Anaram-piangonana

1. irakiraka ( 22/03/2017 13:18)
Rehefa mitory an'i Jesosy eny rehetra eny dia misy ireo miteny hoe izahay anie efa "anina".
Tsy ny anaram-piangonana no ahazoana antoka fa handovanao ny lanitra.
Fa ny finoanao an'i Jesosy Kristy irery ihany. Ary mila maharitra @ izany. "Izay maharitra hatr@ farany no ho vonjena".
Rehefa manoloana ny vavahadin'ny lanitra ianao dia tsy hisy hanontany hoe iza moa ny anaran'ny fiangonanareo teo?
Ny azo antoka fa hanadinana anao dia hoe: Efa nandre ny @ Jesosy ve ianao? Nino ve ianao? @ io fotoana io tsy misy azo izestiavana tsony na ivanitihana satria tonga dia ho fantatrao na ho tafiditra ny Tanana masina voatokana sy efa namboarina ho an'ireo naharitra t@ finoana sy fanarahana an'i Jesosy ianao. na sanatria any ivelany
novalian'i RA TAN ny 05/04/2017 09:05
2. endriny ( 24/03/2017 03:57)
Mba ampianaro azy ange fa tsy diso be ilay datim-pamonjena nomen'i Jesosy e. Raha ny vinavina'i Jesosy dia tokony tany amin'ny taona faha 60 tany ny fara andro
3. RA TAN ( 25/03/2017 10:08)
Nga moa nareo n ts efa nivavaka t@ io a/trareo io hatrizay ela be zay ka hatr@ zao e, fa mbola MPANOTA foana ianareo mandrak'ankehitriny. tena tsy mety afa-pahotana mihintsy ianareo.

"JAONA,8:36 Fa raha ny Zanaka no manafaka dia hoafaka tokoa ianareo"

Sady nareo tena be dia be: DES MILLIARDS n isanareo manerantany(izany hoe IZAO TONTL ZAO). Ary samy mpanota avokoa ianareo rehetra; tsy misy marina na dia iray akory aza.

Nefa fantatsika fa, TSY MISY MPANOTA MIDITRY NY LANITRA IZANY (1KOR,6:9 APOK,21:8,27).

Aiza izany no iafaranareo rehe mbl miaraka @ iny a/trareo iny ihany ianareo?
4. hifaliana ( 27/03/2017 05:26)

...

F'angah dia mivanitika fotsiny no ataony!
5. stahtam ( 27/03/2017 06:37)

[quote=RA TAN]
"Nga moa nareo n ts efa nivavaka t@ io a/trareo io hatrizay ela be zay ka hatr@ zao e, fa mbola MPANOTA foana ianareo mandrak'ankehitriny. tena tsy mety afa-pahotana mihintsy ianareo"

[quote=stahtam]
Na dia tsy mahakasika ahy aza ity resaka fahotana resahinao ity dia misy fanontaniana mazava be aterany:
" Iana(re)o vita batisa tamin'ny mbola niantso JESOSY (talohan'ny 2009) izany, mba afa-pahotana ve? Oviana? "
6. irakiraka ( 27/03/2017 09:11)
Fa misy mandray ho resaka maivana tokoa nge ty resaka ara-panahy ty, Ka zany matonga ny sasany hananihany sns sns.
Misy koa mieritreritra hoe tsy tokony hidirana lalina izy io fa rehefa mba hoe mivavaka isak’alahady aloha d ampy zay…

Fa isika rehetra zao dia tokony ho saro-piaro ny @ fanahintsika. Mila mangady hoe sakafo ara-dalana ve ty aroso ho an’ny fanahiko ty.

Ny ady ara-panahy dia tsy tapitra raha tsy tody any an-danitra. Ka izany no antony hanaovana fanoloran-tena isan’andro ho an’I Jesosy. Avy eo mila tazaina @ alalan’ny Tenin’Andriamanitra ny fanahy. Ka ataovy azonao antoka tsara izay mamoky ny fanahinao.


Ohatra anankiray: Efa hatr@ zay ka hatr@ zao dia misy fampanantenan-diso hoe raha maty ny olona anankiray dia entina any am-piangonana, hamasinina ny fanahiny mba afaka handova fiainana mandrakizay.
DISO: Tsy misy olona na iza izy na izy nomena alalana ety an-tany hanamasina fanahin’olona zany.
Ny fotoam-pivavahana @ io andro fahoriana io dia natokana hampaherezana ireo olona manatrika, ary ny tokony ho izy: Fotoana hanararaotana hitoriana filazan-tsara ho an’ireo velona, hamporisihina azy hijoro tsara ….

Io olona maty io vao vantany vao mikipy ny masony d na lanitra no vantaniny raha nitoetra t@ finoana an’I Jesosy izy, na helo, ary raha misy milaza toeran-kafa akoatr’zay dia Mbola fitaka ihany koa.

Raha mora kely takan’izany ny handovana ny lanitra, lazaiko anao fa samy hanao ze tiany, d avy eo hamasinina fotsiny.
Raha mora kely takan’izany ny handovana ny lanitra, tsy nisy dikany ny nahafatesan’I Jesosy.

Dia mipetraka ny fanontaniana hoe inona arany zany ny tombotsoa an’ireo mamitaka fanahin’olona takan’zany?
Lazaiko anao fa tena misy tombotsoa azy ho manokana tokoa ao.....

Ohatra faharoa: Ity ndray dia nahazo ahy mihintsy.
Efa nanombola nangetaheta ny fanahiko. Nikarakara lanonana ary ny tao @ ilay fiangonana. Nosokafana ny fety, natomboka t@ vavaka kely sns sns. Zay no ela, nivoaboaka @ zay ty karazana whisky, ka sady feno reny ngahy ndrina be reny moa ny tao t@ zany. Ny hira mande efa hiran’izao tontolo izao. (dia dedadedaka ery lé loholona mitondra ilay zavatra eraky ny latabatra…)
Dia gaga enao hoe ho entina aiza ny fanahin’olona?

Ka izaho dia mamporisika anao hoe manomboka zao dia sokafy ny masonao. Ny fiangonana dia natao hitaona ny olona ho any an-danitra. Natao hampianatra ny lalana marina dia mifototra @ Jesosy Kristy. Tsy misy mati-kenamaso zany ka amboarimboarina hatr@ toriteny.
Nisy sahy niteny mitsy moa hoe mba ataovy avec moderation le zavatra ee. Non: fa manin no atao an’zany? Ao @ Jesosy rehefa eny dia eny, rehefa tsia dia tsia. Mila ampianarina ny tena lalana sy fahamarinana ny olona.
Dia ty ko nisy rangahy anankiray, mpanohana be tao @ lay fiangonana. Dia niteny t@ le mpitondra fivavahana hoe za efa tena miezaka manao ze tsara fa ty sigara ty no Mbola tsy resiko mintsy. Dia ny valiny: Tsy maninona fa io zany sisa no mba fahotana kelinao …lol be zany an. Tena fitaka b vava...Fa maninona raha lazaina aminy ny marina hoe mila mandray an'i Jesosy se...

Za tena tsy nijery ze dadabe sy bebe sy dada sy mama. Za te ho any an-danitra kouh. Tsy misy hoe ka efa tao daholo no nandehananan’ny razam-be fahiny koa. Azafady.
Isaorako an’ny Tompo fa tao anatin’zany fotoana zany no nisy nitory filazan-tsara za ary tena henonao mitsy hoe mandray zany fanahinao zany.

Ka mampirisika anao hoe mirosoa @ lalina. Tiava Tenin’Andriamanitra.
Tsy misy hoe ny finoanay dia zao. Ny finoana dia iray ihany: mifototra @ Jesosy.
Ny finoana tsy anaram-piangonana. Ny finoako dia Jesosy.

7. rhaj0 ( 27/03/2017 11:02)
Tena novakiako ny hafatra ("lasa lavabe") an'i Irakiraka fa dia ... "lasa lalina" eee...

Raha ny fahatakarako azy, dia

- raha ny aminao Irakiraka, dia tena mba "lasa lalina" kosany ho'a ny finoanao, ary tsy miherika na raikitra @ zava-misy eto an-tany fa efa "lasa lavitra".. ilay imagination-nao eee..

- raha ny olona hafa (rehetra) anefa, dia ... tsY @ izany "lasa lalina" sy "lasa lavitra" izany, fa ... arak'izay saim-pantany eo sy izay zava-misy iainany eo, dia ... hatreo koa ny imagination-ny ee...


Dia raha ny fahitako azy, dia ianao (irery) re ry Irakiraka no "lasa lavitra sy lalina" any, fa dia ...
- avelao ny olona hanao ny takatry ny sainy, izay ataony @ fo madio (plus ou moins)..
- na, avelao IZY no hanokatra ny imagination-n'ireto olona fa ... ny anao atrehina ee...

Fa raha tena @ ilay "lasa lavitra sy lalina" ianao, dia ... manaova ho'a toa ireny AMISH ireny eee.. Zareo dia tena manaja (ara-baki-teny) ny Fampianarana, TSY miraika @ izany (rendrarendran'ny) zava-misy (sy ny fivoarana) izany...

http://lmgtfy.com/?q=amish
8. endriny ( 27/03/2017 13:53)

irakiraka:
fandalinam-pinoana
Ny finoana dia iray ihany = Jesosy


Tsara ilay hoe fandalinam-pinoana saingy izao: "Ny finoana (Finoana kristianina) dia daogima" Tsy mila fandalinana fa rehefa nolazaina fa hoe :"I Adama sy Eva no loharan'ny olom-belona rehetra; Ny masondro dia namboarina taorian'ny tany", dia iay no izy. Izay rehetra manohitra an'izay dia diso avokoa.

Eo amin'ny finoana dia tsy mila alalinina ny hoe: "Ahoana no fomba fiainan'ny biby, inona avy ny singa mandrafitra ny habaka", satria namboarin'Atra tao anatin'ny 6 andro fotsiny ireo. Dia ekeo.

Saingy izao, ry zareo mpikarikara finoana dia mandalina mangina sy mitokana hoe: "Ahoana no hitazomana ny olona amin'ny finoany fa manjary mihena ny kitapom-bola na mihena ny 1/10?"

Amin'ny farany dia vola daholo sy harena daholo no tena tanjona. Ary ny hampanaiky ny olona ho volosana toy ny ondry no voalohan-daharana.
9. irakiraka ( 27/03/2017 13:57)
Zany?
Eny ee, le izy efa voavaky lo ny zava-dehibe ee.
Fa ho an'ny olona mbola te hatory nge raha tairina izy dia mety mbola vao maika ary saromany ny lohany e. Ny anjaran'ny tena moa zany mahita ny andro efa mazava be dia mamoha ee. Dia ialana tsiny ra somary hoe mafimafy nga ho an'ny sasany fa misy olona secouéna vao taitra ko nge ee. Fa ny tompo-tsafidy moa dia izy ihany hoe hiarina sa tsia.
Na zany aza ny fiainanako ao @ Jesosy tsy mihafihafy zany ka. Ny rendrarendra na fahazaran-dratsy mitarika any @ fahaverezana no alaviriko; fa raha resaka fivoarana tsy mifanohitra @ sitrapon'Andriamanitra, zany ndrindra ara no tena tiko a.
10. rhaj0 ( 28/03/2017 14:38)
tena adala, na hoe tsy toa anao Irakiraka izany iretsy Amish,
- manaja an-tampon'ny loha ny Fampianarana, ara-baki-teny, tsy nanalana tsy nanampiana
- dia TSY mikatsentsitra ny asan-... devoly, fa miaina am-pahadiovana ao.
- Tsy manolakolana ny resa-Baiboly, ka hoe, izatsy fivoarana izatsy dia "mifanitsy @ sitrapon'Atra", fa izaroa kosany TSY mifanitsy.

Rahefa mihaona i Irakiraka sy ny Amish any @ saha Edena indray andro any, dia tena ilazao zareo fa ... adala fa "nihafihafy" @ n'a pas tao eee...
11. endriny ( 29/03/2017 03:54)
Izaho aza leiretsy mba gaga fa na samy fiangonana Katolika aza dia voazarazara hoe: 'Iry fiangonan'ny trinitera, itsy fiangonan'ny diosezianina, ary ito eto Andohalo ito an'ny Zezoita...

Tonga dia efa voazara izany hoe: 'Ry zanadramanga no manangona ny 1/10 ery, ry zafindravindaka no tompon'ny 1/10 etsy.
12. irakiraka ( 30/03/2017 10:15)
Misy ireo mangetaheta ihany kanefa mahita ireto anaram-piangonana maro dia hita ihany hoe fanina.
Ny torohevitra omeko anao: ny Tompo mahita ny ao am-po. Aza matahotra fa rehefa tena mangetaheta ny fahamarinana ianao dia Izy mihintsy no manao lalana ho anao.
Fa ny azo antoka dia ny olona mangetaheta tsy ataon'ny Tompo tafajanona anaty fampianaran-diso.
Efa betsaka hoy aho ny anaram-piangonana. Lazaiko aminao fa misy izy ireny tena sponsorisé(ambadika)-mitsy mba hampiviliana ny fanahin'olona ho very any @ helo.
Ary misy kosa tena fiangonana mitaona fanahin'olona ho an'i Jesosy. Raha mangetaheta marina ianao dia aoka ianao tena hivavaka mintsy hoe ento any @ zay fiangonanao za Jesosy. Fa fotoana zao tena hitadiavana ny Tompo. Rombahina ny lanitra. Aza manaiky ho diso an-jara. Aza mba naman'ireo mihevitra hoe sujet tsy intéressant, na hoe vendrana, na hoe mamenatra, na hoe ho andry bebe rangory nilaozan'ny toe-trandro tsy mivoatra ny resaka ara-panahy. Au contraire rahavako :)
13. endriny ( 30/03/2017 15:50)
Valala manidina koa asiana sira. Ny Ntaolo aza efa mahalala ny hoe lany andro ohatran'ny Kristianina miandry ny lanitra hianjera
14. rhaj0 ( 02/04/2017 09:27)
irakiraka:
..Fa ny azo antoka dia ny olona mangetaheta tsy ataon'ny Tompo tafajanona anaty fampianaran-diso.

mba faniriana ny anao ry Irakiraka. Ohatra: ireny olona voarebirebin'ny toa an'i Profeta Tsaratsara izany, hoy ianao, TSY mba "nangetaheta", hny ka dia navelan'ny Tompo ao, rebirebena sy ambakain'i Tsaratsara ao???
15. irakiraka ( 04/04/2017 11:19)
Isaorana ny Tompo ny zavatra rehetra fa ny fahitana ireo zava-misy ankehitriny dia tena mampirisika mihitsy tsy hanao kitoatoa ny fanompoana.
Tena efa mby akaiky ny Tompo.
Za reto rehefa mieritreritra hoe (na dia tsy hijery afa tsy ny tapaka sy namana, fianakaviana aza), tena mbola betsaka ireo tsy an'i Jesosy.
Ka ndao isika mahalala ny Tenin'Andriamanitra tena hanamafy ny fanoloran-tena isan'andro. Hivavaka ho an'ireny olona manodidina antsika mbola manamafy fo reny. Hifona ho azy ireny, mba tena hisy fifohazam-panahy ao aminy.
Ary isika, tsy ho menatra ny hijoro an'i Jesosy. Hijoro tsara
Mba alaivo an-tsaina hoe ny Kritsy sandoka, ny mpaminany sandoka aza, sahy miseho vahoaka, mamitaka olona, dia isika an'i Jesosy ve dia mandrimandry manoloana an'zany
16. endriny ( 04/04/2017 13:47)
Eny ho'a misaotra ny Tompo isika fa tsara ny manao sorona ain'olom-belona ho fanavotana ny maro an'isa. Ka raha mbola azo atao ny mandefa tafika masina hanapotika ny rahalahy silamo dia isaorana ny Tompo, fa izy tenany aza natao sorona ho antsika. Ary "izay mahafoy ny ainy no mahavoavonjy azy".

Ho an'i Jiosy dia tsy Mesia akory io Jesosy ivavahantsika io. Satria i Jesosy dia tokony ho tonga hanavotra ny Jiosy fa tsy ny fariseo, araka ny volazan'ny mpaminany.
17. RA TAN ( 05/04/2017 09:05)

endriny:

Eny ho'a misaotra ny Tompo isika fa tsara ny manao sorona ain'olom-belona ho fanavotana ny maro an'isa. Ka raha mbola azo atao ny mandefa tafika masina hanapotika ny rahalahy silamo dia isaorana ny Tompo, fa izy tenany aza natao sorona ho antsika. Ary "izay mahafoy ny ainy no mahavoavonjy azy".

Ho an'i Jiosy dia tsy Mesia akory io Jesosy ivavahantsika io. Satria i Jesosy dia tokony ho tonga hanavotra ny Jiosy fa tsy ny fariseo, araka ny volazan'ny mpaminany.


==> Fanavotana ny MARO AN'ISA hoy ianao.
Fa ny soratra masina kosa milaza hoe "VITSY NO VONJENA" (MAT,7:13,14).
Jereo anefa ny isanareo mpanaradia an'i jesosy fa tena be dia be (DES MILLIARDS). Ary mbola rahalahinareo koa ny silamo hoy ianao. Iray ihany tokoa ianareo fa mody mifanipaka ankarona fotsiny (mifamotika). Ary samy milaza fa mpanota avokoa nareo: mpanao ratsy anie n dikan'izany e.

"1JAONA,3:6 izay rehetra manota dia tsy nahita na mahalala Azy"
IZA IZANY INY JESOSY SY ALLAH MIARAKA AMINAREO INY??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.7188