Ny fanahy no maha olona

21. endriny ( 17/03/2017 13:48)
Andao ary ekena fa "NY FANAHY NO MAHA OLONA". IO fehin-kevitra io dia novohizin'ny kristianina mafy mihintsy mba ilazana ny toetra mampiavaka ny olona amin'ny zavaboahary hafa rehetra. Dia ny olona irery izany no misy fanahy.

Ny kristianina izay tena mivohy io hevitra io anefa dia manana rafi-piarahamonina mitanila izay tsy izy mihoatra amin'ireo toerana tsy misy kristianina. Ny antony dia satria ny ao mbadiky ny kristianina dia ny fanangonana vola sy harena. Io ilay lazaiko hoe mitady kila, sy mitady ondry ho volosana.

Ny fidiran'ny kristianina amin'ny fiarahamonina iray dia miteraka fifanipahana sy hatsana isarahan'ny sarangan'ny mpahay mangorim-bola sy ny sababem-bahoaka.

ka izay tokoa ve no fenitra amin'ny hoe ny fanahy no maha olona?
22. endriny ( 24/03/2017 04:30)
Misy voarabe itoeran'ny fanahy amin'ny lalana mankany Ampitandrefana. Io voara io dia nataon'ny olona fierena tamin'ny loza teo aloha. Natoby teo ny omby rehefa tsy tiana ho lasan'ny dahalo. Teo no mialoka rehefa masiaka loatra ny varatra. Ary teo koa no mipetraka rehefa enjehin'ny fahavalo na jiolahy teo aloha.

20 taona lasa angamba izay dia maty ilay mpitakazomanga, ary tsy nisy nandimby fa efa lasa Kristianina daholo i Morarano iray vohitra. Dia very hasina ilay Voarabe. Ka amin'izao mirongatra ny dahalo, ny mpamaky trano kanefa very fanahy ilay Voara ka tsy maha aro ny tanana sy ny olona intsony

Dia ventsoventso sisa ny an'ny rehetra hoe: "tahaka izay mba nianarana ny nataon'i Dadibe"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2078