L'Enlèvement

21. RBNIR ( 12/03/2017 20:42)
Fa inona moa no mahasamihafa ny sinagoga taloha sy ireo trano fivavahana ankehitriny????

Ataoko ity, any no "hamakiana ny tenin'Andriamanitra, sy hivavahana rehefa amin'ny andro Sabata????
22. irakiraka ( 13/03/2017 11:29)
"Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly" Sal 90:4

Jesosy, fa raha izaho dia tsy ho varimbariana na hierikerika na hamisavisa hoe mbola ho ela ve ianao vao ho avy, fa hiambina aho.

Tsy ataoko ho very maina ny rà nalatsakao ho famelana ny fahotako.

... Na hihorohoro aza ny kotrokaaa...
Na hifanesy aza ny tselatraaa...
Dia hitsanga-ko falyyy ...
Hitsena anao aho Jeso ....

23. RKjeanclaude ( 13/03/2017 12:40)
miarahaba anareo! azafady raha somary hiditra kely. fanontaniana mba tiako apetraka: fa samy kristiana avokoa ve ianareo ilay miresaka, mitovy ve baiboly ampiasaina, ary samy mamaky tsara daholo ve? raha tsy mitovy farafaharatsiny (au moins) ireo dia miady(s'opposer) hevitra sy mifampila vaniny fotsiny ianareo. ny tsara anefa dia mihady(approfondir) hevitra sy mifanankalo hevitra am-panetren-tena, izany mandalina izay lazain' ny hafa fa tsy mitompo teny fantatra (espritd'analyse). mivavaka amin' ny Tompo tsy hadino mba hotarihin' ny tena lala-narina, fampianarana marina, Teny tsy misy kilema, finanoana marina. fa raha izay no izy dia ho fifaliana no dinikareo ary lanitra no ho vantaninareo.
24. RKjeanclaude ( 13/03/2017 13:04)
ny momban'ny hoe trano fivavahana sy ny synagoga dia izao no fahalalako azy. tranolay fihaonana t@ andron'i mosesy, tempoly nanomboka t@ andron'i davida: tokana izy io, ao jerosalema ihany. raha monina lavitra noho izany dia tsy mankany fa miara-mivory ao @toerana iray mangana synagoga. t@ andron'ny Tompo tety an-tany dia novainy ho Izy tenany ilay Tempoly. ka tsy trano intsony fa ny fitambaran'ny mpino rehetra izay tena mivavaka @ fanahy sy fahamarinana(Jn 4/23-27). rehefa lasa Izy dia nianagona indray izy ireo (ny mpino) araka ny fotoam-pivoriana t@ izany tany an-tokatranona kristianina namana. nihabetsaka ny mpino ka tsy omby tokatrano intsony dia nanangana trano fivavahana (raha tsy diso aho dia nanodidididina ny taona 300 tany ho any).
25. irakiraka ( 13/03/2017 13:26)
Raha izaho no anontaniana dia manararaotra an'izao serasera izao aho mba hanambaràko an'i Jesosy: hany Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.
Zara aza misy an'itony mba hanatanterahana ny iraka nampanaovin'ny Tompo hoe: Mitoria filazan-tsara @ olombelona rehetra. Ary rehefa tena babo an'i Jesosy nge dia tsy mety lay izy fa tsy maintsy mahita irika foana hitoriana ilay Famonjena ee :-) . Iraisan'ny tena kristianina tena tia an'Tompo io, tia fanahin'olona.
Ny zava-dehibe (amiko) dia manambara fa Tsara Jesosy, Mahagaga Jesosy, Mpamonjy Jesosy, Manafaka Jesosy. Tsy mijery izay mandà na manohitra any fa tohizana hatrany ny asa. Ny Tompo no maniraka :-)

26. rhaj0 ( 13/03/2017 14:09)
RBNIR:
Fa inona moa no mahasamihafa ny sinagoga taloha sy ireo trano fivavahana ankehitriny????

Koa maninona ianao no TSY mandeha any @ Sinagoga?
Dia maninona ianao manorina Trano ho anao, fa iavonavonanao ho'a ny SInagaoga ee??
27. RKjeanclaude ( 13/03/2017 19:09)

koa manina aho no tsy mandeha amin'ny synagoga a!?
tsy voavakinao sy voadinikao tsara angamba ny fanazavako. noheverin'ny jiosy(fariseo,sadoeo,zelota...) tamin'izany fa sekta(mpitondra fampianaran-diso) ny Tompo(Jn 6/50-71) sy ny kristiana. natao izay hiampangana ny kristianina tamin'ny fotoan'andro. ny romana sy ny jiosy no lohany tamin'izany. sarotra taminy ny hiditra ao amin'ny synagoga satria hovonoin'ireo izy noho ny fanenjehany. niara-nivory tany an-tokatrano no natao hiaraha-manao fanompoam-pivavahana. rehefa nihabetsaka ny mpino, dia tsy antonona intsony ny trano ka tsy maintsy nanangana trano fiangonana. nanilika azy ny synagoga fa izy kosa niray saina sy niara-nanompo ka nahavita trano fiangonana ho azy.
28. endriny ( 14/03/2017 10:28)
I Jesosy tsy niala tao amin'ny Sinagaoga sy ny tempoly nisy azy mihintsy ry zareo a. Ary tsy naniraka izy hoe manangana fiangonana vaovao. Fa ny azy ny Jerosalema vaovao nofinofy no nampanantenainy any an-danitra.
29. rhaj0 ( 14/03/2017 13:00)
RKjeanclaude:
nanilika azy ny synagoga fa izy kosa niray saina sy niara-nanompo ka nahavita trano fiangonana ho azy.

Ka ireo (Jiosy) nitana ny lakile-n'ny Tranon'ny Ray (ny Sinagaoga) izany no nanilika an'i Paoly, ary izany no nitranga tany @ l'an zero?
Dia izay no nanorenany ny Leglizy? Tsy ny "trano" ihany fa ny "hierarchie" sy izay systeme are dogme nanaraka rehetra tao io koa??

Dia izay koa no iankohofanao ao ry RKjeanclaude ? REsaka "fifanilihana", hoy RKjeanclaude, ary fifanilihana t@ l'an zero, dia mbola roritinao h@ izao ihany???

Dia tsy ny "Tranon'ny Ray" niankohofana sy nohajain'i Jesosy no iankohofanao sy hajainao, fa ny "Tranon'i Paoly" ??

Tairo ao azany kouh... izaho ve hanisy olana @ izany... :-)

30. RKjeanclaude ( 14/03/2017 13:43)

rhaj0:

Ny Tompo tsy nampianatra hitandrina na tranon'iza na tranon'iza(Jaona 04/21-). Raha mankany aho tsy hitandrina trano fa mivavaka @fanahy sy fahamarinana. Tsy trano fa ny fiaraha-miombom-bavaka mba hahatanteraka ny "ho iray ihany izy rehetra". ao no iaraha-miezaka hahatratra izany.
Ny hierarchie dia efa nisy tandindona napetraky ny Tompo:-Jao 21/15-. i Petera no notendrena ho mpitandrina voalohany, sy mpiandry ny ondriny.
NB:raha tena te-hanaja ny tempoly isika dia tsy maintsy manaja ilay fankanesana any Jerosalema in-1 isan-taona. fantatry ny Tompo fa tsy izany intsony anefa no handovana ny mandrakizay.
misaotra anao mifanankalo hevitra am-panajana, hampianatra antsika anie ny Tompo.
31. rhaj0 ( 16/03/2017 15:22)
Tena hotry ny aholakolanao ifanandrify ny zavatra azonao atao izany ho'a ny Baiboly ry RKjeanclaude ee...

Ka tena isaka ny "eritreritrao" ireo azany hoe, dia mba ampivadiho toko aman'andininy mazava, apetraho eto, iarahana midinika..
32. RKjeanclaude ( 21/03/2017 10:36)

rhaj0:

Tena hotry ny aholakolanao ifanandrify ny zavatra azonao atao izany ho'a ny Baiboly ry RKjeanclaude ee...

Ka tena isaka ny "eritreritrao" ireo azany hoe, dia mba ampivadiho toko aman'andininy mazava, apetraho eto, iarahana midinika..

reformuleo kely izay tianao ambara eto fa tena tsy azoko mihitsy. misaotra indindra.
33. rhaj0 ( 21/03/2017 15:13)
RKjeanclaude:
NB:raha tena te-hanaja ny tempoly isika dia tsy maintsy manaja ilay fankanesana any Jerosalema in-1 isan-taona. fantatry ny Tompo fa tsy izany intsony anefa no handovana ny mandrakizay.

Taiza ny Tompo no niteny fa "tsy mila mankany Jerosalema raha te-hanaja" izay tokony ho hajaina ao, ohatra?

Ianao RKjeanclaude no tsy afa-mankany Jerosalema, dia lazainao fa ny Tompo no "mahafantatra" fa tsy mila mankany ... izay ilay "aholakolanao ifanandrify ny zavatra azonao atao" ny resa-Baiboly.

PS: ilay "fifanakalozana hevitra am-panajana" ve tsy hoe,
- hajaina ho marina sy/na mitombona ny hevitra aroso eee...
- dia koa, misy tsofoka IF ao @ fifanakalozana.. izany hoe samy manome/mandray, na manontany/mamaly

... izay aloha ny fahitako azy eee...
34. RKjeanclaude ( 21/03/2017 18:43)
efa nomeko anie ilay reference e. raha sahirana ianao mamaky dia aleo averiko soratana: Jaona 4/21:"Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray" and.23:"...Raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana...."

Ny hoe fifanajana sy fifanakalozana dia te-hangataka aho ny tsy hanaovana teny milamila vaniny. Sady tsy te-hanao izany aho no tsy te-hanaovana izany. Ka na hotsarainareo ho inona sy ahoana aza aho, dia tsy vonona hamaly anareo intsony satria ny hitako any am-boalohany dia dinika- forum. Ka tsy mahatsara dinika ny taim-bava fa ny argument no mila atao matavy. misaotra anao.
35. rhaj0 ( 21/03/2017 19:09)
Eny azany fa ao @ Jaona 4:20+, dia
- sady TSY @ "tendrombohitra" (izay nivavahan'ny razan-dravehivavy)
- no TSY any Jerosalema (izay fivavahan'i Jesosy izany, araka ny filazan-dravehivavy)
TSY @ ireo no (f)ivavahana

Raha ny fahazoako azy anefa, dia TSY miresaka "tempoly" na "Tranon'ny Ray" na "Sinagaoga" i Jesosy eo.

Ka hono h'a ry RKjranclaude, ahoana ilay naha-sarotiny be an'i Jesosy, rahefa nisy "mpivarotra" tao @ Sinagaoga? Naninona no tsy navelany tao koa ny mpivarotra, satria raha araka (ny tiatian'i) RKjeanclaude, dia "amin'ny fanahy" (ihany) no (f)ivavahana fa TSY any an-kafa.

Mbola manaja ny Sinagaoga re i Jesosy eee... Izay no resaka teo. Fa no-spiner-n'i RKjeanclaude, na hoe naolakolany, @ Jerosalema moa ny resaka...

NB: any Jerosalema no (f)ivavahan'i Jesosy, hoy ravehivavy niresaka taminy, arak'i Jaona io
Jaona 4:20... hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana.
Fa niova hevitra indray izany i Jesosy eto.
36. RKjeanclaude ( 21/03/2017 20:03)

noravainy tokoa ny mpanao sera tao @,tempoly. Mbola nanaja tokoa izy teo @ io lazainao io, fa @ io Jaona 4 io dia misy eo hoe: " ho avy ny andro", dia lazaintsika indray ve hoe mbola any aoriana any io ho avy io?
37. rhaj0 ( 21/03/2017 23:47)
OK.. bravo RKjeanclaude
- ka ny "Tranon'ny Ray" izany dia,
- rahefa "ho avy ny andro",
- dia tena tsisy hasiny na/sy tsisy ilavana azy intsony,
- satria "amin'ny fanahy" (ihany) no (f)ivavahana

Fa tena tanteraka io "faminaniana" iray io an... Aty Quebec izao, dia misy Leglizy iray mikatona isaka ny 1 andro izy teo. Efa "avy" ilay andro izany ... aty Quebec, fa any Mada mbola misy décalage horreur :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1239