Tonga indray ity ny Paka

1. rhaj0 ( 03/03/2017 17:35)
Ary dia ampatsiahivin'ny mpandinika indray ilay "fivavahana fahiny" (tao akaikin'ny ranomasina mediterannee) izay mivavaka amina Andrmntra, izay
- lehilahy,
- olombelona fa Andrmntra koa,
- teraka avy tamina virijiny,
- nanana mpianatra miisa 12,
- velona, dia maty, dia nitsangana velona indray,

https://en.wikipedia.org/wiki/Osiris-Dionysus
novalian'i rhaj0 ny 07/04/2017 12:44
2. rhaj0 ( 03/03/2017 17:40)
inty ny "porofo"



Jereo avy eo ankavia : ilay Andrmntry ny Mediteraneana
Tombano avy eo ankavanana : ilay Andrmntry ny moyen orient
3. endriny ( 06/03/2017 16:40)
Lasa nanao Christologie mihintsy ny namana
4. rhaj0 ( 06/03/2017 16:50)
ka mampihomehy anie ilay izy eee... RAha te-hivanitika koa ianao dia ataovy io :-)
5. endriny ( 06/03/2017 16:51)
Indrisy mantsy fa dia olom-belona mihintsy no natao sorona amin'io fotoana io ho an'ilay Atr'i Abrahama.

Ny tena mahavariana dia ny fanasana ny lohan'ny olona amin'ny hoe :"Nahafoy ny ainy ny zanak'Atra ho fanavotana ny olom-belona" Ary dia tena abaribary sy aseho eny rehetra eny fa ito ny zanak'Atra lahitokana natao sorona.

Mampalahelo ihany. Ka tsy gaga intsony aho raha tsy manaja ny mahaolona sy ny ain'ny mpiara-belona aminy ny Kristianina.

Jereo ny fitsaram-bahoaka rehetra eto Madagasikara, vinanio ireo polisy, tsy vitan'ny hoe nandoro fokotany 3 fa nandoro vehivavy jamba tao an-tranony.

Mino aho fa ireo olona rehetra ireo dia kristianina avoko ny ankamaroany.

Tsy mahagaga izany, satria efa nisy ny toa ireny tamin'ny 2009, ary ny mpitondra sy ny mpitondra fivavahana katolika mihintsy no nandredona ny fandravana toa ireny.

Ny mahavariana anefa dia ny Katolika no miteny hoe arovy ny aina, tsy azo atao ny manala zaza

Vilam-pijery
6. irakiraka ( 07/03/2017 13:49)
Paka, tena fety lehibe ho ahy.
Resin'i Jesosy fahafatesana.
Velona ny Dieu izay ivavahako. Velona koa ny fanantenako ny @ farany. Ka na dia mety ho lo aza ny nofoko, ny fanahiko handova ny fiainana mandrakizay.

Nde hihira fiderana ndray aloha :)
Rehefa misaina ny fitiavan' Jesosy aho ...
Sy izay rehetra nataony tamikoo...
Te hiantso mafy aho hoe Alelouia
Isaorako azy ny famonjeny ...

7. rhaj0 ( 07/03/2017 14:34)
FA mampieritreritra ihany aloha ilay tantara ee...

Nandritra ny 3 andro izany i Jesosy tany @ "fiainan-tsi-hita" tany.

Ka dia ... dia inona loatra no nitranga tao "ambany" tao?

Ny hametrahana ny fanontaniana, dia rahatrizay "midiina any @ fiainan-tsi-hita" ao koa izany hono isikana, dia inona sy ahoana ny atao, mba hampipongatra antsika avy any, toa papango anaty katsaka?
8. RBNIR ( 08/03/2017 05:20)
rhaj0:

Nandritra ny 3 andro izany i Jesosy tany @ "fiainan-tsi-hita" tany.

Izao no nolazain'i Jesosy tamin'ilay jiolahy niaraka niantona taminy...

« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lio.23:43)
Tany paradisa i Jesosy nandritra ilay 3 andro fa tsy tany amin'ny fiainan-tsihita (helo) ao ambanin'ny tany ao.....

Fanitsiana kely fotsiny iny rhajo araka ity teny ity...« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)
9. RBNIR ( 08/03/2017 05:23)
raha momba ny paska dia efa nambara tato ny zavatra andrasan'Andriamantra amin'ny olona...


http://forum.serasera.org/forum/message/m56e6565bd69f4/m56fbbb9ceeccc
10. endriny ( 08/03/2017 05:42)
Dia tsy hay intsony izay marina e. Na tany an-danitra Jesosy na tany amin'ny afobe nandritra io telo andro io. Fa ny marina aloha dia nidina tany amin'ny fiainan-tsy hita izy araka ny fiekem-pinoana. Ary rahateo no nilaza fa mbola tsy ho any amin'i Rainy izy raha tsy amin'ny andro fampakarana dia ilay atao hoe pantekaoty.

Ka ny baiboly no manohitra ny baiboly f'angaha hita e.

Mivilambilana eo izy dia ahitsihitsin'izay mpanambaka fotsiny araka izay ahazoany ondry ho volosana.

Fa ny tena marina dia olombelona natao sorona no maha ambony ny Atry ny Kristianina.
11. rhaj0 ( 08/03/2017 19:45)
Ivereno ny "fanekem-pinoana" ry RBNIR a...

... Nidina Tany @ Fiainan-Tsi-Hita, nitsangana t@ maty t@ andro faha-telo...

Telo andro IZY tao. Asa ho'a inona ny negosiasio be nifanaovany t@ devoly tao ambany tao eee... Ary io ho'a mila fantarina, mila "vavolombelona" manana ny traikefa, mba ifampianaran'ny zanaka aman-jafy, rahefa rahatrizay mba midina ao koa ee :-)

Sa moa TSY @ io ny fanekem-pinoana anareo sy Herinirna?
12. RBNIR ( 09/03/2017 05:33)
rhaj0:

Sa moa TSY @ io ny fanekem-pinoana anareo sy Herinirna?

Mizara teny aho mba hanitsiana izay rehetra diso rhajo a! fotoana hamerenana ilay tsy misy kilema amin'ny laoniny izao......
13. endriny ( 09/03/2017 08:23)
Ka dia diso izany ny fiekem-pinoana a. 20/20
14. RBNIR ( 09/03/2017 08:48)
endriny:

Ka dia diso izany ny fiekem-pinoana a. 20/20

Ny tenin'i Jesosy tamin'ilay jiolahy nazava e, ANIO no hiaonanao Amiko any paradisa....Hoy Jesosy...
15. rhaj0 ( 09/03/2017 21:06)
RBNIR:
Ny tenin'i Jesosy tamin'ilay jiolahy nazava e, ANIO no hiaonanao Amiko any paradisa....Hoy Jesosy...

Ka io izao ho asian'ny "mpahay" azy indray hoe, ny 1 minitra @ Jesosy anie ka hafa ee... ka raha miteny IZY hoe "ANIO", dia @ ilay Jiolahy izany dia ... mandrakizay.

Fa misaotra RBNIR, fa dia TSY mitombona hono izany, hozy RBNIR, ny fanekem-pinoana ee.. Bravo!!
16. RBNIR ( 10/03/2017 06:00)
rhaj0:

RBNIR:
Ny tenin'i Jesosy tamin'ilay jiolahy nazava e, ANIO no hiaonanao Amiko any paradisa....Hoy Jesosy...

Ka io izao ho asian'ny "mpahay" azy indray hoe, ny 1 minitra @ Jesosy anie ka hafa ee... ka raha miteny IZY hoe "ANIO", dia @ ilay Jiolahy izany dia ... mandrakizay.

Fa misaotra RBNIR, fa dia TSY mitombona hono izany, hozy RBNIR, ny fanekem-pinoana ee.. Bravo!!

Marina izany saingy ilay jiolahy olona fa tsy mitovy amin'i Jesosy, raha niteny IZY hoe anio tamin'ilay jiolahy dia izay anio fantatr'ilay jiolahy no tiany ambara eto....
17. endriny ( 10/03/2017 09:03)
Jaonina: 20: 17 re ry RBNIR milaza mazava fa mbola tsy tany amin'ny paradisa I Jesosy talohan'ny fampakarana azy tany an-danitra.

Ary izy Jesosy mihintsy no nilaza izany

Sa nandainga indray koa izy hoe?
18. RBNIR ( 10/03/2017 09:15)

endriny:

Jaonina: 20: 17 re ry RBNIR milaza mazava fa mbola tsy tany amin'ny paradisa I Jesosy talohan'ny fampakarana azy tany an-danitra.

Ary izy Jesosy mihintsy no nilaza izany

Sa nandainga indray koa izy hoe?


Izao no voasoratra...

« Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. » (Jao.20:17)

Tamin'io fotoana io i Jesosy dia "EFA NITSANGANA TAMIN'NY MATY" efa talohan'io ilay 3 andro nandehanany tany paradisa....
19. endriny ( 10/03/2017 09:33)
Aza amboamboarina re ny voalaza e, Fa izay voasoratra dia voasoratra
20. RBNIR ( 10/03/2017 10:10)
endriny:

Aza amboamboarina re ny voalaza e, Fa izay voasoratra dia voasoratra

Mety tsy nazava tsara angamba,

Oviana IZY no tany paradisa? tamin'ilay Anio nolazainy tamin'ilay Jiolahy ka hatramin'ny andro fahatelo.

Avy eo dia nitsangana tamin'ny maty i Jesosy (niverina tety an-tany) dia niseho tamin'ireo mpianatra marobe nandritra ny andro maromaro....


Teo no nitenenany an'ilay hoe mbola tsy tany amin'ny Ray Aho....

Ny Ray tsy any paradisa fa manana ny toerana misy Azy ny Ray ny paradisa dia mbola ao amin'ny lanitra fahatelo aloha no misy azy....
« Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. » (2 Korintiana 12:2)
« Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - » (2 Korintiana 12:3)
« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Korintiana 12:4)


Ny RAy kosa tsy voafaritra hoe aiza marina aloha no misy Azy fa ny voasoratra dia hoe na ny lanitry ny lanitra (le cieux de tous les cieux) aza tsy omby Azy....« Andriamanitra va dia honina ety an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! » (1 Mpanjaka 8:27)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8413