Andriamanitra iray tokoa ve no ivavahan'ny kristianina sy ny Ombiasa?

1. endriny ( 06/03/2017 16:35)
I Flacourt sy ry Robin aloha teo aloha tamin''ny andro mbola nisalaka ny Malagasy dia nandalina fa Atra iray ihany no ivavahan'ny Malagasy rehetra nihaona taminy. Ary io Atra io dia toa ilay Atr'i Mosesy nentin'ny arabo niditra teto, na nentin'ireo piray niditra teto

Dia nahasarika mpikaroka ihany koa teo aloha ny hoe nahoana no samy manaja ny zorofirarazana ny Kristianina sy ny tsy kristianina.

Jereo eto efa tamin'ny taona 2010 ity fa averiko eto ihany loha
novalian'i endriny ny 22/03/2017 09:54
2. rhaj0 ( 06/03/2017 16:59)
Miresaka Flacourt i Endriny, fa ity ny notaterin'i Flacourt efa noresahina taloha fa averiko kely izany, fa tena tsy aritro ee... :-)
http://forum.serasera.org/forum/message/m56b21d72b6a8b

http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f81.image
Flacourt page 57: Ils croient qu'après que Dieu eut créé le ciel, la terre et toutes les créatures, il créa Adam de terre, et le mis dans le Paradis, qu'ils croient être dans la Lune ou dans le Soleil, et qu'apres l'avoir logé dans le Paradis, il défendit à Adam d'y boire et d'y manger, d'autant qu'il n'en avait nul besoin.

Quoiqu'il y eut quatre rivières, l'une de lait, l'autre de vin, l'autre de miel, et l'autre d'huile, que toutes sortes de fruits y abondaient. Le diable qui était rusé dit à Adam. Pourquoi ne manges-tu pas de tous ces bons fruits-là? que ne bois-tu de ce bon vin, et de ce lait? Et que ne manges-tu de ce miel qui est si doux et si savoureux, et de cette huile?

Adam lui répondit que Dieu lui avait defendu, et qu'il ne voulait pas lui désobeir, et de plus qu'il n'avait besoin d'aucune nourriture pour vivre. Le diable sur ce refus s'en va se promener environ l'espacede deux heures, puis s'en vien trouver Adam, et lu idit, qu'il venait de la part de Dieu demander permissino pour lui, de manger de tout ce qui lui viendrait en fantaisie. Adam qui était tenté d'en manger, en mangea tout son saoul.

Après que la digestion en fut faite, il lui prit envie de faire les nécessités naturelles, qu'il fut contraint de faire dans le Paradis. Le diable aussitot alla accuser Adam devant Dieu de son ordure. Ce qui fut cause que Dieu le chassa du Oaradis, et l'envoya en terre...



Letia eee... tena resa-tia kay no nahavoaroaka an'i Adam tao Paradisa..

angaha tsy mahafinaritra ny humour-n'ny gasy eee :-)

(vita hors-sujet)

3. rhaj0 ( 07/03/2017 12:55)
Ka tsy hors-sujet ihany io ambony io, fa raha dinihina izany, dia io Andrmntra inoan'ny Ntaolo, araka ny taterin'i Flacourt io koa ve ilay Andrmntry ny Kristiana? Satria io Andrmntra io ambony io no Andrmntry ny Ombiasy.
4. irakiraka ( 07/03/2017 13:38)
...."Ringana ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana" Hos 4:6
5. rhaj0 ( 07/03/2017 13:43)
justement... "tsisy fahalalana" ny Kristiana, ary dia ho "ringana" :-)
Fa dia lanio @ fampitomboana fahalalana (Siansa) ny fotoana raha tsy te-ho ringana ee...

Fa .. hono ho'a koa ry Irakiraka.. IZA no "mandringana"??
F'angaha moa tsy i Andriamanitra ihany no manana ny pouvoir ny "mandringana", sa tsy izany?

Dia tena manivativa an'Andrntra anie ianao izany ry Irakiraka eee... tena lazainao Irakiraka fa (tia) "mandringandringana" izany izy, nataok'ty fa TSY hoe be-fitia hono ity IZY??
6. endriny ( 08/03/2017 05:44)

irakiraka:

...."Ringana ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana" Hos 4:6

Angaha tsy efa vitan'i Jesosy indray akory ny famonjena. Sa Emanoela sandoka araka ny Hebrio i Jesosy, izay mpaminany ihany fa tsy zanak'Atra akory.
7. endriny ( 08/03/2017 05:57)
Fa Atra iray tokoa vare no ivavahan'ny Ntaolo sy ny Kristianina e?

Asa aloha fa nisy maro ny zanahary notompoi'ny Ntaolo, saingy Atra iray ihany. Ny an'ny Hebrio koa anefa dia nisy Atra kely be dia be fa ilay Iaveh na Atra be fialonana no lasa tena Atra lehibe indrindra amin'izy rehetra.

Raha ny firazanana no zohina dia misy ifandraisany ny fokom-pirenena Malagasy sy ny Arabo ary ny Amarianina hatramin'ny taon-jato faha 16. Ka io no nahatonga ny Malagasy hino Atra tokana.

Ny vazimba sy ny Soahelianina tompon-tany anefa dia nino fa ny zavatra tsirairay dia manana ny zanahariny na ny Atra ny daholo. Ao ny Atry ny harena, ny Atry zaza, ny Atry ny rano, sns.

Ka isika moa efa zatra Misavika, dia tsy gaga izany isika raha very ny finoan'ireo Tompontany teo aloha, fa naleontsika nisavika ny hoe : "Izahay Malagasy dia taranaka Jiosy", "Izahay Malagasy dia taranaka Indaonezianina", "Izahay Malagasy dia Kristianina", "Izahay Malagasy dia miteny frantsay, fa sarotra sady lavabe no tsy mampivoatra ny teny malagasy"
8. RBNIR ( 08/03/2017 07:14)
endriny:

Fa Atra iray tokoa vare no ivavahan'ny Ntaolo sy ny Kristianina e?

Izay mihitsy no antony hanirahan'Andriamanitra ilay anjely 1 ao amin'ny Apokalipsy 14:

Hampahafantatra ny olona hoe IZA MARINA ILAY ANDRIAMANITRA TOKONY HIVAVAHAN'NY REHETRA ary ahoana marina no fomba hivavahana Aminy.....

Araho ity rohy ity......


http://forum.serasera.org/forum/message/m5704374e35428
9. endriny ( 08/03/2017 07:38)
Fa RBNIR ve mino an'i Jesosy sa mino tsy mino e? Rehefa vitan'i Jesosy ny famonjena dia tokony ampy izay fa tsy ilana Apokalipsa izany intsony.

Ka rehefa Atra dia Atra izany koa, tsy mila hoe ity no tena izy na iry. Sady tsy nisy nahita izany Atra izany na oviana na oviana. Tsy misy mahalala an'izany afa tsy i Jesosy hoy izy. Koa raha mino an'i Jesosy i RBNIR tokony tsy hino an'i Paoly intsony.

Sa ilay baiboly no mandiso ny baiboly fa ny olona manitsinitsy amin'izay tiana hakana volon'ondry
10. endriny ( 08/03/2017 14:48)
Dia hiteny indray izao ry RBNIR hoe: "Tsindrimandrin'Atra no nahitan'i Paoly ny fahitana amin'ny Apokalipsia"

Sao aza dia lany sopapa I Paoly dia tsy maintsy namorona tamin'izany.

Sady vizaky ny dia lavareny amin'ny fitoriana teny dia lasa manao nofin'akoho. Dia an-tongotra tsy dian-tongotra ange izay vitan'i Paoly izay e. Avy any Palestina nakany Raoma. Ka tsy mahagaga raha manao nofy hafahafa ry Paoly.
11. RBNIR ( 08/03/2017 15:11)

endriny:

Dia hiteny indray izao ry RBNIR hoe: "Tsindrimandrin'Atra no nahitan'i Paoly ny fahitana amin'ny Apokalipsia"

Sao aza dia lany sopapa I Paoly dia tsy maintsy namorona tamin'izany.

Sady vizaky ny dia lavareny amin'ny fitoriana teny dia lasa manao nofin'akoho. Dia an-tongotra tsy dian-tongotra ange izay vitan'i Paoly izay e. Avy any Palestina nakany Raoma. Ka tsy mahagaga raha manao nofy hafahafa ry Paoly.

Ny ahy indray dia izaho no zavatra tsapako ry endriny,
Saoly, ilay niova ho Paoly dia olona nanana ny mahaizy azy teo anivon'ireo jiosy, nanana fahefana lehibe, ary tena nanana ho avy mamirapiratra tokoa....

Nafoiny anefa izany rehetra izany ka nahasahiany niteny nanao hoe...« Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy; » (Fil.3:8)

Rehefa nahita an'i Kristy izy dia nafoiny ny zavatra rehetra ary dia tanteraka taminy tokoa ity tenin'i Jesosy ity....

« Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. » (Matio 13:44)
« Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa*;[*Gr.perila] » (Matio 13:45)
« ary rehefa nahita vato soa* iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.[*Gr. perila] » (Matio 13:46)


Tokony hampiheritreritra ny maro.....IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

12. endriny ( 09/03/2017 08:11)
I Saoly ilay misandoka ho mpianatr'i Jesosy ve?

I Jesosy re ry RBNIR efa nilaza fa tsy ho avy intsony izy raha tsy amin'ny andro farany a. Ka inona no andeha hipotrany na hanindriny mandry an'i Paoly ety an-tany indray. Sady Paoly tsy Hebreo raha teo.

Tsara anatra kosa ry RBNIR izany. Mahita haren'olona miafina any an-tsaha dia mitady izay fika rehetra andrombahana ilay haren'olona. Dia mody tambazana kely ilay olona. 1/10 koa izay.

I RBNIR AZA MANA-MASO FA TAMPINA ILAY IZY, ka tsy mahita ny tenin'i Ezekiela hoe NY HELOKY NY RAY TSY HELOKY NY ZANAKA. Noho izany foana ary tsy mitombony ny hoe fahotana tamin'i Adama mbola manaraka anay aty amin'ny taona 2000
13. RBNIR ( 09/03/2017 08:56)
ka izay ilay izy endriny a, rehefa tsy mino an'i JESOSY ny olona iray dia lasa toy ny fariseo sy ny mpanoradalana, miseho mahay ny soratra masina noho i JEsosy e...
14. RBNIR ( 09/03/2017 08:59)
Izao anefa no anatra nataon'i JEsosy amin'ireny "miseho mahay noho IZY ireny....

« Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony. » (Mat. 10:24)

« Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany? » (Mat.10:25)
15. rhaj0 ( 09/03/2017 21:03)
endriny:
I Jesosy re ry RBNIR efa nilaza fa tsy ho avy intsony izy raha tsy amin'ny andro farany a. Ka inona no andeha hipotrany na hanindriny mandry an'i Paoly ety an-tany indray. Sady Paoly tsy Hebreo raha teo.

Tena mba asio toko aman'andininy hoe io ry Endriny fa tena zava-dehibe anie io izany ee...
16. endriny ( 10/03/2017 09:34)
Any amin'ny Marika any no milaza an'izany faha 13 angamba izy izay
17. lahindroy ( 10/03/2017 16:49)

[quote=RBNIR]
Izao anefa no anatra nataon'i JEsosy amin'ireny "miseho mahay noho IZY ireny....

« Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony. » (Mat. 10:24)

« Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany? » (Mat.10:25)
[/quote

Miarahaba ny rehetra
Raha izany tokoa ange no tena marina re olona dia tsy nisy zava-baovao fantatra intsony teto an-tany fa izay "fahalalana" nisy 2 000 taona lasa izay no hany fantatra e , izany hoe AOTRA .Soa ihany fa tsy nanaraka an'izany ny zanak'olombelona ka ny anisan'ny vokany dia mba afaka nanoratra teto ry RBNR ohatra
Etsy andany koa dia soa ihany ireo mpanompo fa mba nihezaka ho tonga tahakan'ny tompony satria raha io Mat.10:25 io no narahiny dia nijanona ho ...andevo nanompo ny andrina sy ny vazaha foana mandrakizay ireo olona nandevozina hatramin'izay
18. RBNIR ( 12/03/2017 20:37)
lahindroy:

Miarahaba ny rehetra
Raha izany tokoa ange no tena marina re olona dia tsy nisy zava-baovao fantatra intsony teto an-tany fa izay "fahalalana" nisy 2 000 taona lasa izay no hany fantatra e , izany hoe AOTRA .Soa ihany fa tsy nanaraka an'izany ny zanak'olombelona ka ny anisan'ny vokany dia mba afaka nanoratra teto ry RBNR ohatra

Raha amin'ny ara-panahy sy ny amin'ny fahalalana an'Andriamanitra dia marina tokoa fa ny taona 0 no nanomezana ny faran-tampony indrindra....

Ny olona dia ny tsy fahazan'ny olona ankehitriny manavaka tsara ny fahalalana sy ny fahendrena ara-panahy sy ny fahalalana sy ny fahendrena maha olona.....

Ilay voalohany dia fahendrena araka an'Andriamanitra, ilay faharoa kosa dia fahendren'ny olona fotsiny ihany.....

Izao anefa no voasoratra....« Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13). » (1 Kor.3:19)

Ny fahendren'ny olona ankehitriny no indro lasa nahatonga azireo hiavonavona ka manao tsinontsinona ny fisian'ilay Andriamanitra nahary azy ary dia betsaka no lasa tsy nanome voninahitra intsony ny tokony homena voninahitra.....

Ka tsy fahadalana v izany??? ohatra akaiky be ity, ahoana raha ny robot indray no hitondra sy hifehy ny olona any aoriana any satria (hihevitra izireo fa manana fahalalana kely izy dia hihevitena hihoatra ny zanak'olombelona)????

Dia tahaka izany no tsy haneken'Andriamanitra ny fiheveran'ny olona izay mihevitra ny tenany ho mahay sy ambony fahalalana lavitra noho IZY ka lasa manao tsinontsinona ny voninahiny.....
19. endriny ( 13/03/2017 14:59)

RBNIR:

Raha amin'ny ara-panahy sy ny amin'ny fahalalana an'Andriamanitra dia marina tokoa fa ny taona 0 no nanomezana ny faran-tampony indrindra....


Tena tamin'io tokoa moa izany no natao sorona ilay olombelona Jesosy a. Mahafinaritra ho'a ireto fiangonana ireto, fa ny ra ho azy dia fanadiovana. Ka mila mandatsa-dra foana izy mba hadio mandrakizay.

Tena faratampony tokoa ny fahaizana tamin'izay fa hoy Jesosy: "Hiozongozona ny lanitra, ary hiraraka toa ny voan'ny aviavy ny kintana, dia indro hisokatra ny lanitra ary ho hitnareo ny zanakolona midina sy mitoetra eo amin'ny seza fiandrianany... tsy ho faty akory ny sasany aminareo dia ho tonga izany andro izany"

1) Nataon'i Jesosy fa ohatran'ny rotra lehibe angamba ny lanitra, ka rehefa ozongozonina dia miraraka ny voany (kintana). Asa re fa tsy takatry ny saiko e. Ny haiko dia ny tany no mety mihozongozona noho ny horohoron-tany. Fa ity eto izany horohoron-danitra. Ny tany amin'io tsy mihetsika. O rey olona a

2) Ireo taranaka nanaraka n'i Jesosy tamin'io andro io dia efa tapitra maty daholo. Mety ny taolany aza efa mifangaro amin'ny alamo ao anaty tany ao. Kanefa mbola tsy tonga foana ilay fihozongozonana. Dia mbola atao lava reny ihany ilay fampihesonana ankehitriny.

3) Hitako moa ny Apokalipsy no mbola be olona kanefa ny an-dry zareo efa tamin'ny 2001 no fara andro.
20. endriny ( 13/03/2017 15:11)
Taloha izany tamin'ny taona 1500-1700 teto Madagasikara dia nisy fokom-pirenena maro. Kanefa ireo rehetra ireo dia nino fa misy Atra (zanahary) izay mitahy ny sikidy. Tamin'ny faraparan'ny taon-jato faha 16 dia ny misionera Paortigezy tonga teto Madagasikara, ary naka ny zanaky ny Ampanjaka ka nitondra azy niantra sy natao batisa tany Paortigaly. Nisy koa misionera anglisy nanao toa izay ihany koa.

Fa rehefa tonga ny taon-jato faha 17, dia niditra naka an'i Madagasikara ny voanjo frantsay, izay niaraka tamin'ireo misionera katolika. Noterena nivadika ho kristianina ny mpanjaka sy ny olona. Rehefa tsy manaiky dia asaina hetraketrahan'ny miaramila frantsay ka sady vonoina, dorana Tanana, no angalarina ny ombiny, ary vetavetaina ny vehivaviny.

Noho ny tahotra, dia nisy ireo mpanjaka nanaiky ny hivadika finoana, saingy vao midify ny misiona dia tsy misy miraharaha. Mafy tokoa izany tsy te ho faty izany.

Ary io fampitahorana io no mbola vohizina hatramin'izao, saingy niova fotsiny ny endriny: "lasa hoe fahaverezana mandrakizay ho an'ny fanahy"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2949