Ranomaso - Dinika forum.serasera.org
You are here: home > Forum

Ranomaso

Lohahevitra : Fitiavana
Fitohizan'ny hafatra : Ranomaso
Valiny : 6
jayil12 - 16/03/2017 10:44
Ahoana ny hevitrareo momba ity teny iray ity?
"Mariky ny fitiavana lalim-paka ny lehilahy iray ny ranomasony mirotsaka manoloana ny fisarahana @olo-tiana..."
Misy vehivavy mahatsapa an'izany ve ato?
Valio | Miverina eny ambony
SAHIA - 17/03/2017 12:51
manetsi-keloka fotsiny ireny f tandremo ry zavavy isany an, samy hafa izany setroka sy ny tomany izany mantsy!
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 17/03/2017 15:45
mety mba tena ny tao am-pony lalina kosa iny eee... Fa marina fa misy koa no "manipulatif".. Hoe ilay manome voninkazo ireny koa ohatra? tandremo fa tena nisy ota-fady nataony tany
Valio | Miverina eny ambony
eliot1032 - 25/03/2017 11:14
Fa nahaoan kosa ary no dia asiana hevitra ambadika foana,. Mety hoe tena tsotra izy.Anisan'ny tranga mety misy izany
Valio | Miverina eny ambony
ajnal - 25/05/2017 12:34
2 cas possible io ry reto a
=> na iz manafina ny ataony ka manajamb anao am ranomasony (fifonana ho an'ny lhl)
=> na iz ten mamborak izay ao ampony marina
>>anjaranao ny mandinik ny fihetsin f samy hafa ny setroka&tomany
Valio | Miverina eny ambony
Dreamlover14 - 15/07/2017 22:19
Za tena efa nirotsa-dranomaso t@ nisaraka t@ sipako an. Ny tena marina za nanambady aman-janaka fa izy fille mère ary niaraka volana maromaro. Noho ny antony maro dia nisy ady teo aminay, moa efa fantatra fa tsy hiaraka mandra-maty izahay dia izy no nangataka tsodrano tamiko hiala satria tsy misy avenir ny fiarahanay, moa izy koa tsy tia raha hisaraka amin'ny vadiko aho ary izaho mazava ho azy tsy nikasa hisaraka t@ vadiko.

tsoriko fa tena tsy zakako ilay fisarahana ka nahatonga ahy nanana comportement hafahafa mihitsy. Nisy fotoana aho efa saika vaky vava niteny t@ vadiko hoe malahelo aho fa nanana liaison extra kanefa tena tsy foiko ilay olona moa izy koa (ny vadiko) tsy foiko koa.

Hatr@ zao tsoriko fa mbola mitempo fitiavana an'io sipa io aho taona maro taty aoriana na dia efa niverina niaraka t@ ilay rain-janany aza izy ary efa niteraka ny zanany faharoa ihany koa.

Mety misy ny ranomasom-boay, mety misy ny setroka fa tena misy ny fitiavana
Valio | Miverina eny ambony
Aandrianina1 - 14/05/2018 07:32
Oaiiiiy, za, za miresaka aminareo zao, tena mirotsaka ho azy izany ny ranomaso, eny rehtra eny, n'inon'inon ataoko, tsy tanako ranomasoko.
Ny foko tena ory dia ory,
Marika lehibe io ranomaso io ze no azo ambara
Valio | Miverina eny ambony