Ny zotanin'i Edena 32.308 Avaratra, 64.75 andrefana

1. endriny ( 24/03/2017 13:38)
Io toerana telozoro nananosarotra ny mpitondra fiaramanidina sy mpiantsambo io izany taloha dia nolazaina fa Edena, ary nolazaina fa ny maha telozoro azy dia noho ny ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina.

Ka asa raha io marina ny Edena na tsia?

Fa amin'ny badra ahy moa dia eo amin'ny Masay no mba Edenako. Eo aho mamtetika no Mahita Adama na Eva rehefa ilay vao maraina avy maka mofo iny.
novalian'i rhaj0 ny 07/04/2017 22:51
2. rhaj0 ( 27/03/2017 13:04)
Youtuber-o fa hahita ianao fa efa hitan-drizareo hono hoe aiza ny zaridainan'i Edena. Ao moyen-orient ao hono.. Mety efa hitan'i ISIS ao izany ilay izy, ary efa any am-paradisa izany ry ilehirony. Ka "planiNY" daholo izany izany eee...


3. rhaj0 ( 27/03/2017 13:18)
Ato hono tena siantifikema voaporofo hoe, ato ny Zaridainan'i Edena (tena eo ambany fifehezan-dry ISIS mihintsy izy izany)



Fa tandremo mihazakazaka hilomano hiditra any, fa mbola misy Kerobima ao anaty rano ao a...
4. endriny ( 27/03/2017 13:29)
Izaho dia mba nihevitra fa izany Edena izany dia toerana sambatra raha samy sambatra ary miadana raha say miadana. I Adama sy Eva mantsy hono fony mbola tany dia tsy nila niasa sy nisasatra izany fa mitango fotsiny dia voky. Ohatran'ny any Mitea na any Saranoro izany.

Fa kay ilay izy tsy tsara toa izany akory satria nazeran'Atra tany I Satana rahalahiny.

Dia tsy azo idirana intsony hono ilay saha. Misy anjely mpiambina be dia be mitana sabatra samoray eo ambavahady
5. rhaj0 ( 27/03/2017 15:13)
Ka hoe misy volamena vatosoa hono manodidina ao, hozy Genesisy kouh...

Genesisy 2:10 Nisy ony anankiray nivoaka ao Edena, hanondraka ny saha, ka avy eo izy dia nisampana efatra. 11 Fisòna no anaran'ny voalohany; io no mandeha manodidina ny tany Hevilaty rehetra, izay misy ny volamena. 12 Ary tsara ny volamena amin'izany tany izany. Any koa no misy ny bdelioma sy ny vato oniksa. 13 Geona no anaran'ny ony faharoa; io no manodidina ny tany Kosy rehetra. 14 Tigra no anaran'ny ony fahatelo; io no mandeha ao atsinanan'i Asora. Ary Eofrata no anaran'ny ony fahefatra.

Fa misy Kerobima mampatahotsa be koa ao ambavahady an..

Genesisy 3:24 Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan'ny sahan'i Edena, mba hiambina ny làlana mankany amin'ny hazon'aina.


tena vaka ny saina eee... ahoana azany no atao... :-)

Hino ny Genesisy, h@ namoronanan ny Tany, sy ny Olbln, ka h@ Edena sy ny Volamena ary Kerobima...

Kerobima = cherubin = zazakely mahafatifaty :-)
6. RKjeanclaude ( 28/03/2017 07:01)
mety misy ho tezitra na hi-precipiter be indray raha hilaza aho hoe sens allegorique ilay edena fa tsy saha proprement dit. Tsy tany an-koatra aloha ilay izy e, afa-tsy ilay Hazo mahavolona m/zay (izay azo raisina am-pinoana).
7. rhaj0 ( 28/03/2017 10:38)
Ka allegorique @ ahoana azany izy io eee... Tena mahay ianao izany ry RKjeanclaude, fa dia hazavao kely mihintsy azany aloha izany approche allegorique izany fa ... mety ny tsy fahalalana an'izay mihintsy anie no mampivaralila ny (Krisitiana) maro (eto) eee...
8. endriny ( 28/03/2017 14:03)
Dia nisy koa ireo nilaza ary mbola milaza fa teto Madagasikara hono izany Edena izany e. Ny Ntaolo aloha araka ny anganony dia teny antampon'i Tsiafajavona no nanamboarana ny olona voalohany.

Fa araka ny sary amin'ny peta-drindrin'ny Katolika aloha. Dia I Eva dia vehivavy tena mba tian'Atra tokoa. Ka mety tsy foiny ho an'i Adama izy saingy efa nomeny dia tsy afaka miverina amin'ny teniny intsony. Fa noho izy be fialonana moa dia ny nandroaka ireto mpivady tao Edena no nataony.

jereo eto ny fasakambin'Atra an'i Eva tamin'izany andron'i Edena izany. Amin'io a/tra maniraka an'i Adama hiasa ao amin'ny saha.

Ary tamin'izany kay dia efa nirahina hiasa ny olom-belona fa tsy hoe noho ny ota nataony tamin'ilay nangala-paiso no naha voatery azy hiasa sy ho tsemboka.
9. rhaj0 ( 28/03/2017 14:28)
genesisy 2:15 Dia nalain'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny sahan'i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.
(..)
22 Ny taolan-tehezana nalain'ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray.


Tena misaotra Endriny fa kay tena izay tokoany.. MIasa rahefa (miverina) ao Edena ao ny Lehilahy.

Dia nefa indray, angaha moa rahefa miverina any Edena (paradisa), tsy efa "fanahy" fotsiny sisa no mankany? dia samy mihamikamina esty ankavia sy ankavanana fotsiny sisa?


Sa moa "allegorique" daholo izany ry RKjeanclaude?
10. RKjeanclaude ( 28/03/2017 18:57)

rhaj0:

[i]genesisy 2:15 Dia nalain'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny sahan'i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.
(..)
22 Ny taolan-tehezana nalain'ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray.[/ai]

Tena misaotra Endriny fa kay tena izay tokoany.. MIasa rahefa (miverina) ao Edena ao ny Lehilahy.

Dia nefa indray, angaha moa rahefa miverina any Edena (paradisa), tsy efa "fanahy" fotsiny sisa no mankany? dia samy mihamikamina esty ankavia sy ankavanana fotsiny sisa?


Sa moa "allegorique" daholo izany ry RKjeanclaude?


Ny dikany ary dia izao: efa nambarako hoe tsy voatery ara-bakiteny my sens-n'ny Soratra masina rehetra (misy aloha tena ara-bakiteny). Io saha, raha ekenareo fa tsy voatery ekena, dia ny vatan'i Adama, sy ny vatan'i Eva. Navelan'ny Tompo ampiasaina daholo ny ratsam-batana rehetra, afa-tsy ilay hazo afovoan'ny saha ihany dia ny organe de reproduction izay. Nampiasain'i Eva anefa io, niaraka t@ ilay menarana(allegorique) ka tafiditra ny spermatzd-ny nanome an'i Kaina, avy eo i Eva sy Adama, nanome an'i Abela. Azoazonao ve ny dikan'ny hoe"allegorique"?

PS: misy antony tsy nelany aloha hampiasaina io, saingy mbola ho avelany ihany io fa mindry fotoana.
11. rhaj0 ( 29/03/2017 03:05)
Dada ka dada ilay "approche allégorique" @ famakiana Baiboly (fataon'i RKjeanclaude) an... mba miezaka aho izany, ka dia raisiko ity iray ity:

Genesisy 2:10 Nisy ony anankiray nivoaka ao Edena, hanondraka ny saha

ka raha hozy i RKjeanclaude hoe "Io saha ... dia ny vatan'i Adama, sy ny vatan'i Eva"

Ary dia "nifanondraka" tao izany izy roaroa ee... :-)

Ahoana tokoany moa no iresahana direkta an'io "Adama sy Eva mifanondraka" io eny @ alitara.. fa dia nataon-dry olombe "approche allégorique" izany ilay izy eee...

Ka ry RKjeanclaude itony izany, rehefa ao ampiangonana ao, dia mivanitika fotsiny manitatra ny imagination-ny, allégoriquement sy alégrement, @ io "Adama sy Eva mifanondraka" io ohatra eee.. Hitako ery Rajeancl salanidanitra ao ampinagonana ao... Ny ankizy anefa @ io, tena am-pahadiovan-tsaina sy fahadiovam-po, dia mba mieritreritra ilay renirano sy ny amorony ao moyen-orient ao...

manja ka... tena ianarako ny approche-nao RKjeanclaude.. fa mahakamo be tokoany rehefa ao ampiangonana dia miserimaona ny eny @ alitara, resaka mankaleo nandra be, fa dia, asiana alegorika izany dia mety ee...

misaotra mampivanitika Rajeancl aaa... :-)
12. endriny ( 29/03/2017 03:43)

RKjeanclaude:


Izay no maha sadikadikan-draha an'ilay Atrareo ry Jean a. Fitaovana nomeny anao ihany no hanagadrany anao

Fa ataontsika izany hoe MARINA
RKjeanclaude:
efa nambarako hoe tsy voatery ara-bakiteny my sens-n'ny Soratra masina rehetra (misy aloha tena ara-bakiteny). Io saha, raha ekenareo fa tsy voatery ekena, dia ny vatan'i Adama, sy ny vatan'i Eva. Navelan'ny Tompo ampiasaina daholo ny ratsam-batana rehetra, afa-tsy ilay hazo afovoan'ny saha ihany dia ny organe de reproduction izay.


Kanefa hoy ny baiboly
rhaj0:
[i]genesisy 2:15 Dia nalain'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny sahan'i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.


Dia vao maika mampivanitika be tokoa ilay izy satria araka an'i
RKjeanclaude:
Saha = Taovam-pananahana
Koa raha asaina
rhaj0:
[i]genesisy 2:15 hiasa sy hiandry ny saha izany I Adama.
, dia mira izany fa miasa sy miandry ny fitaovam-pananahana no anjara nataony tao Edena.

Ka tao izany Adama, nasaina niasa sy ny niandry ny taovam-pananahana (Arak'i Jean Claude io). Dia nanapaka bozaka sy nanondraka no nataony ary nangadingady ... aleo tsy tenenina intsony.

Ka raha izany dia tokony tsy nahazo loza tamin'Atra izy satria mba nanondratondraka sy nitombotomboka araka ny asa nampanaovina azy.

Hoy indray I
RKjeanclaude:
spermatozoida avy amin'ny Menarana (Allegorique) niditra tao amin'i Eva no nanome an'i Kaina fa avy eo vao I Adama sy Eva nanome an'i Abela
O rey olona e, taiza tao amin'ny baiboly indray no nisy an'ity.

Ataontsika hoe marina koa izany io
RKjeanclaude:
spermatozoida avy amin'ny Menarana (Allegorique) niditra tao amin'i Eva no nanome an'i Kaina
= Nisy filahiana manidina avy eny amin'ny habakabaka tamin'io nahabevohoka an'i Eva. Ary io Filahiana Manidina io no nantsoina hoe Menarana

Araka an'i Alegorika ihany koa izany: "NIsy fanahy masina niditra tao amin'i Maria Virjiny dia nitoe-jaza I Maria" = Nisy filahiana manidina avy eny amin'ny habakabaka tamin'io nahabevohoka an'i Maria. Ary io Filahiana Manidina io no nantsoina hoe Fanahy Masina [/b]

Manja be ny Alegorika
13. RKjeanclaude ( 29/03/2017 17:19)

rhaj0:

Dada ka dada ilay "approche allégorique" @ famakiana Baiboly (fataon'i RKjeanclaude) an... mba miezaka aho izany, ka dia raisiko ity iray ity:

Genesisy 2:10 Nisy ony anankiray nivoaka ao Edena, hanondraka ny saha

ka raha hozy i RKjeanclaude hoe "Io saha ... dia ny vatan'i Adama, sy ny vatan'i Eva"

Ary dia "nifanondraka" tao izany izy roaroa ee... :-)

Ahoana tokoany moa no iresahana direkta an'io "Adama sy Eva mifanondraka" io eny @ alitara.. fa dia nataon-dry olombe "approche allégorique" izany ilay izy eee...

Ka ry RKjeanclaude itony izany, rehefa ao ampiangonana ao, dia mivanitika fotsiny manitatra ny imagination-ny, allégoriquement sy alégrement, @ io "Adama sy Eva mifanondraka" io ohatra eee.. Hitako ery Rajeancl salanidanitra ao ampinagonana ao... Ny ankizy anefa @ io, tena am-pahadiovan-tsaina sy fahadiovam-po, dia mba mieritreritra ilay renirano sy ny amorony ao moyen-orient ao...

manja ka... tena ianarako ny approche-nao RKjeanclaude.. fa mahakamo be tokoany rehefa ao ampiangonana dia miserimaona ny eny @ alitara, resaka mankaleo nandra be, fa dia, asiana alegorika izany dia mety ee...

misaotra mampivanitika Rajeancl aaa... :-)

efa niteny anie izaho hoe tsy voatery inoana e.
Sady aza mamoroba aloha fa tsy hoe nifanondraka izany tao e.
14. RKjeanclaude ( 29/03/2017 17:25)
Sady rehefa novaliako araka ny.... ilay izy, dia eson-teny ve no valiny tsara. Tsy tezitra aho tsy akory fa angamba ny mety dia......

PS: efa nambarako tany aloha hoe misy ny tena ara-bakiteny, ary misy ny allegorie, ary na ny Tompo aza nilaza izany hoe fanoharana no hilazako aminy araka izay hainy hoahenoina.
Tsy voatery hanaiky izany ianao.
15. RKjeanclaude ( 29/03/2017 17:58)
rhaj0 a. Tsy valianao ny fanontaniako, izay fanontanianao nefa nezahiko novaliana hatrany, indrindra raha nitodika mivanatana tamiko(raha tsy hoe tsy hitako angaha). Ny hevitra avy aminao (sy avy @ drogMad)ihany no mba hitako ho misy ventiny noho ny an'ny sasany. Ny an'ny hafa mantsy hevitra maivana loatra, ka nampazoto ahy ny nidinika taminao teto amin'ity pejy ity,nefa eto dia raisinao ho tena olona vicieux be aho (ratsy saina hatrany am-piangonana). Tsy dia mety amiko loatra ity farany ity. Tsy voatery hoe izay mety amiko akory no atao fa mba miteny fotsiny aho mba hahalalan'ny olona izay manaraka ny ady hevitra eto ny antony hoe naninona aho no mety tsy hamaly anao intsony.

misaotra tompoko.
16. rhaj0 ( 29/03/2017 18:12)
Azafady azany raha hoe "eso" no nisehoan'ny valinteniko eee... Ka mampihomehy kosa anie ilay "approche"-nao rahefa mba nandramako nampiharina, ka dia tena tsy tana fa nivanitika be aho rahefa mba nilingilingy nanao koa ho'a eee...

Fa ahoana no hahalalanao hoe, "ara-baki-teny" sa "allegorie" no andraisana ny fehezan-teny iray ao anatin'ilay andininy io.

Ka nisy ilay ranamana Strong3 izay koa mantsy teto, mahay io "approche"-nao io. Dia ny azy, raha vao "vehivavy" indray ny teny vakiany, dia "Leglizy" no dikan'izany (izay aloha ny fahazoako ny firesany teto). Nefa indraidray tsy afaka ovaina ho "Leglizy" ilay teny "viavy" fa manjary mampivanitika giravy..

fa dia aleo manontany sy mihaino tsara ny mpahay azy, toa an'i RKjeanclaude, dia ianarana ampiharina, dia mba henoina ny tamberina avy @ RKjeanclaude, fa sao dia lasa mivaralila toa ny (Kristiana) maro (eto) indray eee...

17. RKjeanclaude ( 30/03/2017 16:57)
tsy ny eso(araka ny fandraisako) anie no mampalahelo fa ilay interpretasio anao giravy be hoe misaina zavatra hafa mihitsy ahy nefa ny olona misaina madio e.... Tsy voatery izay zavatra hafa izay no saintsainiko akory.

Ny ahafanarana hoe allegorie dia sarotra, mila mamaky ny Baiboly matetika sy hatr@ farany miverimberina. Ao anatin'izany no ahitana fa misy toko hafa milaza mazava ny sens allegorique ao @toko sasany. Fa misy(efa nambarako) fa tena ara-bakiteny satria hita fa tsy mifanaraka @ hafatra an-kapobeny. Na aleo raisina ara-bakiteny rehefa tsy mahay ny sensal. Ireny olona mbola tsy mahay ny sensal ireny no voasoratra hoe mbola eo@ "abidim-pianaran'ny soratra masina", raha diso sens dia ambara hoe:" fampianaran-diso", Tsy tonga dia manaiky izay lazain'ny mitory teny, na dia pasteran'ny tena fa manamarina foana na marina izay lazainy na tsia(Asan'ny Ap 17/11).
18. rhaj0 ( 02/04/2017 09:32)
RKjranclaude:
Ny ahafanarana hoe allegorie dia sarotra, mila mamaky ny Baiboly matetika sy hatr@ farany miverimberina.

Dia ianao ve ho'a ry RKjeanclaude, mahavita (mamaky Baiboly) toa ny pretra Katolika, izay mievoka ao, ao @ seminerany ao, mandritry ny andro sy volana aman-taona...

Nefa dia rahefa mivoaka ny "dogme katolika", izay tena mba nandalina sy nahita izay "allegorie"-ny tao, toa ny fananonao io indrindra koa, nefa toa hotrhotry ny tsy tiatianao RKjeanclude akoriny koa ny azy anefa?
19. endriny ( 06/04/2017 13:33)
Toa hoe tany Ambondrombe hono I Edena.
20. RKjeanclaude ( 06/04/2017 19:47)

rhaj0:

RKjranclaude:
Ny ahafanarana hoe allegorie dia sarotra, mila mamaky ny Baiboly matetika sy hatr@ farany miverimberina.

Dia ianao ve ho'a ry RKjeanclaude, mahavita (mamaky Baiboly) toa ny pretra Katolika, izay mievoka ao, ao @ seminerany ao, mandritry ny andro sy volana aman-taona...

Nefa dia rahefa mivoaka ny "dogme katolika", izay tena mba nandalina sy nahita izay "allegorie"-ny tao, toa ny fananonao io indrindra koa, nefa toa hotrhotry ny tsy tiatianao RKjeanclude akoriny koa ny azy anefa?


tsy hoe manaratsy na manavasoka fa izao: nisy vanim-potoana sarotra hanana sy vidiana ny baiboly, satria sady vitsy no lafo. Nisy fotoana koa tsy firy ny mpitondra fiangonana tsy nifantoka firy t@ baiboly. Nisy ireo fampianarana noforonina fotsiny sy tsy mari-pototra -talohan'i Gutenberg. Rehefa nanomboka niely ny baiboly sy voadika t@ fiteny maro, dia betsaka no nanomboka nahita ireo" tsy izy" ireo. Ireny olona ireny dia nohesoina ho "mpisintaka" (protestant) rehefa mba niezaka nanitsy. Ny ambiny tsy nahalala ny diso indray dia norarana tsy hamaky baiboly intsony, izany hoe tafiditra ao anaty lisitry ny boky voarara ny baiboly(index). Taty aoriana, nolazaina fa lova-tsofina sy fombam-piangonana hatrizay sisa no mody nanarotsaronana azy ireny(doctrine diso fa tsy sens allegorique akory).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0858