Andriamanitra iray tokoa ve no ivavahan'ny kristianina sy ny Ombiasa?

21. irakiraka ( 14/03/2017 06:45)
Andriamanitra dia mahita ny ao am-pon'ny olona.
Raha olona hitany fa tena mangetaheta no mamaky ny teniny dia ny Fanahy Masina mihintsy no manokatra ny masom-panahin'izany olona izany mba ahazahoany ny Tenin'Andriamanitra.
Raha olona manenjika an'Andriamanitra no miezaka mamaky eo dia ho very maina satria tsy hatakatra ny hevim-panahy fonosin'ny Tenin'Andriamanitra. Lany andro manao dika vilana.

Ny antony hanompoako an'Andriamanitro velona dia satria tena tia ahy Izy, tena tia ny olombelona rehetra Izy. Na dia tsy mendrika aza ny olona, na dia nanota aza na dia maro ireo fahadalana vita, noho ny fitiavany dia miala nenina mandrakariva Izy, maniraka ny mpanompony mba hitory an'i Jesosy handraisana famonjena, fanafahana, fiadanana. Tsy vitan'izay ihany fa efa manomana ny Fiainana Mandrakizay ho an'ireo ihany koa Izy.

Raha hanompo ihany aho dia aleoko manompo Andriamanitra velona, Andriamanitra fitiavana. Andriamanitra mahefa. Andriamanitra Tsara sy Mpanao ny Tsara. Andriamanitra masina. Andriamanitra saro-piaro ny @ fanahiko, tiany handova ny Tsara ny fanahiko. Tsy nisalasala Izy nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana ny fiainana mandrakizay"

Ho anao izay sendra mamaky izao. Andriamanitra irery ihany hiankohofana raha te ho velona ianao. Ilay Andriamanitra hatrizay hatrizay ary mandrakizay. Ilay Andriamanitra Fitiavana.
Ilay Andriamanitra Mpamorina izao tontolo izao. Andriamanitra manome famonjena @ alalan'i Jesosy Kritsy. Ilay Andriamanitra mbola miasa @ izao ankehitriny izao @alalan'ny Fanahiny Masina.

Araraoty fa mbola afaka manitsy ny lalanao ianao. Mbola afaka mibebaka ianao. Mbola afaka miala @ ratsy fanao ianao.

Fa ho avy ny andro, dia ny andron'ny famaliana satria Andriamanitra tsy mankasitraka fahotana Izy....


22. endriny ( 14/03/2017 10:19)
Fa angaha indray tsy hoe mandrakizay ny fitiavana kanefa hoe tsy mankasitraka fahotana indray izy?

Fa inona marina moa izany no lazaina hoe fahotana ho an'i Irakiraka e?

Dia rehefa tsy manaiky niova Kristianina ve izany dia andefasana miaramila eraopeanina hamono azy?

Fa ilay fivavahana Kristianina ho ahy lasa fampihorohoroana sy fampitahorana Ary famitahan-tena fa tsy fiadanana intsony. Mety hoe ilay mpitondra fotsiny no miadana angamba fa ny ondry tsy maintsy mihinana-bilona foana hamokarana volon'ondry ho volosana ho an'ny tompony
23. endriny ( 15/03/2017 17:30)
Esy aho hoe ry irakirakara
24. rhaj0 ( 16/03/2017 15:13)
irakiraka:
Andriamanitra dia mahita ny ao am-pon'ny olona.

eny ho'a ry Endriny, dia eo izany dia hozy ry Irakiraka, ao am-po tsy miloaka, na akoriny azany, ao @ lamentation-ny ao, ka hoe, "diovy aho", "sasaho aho"... Fa tena mbola TSY mety mamaly mihintsy angamba izany Andriamanitra, fa mbola io mila "diovina sy "sasana" lava io foana i Irakiraka ee.. :-)
25. endriny ( 17/03/2017 13:52)

irakiraka:

Andriamanitra dia mahita ny ao am-pon'ny olona.

Ny antony hanompoako an'Andriamanitro velona dia satria tena tia ahy Izy, tena tia ny olombelona rehetra Izy.


Izany a, ka tsy tokony hisy olona matin'ny kere sy ny pesta intsony izany koa? tokony tsy hisy izany virus mankarary na homamiandana mampijaly izany intsony?
26. lahindroy ( 17/03/2017 19:37)
salama daholo
inona no tena dikan'ilay hoe "... tena tia ny olombelona rehetra Izy." ?
ahoana ny fisehon'izany fitiavan'izany amin'ny fiainanan'ny olombelona tsirairay eto an-tany ?
27. endriny ( 20/03/2017 13:49)
lahindroy:



Ny fahitako ohatran'ny efa tsianjery fotsiny ny ataon'ny olona: "Tiantsika Atra, tia ny olona rehetra izy"

Dia hoy aho mananihany indraindray hoe: "Raha tia antsika izy, maninona no tsy averiny ao amin'ilay
RBNIR:
saha kely tsy azo idirana intsony
(Edena) ny olombelona mba hiadana indray. Fa mety hoe mahafinaritra azy koa ange ny mahita antsika mijaly : "MItrongy vao homana" eto ivelan'ny saha eto e, izay no mba tiany sa ahoana?.
28. RA TAN ( 22/03/2017 05:33)
Ny ahafantarana fa tena marina ny A/tra miaraka aminy dia TSY MPANOTA intsony izy, fa tena afa-pahotana.
Izao tontolo izao anefa mbola samy milaza fa mpanota daol na dia mivavaka aza.
Iza izany ireny ivavahan'izao tontolo izao ireny??
Anjaranao ny mieritreritra.
29. endriny ( 22/03/2017 05:52)
RA TAN a

Ho anao sy ny fiangonanao: "Fahotana ve ny mamono olona sa tsia?"

Ka nahoana no aorinao eo ambony fanaovana sorona zanaka lahitokan'olona ny fahamasinan'ny fiangonanao?

Dia ianao indray no milaza fa
RA TAN:
Ny ahafantarana fa tena marina ny A/tra miaraka aminy dia TSY MPANOTA intsony izy, fa tena afa-pahotana.


Dia aleo aho hihomehy aloha fa tsy hainao akory ny zavatra soratanao
30. RA TAN ( 22/03/2017 06:28)
fa tokony ho mpanota indray ary ve izany aminao izay miaraka @ A/tra tena marina???
porofoy amiko ary!
31. endriny ( 22/03/2017 06:32)
Tsy hainao akory izay ambaran'i BEN Mesia raha izany. hoy izy: "Tsy tonga ... fa ho an'ny mpanota, ary tsy ny salama no mila dokotera...". "Dia nisy ondry iray very tamin'ny ondry 100 nadrasan'ny mpiandry..."

Mandehana aloha mianatra tsara fa tssss.

Manahirana be ilay misavika
32. RA TAN ( 22/03/2017 06:33)
fa ny soratra masina efa nilaza hoe: "JAONA,9:31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota, fa izay mivavaka aminy sy izay manao ny sitrapony no henoiny".
Ny mpanota izany tsy manao ny sitrapon'A/tra; tsy mivavaka @ A/tra(fa zava-kafa iny ivavahany iny); tsy henoin'A/tra(dia iza izany iny mihaino azy iny?)
33. RA TAN ( 22/03/2017 07:01)

endriny:

Tsy hainao akory izay ambaran'i BEN Mesia raha izany. hoy izy: "Tsy tonga ... fa ho an'ny mpanota, ary tsy ny salama no mila dokotera...". "Dia nisy ondry iray very tamin'ny ondry 100 nadrasan'ny mpiandry..."

Mandehana aloha mianatra tsara fa tssss.

Manahirana be ilay misavika


VALINY:
Tenin'i YAHOSHUAH anie io e! fa tsy tenin'izay BEN BEN nao zany!
Fa iza koe ity BEN lazainao?
Sa mpisoloky hafa indray koa?

Tena mampiomehy be ianao, ko rats foroporonina tahak'izany izy ity ko. Izaho raha nilaza hoe YAHOSHUAH no marina dia ARAKA NY LALANA izany, fa tsy torapo tahak'io ataonao io. Fanaporofoana araka ny soratra masina no nanaporofoko ny fahamarinan'i YAHOSHUAH, dia didy tsy azo ivalozana izany: tsy azo lavina.
34. endriny ( 22/03/2017 09:54)
I BEN ho'a koa

Io ilay anarana nomen'i Josefa sy Maria an'ilay zafikelin'i David

Ary iza koa ity Jaona lazainao ity e? Angaha misy an'izany tany amin'ny Hebreo taloha? Aza ovaina koa ilay anarany fa mba soraty amin'ny nanoratan'ny Ray sy ny Reniny azy re a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1001