Andro Iraisam-Pirenenea Ho An'Ny Vehivavy

1. rhaj0 ( 08/03/2017 12:21)
Ny fetin'ny Vehivavy dia ny mba hiadiana ho an'ny ZO-ny. Na hatrany @ tany mandroso azany, dia tena mbola tsy mitovy Zo @ lehilahy ny vehivavy.

Izany no misy dia satria... ilay "tradition chretienne", na aleo dia tsorina, ny ao anaty Baiboly (izay nitompoan'ny sosaity teo), na akoriny azany, ny foto-kevitra lalina ifotoran'ny Christianisme no rangory fototry ny afo.

Dia jereo fa betsaka ny toko aman'andininy ao @ Baiboly ao mandray ny vehivavy ho toa ny zazakely.. na akory azany, ho toa ny tsinontsinona..

Ny "lhl no lohan'ny vhv" eee... Ny vhv TSY mahazo miteny ao am-piangonana eee... Izany manginy fotsiny, fa ny tena goavana, dia hoe, "hadisoan'ny vhv", i Eva io, no nahavoaroaka an-draolona tao Paradisa eee...


Ka mba mankalaza an'io Andro Malaza io ve ... ny Papa, na ry Mopera Pasitera, na koa ry Mailhol sy Herinirna?..
2. endriny ( 08/03/2017 14:32)
Ary inona tokoa moa izany no nanondranana an'ir Adama sy Eva avy any am-paradisa nanketo an-tany? Nandeha tongotra ve ry zareo, sa raoplanina, sa sambo fiara. Tao tsy mba voalaza mantsy fa ohatran'ny voaraoka tao Edena hono e. Ohatran'ny nofisiko eto e: "misy vavahady nisokatra dia nivoaka teo amin'ilay vavahady, tonga dia eto an-tany"

Ka raha izany dia tokotanin'ny paradisa izany ny tany
3. RBNIR ( 08/03/2017 15:14)

endriny:

Ary inona tokoa moa izany no nanondranana an'ir Adama sy Eva avy any am-paradisa nanketo an-tany?

« Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; » (Genesisy 3:22)
« ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy. » (Genesisy 3:23)
« Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina. » (Genesisy 3:24)
4. rhaj0 ( 08/03/2017 19:38)
esy e ry RBNIR.. Ny tianao tondroina ve izany, dia eto an-tany ihany kay ny paradisa (saha eden) eee....

Dia cherubin no miambina azy ao, mba tsy hidirantsika any indray?
5. RBNIR ( 09/03/2017 05:58)
rhaj0:

esy e ry RBNIR.. Ny tianao tondroina ve izany, dia eto an-tany ihany kay ny paradisa (saha eden) eee....Dia cherubin no miambina azy ao, mba tsy hidirantsika any indray?


Fanitsiana izay diso hoy aho rhajo a! isika ange tsy voaroaka avy tany paradisa fa voaraoka avy tao edena e!!!
6. endriny ( 09/03/2017 07:53)
Fa taiza moa izany no nisy an'io Edena io e?

Ary ireto biby miara miaina amintsika ireto koa voaroaka avy tany?

Dia nandeha tongotra sa ahoana?
7. irakiraka ( 09/03/2017 08:02)
Isika moa ato anatin'ny lohahevitra finoana. Mampahery ny rahavavy namana @ alalan'ireto vehivavy vitsivitsy tao anatin'ny baiboly:

- Rahaba janga (Josoa2): Vehivavy janga fa nisafidy ho mpiara-dia t@ ireo olon'Dieu. Vokany: rehefa tonga ny fanafihana ny tanàn'ny Jeriko dia navahana Rahaba sy ny ankohonany, tsy naringana. Na manao ahoana ny fitondra-tena, ny toe-panahy; @ fotoana izay hanapahina hevitra hanolo-tena ho an'i Jesosy, sy hijoro tsara dia ny Tompo manafaka.

- Estera (Estera2): Vehivavy hafa firenena, kamboty ray sy reny, nanana fahendrena sy natahotra an'Andriamanitra. Vokany: nahita fitia sy sitraka teo imason'ny mpanjaka mihoatra noho ireo virjina rehetra. Ny Tompo manao lalàna mitondra fiadanana. Rehefa mino Azy, Izy mamonjy, manandratra ho any @ avo.

- Vehivavy narary nanam-pinoana an'i Jesosy (Matio9:20): Narary nandritry ny 12taona. Hoy Izy anankampony ( rehefa nandalo Jesosy): na dia ny lambany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho."
"Fa raha tsy @ finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; Fa izay manantona an'Dieu dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady azy" Heb 11:6

- Vehivavy samaritana (Jao 4): Rehefa tafaresaka t@ Jesosy izy, ka fantany fa Jesosy Ilay Zanak'Dieu dia nandao ny sininy izy ka lasa nanambara ny tao an-tanana ny @Jesosy.
Tsy tonga hiantso ny marina tokoa Jesosy fa ny mpanota mba hibebaka. Na dia nisy solafaka aza ny fiainanao, tsy manameloka anao JEsosy raha manantona azy ianao.
Ary rehefa nandray enao, dia ambarao @ manodidina koa fa izay tsara noraisinao t@ JEsosy dia afaka ny handray ihany koa izy raha mino.




8. endriny ( 09/03/2017 08:20)
Marina ve izany ry Irakiraka. Tsy manameloka tokoa ve Jesosy?

Fa angaha tsy hoe efa voaisa ny isan'ny olona ho any am-paradisa ary tery ny lalana mankany. Ka ny ankamaroan'ny olona helohina any amin'ny genafo daholo?

Tena tsy manameloka tokoa ve Jesosy dia inona izany no mbola ilazana ny fahotana tamin'ny fototra hoe lovain'ny taranaka aman-jafy? Sa ny fiangonana kosa no manao izay atahoran'ny olona mba ahazoana manjono azy amin'ny kankana?
9. irakiraka ( 09/03/2017 09:14)
Mbola fotoana famindram-po zao fa tsy fanamelohana ka. Tsy manameloka Jesosy raha izao mbola velon'aina izao no manantona azy.

Fa raha tonga kosa ireto fotoana ireto dia izay ilay hoe tara loatra e:
1/ Raha ny fahafatesana no sanatria tonga aloha, izany hoe maty tsy manana an'i Jesosy, dia ho raisin'ny satana an-tanandroa ary tsy ho avelany mandrakizay fa dia fahaverezana sy fijaliana mandrakizay any @ helo. Tsarovy fa na dia naka ny "parti"n'i satana aza fony fahavelona, aza manantena fitiavana avy any aminy fa voamaika latsainy. Raha misy halany nge dia isika olombelona, na iza na iza, na tsy an'i Jesosy (indrindra moa fa an'i Jesosy)
2/Raha Jesosy tonga eny @ rahon'ny lanitra no tonga aloha ...

Izay no mahatonga an'i Jesosy hoe ambarao ny filazan-tsara fa tsy tiany hisy ho very na dia iray aza. Raha mino ny filazan-tsara ianao dia ho vonjena.
Ny filazan-tsara dia ilay Jesosy nanao sorona ny ainy (nanatanteraka ilay Tenin'Andriamanitra hoe raha tsy misy rà latsaka tsy misy famelan-keloka), ary natsangana t@maty t@ andro fahatelo. Izay no mahatonga ilay hoe efa vitan'i Jesosy ny famonjena. Efa vitany fa matoa enao tsy nandray dia enao no MISAFIDY ny tsy hino, misafidy ny tsy hanolo-tena.

"Ary izao no fanamelohana, fa tonga @ izao tontolo izao ny mazava, nefa alaon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava..." Jao 3:19

Tery ny lalana mankany = ilazana hoe misy zavatra tsy maintsy esorina eny aminao ahafahanao mandova ny lanitra. Ohatra hoe tsy famelan-keloka ohatra, tsy moramora nge zany mamela heloka raha amintsika olombelona. Ny fiainanao dia mila manaraka ny sitra-pon'Andriamanitra. Ny baiboly no référence.
Malalaka ny lalana mankany @ fahaverezana = ilazana hoe tsy misy bedy, afaka atao daholo. Afaka mody hoe manompo an'Dieu nefa sady manompo sampy, afaka manao ze tiana ee.


10. lahindroy ( 10/03/2017 16:56)

irakiraka:

Isika moa ato anatin'ny lohahevitra finoana. Mampahery ny rahavavy namana @ alalan'ireto vehivavy vitsivitsy tao anatin'ny baiboly:

- Rahaba janga (Josoa2): Vehivavy janga fa nisafidy ho mpiara-dia t@ ireo olon'Dieu. Vokany: rehefa tonga ny fanafihana ny tanàn'ny Jeriko dia navahana Rahaba sy ny ankohonany, tsy naringana. Na manao ahoana ny fitondra-tena, ny toe-panahy; @ fotoana izay hanapahina hevitra hanolo-tena ho an'i Jesosy, sy hijoro tsara dia ny Tompo manafaka.

- Estera (Estera2): Vehivavy hafa firenena, kamboty ray sy reny, nanana fahendrena sy natahotra an'Andriamanitra. Vokany: nahita fitia sy sitraka teo imason'ny mpanjaka mihoatra noho ireo virjina rehetra. Ny Tompo manao lalàna mitondra fiadanana. Rehefa mino Azy, Izy mamonjy, manandratra ho any @ avo.

- Vehivavy narary nanam-pinoana an'i Jesosy (Matio9:20): Narary nandritry ny 12taona. Hoy Izy anankampony ( rehefa nandalo Jesosy): na dia ny lambany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho."
"Fa raha tsy @ finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; Fa izay manantona an'Dieu dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady azy" Heb 11:6

- Vehivavy samaritana (Jao 4): Rehefa tafaresaka t@ Jesosy izy, ka fantany fa Jesosy Ilay Zanak'Dieu dia nandao ny sininy izy ka lasa nanambara ny tao an-tanana ny @Jesosy.
Tsy tonga hiantso ny marina tokoa Jesosy fa ny mpanota mba hibebaka. Na dia nisy solafaka aza ny fiainanao, tsy manameloka anao JEsosy raha manantona azy ianao.
Ary rehefa nandray enao, dia ambarao @ manodidina koa fa izay tsara noraisinao t@ JEsosy dia afaka ny handray ihany koa izy raha mino.

salama jiaby
mety azo fantarina ve firy eo no isan'ny vehivavy manana sy nomena andraikitra lehibe ao anatin'ny baiboly ary firy kosa ny lehilahy ?





11. rhaj0 ( 12/03/2017 13:01)
Hotry ny hoe, dia ampitovian'ny olombe nanoratra Baiboly, ampitoviany trousse @ inona kosa ho'a ireo vehivavy deraderain'i Irakiraka eee...

Izany no mahatonga lava ny fanontanaiana, toa io lazain'i Lahindroy io, hoe.. "inona no toeran'ny vehivavy" @ kristianisma?
12. RBNIR ( 12/03/2017 20:16)
endriny:

Fa taiza moa izany no nisy an'io Edena io e?

Ary ireto biby miara miaina amintsika ireto koa voaroaka avy tany?

Dia nandeha tongotra sa ahoana?

Saha ilay edena = faritra kely dia kely teto ambonin'ny tany,

Ho aiza moa ireo biby fa tsy hijanona eto an-tany ihany? ilay saha kely fotsiny no tsy afaka hidirana intsony.....
13. irakiraka ( 13/03/2017 08:24)
Tsy ilay karazana vehivavy fa I Jesosy no deraina tao anatin'ilay fampaherezana ka. Hoe na manao aona fiainan'ireo vehivavy ireo, rehefa miaraka @ Jesosy dia Izy manafaka, manandratra, mampandresy @ ady sarotra...
Ny vaha olana avy @ namana na fianakaviana tsy maharitra. Jesosy no afaka manome fitiavana mandrakizay, manome fiainana be dia be, manome tolo-tsaina mahagaga, manokatra lalana...
O taste and see that the Lord is good (Psalm 34:8)
14. rhaj0 ( 13/03/2017 14:02)
irakiraka:
Jesosy no afaka manome fitiavana mandrakizay...

Raha "mandrakizay" ny fitiavaNY, dia ... avotra daholo daholo ny rehetra.

Saingy indrisy, TSY "mandrakizay" ny FitiavaNY, fa "misy fetrany", hany ka ny ankoatry ny 144.000 dia TSY mba hitoetra hiaraka Aminy.

Ka ianao ve anisan'ilay 144.000?
Sa resabe indray (koa) io 144.000 io?
15. endriny ( 13/03/2017 14:48)

RBNIR:

Saha ilay edena = faritra kely dia kely teto ambonin'ny tany,
ilay saha kely fotsiny no tsy afaka hidirana intsony.....


Ity laingabe an'ity RBNIR, marina na ny zazakely eny amin'ny EPP aza tsy ho variana amin'ity valiteny ity.

Dia edena izany ny tany? Ka nahoana no nazeran'Atra eto an-tany I Satana fa tsy tany amin'ny "troue noire du soleil" raha Edena ny tany?
16. RKjeanclaude ( 13/03/2017 19:41)

rhaj0:

irakiraka:
Jesosy no afaka manome fitiavana mandrakizay...

Raha "mandrakizay" ny fitiavaNY, dia ... avotra daholo daholo ny rehetra.

Saingy indrisy, TSY "mandrakizay" ny FitiavaNY, fa "misy fetrany", hany ka ny ankoatry ny 144.000 dia TSY mba hitoetra hiaraka Aminy.

Ka ianao ve anisan'ilay 144.000?
Sa resabe indray (koa) io 144.000 io?
mandrakizay ny fitiavany ka. 1)diniho tsara misy eo ambanin'izay 144.000 hoe " nisy olona betsaka....avy ..".
2)tsy misy fetra fa ny fotoana handraisana azy no misy fetra. eritrereto hoe misy lavaka lehibe iray misy ny zanak'olombelona, misy rano miakatra tsikelikely mandifotra azy, misy Mpamonjy 1 mandatsaka tady hisintonany izay mandray iny noho ny fitiavany hofamonjena. ny maty tsy mandray iny dia maty ao. ary ny velona tsy mandray iny ho difotravao. na dia MANDRAKIZAY aza ny fitiavany, tsy manery izy.
17. irakiraka ( 14/03/2017 05:50)
"Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao" Jer31:3

Masina izany lanitra izany. Masina Andriamanitra. Ary izay voavela heloka sy manadio ny fitafim-panahiny no ho any.

Koa raha maloto enao androany, mbola afaka manantona azy ianao ho sasany.
Efa nalatsany ny ràny fo famelàna ny fahotana. Ny anjarako sy ny anjaranao dia manaiky ho diovina.

Tsaroiko ilay jiolahy 2 niara nahantona t@ Jesosy. Minitra vitsy mialoha ny hafatesan'izy ireo:
Ny iray nanetry tena nanoloana an'i Jesosy, teo ihany dia voavela ny helony. Azony ny lanitra.
Ny iray mbola nizesta..., mbola namingavinga. Tena tian'i Jesosy Izy kanefa tsy afaka ny hanery azy Jesosy. Efa nomena saina izy ahafahany misafidy.

Ny safidy dia atao @ fotoan'andro fahavelomana. Koa mahaiza misafidy ny Fiainana dia ho velona.
18. endriny ( 14/03/2017 10:09)
O ry Irakiraka, fitiavana mandrakizay ve izy sa LOLOMPO mandrakizay e?

Tsy haiko aloha fa ny fantatro dia izay lazaina : "eo anatrehan'Atra Kristianina ny fiangonana, na iza na iza dia mandova ny fahotan'i Adama sy Eva na vao notoritorinina aza"

Dia fitiavana mandrakizay hono?

I Ezekiela sy ny Ntaolo aza anefa mahalala fa ny heloky ny Ray tsy heloky ny zanaka.

Sa dia tsianjery fotsiny ilay fitiavana mandrakizay
19. irakiraka ( 14/03/2017 14:03)
Nisy vhv zay sendra nandalo, (nde mody atao hoe endriny ny anarany) dia mampalahelo ravhv fa tena rotiky ny loto ny akanjony. Dia nisy Lhl iray, izay efa nanaraka an'i Endriny avy ato arina foana. Dia niteny ralehilahy hoe avelao za ry endriny hanampy anao, tsy misy rano any @ iny lalana izoranao iny, lay lalana alehan'ny ra-endriny tokoa moa dia mbola lalana vao mainka mampaloto ilay akanjony ihany. Dia be vava be foana endriny. Dia nitohy nitory fitiavana foana ity Lhl. Izaho mihintsy nge no nanangana ozinina lehibe anankiray "manadio" ny olona eto an-tananareo eto ry endriny e ary any daholo ny olona no manadio ny fitafiany e. Tsy andoavam-bola nge zany ry endriny. Raha manaiky enao dia ho hitanao fa sady hadio enao, no tena hiova ny fiananao iray manontolo.
Mety be amiko zao akanjo maloto zao hoy ihany endriny. Misy lavaka be anie ao aloha ao endriny, enao ty sady tapenanao ny sofinao, akimpinao ny masonao ary sady mihazakazaka enao mankany @ ilay lavaka.
Zay zany mintsy kah.
Dia ny tohin'ilay tantara anjaran'ny endriny no manohy azy: lavaka sa fiainana.
Fa raha ho very any anatin'ilay lavaka endriny dia tena SAFIDINY irery manokana. Ny zava-doza anefa dia rehefa very any dia izay no mandrakizay-nao. Eo ny masonao vao ahita, ny tenanao ahatsapa fa tena may may may mandrakizay, fa tsy misy na inn na inn azo atao anao intsony @ izay fotoana izay.

20. RKjeanclaude ( 14/03/2017 19:28)

endriny:

O ry Irakiraka, fitiavana mandrakizay ve izy sa LOLOMPO mandrakizay e?

Tsy haiko aloha fa ny fantatro dia izay lazaina : "eo anatrehan'Atra Kristianina ny fiangonana, na iza na iza dia mandova ny fahotan'i Adama sy Eva na vao notoritorinina aza"

Dia fitiavana mandrakizay hono?

I Ezekiela sy ny Ntaolo aza anefa mahalala fa ny heloky ny Ray tsy heloky ny zanaka.

Sa dia tsianjery fotsiny ilay fitiavana mandrakizay

azafady endriny. aiza ao anaty baiboly no misy hoe : " mandova fahotanan ny olom-belona" (tsy fanatsafana fa tena fanontaniana). raha ny momba an' i Adama sy Eva, fandovana "safidy" no hitako ao, hahay hifidy ny ratsy sy ny tsara, raha ny Genesisy fa ny boky hafa no tsy tadidiko hoe misy ankoatr'izay ve?
ialana tsiny indrindra raha hanonona anaram-piangonana aho: fampianarana avy amin'ny EKAR ny mandova fahotana.
misaotra tompoko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4388