IZA ILAY ANARANA TOKANA AN'ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA?

21. endriny ( 21/03/2017 05:03)
Ary maninona raha ny anarany hoe Ben Yosef no iantsoana azy
22. RA TAN ( 21/03/2017 07:02)
Rehefa miantso an'izay Ray niteraka azy ny zanaka dia "DADA" no ilazany azy na dia manana ny "nom propre-ny" aza io Rainy io.
23. RBNIR ( 21/03/2017 08:36)
RA TAN:

Rehefa miantso an'izay Ray niteraka azy ny zanaka dia "DADA" no ilazany azy na dia manana ny "nom propre-ny" aza io Rainy io.

Otran'ny tsy d'accord amin'ilay YAHOSHUAH aho satria tsy oficielle any amin'ny israelianina ilay izy.....
Donc, ny fandraisakoa azy dia mety ho noforonin'ingahy Samuelson Edouard manokana io anarana io????

Afaka manao recherche isika fa tena tsy mahita an'io mihitsy aho aloha hatreto.....

http://lmgtfy.com/?q=quel+est+le+v%C3%A9ritable+nom+h%C3%A9breux+de+j%C3%A9sus%3F
24. endriny ( 21/03/2017 13:22)

RA TAN:




YESHUA BEN YOSEF no izy ry namana a, andao antsoina hoe BEN fa izay no mba haingakaingana kokoa

Fa ilay faniratsiranao ilay Atra amin'ny fanafohezana hoe ATRA mba ahoana?

Ny olona rehefa misondro-boninahitra dia antsoina amin'ny tena anarany RAKOTO-RATSIMAMANGA fa tsy Albert intsony. Ny anao indray ity ilay ATRA, sady efa vizambazimbaina ny fanoratana azy no mbola anarana iombonana no iantsoanao azy
25. RA TAN ( 22/03/2017 05:15)
YAHOSHUAH no Izy, fa tsy YESHUA.
Fa ny anaran'A/tra Ray mantsy dia "YAH", ary ny dikan'ny MPAMONJY dia HOSHUAH.
Donc, YAH HOSHUAH => YAHOSHUAH
26. endriny ( 22/03/2017 06:00)
Efa I BEN izao no iantsoako azy ka. Sady io mba akaikin'i RBeNIR koa.
27. RA TAN ( 22/03/2017 06:23)
manana ny anarany A/tra Ray, fa izay zanany dia miantso Azy hoe fotsiny "Ray" dia ampy izay. Na ny olombelona aza mba manao an'izany: rehefa miantso ny dadany izy dia ataony hoe "dada, papa, baba, ..." nefa io dadany io manana ny anarany
28. endriny ( 22/03/2017 06:28)
Aza fady manonona anaran'olomanga fa I Tompokolahy Albert Rakoto Ratsimamanga aza antsoina amin'ny anaram-boninahiny hoe Profesora Rakoto Ratsimamanga.

Ny an'i RA TAN anefa ity ilay A/TRA efa zimbazimbaina amin'ny fanafohezana ny fiantsoana azy no mbola vingavingaina amin'ny anarana iombonana ihany ilay izy.

Ho avy eo ny anjely sy ny sabatra fa ataovy eo ihany
29. RA TAN ( 23/03/2017 12:19)
"ASA,4:12 Fa tsy misy famonjena amin'ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena."

Tena mazava be io soratra masina io fa TOKANA ILAY ANARANA AHAZOANA FAMONJENA.
Ny devoly no mitady hevitra foana hanoherana an'io soratra masina io. Dia maka ny toeran'ny devoly.

NB: Resaka "nom propre" no resahantsika eto, fa tsy zava-kafa
30. rhaj0 ( 23/03/2017 12:39)
Koa na ny fampiasanao ny teny hoe "Andriamanitra" azany re ry Ra TAN...

Dia miray feo @ Endriny aho hoe, ataovy eo foana moa ry Ra TAN, fa tena ho velezin'ny Anjely eo ianao an... (raha misy ny Anjely)

Andriamanitra dia teny gasy, manondro ilay Andriana "manitra", izay manitra "moral" (dieu moral). i Andriananahary no "nahary" na "namorona" (dieu createur).

koa dia torohevitro aminao RA TAN, aza antsointsoina @ izany Andriamanitra Andriamanitra izany ... ilaihaka iny ee...
31. RA TAN ( 23/03/2017 17:49)


"ASA,4:12 Fa tsy misy famonjena amin'ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena."

Tena mazava be io soratra masina io fa TOKANA ILAY ANARANA AHAZOANA FAMONJENA.

Ny devoly no mitady hevitra foana hanoherana an'io soratra masina io. Dia aza maka ny toeran'ny devoly.

NB: Resaka "nom propre" no resahantsika eto, fa tsy zava-kafa. Ny hoe "A/TRA" dia nom commun; mitovy @ hoe: OLONA, TRANO, HAZO, ...
Fa ra ny teny hoe "A/TRA" indray no olana aminao, dia olana aminao koa izany ny "nom commun" hoe OLONA, TRANO, ....
Lasa manavendrana ny tenanao ianao raha manao an'izany, satria na ny classe de 9eme aza dia efa mahay fa "ny anaran-tsamirery" ihany no tsy zao adika @ tenimpirenena maro, fa tsy ny anarana iombonana

32. RA TAN ( 23/03/2017 17:51)

RA TAN:

"ASA,4:12 Fa tsy misy famonjena amin'ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena."

Tena mazava be io soratra masina io fa TOKANA ILAY ANARANA AHAZOANA FAMONJENA.
Ny devoly no mitady hevitra foana hanoherana an'io soratra masina io. Dia maka ny toeran'ny devoly.

NB: Resaka "nom propre" no resahantsika eto, fa tsy zava-kafa
33. RA TAN ( 25/03/2017 07:50)
YAHOSHUAH tafaverina indray. Tena zara aza fantatra ny marina. TENA MAHAFINARITRA E!

https://www.youtube.com/watch?v=bdtbBgXu8sk
34. RA TAN ( 25/03/2017 10:25)
"JAONA,17:11 Ray masina o, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao ahy".

Ny anaran'A/tra Ray anefa dia "YAH"(Hal Eloy Yah = Voninahitra ho an'A/tra YAH).

"MAT,1:21 ...ary ny anarany atao hoe YAH no MPAMONJY (YAH no HOSHUAH).

=> YAHOSHUAH irery no mahafeno an'ireo fepetra ireo.

Fa rehe hilaza ianareo hoe YESHUA, dia aiza @ io YESHUA io ary ilay anaran'A/tra Ray? tsy misy.

Donc, YAHOSHUAH no Izy fa tsy YESHUA, .....
35. stahtam ( 27/03/2017 05:42)

[quote=RA TAN]
YAHOSHUAH tafaverina indray. Tena zara aza fantatra ny marina. TENA MAHAFINARITRA E!

https://www.youtube.com/watch?v=bdtbBgXu8sk
[quote=stahtam]
Ilay Yahoshuah NAHARY ny lanitra sy ny tany ve ity tafaverina ity indray? Sa ilay Jesosy (sampy grika) nandrava didy folo t@ 1996? Fa niverina avy aiza? ianareo izany no nitsena azy ?
"TENA MAHAFINARITRA E!" :Ary tena mba mahafinaritra anareo izany ilay mandainga an?
36. RA TAN ( 29/03/2017 12:04)

stahtam:

Ilay Yahoshuah NAHARY ny lanitra sy ny tany ve ity tafaverina ity indray? Sa ilay Jesosy (sampy grika) nandrava didy folo t@ 1996? Fa niverina avy aiza? ianareo izany no nitsena azy ?
"TENA MAHAFINARITRA E!" :Ary tena mba mahafinaritra anareo izany ilay mandainga an?


VALINY:
Rehefa tafaverina YAHOSHUAH dia mipoitra koa ny fahavalony. Ny jiosy mpitandrina didy folo no fahavalony tao Israel, fa ankehitriny i stahtam (jiosy gasy: sinagogan'ny satana) no misolotena ny devoly manohitra an'i Yahoshuah eto M/car. Dia miverina ny tantara taloha.
Fa tena nahavita tokoa ianareo ry devoly hatrizay 2000taona izay, fa ankehitriny kosa tsy mahavita na inona na inona eo intsony nareo! REVANCHE ITY: "efa eto izahay izao" ary efa mandeha tsara ny teny; tsy azo sakanana!
37. stahtam ( 31/03/2017 07:45)
stahtam ho an'i RA TAN/
1- "Rehefa tafaverina YAHOSHUAH dia mipoitra koa ny fahavalony"
Mazava be araka ny resako hatr@ izay ka! LAINGA VE TSY HOTOHERINA? Sa ny anareo ny lainga ampiroboroboana haniry tsara? ohatra: mesia zanaky ny fanahy sady zanak'i David araka ny nofo, nahary ny lanitra sy ny tany. Ka fahavalon'io Yahoshuah io mihitsy aho raha ireny définition nomenareo ireny no lazainareo fa marina ka! OK
2- "fa ankehitriny i stahtam... manohitra an'i Yahoshuah eto M/car. Dia miverina ny tantara taloha."
Mihomehy kely e! Olona iray (sady sarimbavy hoy ianareo) nefa mahavita manohitra an'i Yahoshuah eto M/car sady mampiverina ny tantara taloha. Mirediredy!!
3- "REVANCHE" ity!! ...mandeha tsara ny teny; tsy azo sakanana!
Hô! hô! hô. Sao dia variana ka tsy mandinika baiboly ianao ity: matoa nisy mpandainga tonga tany @ helo dia TSY VOASAKANA izy izany t@ fanaovany ny asany teto M/car. Ka inona no tokony hahataitra @ izany?
4- "fa ankehitriny i stahtam jiosy gasy... no misolotena ny devoly "
Ny hoe juif allemand dia jiosy metisy allemand, toa izany koa ny jiosy rosiana na jiosy amerikana. Ka ity jiosy gasy ity dia revirevy vaovao mba noforonin'i RA TAN indray rehefa tsy nahita mangirana t@ ilay anaran'ny mesia-ko izy. Gasy ray sy reny aho fa tsy metisy jiosy, fa efa hita fa tena vava zatra mandainga tokoa ka tsy afa-mitsahatra intsony milaza antsanga tsy aman'orana.
5- "sinagogan'ny satana"
Itony izany no hoe vokatr'ilay saina tsy dia ampy fandinihana loatra e! Miteny ilay mpampianatra dia manaraka avokoa ny boloky rehetra, rehefa midona @ poteau anefa avy eo nony hita ny maha-abobo azy dia mitady verset hafa hitsoahana indray, ohatra Eks 12/12 dia mody miala mankany @ Deo 30 indray.
Diniho fotsiny izao: nahoana no nisy olona mitondra (na te-hitondra) fivavahana nefa nisandoka ho jiosy mihitsy izy vao sahy nanao izany? Satria tsy mety sandohana ilay fahefana nomena ny jiosy eo @ fitorian-teny. Azo inoana mantsy fa raha i episcopo na i RA TAN izay gasy no nitory t@ ireo fiangonana taloha ireo dia tsy ho nasian'izy ireo sira akory satria mitonatonana, fa tsy maintsy misandoka jiosy aloha mba tsy hampiahiahy ny olona.
38. RA TAN ( 08/05/2017 08:19)
RBNIR:

Otran'ny tsy d'accord amin'ilay YAHOSHUAH aho satria tsy oficielle any amin'ny israelianina ilay izy.....
Donc, ny fandraisakoa azy dia mety ho noforonin'ingahy Samuelson Edouard manokana io anarana io????



Valiny:
Raha ny @ filazantsara dia FAHAVALOn'A/tra ny Israeliana na ny Jiosy (ROM,11:28).

Porofon'izany vakio ny ASA,4:17-18 & 1TES,2:14-16.
***ASA,4: 17fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka kosa, ndeha horahonantsika izy, mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.
18Dia nantsoiny izy ireo ka noraràny mafy mba tsy hiteny sy tsy hampianatra amin'ny anaran'i Yahoshuah intsony.***

Donc, TSY NY ISRAELIANA IZAY FAHAVALON'A/TRA MIHINTSY NO HANAIKY NY ANARAN'I YAHOSHUAH, FA IREO AZA NO LOHALAHARANA NAMOTIKA AN'IO ANARANA IO.

39. RBNIR ( 08/05/2017 09:57)
1 tsy hoe rehefa norarana izireo dia nangina...« Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony. » (Asan'ny Apostoly 4:18)
« Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 4:19)

Noho izany tsy nahomby ilay tetika fandrarana...

2 tsy hoe teo amin'ny tanin'ny Jiosy ihany no nasaina entin'ireo apostoly ilay Anarana fa nisy olona nofidina manokana hitondra ILAY ANARANA ho any amin'ireo Jentilisa (izay tsy voafehin'ny lalàna Jiosy velively)....« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asan'ny Apostoly 9:15)

Araka ireo antony 2 ireo dia tsy nahomby ny tekik'ireo "olom-bitsy" tsy hielezan'ilay Anarana...
40. RA TAN ( 08/05/2017 12:44)
RBNIR:

1 tsy hoe rehefa norarana izireo dia nangina...« Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony. » (Asan'ny Apostoly 4:18)
« Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 4:19)

Noho izany tsy nahomby ilay tetika fandrarana...

2 tsy hoe teo amin'ny tanin'ny Jiosy ihany no nasaina entin'ireo apostoly ilay Anarana fa nisy olona nofidina manokana hitondra ILAY ANARANA ho any amin'ireo Jentilisa (izay tsy voafehin'ny lalàna Jiosy velively)....« Fa ho ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asan'ny Apostoly 9:15)

....




Valiny:
1) Iza io JESOSY teneninao io???
Io JESOSY io ve dia anarana jiosy???
Valio ireo fanontaniako ireo!
Fa ra anarana jiosy io JESOSY teneninao io dia marina ireo teninao ireo.

2) "Tsy voafehin'ny lalàna jiosy" hoy ianao ilay olona voairaka hitory ilay anarana any @ jentilisa: izany hoe tsy fehezin'ny didy folo.
Niaiky ianao eto fa tsy mila D10 ny olon'A/tra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1253