INONA NO TANJON'NY FORUM???

21. rhaj0 ( 21/03/2017 15:02)
Diso kely aho, fa i Joda, ilay ataon'i RBNIR fiki-maty io ambony io indray, dia TSY i Paoly, fa izy dia rahalahin'i Jesosy (half-brother), hozy ny mpandalina.

Dia io hitanao io, fa samy mitoritory izay saim-pantany ao rizalahy.. ka dia tsindrotsindrohy izay tianao inoana izany eee.. izay mampietimety ny baolinanao ao.
22. RKjeanclaude ( 21/03/2017 19:46)
joda no soratany eo fa tsy Paoly sa izaho no tsy maharaka!?
23. rhaj0 ( 21/03/2017 23:38)
Efa hoe "diso kely aho" ho'a. Fa maharaka tsara ianao kah.

Ka ahoana: nobitsihin'i Jesosy koa izany i Joda? dia i Joda demi-frère-ny?

Nefa anie t@ fahavelony, araka Matio-Marka-Lioka-Jaona, dia toa tena TSY nanisy sira an'i Joda na ny pitiny mihintsy i Jesosy ee...

Fa io izany i Joda fa manao récuperation dada ka dadany; fa toa mampetimety ny baolin'i RBNIR ny resakany, ka dia io navelabelatrany lavabe teo io..

Dia "tenin'Andrmntra" koa ve ny revirevin'i Joda ireo, ry RBNIR (sy RKjeanclaude) ???
24. endriny ( 24/03/2017 04:17)
Ary rehefa mampirina trano Atra dia mikotrokotroka be mihintsy ao ambony rahona ao
25. RKjeanclaude ( 24/03/2017 04:23)
tsy revirevin'ny sersera.org angamba io fa teninao mihitsy i rhajo e!? Ny tenin'ny cabinet presidentiel dia inoana fa tsy hevitr'ilay mpitondra teny e!? fa hevitr'iza ary ô?.....
26. endriny ( 24/03/2017 05:17)
Fa angaha inona koa no idiran'ny trano fangeren'ny filoham-pirenena amin'ity Ry RKjeanclaude?
27. rhaj0 ( 24/03/2017 13:53)
Akanga aloha RaJeancl..

1- Ny Baiboly dia lazainareo hoe "tenin'Andrmntra". Marina sa tsy marina? (raha diso ny fehezan-teny dia ahitsio azany)

2- Nefa i Joda no niteniteny io ambony io. Toa ny tao @ Salamo koa, dia ry Asaph sy Korah ary Solomon no nihirahira tao. Salamo = psalm = psaume = hirahira

Ka "tenin'Atra" va re ny "fantsin'i Joda" na ny "hiran'i Solomon"???


raha ampitahainao @ kabine prezidensialy ireo, dia TSY tenin'Andrtrmna izany ny fantsin'i Joda" na ny "hiran'i Solomon"... na ny Baiboly.
28. RKjeanclaude ( 24/03/2017 19:01)

rhaj0:

Akanga aloha RaJeancl..

1- Ny Baiboly dia lazainareo hoe "tenin'Andrmntra". Marina sa tsy marina? (raha diso ny fehezan-teny dia ahitsio azany)

2- Nefa i Joda no niteniteny io ambony io. Toa ny tao @ Salamo koa, dia ry Asaph sy Korah ary Solomon no nihirahira tao. Salamo = psalm = psaume = hirahira

Ka "tenin'Atra" va re ny "fantsin'i Joda" na ny "hiran'i Solomon"???


raha ampitahainao @ kabine prezidensialy ireo, dia TSY tenin'Andrtrmna izany ny fantsin'i Joda" na ny "hiran'i Solomon"... na ny Baiboly.


Raha mahay momban'ny decoupage territorial ianao dia mahay ilay hoe representant de l'etat. Izy ireny dia eken'ny rehetra fa decision de l'Etat no raisiny....sns, koa raha miteny izy ireny na mandray fanampahan-kevitra dia tsy ny amin'ny alalan'ny tenany no hitenenany fa amin'ny anaran'ny fanjakana. Raha miteny any amin'ny fanjakana hafa izy ireny dia tsy manan-kery ny teniny, satria tsy manana role d'ambassade izy ka tsy eken'ny administration sy ny vahoaka any amin'izany fanjakana na firenena izany. Toy izany koa izy ireny, ny Apostoly iraky ny Tompo dia eken'ny ao amin'ny fanjakan'i Kristy ho representant-ny, izany ao ivelany dia tsy hanaiky azy ireny na oviana na oviana.
29. rhaj0 ( 26/03/2017 21:15)
RKjeanclaude:
.. koa raha miteny izy ireny na mandray fanampahan-kevitra dia tsy ny amin'ny alalan'ny tenany no hitenenany fa amin'ny anaran'ny ...

RAha ny fahazoako azy izany, raha mihirahira izany ry Solomon ao @ Psaumes, na miteniteny i Joda, na mamariparitra i Paoly, dia ... ka izy rehetra ireo dia ao anaty Baiboly, izay "tenin'Andrmntra", dia ... i Andmntra hono izany, hozy RKjeanclaude, no MITENY à travers-n'ireo.

izay ilay izy izany?
30. joshhawleyloanfirm ( 06/10/2017 16:16)
Salama,
Izaho no Mesia Josh Hawley, mpampindram-bola manokana iray izay manome trosa fanararaotana fiainana ho an'ny olona, fikambanana, fikambanana, sns amin'ny 2% tahan'ny zanabola raha tsy misy fiantohana .... Mila vola avy hatrany ve ianao handoa ny trosanao na Mila trosa hanatsarana ny orinasa ve ianao? Nolavin'ny banky sy ny andrim-panjakana hafa ianao? Mila fividianana fanamafisana na fananana antoka ve ianao? Ny zava-mampahory anao dia efa tapitra satria eto izahay mba hametraka ny olana ara-bola rehetra anananareo amin'ny lasa.
Mifandraisa aminay amin'ny mailaka amin'ny (Joshhawleyloanfirm@gmail.com) ho an'ny antsipiriany bebe kokoa.

Momba!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4348