YAHOSHUAH irery no anaran'ilay zanak'Andriamanitra

1. RA TAN ( 22/03/2017 20:19)
YAHOSHUAH ilay anaran'ilay zanak'Andriamanitra; ilay nopotehan'ny devoly sy ny mpiray tsikombakomba ratsy aminy 2000taona lasa izay. Fa 2000taona aty aoriana idro Izy tafaverina indray.
Fa na ny olombelona aza mba miteny hoe "ny marina tsy mba maty". Fa ny anaran'i YAHOSHUAH kosa dia marina sady manamarina olona dia tsy matin'ny devoly izany, na dia novonoiny aza.

Efa tonga izao ilay tena Izy (YAHOSHUAH), dia mazava hoazy fa tsy maintsy voadona daholo ny tsy tena izy rehetra dia tsy maintsy potika.

Izay ondrin'i YAHOSHUAH dia mahay mihaino ny feony: RADIO HFF www.rtvyahoshuah.com. Fa fitsarana hoan'izay rehetra tsy mino koa anefa ny teniny
novalian'i RA TAN ny 18/05/2017 02:08
2. RBNIR ( 23/03/2017 01:56)
Misy fanontaniana vitsy vitsy mbola tsy voavaly atsy RA TAN

Sao mba azonao valiana eto ary?

http://forum.serasera.org/forum/message/m58d12d50179ac#m58d32a15dcf84
3. RBNIR ( 23/03/2017 01:59)
RA TAN:

Ny jiosy rehetra dia nanenjika an'i YAHOSHUAH sy ny mpianany daholo, afa tsy ny apostoly sy izay mpianany irery.

Rehefa maty daol ireo mpianany ireo, dia tsy nisy niaro intsony ny anaran'i YAHOSHUAH. Dia normal be nanjavona ilay anarana marina. Fa ra mbola nisy ireo mpianany ireo niaro, na dia iray fotsiny aza, dia tsy maty izany iny anarana iny.

Izany hoe maty maritiora daholo izany fa tsy nisy taranaka intsony??? dia ahoana ireo judéochretien izay mbola nisy hatramin'ny 6ème siècle taty aoriana???

Nankaiza ny taranak'izireo? https://fr.wikipedia.org/wiki/Jud%C3%A9o-christianisme
4. RBNIR ( 23/03/2017 02:01)
hanampy antsika amin'ny recherche.....(raha sitrakao RA TAN)

http://www.steinbach68.org/chritianisme.htm

Izaho aloha tsy mino hoe maty maritiora daholo ireo christianina tany amboalohany fa nanana taranaka izireo dia nisy dia nisy tokoa ny dimbiny e (niparitaka eran-tany

http://lmgtfy.com/?q=qui+sont+les+premiers+chr%C3%A9tiens
5. RBNIR ( 23/03/2017 02:02)
Fanampiny RA TAN
Andeha hoeritreretina (hoeritreretina hoy aho fa tsy hoe manaiky akory aho an)hoe nahomby ihany ny fandrarana ilay Anarana teo amin'ny Jiosy...

Tamin'ny fomba ahoana kosa ary no nahavery ilay Anarana tany amin'ireo jentilisa sy ny hafa firenena satria IZY dia efa nifidy olona iray (i saoly niova ho paoly io) mba hanambara sy hampiely io Anarana io tany amin'ireo jentilisa sy ireo hafa firenena?

« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asa.9:15)...
6. RBNIR ( 23/03/2017 02:03)
Ireo ilay fanontaniana dia mba valio eto ary RA TAN..........
7. RA TAN ( 23/03/2017 13:36)

RBNIR:

Fanampiny RA TAN
Andeha hoeritreretina (hoeritreretina hoy aho fa tsy hoe manaiky akory aho an)hoe nahomby ihany ny fandrarana ilay Anarana teo amin'ny Jiosy...

Tamin'ny fomba ahoana kosa ary no nahavery ilay Anarana tany amin'ireo jentilisa sy ny hafa firenena satria IZY dia efa nifidy olona iray (i saoly niova ho paoly io) mba hanambara sy hampiely io Anarana io tany amin'ireo jentilisa sy ireo hafa firenena?

« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asa.9:15)...
8. RA TAN ( 23/03/2017 13:50)

VALINY:
"1TES,2:14 ...fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahala amin'ny nanjo ireo koa nohon'ny nataon'ny Jiosy taminy, 15 izay namono an'i Yahoshuah Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra, 16 ka mandrara anay tsy hitory amin'ny Jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy"

I PAOLY IZAY VOAIRAKA HOANY @ JENTILISA MIHINTSY ETO NO VAVOLOMBELONA FA TENA NA ANY @ JENTILISA AZA IZY NO MITORY DIA MBOLA NOSAKANAN'NY JIOSY IHANY.

Koa satria tena mafy be ilay fanenjehana dia iza intsony no olona hiaraka @ apostoly eo. Fa rehefa maty daol ny apostoly dia nanjavona ilay anarana sy ny fampianaran'i Yahoshuah.
Fa ny zavatra nisy aza dia LASA NITANDRINA DIDY FOLO DAHOLO INDRAY NY JENTILISA (lasa proselita); LASA ZANAKY NY HELO INDROA LAVITRA MIHOATRA NOHON'NY JIOSY MPITANDRINA DIDY FOLO (MAT,23:15). TENA LASA MPANOTA DAOL NY MPIVAVAKA MANERANTANY, Nefa izay miaraka @ A/tra tsy mpanota(1KOR,6:11 ... efa nosasana ianareo, efa namasinina ianareo, efa namarinina ianareo tamin'ny anaran'i Yahoshuah ...)
200taona aty aoriana izay vao misy tsy mpanota indray; rehefa tafaverina ilay anarana marina YAHOSHUAH.
9. RBNIR ( 23/03/2017 17:56)
RA TAN:

Koa satria tena mafy be ilay fanenjehana dia iza intsony no olona hiaraka @ apostoly eo. Fa rehefa maty daol ny apostoly dia nanjavona ilay anarana sy ny fampianaran'i Yahoshuah.

Ahoana indray ity manoratra menamena be ity RA TAN, adihevitra tsotra ange no arosoko e?

Fa izao : io tsokevitrareo ambony io aloha dia anareo manokana io, fa ny fantatro dia marobe no efa nampianaran'i paoly ILAY ANARANA......(filipiana, tesaloniane, korintianina sns....)

Ary araka ny fantatro dia ireny olona marobe ireny dia tsy niara maty maritiora tamin'i paoly tany roma......
10. RA TAN ( 23/03/2017 20:29)

RBNIR:
fa ny fantatro dia marobe no efa nampianaran'i paoly ILAY ANARANA......(filipiana, tesaloniane, korintianina sns....)

Ary araka ny fantatro dia ireny olona marobe ireny dia tsy niara maty maritiora tamin'i paoly tany roma......

VALINY:

IZA ilay ANARANA lazainao fa nampianarin'i Paoly ny olona marobe???
Fa raha marobe no efa mahafantatra azy dia AIZA daholo ireo olona maro be ireo izay manonona an'izany anarana izany mazava hoazy???
11. endriny ( 24/03/2017 03:52)
Ary iza no mba vadin,Atra e?
12. endriny ( 24/03/2017 03:54)
Io Yahoshuah io hoy aho dia i Pilato no nametraka an'io fa tsy ny Ray aman-drenin'i Ben
13. RBNIR ( 24/03/2017 04:50)

RA TAN:

RBNIR:
fa ny fantatro dia marobe no efa nampianaran'i paoly ILAY ANARANA......(filipiana, tesaloniane, korintianina sns....)

Ary araka ny fantatro dia ireny olona marobe ireny dia tsy niara maty maritiora tamin'i paoly tany roma......

VALINY:

IZA ilay ANARANA lazainao fa nampianarin'i Paoly ny olona marobe???
Fa raha marobe no efa mahafantatra azy dia AIZA daholo ireo olona maro be ireo izay manonona an'izany anarana izany mazava hoazy???

Maro no efa manonona ilay Anarana araka ny fomba fiteniny avy fa ianareo no mandà an'ilay izy.....
14. RBNIR ( 24/03/2017 05:10)
RA TAN:

IZA ilay ANARANA lazainao fa nampianarin'i Paoly ny olona marobe???
Fa raha marobe no efa mahafantatra azy dia AIZA daholo ireo olona maro be ireo izay manonona an'izany anarana izany mazava hoazy???

Mba fantatrao v hoe tamin'ny fiteny inona no nanoratan'i Paoly ireo epistily (izay inoanao) ireo?????
15. RA TAN ( 24/03/2017 05:26)
Valio aloha ilay fanontaniako
16. RBNIR ( 24/03/2017 06:04)
Mitovy amin'i endriny ihany ianao efa novaliko hoe "maro no manonona ilay Anarana araka ny fomba fiteniny avy fa ianareo no mandà an'ilay izy...

Ohatra : misy miteny hoe Jesosy, Sns.....

Hono hoy aho tamin'ny teny inona kay no nanoratan'i paoly ny epistily ho an'ny galatianina sy ny efesiana sns??? RA TAN dia mino v ianao fa tena YAHOSHUAH no anarana nosoratan'i paoly tao anatin'ireo epistily ireo?????
17. RBNIR ( 24/03/2017 06:06)
araka ny fahafantarako azy mantsy dia hoe any ho any hono ireo epistily ireo ka azo hamarinina tsara izany izay voasoratra ao ankehitriny????
18. RA TAN ( 24/03/2017 08:07)
RBNIR:

... efa novaliko hoe "maro no manonona ilay Anarana araka ny fomba fiteniny avy fa ianareo no mandà an'ilay izy...

Ohatra : misy miteny hoe Jesosy, Sns.....

VALINY:
Nanonona an'io anarana iray io ianao dia mbola nampinao hoe "Sns....." (izany hoe mbola misy hafa ankoatra an'io fa kamo ianao ny hanonona azy). Nefa ny voalaza dia hoe "ANARANA TOKANA(ASA,4:12).
Dia jereo tsara, fa NY OLONA MIVAVAKA @ IO ANARANA NOLAZAINAO IO DIA SAMY MILAZA FA MPANOTA DAOL, ARY NY SORATRA MASINA MIHINTSY NO MILAZA FA MPANOTA IREO. Dia izao: ]"1JAONA,3:6 ... izay rehetra manota dia tsy nahita na mahalala Azy. ... 8Izay rehetra manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly no manota hatramin'ny voalohany".
Dia IZA IZANY INY IVAVAHAN'NY MPANOTA NAMBARANAO ANARANA TEO INY? ianao ihany dia afaka mamaly an'izany.
19. RBNIR ( 24/03/2017 08:20)
RA TAN:

Nanonona an'io anarana iray io ianao dia mbola nampinao hoe "Sns....." (izany hoe mbola misy hafa ankoatra an'io fa kamo ianao ny hanonona azy). Nefa ny voalaza dia hoe "ANARANA TOKANA(ASA,4:12).

Raha tonga androany IZY hoy aho ka hilaza hoe IZAHO XXXXX ity, dia ny sasany handre Azy miteny hoe IZAHO YESHOAH ITY, ny sasany haheno hoe izao jesosy ity (araka izay nampahafantarana azy ihany io.........

Sahinao toerina v izany e????
20. RA TAN ( 25/03/2017 05:02)

RBNIR:

Raha tonga androany IZY hoy aho ka hilaza hoe IZAHO XXXXX ity, dia ny sasany handre Azy miteny hoe IZAHO YESHOAH ITY, ny sasany haheno hoe izao jesosy ity (araka izay nampahafantarana azy ihany io.........

Sahinao toerina v izany e????

VALINY:
ERITRERITRAO MANOKANA IZANY, FA TSIS SORATRA MASINA MILAZA AN'IZANY. Lazao eto ary ny verset raha misy e!
Fa ny voalazan'ny soratra masina dia tsotra sady mazava: "ASA,4:12" TOKANA NY ANARANY. Fa ianao anefa miezaka ny manohitra an'io soratra masina io. Fa iza mihintsy ianao ty e?
Fa efa tonga Izy ankehitriny raha tsy hita nandritra ny 200taona lasa izay, ary ny ondriny mahalala ny feony ka manaraka Azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2422