY JESUS JESOA ZEZO ZEUS rehetra manerantany dia samy milaza fa MPANOTA DAHOLO, TSY MISY MARINA NA DIA IRAY AKORY AZA".
Nefa ny soratra masina milaza hoe "JAONA,8:36 Fa raha ny Zanaka no manafaka anareo dia hoafaka tokoa ianareo".
Mazava fa tsy zanak'A/tra iny ZEUS ZEZO iny matoa ny mpanaradia azy tsy mety afapahotana mandrak'izao.

IZA IZANY ILAY TENA ZANAK'A/TRA MPAMONJY??
-Jiosy ilay zanak'A/tra dia anarana jiosy ny anarany (JAONA,4:22)
-Tokana ny anarany sady tsy azo ovana (ASA,4:12)
=> "YAHOSHUAH" no anaran'ilay zanak'A/tra araka ny soratra masina. "1JAONA,3:5 ...Izy no naseho hanaisotra ny ota, ary tsy misy ota ao aminy. 6Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota, ...).

YAHOSHUAH: A/tr'i ABRAHAM sy ISAAK sy YAKOB, A/tr'i SAMUELSON EDWARD. Ao @ RADIO HFF manerana an'ny M/car sy ny www.rtvyahoshuah.com
novalian'i RA TAN ny 18/05/2017 22:04
2. stahtam ( 27/03/2017 06:02)
Ity izany dia efa noresahiko teto hoe: raha mbola misy abobo sy lainga tianareo haroso eto dia arosoy. Dia tena miroso tokoa izy ity ka aleo hokarakaraina @ fanaovana azy:
Raha raisina tsotsotra izany hoe: Ilay ivavahana no antsoinao hoe A/tra eto ary Yahoshuah ilay lazainao eo ambony fa ZANAK'A/TRA dia:
1- Nivavaka t@ Yahoshuah izany i Abraham, Isaak ary Yakob.
Raha verset ao anaty baiboly no nakanao izany dia hoy aho hoe: zéro manatody. Io angamba no fanamafisana(re)o ilay hoe "Yahoshuah no nahary izao tontolo izao": zéro manatody
2- Fa inona mba no isisihan'ity iraikalahy ity (Samuelson Edward) eo akaikin'i Yakov eo e?
Nantsoin'i Yakob ve hoe avia eto akaikiko eto anaka? Sa mba misavitsavika ny ho "Jiosy gasy" sa tena tsy ahoan'ny olona ny zavatra lazaina (tsy mi-passe mihitsy) dia mba asongadina eny amin'ny toerana tsy tokony hilingilingiana eny ny anarana sitrany ahay mba "mikoropaka (tokoa)" izao tontolo izao?
Misy baiboly hafa kosa angamba any aminy any milaza an'io verset io fa tsy asehony anareo mihitsy e? Dia any koa no misy ilay verset hoe misy ELOHYM ao @ Eks 12/12 (fa tsy azo aseho anay)
3. RA TAN ( 27/03/2017 09:46)
Tena SARIMBAVY BE( sa SARINDAHY) ty stahtam ty. Efa atr@ nandavanao ny testameta vaovao aho no nanontany an'izay mba anaran'izay mba MESIA-NAO izay heverinao ho tsy abobo araka ny eritreritrao, kanefa TSY SAHY MAMALY IANAO.
LAZAO ETO NY ANARAN'IZANY RA LAZAINAO FA IZANY NO MARINA E! DIA MIDIRA AO @ RADIO HFF ISAKY NY ZOMA SY SABOTSY: Tel: 0202468923.
Fa fomba fiadin'ny kanosa be io ataonao io!
4. RBNIR ( 27/03/2017 09:54)
Tss.....tena afabaraka Be IZY....RA TAN a!!!

Tsy tsapanareo ireo mihitsy v ny hevitry ny teny hoe
« Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. » (Matio 12:37)
5. stahtam ( 27/03/2017 11:56)

[quote=RA TAN]
Tena SARIMBAVY BE( sa SARINDAHY) ty stahtam ty. Efa atr@ nandavanao ny testameta vaovao aho no nanontany an'izay mba anaran'izay mba MESIA-NAO izay heverinao ho tsy abobo araka ny eritreritrao, kanefa TSY SAHY MAMALY IANAO.
LAZAO ETO NY ANARAN'IZANY RA LAZAINAO FA IZANY NO MARINA E! DIA MIDIRA AO @ RADIO HFF ISAKY NY ZOMA SY SABOTSY: Tel: 0202468923.
Fa fomba fiadin'ny kanosa be io ataonao io!

[quote=stahtam]
Ny tena marina dia odianao fanina ilay valin-teny fa tsy hoe izaho no tsy mamaly, dia io ianao marary an-doha @ tsy misy dikany io no farany.
Aleo averiko eto ary ny valin-teniko e:
a°) testamenta taloha (baiboly hebreo): voasoratra ao anatin'ny faminaniana ao izy fa tsy Yahoshuah aloha;
b°) testamenta vaovao(nareo) indray: "... fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka man...!".

Dia mbola tsy ho afaka ihany ve ny aretin'an-dohanao @ ireo valiny efa ROA be ireo?
Ary inona indray no tianao hambara @ ity hoe: fomba fiadin'ny kanosa? Efa tsy latsaky ny efatra ange izao ry zalahy tao aminareo tao no nitsoaka nefa sarimbavy anankiray fotsiny no mba "miady" aminy eto e! Dia inona izany no filazana ireny? Lehilahy mitsoaka sarimbavy!
6. RA TAN ( 27/03/2017 12:17)

RBNIR:

Tss.....tena afabaraka Be IZY....RA TAN a!!!

Tsy tsapanareo ireo mihitsy v ny hevitry ny teny hoe
« Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. » (Matio 12:37)



Ny tena marina, tsy misy akory izany mba mesia an'i stahtam izany dia izay no mahatonga azy tsy sahy mitonona ny anarany eto.
Fa raha izany no misy dia tsy hitako izay antony tsy ahasahiana ny mitonona ny anaran'izany eto. Fa ra za lo d tena averimberiko im-be dia be mihintsy izany sady soratako ngeza be mitsy e.
Fa kanosa i stahtam e.
7. stahtam ( 27/03/2017 12:39)

RA TAN:


[quote=RBNIR]
Tss.....tena afabaraka Be IZY....RA TAN a!!!

Tsy tsapanareo ireo mihitsy v ny hevitry ny teny hoe
« Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. » (Matio 12:37)



Ny tena marina, tsy misy akory izany mba mesia an'i stahtam izany dia izay no mahatonga azy tsy sahy mitonona ny anarany eto.
Fa raha izany no misy dia tsy hitako izay antony tsy ahasahiana ny mitonona ny anaran'izany eto. Fa ra za lo d tena averimberiko im-be dia be mihintsy izany sady soratako ngeza be mitsy e.
Fa kanosa i stahtam e.

[quote=stahtam]
Aleoko kokoa aza mahita anao mandainga hoe "tsy misy akory izany mba mesia an'i stahtam izany" dia mba miverina any @ ireo fanontaniana tsy mbola novalianao indray ny eritreritrao hoe hay moa mbola misy tokoa fanontaniana mbola tsy novaliana ange any ho any.
Ary mba efa tonitony kosa ilay daozy be teo an!! Efa "nosoratana ngezabe mihitsy" ilay hoe: "kanosa i stahtam e". Averimbereno tsirairay @ izay miresaka rehetra eto dia mba mety hino koa ry zareo e! Hony an!
8. Prime ( 28/03/2017 06:43)
Mitandrema-Mivavaha-Miambena... hoy ny tenin'Andriamanitra...

Fanamarihana :

  • Fampianarana no azonao ry namana RA-TAN dia aza mitompo teny fantatra ho manana ny marina tokana araka ny fampianaran'i episkopo, fa fantaro aloha hoe iza io misora-tena ho episkopo io, taiza izy no nianatra, iza no nampianatra azy, (fantatra avokoa izany fa tsy zava-miafina tsy akory), dia iza no nanosotra azy ho espiskopo... dia afaka milaza amin'izay ianao hoe marina tanteraka ve ny fampianarany???
  • Amin'ny teny Hebreo dia tsy Yahoshuah ihany no fiantsoana ny anaran'Ilay Zanak'Andriamanitra, Teny tonga nofo, fa maro² araka ny dialekta sy ny faritra... Mba te-hanotany aho hoe : mahay teny Hebreo ve i episkopo? raha eny ny valiny dia mbola mila mandalina izy satria tsy ampy ny fahalalany... raha tsia dia vao maika tsara, mila mandalina izy fa tsy ilay baiboly hebraika amin'ny dikan-teny frantsay na anglisy no entina anorenana ny fahalalàna ny teny Hebreo...
  • Ilay Zanak'Andriamanitra tsy niteny hoe izay mahalala ny anarako sy manaiky hoe Yahoshuah no voavonjy fa izay mino ny anarany, ary ilay anarany dia tsy Yahoshuah ihany fa maro² (mila alalinina ny teny hebreo galiliana, arameana, jiosy ao jerosalema, jiosy ao palestina sns) samy manambara ny Zanak'olona!


Mirary soa!


9. RKjeanclaude ( 28/03/2017 07:31)
atsy aoriana kely atsy zao dia hisy koa ho'aho hilaza hoe: isis ilay andriamanitr'i Egypte fahiny io, dia holazaina indray hoe: rehefa vakiana @ teny grika io teny egypta io dia hoe ny i voalohany vakiana j ka ho lasa hoe jsis, dia avadika indray hoe ny i rehefa i voyelle farany @ grika antika dia vakiana u, dia lasa hoe: jsus, dia hotohizany hatrany mba ho tonga any @ hoe : ilay anarana hebreo ihany ho'aho no tena izy.


Ka dia mihomana fa hisy radio hitory an'izay indray na izay mitovitovy an'izay. Sady efa misy arkeology milaza fa misy epistilin'i Jodasy any.....

"maro no hilaza amin'izany hoe:atsy Kristy na aty Kristy", tsy voatery ho toy izay ara-bakiteny io fa mety mody anarana no entiny.
10. RA TAN ( 28/03/2017 08:37)
stahtam:


Aleoko kokoa aza mahita anao mandainga hoe "tsy misy akory izany mba mesia an'i stahtam izany" dia mba miverina any @ ireo fanontaniana tsy mbola novalianao indray ny eritreritrao hoe hay moa mbola misy tokoa fanontaniana mbola tsy novaliana ange any ho any.
Ary mba efa tonitony kosa ilay daozy be teo an!! Efa "nosoratana ngezabe mihitsy" ilay hoe: "kanosa i stahtam e". Averimbereno tsirairay @ izay miresaka rehetra eto dia mba mety hino koa ry zareo e! Hony an!



VALINY:

TSY SAHY MITONONA NY ANARAN'NY MESIANY INTY JIOSY GASY IRAY(stahtam) IZAY MITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO SADY MANOHITRA MAFY AN'I YAHOSHUAH (YAHOSHUAH www.rtvyahoshuah.com )

Raha niresaka tamiko io stahtam io tao @ http://forum.serasera.org/forum/message/m55c1e708dc951/160 dia izao no hevi-dehibe nisongadina:


RA TAN:(01/12/2016 08:15)
“JODAISME” miady @ Yahoshuah sy ny mpianany
“JODAISME” tsy mino testameta vaovao
“JIOSY MPITANDRINA DIDY FOLO” miady @ YAHOSHUAH SY NY MPIANANY (ISAIA 66:5; ASA 4:17,18; 1TES 2:14-16). Ny jiosy mpitandrina didy folo dia soloin’ireto jiosy gasy ireto tena raha eto M/car…


STAHTAM:(02/12/2016 07:48)
…Ny Mesia inoako dia Jodaiste ka lojika be ny teninao. Yahoshuah dia tsy jodaiste, normal izany ny fifanoherana raha misy. “JODAISME tsy mino ny testameta vaovao” Ka taiza no nisy Jodaistes nanorina fampianarana t@ io? Ny Mesia inoako dia ny Lalàna sy ny Mpaminany sy ny Salamo no nataony fototry ny fampianarany sy notanterahiny fa tsy ny tantaran’ny testameta vaovao. …
… Raha ny testameta vaovao no lazainao fa filazantsara dia manamafy tsara mihintsy izany fa samy hafa ny baibolintsika. Hafa no nomena ny Jodaistes ary hafa ny anareo. Manamafy izany ny Salamo 147/19,20 satria ny Isiraeliana no voalaza eo. Ny testameta vaovao no anareo. Olona hafa taty aoriana no nanoratra ireny hianareo fa ilay ivavahanay sy ilay Mesia nirehiny kosa dia tsy mba nanome izany testameta vaovao izany hoanay. Izy sy ny mpianany dia tsy nanorina ny fiangonany t@ izay verset avy tao. …
“ROM 11:28 ra ny amin’ny filazantsara dia fahavalo ny jiosy noho ny aminareo”. Ary ilay olona niteny an’io verset io mba inona? …

RA TAN:(03/12/2016 10:39)
Teto aloha izany dia TENA NANAMBARA AMPAHIBEMASO IANAO, FA “TSY MINO NY TESTAMETA VAOVAO”IANAO; mazava hoazy fa nareo jiosy gasy rehetra dia tsy mino filazantsara daholo. Ary tena toherinareo à fomba rehetra mihintsy izany.
Mipetraka ary ny fanontaniana:
AIZA AO @ LALANA SY NY MPAMINANY ARY NO MISY AN’IZANY MESIA-NAREO IZANY???
FA NY MPAMINANY SY NY LALANA ARY NY SALAMO DIA EFA SAMY NANONDRO AN’I “YAHOSHUA”H DAHOLO: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”.
Ary aty @ testameta vaovao no fahatanterahan’izany rehetra izany.
Nolavinao anefa ny testameta vaovao, donc, NOLAVINAO NY TENIN’NY MPAMINANY ARY NY SALAMO. Noho izany, NOLAVINAO KOA NY TESTAMETA TALOHA: Tena ny BAIBOLY IRAY MANONTOLO MIHINTSY NO LAVINAO. …
Fa izahay mpanaradia an’I YAHOSHUAH kosa milaza fa MARINA DAHOLO NA NY TESTAMETA TALOHA NA NY TESTAMETA VAOVAO. Satria tenin’ny Dadanay izay any andanitra no ao; Izy no nanao an’ireo..


STAHTAM:(04/01/2017 07:05)
… porofoy amiko fa fahatanterahan’ny testameta taloha ny testameta vaovao (raha anisan’ny testameta vaovao ny bokin’i Matio) dia hanaiky aho fa MARINA ny teninao. …

RATAN: (10/01/2017 08:49)
I Moshè efa niteny hoe:
“DEO 18:15 Mpaminany avy aminao dia avy amin’ny rahalahinao tahaka ahy, no hatsangan’I Yahvah Andriamanitrao hoanao; izy no henoinareo”
Dia jereo ary ny mpaminany Israeliana fa samy nanondro an’I YAHOSHUAH daholo. Ary i YAHOSHUAH koa mbola nampahatsiahy an’izany; ka hoy Izy hoe: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”
- ATERAKY NY VIRIJINY IZY:
“ISAIA 7:14” tanteraka izany ao @ MAT 1:18-23

-TERAKA AO BETLEHEM IZY:
“MIKA 5:1” tanteraka izany ao @ MAT 2:1

-GENOCIDE ANA ZAZAKELY T@ ANDRONY:
"JER 31:15" tanteraka izany ao @ MAT 2:16-18

-TSY NOTAPAHINA NY TAOLANY:
"SAL 34:20" "EKS 12:46" tanteraka izany ao @ JAONA 19:31-33

-NILOKANA NY AKANJONY:
"SAL 22:18" tanteraka izany ao @ JAONA 19:24


T@ andron’I YAHOSHUAH no nahatanterahan’ireo tenin’ny mpaminany ireo; ary nohon’I YAHOSHUAH no anton’ireo teny ireo. Santionany fotsiny ireo, fa be dia be ao fa tsy ary ho voatantarako eto daholo.
Fanontaniana mipetraka @ stahtam izay mitsipaka ny TESTAMETA VAOVAO:
RAHOVIANA IREO TENIN’NY MPAMINANY IREO VAO HO TANTERAKA RAHA EFA NOLAVINAO NY TESTAMETA VAOVAO???
IZA ILAY MESIA ERITRERETINAO??? IZA NO ANARANY???
RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY???
Didin’I Yahvah A/tra mpamorona ny zava-drehetra ny tenin’ireo mpaminany israeliana ireo (DEO 18:18), ka izay tsy mino an’ireo tenin’ny mpaminany Israeliana ireo dia hotsarain’I Yahvah (DEO18:19). Dia miomana koa ianao ry stahtam fa hotsarain’I Yahvah tahaka an’ireo ELOHYM an’ny Egyptiana koa a (EKS 12:12).
NITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO IZAY FAHATANTERAHAN’NY TENIN’NY MPAMINANY IANAO, DIA MAZAVA HOAZY FA MITSIPAKA NY TENIN’NY MPAMINANY AO @ TESTAMETA TALOHA; DIA MAZAVA FA NY TESTAMETA TALOHA MIHINTSY NO TSIPAHINAO.
Porofon’izany ny fanitsahanao ny “DEO 30:11-13”; angalarinao ilay didy tsy natao hoanao dia entinao mandositra aty M/car.


STAHTAM:(16/01/2017 07:31)
… Ny kristy eritreretinao aza ange ka iomehezan’ny israeliana e! Taranaka haterak’I Davida no Mesia nolazain’ny faminaniana Israeliana. Ny anao anefa dia sady tsy taranak’I Davida no mbola avy @ fanahy koa. …

RA TAN: 19/01/2017 16:02)
… VALIO ALOHA IREO FANONTANIANA MAROBE MITAMBESATRA AMINAO EO AMBONY IREO:
- Rehefa nolavinao ny testameta vaovao izay fahatanterahan’ny tenin’ny mpaminany dia IZA NO ANARAN’IZANY MESIANAO IZANY????? Izay tsy ao anaty testameta vaovao mazava hoazy.
- Raha mbola mivingitra didy folo ihany ianao dia ATAONAO AHOANA NY TENIN’NY MPAMINANY ISRAELIANA IZAY MIFANIPAKA @ DIDY FOLO????
- Dia aza odina fanina ilay “DEO,30;11-13” a!! …


STAHTAM:(20/01/2017 07:49)
… Voasoratra ao anatin’ny testameta taloha @ teny hebreo ny Mesia inoako. Mbola tsy nosoratana akory io testameta vaovao-nareo io dia efa fantatry ny Israeliana izany. Tsy misy idiran’ny testameta vaovao @ izany … Ny anarany? Tsy yahoshuah (Anarana azo avy @ mathematique io yah+hoshuah=yahoshuah) fa Anarana hafa efa nambaran’ny mpaminany (israeliana) sy nosoratany tao anaty baiboly hebreo hatry ny ela. …

RA TAN:
TSY MILA RESAKA LAVA BE IZANY, FA TONGA DIA TONONY ETO NY ANARANY
Fa maninona ianao no tsy mahasahy mitonona ny anaran'ny mesia-nao ry stahtam a?


11. stahtam ( 28/03/2017 09:16)
stahtam ho an-dRA TAN:

Goy !Goy ! Goy ! hatraty ve??
RA TAN a! tsy mila resaka lavabe marina fa otraotran'ny efa hanomboka hipika eto ilay zalahy ity!
Valio aloha ireo fanontaniako teo alohan'ny fanontanianao dia hovaliako ianao e! Izay ve ilay resaka tsy lavabe tadiavinao? OK àry e!
12. rhaj0 ( 28/03/2017 10:59)
Prime:
fantaro aloha hoe iza io misora-tena ho episkopo io, taiza izy no nianatra, iza no nampianatra azy

Da miombon-kevitra aminao aho ry Prime. Ampiako koa hoe,
- boky inona, na fampiananarana inona no nianarany (Baiboly ve sa Torah sa QUran, sa ilay Boky-nohavaozina tao...).
- dia IZA no nanoratra ity Boky? i Paoly Rabefamaritana ve, sa i Joda Raberevirevy
- dia oviana sy taiza ity Boky; dia toatoa ny ahoana ny fahalalana (niveau de connaissance) t@ izany fotoanany sy jeogirafiany t@ izany

Fa io dia mihatra @ Episcopo, sy Herinirinan'i RBNIR, ary ny Pasitera na moperan'i Prime.

ka dia samia mamisavisa eee...

13. RA TAN ( 28/03/2017 19:50)
"2PETERA,2:12 Fa ireo kosa dia miteny ratsy ny zavatra tsy fantany akory; tahaka ny biby tsy manan-tsaina fa zava-manan'aina fotsiny ihany; izay teraka ho fisambotra sy famono, dia haringana tokoa izy nohon'ny falotoany"
TENA MIHATRA AMINAREO IO TENY IO
14. RA TAN ( 28/03/2017 20:23)
Prime:


Fanamarihana :

  • Fampianarana no azonao ry namana RA-TAN dia aza mitompo teny fantatra ho manana ny marina tokana araka ny fampianaran'i episkopo, fa fantaro aloha hoe iza io misora-tena ho episkopo io, taiza izy no nianatra, iza no nampianatra azy, (fantatra avokoa izany fa tsy zava-miafina tsy akory), dia iza no nanosotra azy ho espiskopo... dia afaka milaza amin'izay ianao hoe marina tanteraka ve ny fampianarany???
  • Amin'ny teny Hebreo dia tsy Yahoshuah ihany no fiantsoana ny anaran'Ilay Zanak'Andriamanitra, Teny tonga nofo, fa maro² araka ny dialekta sy ny faritra... Mba te-hanotany aho hoe : mahay teny Hebreo ve i episkopo? raha eny ny valiny dia mbola mila mandalina izy satria tsy ampy ny fahalalany... raha tsia dia vao maika tsara, mila mandalina izy fa tsy ilay baiboly hebraika amin'ny dikan-teny frantsay na anglisy no entina anorenana ny fahalalàna ny teny Hebreo...
  • Ilay Zanak'Andriamanitra tsy niteny hoe izay mahalala ny anarako sy manaiky hoe Yahoshuah no voavonjy fa izay mino ny anarany, ary ilay anarany dia tsy Yahoshuah ihany fa maro² (mila alalinina ny teny hebreo galiliana, arameana, jiosy ao jerosalema, jiosy ao palestina sns) samy manambara ny Zanak'olona!





==> MIDIRA @ RADIO HFF IANAO NY ZOMA TOLAKANDRO SY NY SABOTSY, DIA HAMALY ANAO MIVANTANA NY AMBASADAORAN'I YAHOSHUAH, FA MISY FIDIRANA @ ANTSO AN-TELEPHON AO. INTY NY LAHARANA IDIRANA: 0202468932
15. RA TAN ( 28/03/2017 21:05)
Prime:


Fanamarihana :

  • Fampianarana no azonao ry namana RA-TAN dia aza mitompo teny fantatra ho manana ny marina tokana araka ny fampianaran'i episkopo,


Valiny:
FAMPIANARAN'I YAHOSHUAH NO AZOKO, ARY TOKANA IZANY FAMPIANARANA MARINA IZANY; DIA TOKANA ILAY ANARANA AHAZOANA FAMONJENA (ASA,4:12) ARAK'IZANY FAMPIANARANA MARINA TOKANA IZANY IHANY. FA IANAO MATOA TSY SAHY MITOPTENY FANTATRA DIA TSY AZONAO ANTOKA IZAY ANY AMINAO ANY.

Prime:

fa fantaro aloha hoe iza io misora-tena ho episkopo io, taiza izy no nianatra, iza no nampianatra azy, (fantatra avokoa izany fa tsy zava-miafina tsy akory), dia iza no nanosotra azy ho espiskopo... dia afaka milaza amin'izay ianao hoe marina tanteraka ve ny fampianarany???


Valiny:
TOHERO ALOHA ILAY FAMPIANARANY RAHA MAHATOHITRA IANAO, FA REHEFA TSY MAHATOHITRA IANAO DIA FANTARO FA TSY OLOMBELONA TAHAKA ANAO NY AMBASADAORAN'I YAHOSHUAH

Prime:
  • Amin'ny teny Hebreo dia tsy Yahoshuah ihany no fiantsoana ny anaran'Ilay Zanak'Andriamanitra, Teny tonga nofo, fa maro² araka ny dialekta sy ny faritra...


  • Valiny:
    NY ANARANY DIA TOKANA (ASA,4:12): YAHOSHUAH IRERY, FA IZAY NILAZANA AZY ANKOATRA AN'IO DIA TSY ANARANA, FA ADJECTIF, FONCTION, ...

    Prime:
    Mba te-hanotany aho hoe : mahay teny Hebreo ve i episkopo? raha eny ny valiny dia mbola mila mandalina izy satria tsy ampy ny fahalalany... raha tsia dia vao maika tsara, mila mandalina izy fa tsy ilay baiboly hebraika amin'ny dikan-teny frantsay na anglisy no entina anorenana ny fahalalàna ny teny Hebreo...


    Valiny:
    MAHAY NY AMBONY LAVITRA NOHO NY TENY HEBREO NY AMBASADAORAN'I YAHOSHUAH.

    Prime:

  • Ilay Zanak'Andriamanitra tsy niteny hoe izay mahalala ny anarako sy manaiky hoe Yahoshuah no voavonjy fa izay mino ny anarany, ary ilay anarany dia tsy Yahoshuah ihany fa maro²


  • Valiny:
    TOKANA NY ANARANY FA TSY MARO; TOHERINAO ILAY "ASA,4:12"

    16. endriny ( 29/03/2017 04:18)
    Izany hoe hovaina YAHOSHUAH fotsiny izany ny Jesosy rehetra ao amin'ny baiboly dia lasa fampianarana tena marina ilay izy?

    Ohatran'ny an'ilay nivalana an-tsabo izany; Tonga teto Antananarivo ny Bezanozano iray, dia nipetraka tany ambanivohitr'Andramasina. Dia nilazan'ny olona hoe: "Tandremo ny mangeringery eny an-tsaha eny fa misy vazimba ny tany e". Kanjo nisotro rano mangatsiaka ny anao lahy dia nanary kibo. Dia nirifitra nidina tany anaty tani-mangahazo nivalana. Rehefa tonga tao an-trano izy dia nisy nanontany: "Fa taiza ialahy no tsy hita foana teo?' Dia namely izy hoe: "Narary ny kiboko dia nivoaka tan-tsabo aho". Dia gaga ny iray trano hoe: "Aty ve ialahy no marary kibo dia any amin'ny CSB (hopitaly madinika) no mivoaka, Tena olona madio ianareo Bezanozano raha toa izany ka".

    Vita Tompoko
    17. RA TAN ( 29/03/2017 04:43)
    NY FAMPIANARANA MARINA TSY MISY KILEMA DIA "MANDRAVA DIDY FOLO ARY YAHOSHUAH NO ANARAN'ILAY ZANAK'A/TRA". DIA IZAY MINO DIA ATAO BATISA AO @ YAHOSHUAH; ARY NY AMBASADAORAN'I YAHOSHUAH IZAY MAMPIANATRA NO MANAO BATISA. FA TSY HOE OVAINAO FOTSINY NY ANAO ANY DIA ANGALARINAO TAHAKA YAHOSHUAH
    18. endriny ( 29/03/2017 04:49)

    RA TAN:



    Mandehana aloha mba vakio kely ny teny fampidirana nataon'Atra alohan'ny Didy folo. Fa lasa manao fampianaran-diso ianao

    Sa lazaivo koa hoe mandainga Atra
    19. RA TAN ( 29/03/2017 09:58)
    endriny:


    RA TAN:



    Mandehana aloha mba vakio kely ny teny fampidirana nataon'Atra alohan'ny Didy folo. Fa lasa manao fampianaran-diso ianao

    Sa lazaivo koa hoe mandainga Atra


    => SADY NY DIDY FOLO KOA ANIE NATOKANA HOAN'NY ZANAK'ISRAELY IRERY FA TSIS IDIRANAO E: "SALAMO,147:19 Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy, ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Israely. 20Tsy mba nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy, ...".
    TSIS IDIRANAO IZANY, FA VAO MIDITRA EO IANAO MALAGASY IO DIA MPANGALATRA SADY MILAZA NY TENANAO HO ISRAELIANA (MILAZA NY TENANAO HO JIOSY) KANJO ...
    20. volafitia ( 29/03/2017 22:14)
    Misy Jiosy manaiky io lazainao io ve sa ianao no mba te hoderaina hoe Jiosy?

    Aza fady mivatambana be amin'ny fiteny.

    Mba ampidiro eto aza ny anaranao dia hita raha Jiosy ianao na tsia?

    Dia jereo ao koa ange io anarana tanisainao io raha tsy maha-diso e
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1408