Tonga indray ity ny Paka

41. RKjeanclaude ( 23/03/2017 07:47)

rhaj0:

Hitako ee... hitako tsara mihintsy ianao ao @ ilay hoe..

Ary ny (resa-)Baiboly no manamarina ny (resa-)Baiboly.

ka dia variana (izaho) mijery anao RKjeanclaude tsy tonga saina fa dia miodikodina ao @ kiboribory vetaveta-nao ao.. (cercle vicieux)


Ny loi scientifique koa anie no manamarina ny loi scientifique e. Dia mazava ho azy raha resa-Baiboly no manamarina ny resa-baiboly. Fa misy koa aza Baiboly manamarina ny loi scientifique sy ny science manamarina ny Baiboly. Fa misy loi scientifique tsy voavahan'ny sience sy ny Baiboly ka dia apetraka ho dogme scientifique fotsiny na hypothèse hafahafa eny .....

Fa izaho koa aza variana mahita anao mamaky Baiboly nefa tsy mahita ny hareny. Mba mametraha doute philosophique kely amin'io Baiboly io fa aza atao sceptique be loatra e!
42. rhaj0 ( 23/03/2017 12:28)
Hotry ny tsy azonao tsara ny Siansa sy ny ataony, fa dia aleo iverenana.

Ny teoria siantifika, dia

1- misy raha (artifacts), misy zava-misy mivaingana sy hita (hitan'ny maso SY fitaovana) manohana ilay teoria

2- ny kirakira, ny approche sy methode dia voafaritra mba hisian'ny transparence, objectivite

3- nohamafisin'ny mpandinika na mpikaroka HAFA, ny fetezan'ireo raha/kirakira/.. ireo, ary afaka norafetiny independemment koa ilay teoria (koa na ianao azany afaka mamerina mandrafitra izany rahefa mahalala ny zava-nisy nifotoran'ilay teoria)

4- cumulatif ary mivoatra hatrany ny siansa


Ka aiza ho aiza @ ireo teboka 4 ireo no "itovizan'ny finoana sy siansa"?? Satria mantsy toa akapokapoky ny mpino toa an'i RKjeanclaude ho mitovy @ Finoana ihany ny Siansa.

Dia valiako ilay fahatakaranao ny Siansa:
- ny loi scientifique dia tohanan'ny porofo. Hafa ny Finoana, TSY mila porofo, na manaiky-tsisy-porofo.
- ny siansa dia TSY (mandany andro) manamarina ny Baiboly sy ny revirevin'ny Grand Manitou. Tsisy raha mivaingana, tsisy kirakira atao @ Grand Manitou na Andrmntra.
- ilay #4, cumulatif sy mivoatra, no mila azonao tsara.

Ohatra raisiko foana, atome de Rutherford sa atome de Bohr? ireo dia modely 2 maneho ny atoma; teoria samy t@ fotoan'androny. Samy notohanan'ny zava-misy/kirakira ary nohamafisina independemment. Fa nivoatra ny Siansa (cumulatif ny fahalalana), ary dia nivoatra ny Teorian'ny atom.

Dia mahatokisa fa ny zanantsika dia ho afaka ny hanazava mazava kokoa an'izany. Fa aza tonga dia mivarina sy mivaralila "mino" hoe, i Jesosy mihintsy no nanefy atoma ho tonga molekiola io, dia izay no ampitainao @ zanakao. Ianao no tsy mahatakatra, fa ny zanakao hahatakatra... dia hihomehy anao.
43. RKjeanclaude ( 23/03/2017 19:16)
dia mba hazavao amiko ary hoe azafady ny fiitaran'ny erana (expension de l'univers) tsy an-kiato, izay tsy tokony hanipaka ilay lalàna ara-tsiansa milaza hoe:"tsy misy raha miforona foana, tsy misy raha manjavona foana, fa ny rehetra no miova". Ho hotanao fa na i Einstein aza mety tsy hahay hanampy anao amin'io.
44. rhaj0 ( 27/03/2017 11:09)
Eny, rahefa miitatra ny erana, dia "tsisy raha miforona na manjavona" eo, fa izay efa eo no mivadibadika ao.

Ny vatanao io, dia misy sela, izay tambatra-na ataoma, izay tambatra na koaraka, izay rahefa zohina, dia hita tao @ lasopin'ny Big-Bang.


Sa ianao mbola mieritreritra hoe, tampotampoka teo, dia poufff... nipongatra avy t@ tsy misy ny koarka, izay nitambatra ho ataoma, izay nitambatra ho sela, dia lasa RKjeanclaude?

TSY "mieritreritra" ianao raha izany fa "mino".
45. RKjeanclaude ( 28/03/2017 07:59)
koa raha miitatra aza ny erana,'ndeha isika hiara-hiverina kely taona maromaro (13,4 milliard), vaigan-draha kely monja no niatombohany. Dia mampino ve izany!? vaingan-draha kely io no lasa malalaka tsy hita fetra!? ny petra-kevitra atao fanoharana @ io fiitarana io dia ballone(@ mg=...) tsofina, mba mino izany ve ianao? mba diniho anie e, matoa mibotsina iny dia misy misy zavatra miforona ao, avy any @ ilay mpitsoka fa tsy ny ao ihany no miova.


(ialana tsiny fa tsy haiko na marina na tsia ilay tenin-drazana ampiasaiko, eto aho vao tena miezaka mianatra)
46. rhaj0 ( 28/03/2017 10:49)
RKjeanclaude:
Dia mampino ve izany!?

Mila amboarina mihintsy ilay fisainana(o) RAjeancl aaa... ka sirika @ ilay voambolana ampiasainao fa voa eee... "mampino".. Ny Siansa dia TSY ny "hampino" anao no ataony, fa ny "hampieritreritra" ary "hampanaiky-anao-ny-porofo".

(averiko foana, mino = manaiky-tsisy-porofo -- Ny Siansa dia amina porofo foana)


Ny "porofo", dia hita (@ fitaovana fa tsy @ maso) fa "miitatra ny erana". Dia atao ny "dihy miverina" eee... Fa rehefa "miverina" iny, dia rehefa @ tonga @ resaka "TSY takatra", dia ... izay izany ho'a, fa ny Ankizy no hanakatra azy.

Fa ny anareo (mpino-mpanaiky-tsisy-porofo) moa dia, rahefa "TSY takatra", tonga dia akapoka ho Andrmntra. Tsy efa tonga saina ve ianao fa ny dadabe-nao ohatra, dia TSY takany izany hoe orana, fa ninoany fa misy Maman mamany ao ambony ao, dia izao ianao zafiny mba nanazavazava ny fandehany? Dia torak'izany koa: ny zanakao no hanazava anao ny fandehany.
47. RKjeanclaude ( 28/03/2017 19:04)

[quote=rhaj0]

ka raha voaporofo @ fitaovana ampiasaina dia afaka azavaina e? inona no mampitatra azy? manao ahoana?, rehefa tsy mino ianao dia manaraka fotsiny ny tenin'i (RKjean)claude Bernard hoe: "il faut croire à la science", dia mba manaiky tsi'sy porofo e! sa hay moa tsy siantifika i claude bernard fa filozofa.
48. rhaj0 ( 29/03/2017 02:25)
Mopera frantsay ve ilay Claude Bernard?
https://fr.wikipedia.org/wiki/Claude_Bernard_(pr%C3%AAtre)

Sa anarana mitovy?


Fa io ho'a, rahefa KAMO ny saina, na hoe TSy takatra, dia ampiasaina ilay hoe "mino" (croire) ee...

Izaho izao ho'a "mino" fa ho avy i Rapaoly ee...


Dia averiko ihany.. Eny, afaka hazavaina n'inon'inona. Fa raha tsy voazava, dia mahatokisa ho'a ny Ankizy, fa zareo no hanazava izany aminao.


Sa ve ho'a, eto indray, dia tena TSY takatrao, eny IANAO.. TSY takatrAO ilay fiitaran'erana, dia aleo dia akapoka hoe, misy chérubin na Kerobima manosika an'Ingahy Laksia?? Sa aleo atao hoe i Jesosy mihitsny no hotry ny milalao kanety eee...
49. endriny ( 29/03/2017 04:06)
RKjeanclaude:

ka raha voaporofo @ fitaovana ampiasaina dia afaka azavaina e? inona no mampitatra azy? manao ahoana?, rehefa tsy mino ianao dia manaraka fotsiny ny tenin'i (RKjean)claude Bernard hoe: "il faut croire à la science", dia mba manaiky tsi'sy porofo e! sa hay moa tsy siantifika i claude bernard fa filozofa.


Ka hono ho'a ry ZAreo Mpino a, maninona moa izany raha dorana mihintsy ny baiboly e. Fa toa iny foana mantsy no atao porofo sy fakana andininy hanamarinana an'ity tranga izato sy iry tranga zaroa.

Ka rehefa manaiky tsy misy porofo ianao fa misy ny lanitra mandrakizay sy Atra ary mbola hiverina I Jesosy dia dory amin'izay ny baibolinao fa aza atao porofo intsony. Fa ekeo fotsiny izay lazain'ny apostolinao ao.

Dia aza mianatra intsony koa fa manjary manitatra porofo indray.

Izany ihany no nahatonga ahy nijanona tamin'ny T3 fa tsy nanao 12eme intsony.
50. RKjeanclaude ( 29/03/2017 17:12)
tsy maninona rehefa tsy voavalinareo ilay fanontaniana e?
Ianareo kay mihodikodina...
51. rhaj0 ( 29/03/2017 18:25)
Toa efa novaliana fa toa tsy tianao ilay valiny dia iavonavonanao k'nouh...
eo indray azany eee...

RKjeanclaude:
matoa mibotsina iny dia misy misy zavatra miforona ao

Hay va re... ilay "miforona" no mila ampitoviana tadi-dokanga.

Ohatra hoe, rahefa mihinana tsaramaso i RKjeanclaude, dia ... mibontsina ny kibo (dia iny no mivoaka dia lasa hetotra). Dia hoy izany i RKjeanclaude hoe, misy rivotra "miforona" ao an-kibo.

Raha ny marina, dia misy reaction simika ao an-kibonao ao. Ilay protein @ ilay tsaramaso, rahefa kitihan'izay bakteria na tsiranoka ao an-kibo ao, dia mi-reagir, ary manome zavatra hafa sy rivotra (misy N, CO2, CH4, ...).

Fa tsy "miforona" (avy @ tsy misy) ilay hetotra, fa misy kasinga mitsingeringerina mivadibadika ao an-kibonao ao, dia izay lasa hetotra.

Asa raha azonao hatreo.


Fa raha ny fiitaran'erana indray, dia averiko kely, fa ireo Ingahy Laksia marobe no mifanalavitra DAHOLO. Koa raha mifanalavitra zareo, dia rahefa atao "dihy miverina" ho'a dia toa ny niainga avy tamina bolongana izany eee...

Hotry ny eritreretinao hoe, mifanalavitra h@ ao anatin'Ingahy Laksia ilay izy. Fa TSY izany. Ao anatin'Ingahy Laksia dia misy kintana, toa ny MAsoandro, izay manana planeta (toa Latera).. Tsisy miitatra mifanalavitra ny ao anatin'Ingahy Laksia.
52. endriny ( 30/03/2017 15:44)
Ary aiza moa ilay porofo hoe : Efa nisy talohan'i Adama sy Eva araka ny Genesis ?

Rehefa ry zareo Avarapinoana no mamadika ny baiboly dia lasa misy pejy sy átoko Ary andininy vaovao mitranga.
53. RKjeanclaude ( 31/03/2017 12:04)
rhaj0 a! mba fantaro tsara ilay hoe ts'isy raha miforona foana e. jereo anie e, matoa misy mivoaka avy aty amiko, misy raha nampidirina tao. @atao hoe réaction chimique dia tsy maintsy mihena ( na lany) ny sasany mba hitomboan(na hisehoan')'ny hafa, na ny mifamadika @ izay. Mino aho fa ekenao ny hoe fitehirizana angovo, raha, ary ny isa-mola @ fangaro sy ny vokatra. Ka angovo avy aiza, raha avy aiza....., no manitatra ny erana?

PS:Mbola tsy nahita io fitarana io angamba ianao, nefa ekenao fa marina, izay fanekena ny zavatra tsy hita izay anisan'ny atao finoana.
54. volafitia ( 31/03/2017 21:24)
Ny finoana aloha raha ny fahalalana azy dia singa iray amin'ny kolotsaina sy ny fomba e. Fa raha entina hanamarinana zavatra ny finoana dia lasa zavatra tsy misy fotony. Tsy misy fotony hoy aho aza fady satria, zavatra tsy mitombina no anamarinana ny zava-mitranga.
55. rhaj0 ( 02/04/2017 06:17)
RKjeanclaude:
Ka angovo avy aiza, raha avy aiza....., no manitatra ny erana?

ilay erana miitatra ve moa ry Rajeancl, tsy hotry ny bisikileta mikindingy fidinana.. Ilay angovo t@ "fipoahana" no manetsika. Hotry ny tianao hisy "angovo" miforona tampoka eo antenantenany ka "manafaingana" ny fiitarana. TSISY io.

Fa io ho'a rahefa TSY azonao izany ilay resaka, dia mahareta fa ny Ankizy no hanazava anao izany ee... Fa raha ny olombe taloha no tianao hoe, efa nanana fanazavana @ izany, dia ... eritrereto fanindroany ihany.

volafitia:
... raha entina hanamarinana zavatra ny finoana dia lasa zavatra tsy misy fotony....

Tsy azoko tsara ny tianao tenenina. Ny fahazoako ny finoana ho'a, dia hoe, mino = manaiky-tsisy-porofo, manaiky-tsy-mila-fanamarinana.

Ka ny tianao lazaina ve hoe,
1- lasa "tsisy fotony ny finoana" rahefa "hanamarinana zavatra"??
2- sa hoe, "tsisy fotony" ny finoana, fa tsy mahavita manamarina zavatra??
56. volafitia ( 03/04/2017 00:44)

rhaj0:

volafitia:
... raha entina hanamarinana zavatra ny finoana dia lasa zavatra tsy misy fotony....

Tsy azoko tsara ny tianao tenenina. Ny fahazoako ny finoana ho'a, dia hoe, mino = manaiky-tsisy-porofo, manaiky-tsy-mila-fanamarinana.

Ka ny tianao lazaina ve hoe,
1- lasa "tsisy fotony ny finoana" rahefa "hanamarinana zavatra"??
2- sa hoe, "tsisy fotony" ny finoana, fa tsy mahavita manamarina zavatra??

Aza fady aza raha nanahirana anao ny fomba firesako e. Angamba ataoko amin'ny akapobeny dia mazava ilay izy. Raha nisy ankizy voadonan'ny fiara niampita arabe ohatra dia angamba tsy haka profesora amin'ny physique ohatra isika hamarina hoe naninona no voadonan'ny fiara ilay ankizy. Raha misy olona sembana ohatra dia tsy andeha hiteny ny mpitondra fiangonana fa ny fahotan'ny ray sy ny reniny no nahatonga an'io olona io sembana.

Dia ohatran'izay angamba no tiako lazaina hoe raha amarinina amin'ny finoana daholo ny zavamisy rehetra dia lasa tsy misy fotony ny finoana fa lasa ohatran'ny radio mitatatata fotsiny sisa.

Ny zava-drehetra dia ohatran'izay daholo e, misy fetrany ary misy antony ny ampiasana azy. fa tsy andeha hividy hena 1kg sy anana 5000fmg dia manao fanadihadiana ara-tsimika sy nutrition aloha vao andeha hividy. Koa tsy ho lany eo ve ny andro, ny ankizy angamba noana ihany vao vita ny fanadihadiana.
57. rhaj0 ( 03/04/2017 12:15)
Ka dia samy manana ny fijeriny ziany io ee.. Ny fahazoako azy, dia

1- ianao izany @ ilay hoe: "lasa "tsisy fotony ny finoana" rahefa "hanamarinana zavatra""
2- izaho indray @ ilay hoe ""tsisy fotony" ny finoana, fa tsy mahavita manamarina zavatra"


ka ny "zavatra", indrindra @ izao taona-2017 izao, dia mila "amarinina" foana. Tsy voatery ianao, na hoe isaka ny mandeha dia "manamarina", fa ao ny spesialista efa (miezaka) manazava sy manamarina foana.

Dia raha atao ny kaonty, raha "fanamarinan-javatra" no resaka, dia .. "tsisy-fotony ny Finoana" izany eee.... Nefa anie io ny fi(s)ainana eee...
58. RKjeanclaude ( 04/04/2017 05:28)
finoana!? tsy mino ny olona fahiny fa boribory ny tany fa tsy nahasakana azy tsy hoboribory izany. Toy izay koa, tsy mahafoana ny fisiana zavatra iray ny finoako na tsia. Ekena fa tsy ananan-drariny ny fampitahana, saingy misy ny afo-rano, vainga-tsirano, hazavana-haizina, sns.... koa inona no miara-dalana @ tontolo voatsapa, sy/na tontolo hita? Sa ndeha atao hoe tsy misy?.

Marihina fa tsy @ izao androntsika 2017 no voa nisy olona tsy mino ny tontolon'ny anjely, fitsanganana @ maty, matoatoa, sns.... fa efa t@ talohan'ny Tompo, ny misy ankehitriny dia fanafisana fotsiny ihany @ fomba maro samihafa.
59. RKjeanclaude ( 04/04/2017 08:16)

rhaj0:

RKjeanclaude:
Ka angovo avy aiza, raha avy aiza....., no manitatra ny erana?

ilay erana miitatra ve moa ry Rajeancl, tsy hotry ny bisikileta mikindingy fidinana.. Ilay angovo t@ "fipoahana" no manetsika. Hotry ny tianao hisy "angovo" miforona tampoka eo antenantenany ka "manafaingana" ny fiitarana. TSISY io.






te-hampanaiky ahy porofo maivaimaivana ve ianao sa izaho no vitsa e!?

Ny fidingin'ny bisikilety am-pidinana dia misy drafitra sy lalàna mazava, nohafohezina t@ alalan'ny rakipohy, ny fanova mandrafitra io moa ka (inoako fa hainao) ao anatin'izany ny lanja, ny hafainganam-pandeha voalohany, ny zorom-pidinana.....sns. Ny lanja, ohatra, dia mamorona ny sinton'ny tany, izay hery ivelany. Sa misy hery ivelany manitatra ny erana?

Raha ndeha atao hoe tsy manohana azy iny hevitra iny dia andeha heverina kely ny ita-botsina. Ny fiitaran-draha mibotsina dia mila angovo hiteraka ny sintom-pitarana. Io sintom-pitarana io dia toherina sintom-panohitra miverin'ivo. Raha lehibe ny angovo miteraka ny sintom-panitatra noho ny sitom-panohitra dia mazava ho azy fa miitatra ilay raha. Ny sintom-panitatra dia miankina @ angovo iaviany, izay miankina amin'ny angovo sy ny sintona eo am-piandohana. Koa misy fanontana ary ireto:
- iza na avy aiza ireo angovo teo @ fepe-piandohana?
-raha misy hery ivelany mampitra azy: inona na avy aiza
-inona no mandrafitra ny malalaka ahafahany miitatra?
-iza no nampifanandrify ireo fepe-piandohana ? na nanao ahoana?
-avy aiza ny raha mameno ny bangan'ny itatra?

mila ankizy maromaro manazava izany fa tsy vitana zaza iray zaza a. Raha mbola eo an-dalam-piarohana moa ny mpahay manokana dia lazao ihany raha misy azo hifanpiana raha misy fa sao dia tsy tafavoakan-dry zareo.

Raha mba asiana teny kely moa ny @ ingahy Laxie izay lazainao ho tsy miova, dia mahagaga raha tsy miova izy nefa mihena miandalana ireo raha sy angovo noho fisian'ny lava-mainty mitelina ireo raha manodidina azy: kintana, vantana an-danitra, raha mainty sns.....Sa ndeha atao hoe mihena ny raha ao anatiny nefa izy tsy mihena, misy fototr'angovo sy raha mbola tsy hita fa vao hokarohana(na hoforonina).

mitombo ihany ny isan'ny ankizy hanazava raha izany.
60. rhaj0 ( 04/04/2017 11:19)
RKjeanclaude:
Io sintom-pitarana io dia toherina sintom-panohitra miverin'ivo.

ka ilay "sintam-panohitra", manohitra ny fiitaran'ny tontolo, na ny marimarina koakoa, manohitra ny fipariahan-dry Ingahy Laksia, dia TSISY. Anatina "foana" (vide) no misosa ry Ingahy Laksia.

Marina fa mbola TSY tena marina (precis) ny kajikajin'ny manampahaizana-2017, satria rahefa mijery ilay hetsiky ry Ingahy Laksia, dia hotry ny mbola misy raha (matiere) tsy voakaonty.

Fa na izany na tsy izany, dia efa io aloha izany ny fahalalana-2017. Fa dia ny Ankizy no hanazava sy hanome fahamarinana (precision) bebe kokoa aoriana.


Ka io ry RKjeanclaude,
- dia ho arianao daholo ve izany ireo kaon-dohan'ny mpahay azy 2017,
- dia tsy itokianao ny Ankizy hanazava anao ny fandehany, miainga @ fampitomboana fahalalana avy @ io 2017 io
- fa aleonao mivarina @ kaon-dohan'ny l'an zero, ka hoe, misy something namorona dia nandahatra ny zava-drehetra???

Avelao ny Ankizy hitsara (sy hihomehy) anao raha izany ... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2083