iza no efa nanangan-jaza fa tsy afaka niteraka?

1. famenohasambarana ( 14/03/2017 13:13)
Mba mangataka fijoroana vavolombelona na toro-hevitra mahakasika ny fanangan-jaza fa efa nitsabo tena fa tsy misy hevitra intsony hoy ny dokotera fa fananganan-jaza sisa no làlana ahazoana zaza.Mankasitraka izay mamaly tompoko.
novalian'i ilafy ny 10/09/2017 08:27
2. diasa ( 14/03/2017 17:35)

famenohasambarana:

Mba mangataka fijoroana vavolombelona na toro-hevitra mahakasika ny fanangan-jaza fa efa nitsabo tena fa tsy misy hevitra intsony hoy ny dokotera fa fananganan-jaza sisa no làlana ahazoana zaza.Mankasitraka izay mamaly tompoko.

miarahaba anao!
misy zazalahy kely zay any @ faritra antsirabe,fialana nenina hoan'zay tsy mety manan-janaka fa misy namako zay efa tany de nahazo zaza,teraka soa aman-tsara,asa mba efa nandehananao izany,misaotra tompoko
3. famenohasambarana ( 15/03/2017 08:13)
misaotra betsaka namaly ,efa henoko mihitsy ny fisian'ilay zazalahy any antsirabe fa mbola tsy tany aho,ny olana mantsy dia vao haingana zaho no nodidina dia hita fa efa tena ratsy be mihitsy ny trompes roa satria efa feno nana sady efa miraikitra be daholo ny taova rehetra.
Izay no nilazan'ny dokotera fa na fécondation in vitro izay mila vola 60 millions mandritra ny cycles telo farafahakeliny vao mety hi-réussir raha hi-réussir na adoption.
Raha hanandrana hametraka zaza mantsy dia tsy maintsy misy risque GEU sady izahay tsy manam-bola anaovana ilay FIV.
Ny olana koa dia tsy mahafantatra akany na toerana ahafahana manontany renseignements.
Mamerina ny fisaorana anao namaly sady mirary soa bdb.
4. njiva77 ( 30/03/2017 08:17)
ts aiku lu an! f zn impo6bl zn mnts nu devient po6bl rh minu enw! mbl grav nuh zn az nenul sasan f mterak ian nfaran e!
za ts mten we ts mvavk enw an!enw ar zao nu met ten mvavk!
=> manultena d mvavk b2 ku2 f mis zvtr zn f ts norm e!sad ng mu zn nu nanwvan'A/tra anw e! ts mtor ten wa f mb mten. mrar su tmpk d thTompo o
5. booboo ( 03/04/2017 10:17)
pwaf ! ( rahoviana moa pentekôsta fa tena tsisy azoko ilay bla² n'i njiva77...)
6. famenohasambarana ( 04/04/2017 06:15)

njiva77:

ts aiku lu an! f zn impo6bl zn mnts nu devient po6bl rh minu enw! mbl grav nuh zn az nenul sasan f mterak ian nfaran e!
za ts mten we ts mvavk enw an!enw ar zao nu met ten mvavk!
=> manultena d mvavk b2 ku2 f mis zvtr zn f ts norm e!sad ng mu zn nu nanwvan'A/tra anw e! ts mtor ten wa f mb mten. mrar su tmpk d thTompo o

Bjr Njiva 77,misaotra betsaka namaly sy nirary soa,tena mino an'Atra ary tena mivavaka,mangataka sy mitalaho aminy fa mba te ho reny nefa tsy sanatria hanome tsiny azy raha tsy tanteraka izany fa izay zany no sitrapony sy hitany fa mahasoa.
Ny mahatonga anay mitady zaza ho atsangana dia tsy manana fahefana ara-bola ahafahana manatanteraka in vitro nefa manana fitiavana bdb afaka omena zaza izahay mivady ary mampalahelo oe misy zaza ihany koa any ho any tsy misy mpiahy mila fitiavan-dray amandreny.
Mirary soa bdb
7. ilafy ( 10/09/2017 08:27)
ianareo mivady ange tokony nanao "visite prenuptiale" vao nivady e dia zao ny vokany fanaganan-jaza alohao raha amiko tsy dia mety e fa asa aloha e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763