Jesosy sy ny mpianatra mifandinika manao forum

21. RA TAN ( 22/03/2017 06:17)
Hoan'i stahtam:
Alohan'ny hamaliko ny fanontaninao dia AMBARAO ETO ILAY ANARAN'NY MESIA-NAO, izay efa nanontaniako anao ra vao nanda ny testameta vaovao ianao. IZA NO ANARANY???
Mbola miandry aho mandrakzao, nefa ianao tsy sahy miteny mihintsy
22. endriny ( 22/03/2017 06:20)
Aza mirediredy re rey olona a

RA TAN
Taranak'i Davida araka ny nofo i YAHOSHUAH, fa zanak'A/tra Izy.
Izaho koa aza taranaky ny dadanay araky no nofo, fa zanak'A/tra koa aho.

Araka ny baiboly ilay kisoa novoin'ny mpivaro-kena anikeheo maraina koa namboarin'Atra, ka zanak'Atra izy izany, fa namboarina ho kisoa fotsiny

Manahirana ihany ity misavika ny tsy an'ny tena ity e. Ka tsy gaga intsony aho raha mihemotra ny firenena

Ny sasany moa mahita hoe
RKJeanClaude:
efa ho avy ny farany fa efa mihena ny isan'ny mpino
Dia gaga ianao hoe; "Taiza aza no mba loharano nahitan-dry zareo fa mihena ny isan'ny mpino kristianina?" Raha eto Madagasikara fotsiny ohatra, dia mitombo ohatran'ny anandrano ny isan'ny fiangonana sy ny mpiangona ao aminy. Ny sasany aza lasa misy fidirana in-4 mihintsy. Tamin'ny 1800 dia ny havan'Andriana ihany no Kristianina, kanefa izao I Betsiandraofana iray manontolo Kristianina daholo. Efa ho 10.000.000 mahery izy eto Madagasikara. Dia nihena hono izany e. Mety hoe nihena tokoa angaha
23. stahtam ( 22/03/2017 10:10)

[quote=RA TAN]
Hoan'i stahtam:
Alohan'ny hamaliko ny fanontaninao dia AMBARAO ETO ILAY ANARAN'NY MESIA-NAO, izay efa nanontaniako anao ra vao nanda ny testameta vaovao ianao. IZA NO ANARANY???
Mbola miandry aho mandrakzao, nefa ianao tsy sahy miteny mihintsy

[quote=stahtam]
Ka averiko àry ilay valin-teniko tany aloha e,
a°) Raha "curiosité" te-hahalala zavatra no hevitr'io teny io dia tsy hahazo fahafaham-po ianao satria ny fivavahana aminay dia famonjena. Ny famonjena dia vatosoa sarobidy ka tsy mety zarazaraina toa ny mizara vatomamy.
b°) Raha TENA AZONAO ANTOKA kosa fa "EFA MANANA FAMONJENA" ianao dia tsy tsara ho anao intsony ny miala @ izay efa inoanao;
d°) Raha ny mifanohitra @ izay kosa anefa ka "famonjena" no TENA TADIAVINAO dia hoy aho hoe: harena miafina ny famonjena ka katsahina fatratra aloha. Jerena ao anaty baiboly ny fomba fitadiavana azy (mamaky ny faminaniana ohatra, mamantatra ny olona nofidina hitondra azy, mijery izay toerana misy ny olona voafidy hitondra azy...) Rehefa hita ilay toerana misy azy dia manao izay fomba rehetra hahazoana azy ilay mpitady. Ny bokin'ny kristiana moa dia milaza hoe "ary dia nivarotra ny fananany rehetra ralehilahy ka nividy izany saha (misy ilay harena miafina) izany. Hainao koa angamba ilay resaka hoe: "mofon-jaza"?
Dia mba valio @ izay àry ilay fanontaniako, araka ny teninao e!
24. RA TAN ( 23/03/2017 20:19)
endriny:

Araka ny baiboly ilay kisoa novoin'ny mpivaro-kena anikeheo maraina koa namboarin'Atra, ka zanak'Atra izy izany, fa namboarina ho kisoa fotsiny


VALINY:
MITENY RATSY AN'A/TRA ANIE IANAO E!
TAIZA A/TRA NO NITERAKA KISOA AMINAO???
A/tra koa anie no namboatra ny devoly e! dia hiteny izany ianao hoe niteraka devoly A/tra???

Inty no teny ambarako aminao dia tsakotsakoy any: "2PETERA,2:12 Fa ireo kosa dia miteny ratsy ny zavatra tsy fantany akory tahaka ny biby tsy manantsaina fa zava-manan'aina fotsiny ihany; izay teraka ho fisambotra sy famono, dia haringana tokoa izy nohon'ny fahalotoany".
-Biby tsis saina ianao
-Fisambotra ianao
-Famono ianao
-Maloto ianao
-Haringana ianao
HOY NY SORATRA MASINA.
Ary tsy ianao ihany fa izay rehetra manaratsy be fahatany an'A/tra eo.
25. endriny ( 24/03/2017 03:40)
Injay ilay feo avy @ RA TAN. Tsy misy ozona mafimafy noho ireo angaha?

Ny zava-drehetra dia nambarina ho tsara avokoa fa Ny OLONA MISAINA ohatran'i RA TAN no manaratsy azy.

"Tsy misy saina ny biby"? Aoka re marina e. Fahalalana tamin'ny taona oviana indray izany. Izaho sy ilay kisoa novoina tamin'ny maraina dia samy manana betro ka nahoana no ilazanao fa tsy misaina ny biby?

Raha mety zanak'Atra aho dia mety zanak'Atra koa ilay kisoa satria samy namboarin'Atra izahay hisy nofo sy ra ary taolana sy taova miaraka amin'ny betro sy ny fo izahay.
26. endriny ( 24/03/2017 03:45)
Fa ny ahy izany BEN ry zareo no iantsoaka an'i ESOHOAHY.

Yahoshuah moa ilay izy Ratan? Ny Dadany sy ny Neniny aza tsy niantso azy an'izany fa BEN koa. Fa i Pilato no nampanoratra sy nanome io anarana fanesoana ESOHOAHY lasa Yahoshua io. Dia napetrany teo ambony lakoroa
27. endriny ( 24/03/2017 04:15)
12.75- Indray andro dia hoy i Jesosy tamin'ny mpianatra: "Andeha isika hanarato". Dia hoy ilay mpianatra malalan'i Jesosy hoe: "Tompoko, aleo aloha mividy taretra mba hanamafisana ny harato, sao dia ataonao be loatra indray ny trondro ao anatiny. Dia ho triatra indray ny harato no sady ho maro ny trondro tafaporitsaka."

12.75,25- Dia naniraka an'i Petera sy Jakaoba i Jesosy andeha hividy taretra. Rehefa tonga teo an-tsena izy roalahy dia tsy naharitra nahita ny hatsaran'ny mofo namidin'i Madelena. Ka dia roboka nividy sy namoky ny kibony aloha. "Tsara leitsy izany mofo izany ry Petera" hoy i Jakaoba. "Tena tsara fa andao itondrana ny Mpampianatra" hoy i Petera. Dia nividianan'izy roalahy mofo avokoa ny vola tokony nividianana taretra. Ary dia lasa izy ireo niverina.

12.75,66- Rehefa tonga izy roalahy dia nanontanian'i Jesosy hoe: "Aiza ny taretra novidianareo". Dia namaly i Jakaoba hoe: " ry Mpampianatra, noana loatra izahay ka nividiananay mofo ny vola". Dia natolony ny mofo mba ifampizaran'ny rehetra. Vao nanandrana i Jesosy dia nilaza hoe: "Hatsaran'izay mofo izany! Taiza ianareo roalahy no nividy an'ireto?. Dia notantaraina azy ny nahitana ny mofo. Ka naniraka ny mpianatra hafa izy hitondra ilay mpivarotra eo anoloany, fa te ahita azy izy. Dia lasa ny mpianatra roalahy hafa naka an'i Medelena mpivaro-mofo ho eo anatrehan'i Jesosy.
28. RKjeanclaude ( 24/03/2017 04:18)
endriny!
aza tezitra ianao mba hiteny aho hoe amin'ireo mpitafa hitako ato, ianao no tsy dia manana fanohanan-kevitra na hevitra tsy dia misy dikany. Jereo anie e, na ny hafa aza mahita izany. I Mac Adam no namorona ny lalana vatovato(route pavee) dia zanak'i Mc Adam ve ny route pavee!? tena absurde be izany, mahamenatra. Tsy dia mahay miresaka loatra ianao. Angamba tsy dia ampy connaissance generale na ambaninmbany diploma. Tena miala tsiny indrindra fa tsy manambany aho fa tena ratsy (qualité) loatra ny hevitra aposakao.Niniako tsy novaliana mihitsy io fitombon'ny kristiana lazainao io fa hovaliako ihany.

rehefa miresaka hoe mitombo, ara-matematika dia misokajy 2: na mitombo arak'isa (statistika), na mitombo ara-jotra (proportion). Raha statistika dia mitombo tokoa araka ny google, fa proportion mihena satria ny fitombony dia kely noho ny fitombon'ny mponina maneran-tany, toy ny mihena aza, ataovy ny fampitahana tamin'ny vanim-potoana tamin'ny andro fahiny( temps moderne, moyen age, antiquite....).
fa ireo aza dia mbola diso raha ny finoana mihitsy no lazaina ara-baiboly: tsy ny isa no jerena raha fanompoana, fa ny tena manana ny atao hoe:"toe-panahy araka an'Andriamanitra, sy mino ny heriny ary manaraka ny fampianarana marina", ny isan'ireo no mihena, ireo no tena lazaina hoe "mpino" fa tsy izay mankany am-piangonana na izay manana baiboly.

raha mitombo ny isan'ny fiangonana, tsy midika izany fa mitombo ny isan'ny kristiana, tsy haiko raha mahay ny dikan'ny hoe permutation ianao. ny isan'ny fiangonana no mitombo, fa ny kristiana vaovao tsy misy, fa ny miova fiangonana no misy. Ireo mahita izany tsy te-hivavaka angamba dia tsy te-hanompo intsony. Vokany, mihena ara-kisa ny kristiana eto M/kara.

PS: tsy dia ilaina valiana loatra satria kamokamo aho hiresaka amin'.......
29. endriny ( 24/03/2017 05:14)
Tena mahay ianao Ra-jean a

T@ 1900 dia ny taranak''Andriana ihany no Kristianina, asa raha 10/100 n'ny mponina ny Andriana tamin'izany na tsia. 2015, 51/100 n'ny Malagasy no Kristianina. Ka mihena izany ny fandikan'ny Matematika an'io sa mitombo?

Sa ilay
10/100 > 51/100 satria ny ankisa amin'ny 51 mira 1 dia kely io noho ny folo.

Mahay ianao Rajean a

Sady izaho kia tsy niteny taminao hoe mahay aho. CP aza tsy ananako. Fa haiko hoe ny kintana tsy hiraraka ohatran'ny voatsinefy.
30. endriny ( 24/03/2017 05:29)

RKjeanclaude:

endriny!
I Mac Adam no namorona ny lalana vatovato(route pavee) dia zanak'i Mc Adam ve ny route pavee!? tena absurde be izany, mahamenatra. Tsy dia mahay miresaka loatra ianao. Angamba tsy dia ampy connaissance generale na ambaninmbany diploma. Tena miala tsiny indrindra fa tsy manambany aho fa tena ratsy (qualité) loatra ny hevitra aposakao.Niniako tsy novaliana mihitsy io fitombon'ny kristiana lazainao io fa hovaliako ihany


Amin'ny maha dondrona ahy moa dia ity no fanontaniako aminao manam-pahaizana.

Ianao dia misoratena (misoratena hoy aho), fa ianao dia zanak'Atra satria nataon'Atra . Ka ilay kisoa novonoina tamin'ny maraina ve tsy tokony ho zanak'Atra koa aminao?
31. endriny ( 24/03/2017 05:30)

RKjeanclaude:

endriny!
I Mac Adam no namorona ny lalana vatovato(route pavee) dia zanak'i Mc Adam ve ny route pavee!? tena absurde be izany, mahamenatra. Tsy dia mahay miresaka loatra ianao. Angamba tsy dia ampy connaissance generale na ambaninmbany diploma. Tena miala tsiny indrindra fa tsy manambany aho fa tena ratsy (qualité) loatra ny hevitra aposakao.Niniako tsy novaliana mihitsy io fitombon'ny kristiana lazainao io fa hovaliako ihany


Amin'ny maha dondrona ahy moa dia ity no fanontaniako aminao manam-pahaizana.

Ianao dia misoratena (misoratena hoy aho), fa ianao dia zanak'Atra satria nataon'Atra . Ka ilay kisoa novonoina tamin'ny maraina ve tsy tokony ho zanak'Atra koa aminao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1437