Ny fanahy no maha olona

1. endriny ( 28/02/2017 05:09)
Ny tatsinanana ary ny Ntaolo Malagasy indrindra indrindra dia mino fa tsy ny olona anefa no manam-panahy.
novalian'i endriny ny 24/03/2017 04:30
2. endriny ( 01/03/2017 07:37)
Ny mahavariana amin'ny fahendren'ny razana dia ilay fitokiana fa na ny hazo aza dia mety itoeran'ny fanahy any fa na ny tany aza. Ka raha hamaky tany na hitevy ny Ntaolo dia tsy maintsy asiana joro kely aloha.
3. rhaj0 ( 01/03/2017 12:12)
Marina tokoany fa @ kolotora hafa, ny Amerindiana ohatra, na koa ny Boudista, dia ny zava-maniry na ny biby, dia manana ... "fanahy", ary tokony hajaina, sahala ny fanajana ny (olona) mpiara-belona rehetra ihany!

Lazaiko hoe, "filozofia" laliina be anie izany, ary tena misy fiantraikany betsaka @ fitondra-tena sy fiaraha-monina ao eee...


io foana ilay lazaiko hoe,

- ny Amerindiana, rahefa mandalo ao an'ala, dia MANAJA azy, araka izay azony atao, ary TSY mamela trace ny nandalovany teo ...

- fa ny Kristiana, dia maikabe ny manangana fefy, dia lazainy fa an'azy io, namen'Atra azy, ary dia amidiny ny bois de rose eee...
4. endriny ( 01/03/2017 14:45)
Tena samy hafa aloha e. Ny Malagasy dia mino fa ny misy hasina ny zavatra rehetra. Izay hasina izay dia tokony hajaina sy tandrovana fatratra mba tsy hanana tsiny. Noho izany raha hisotro rano amin'ny loharano iray aza dia mamatotra bozaka eo amin'ny manodidina ilay rano mba tsy hanana tsiny ka ho arahin'ny tompon'ny rano. Tsy azo atao ny mandoto loharano.

Saingy efa foana izany, fa finoanoam-poana. Dia misy manototra sy loharano, misy manisy tatatra fanariana rano maloto. Tsy maninona izany, fa ny rano amin'ny tavoahangy efa amidy eran'ny tsena, ny Jirama koa eo manome toky sa ahoana moa.
5. rhaj0 ( 01/03/2017 19:55)
Fa mba manisy ... "sira" ny Biby ihany kosa i Jesosy, na hoe ny Baiboly. Ohatra fara-tampony, dia ampitahaina @ Biby i Jesosy, na akoriny aza, indraidray dia IZY ihany no mampitaha ny tenaNY @ Biby.

N'izan'iza mahay mamadibadika Baiboly dia ahita fa ampitahaina @ ONDRY na LIONA i Jesosy.

Fa ato indray, dia i Jesosy en personne mihintsy no mampitaha ny tenany @ AKOHOVAVY
Matio 23: 1 Tamin'izay dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany Jesoa (...) 37 ... impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan'ny reniakoho ny zanany

Dia ato koa, excité mihira zareo, ka mampitaha ny tenany @ OLITRA
Salamo 22:7 Ary izaho, dia olitra aho fa tsy olona;

Fa inty hono no tena manjavozavo... na mazavabe. I Jesosy en personne io no miteny, ary miresaka ny tenany au troisieme personne, ka mampitaha ny tenany @ BIBILAVA
Jaona 3:14 Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona koa

Dia io koa izao, dia hozy i Jesosy hoe, "nanandratra bibilava i Mosesy".. Asa hoe nataony inona ilay izy t@ izany?
6. endriny ( 02/03/2017 05:45)
Ny bibilava izao no nampiantra ny olona ahita ny ratsy sy ny tsara. Raha tsy nisy io bibilava io angamba ny olona mbola nifampihinana. Soa fa nandalo tao Edena ny bibilava.

Dia ny bibilava ihany koa nanafaka ny zanak'Israely tamin'ny aretina tany an'efitra.

Ilay fanahy masina aza moa voromailala fotsy, fa tsy domoina mainty koa

Kanefa dia ambara fa ny fanahy no maha olona
7. bor2lais ( 02/03/2017 14:54)
Toa misy very fanahy mbola velona ato izany !! :-)
8. rhaj0 ( 02/03/2017 16:13)
Fa maninona kosany no lazain'i Bor2lais fa "very fanahy mbola velona" ireo Kristiana mivarotra bois de rose... Ao an'eritreriny ao anie, ka tena i Andrmntra mihintsy no nanome azy (tsara) fanahy ny hikepoka an'izy io ee..

Sa tsy ny Kristiana-mpikepoka-bois-de-rose no resahinao?

Sao indray i Mosesy no lazain'i Bor2lais fa dia tena "very fanahy mbola velona", fony fahavelomany, satria, io araka ny filazan'i Jesosy ao @ io Jaona 3,14 io, dia "nanandratra Bibilava" i Mosesy, nefa ny razambeny, i Madame Eve, nofitahi-na Bibilava, ary izay no fototry ny fahorian-draolona ao @ Baiboly ao.. Sa tsisy an'izany fa i Jaona 3,14 no entin'ny Pi=3,14 ??
9. endriny ( 03/03/2017 06:33)
Izay no maha manam-panahy ny bibilava izany koa. Miaiky azy hatramin'Atra.
10. bor2lais ( 03/03/2017 12:39)
Nataoko ity fa very aza, hay toa tsy nanana mihitsy moa ? :-)
11. rhaj0 ( 03/03/2017 13:57)
Iza indray azany no tazatazanin'i Borrr2lais avy eo ambarrravarrrankely any @ 3eme étage-ny ao Borrrdeaux ao, ka hoe "tsy manam-panahy"... :-)
12. rhaj0 ( 03/03/2017 17:00)
Hay "very fanahy" hozy i Borr2lais, nefa indray toa "tsy nanana mihintsy" indray hono...

Ngo dia ao ihany ilay "fanahy" ry Borr2lais, fa ianao no tsy mahatazana tsarrra eee... ianao milingilingy any @ 3eme étage any ve hahita tsara (anay) aty ambany aty kosany ee ??

Fa dia aza mitokona dia mitazana lava fotsiny avy eo ambarrravarrrankely ao re ry Borr2lais aa.... mangingina ny tsena.. :-)
13. bor2lais ( 06/03/2017 14:39)
"Ny fanahy no maha olona"
Io ilay resaka nataontsika fahiny ramose 2 étages a ! :-)
3 étages = vatana + saina + fanahy
2 étages = vatana + saina
:-)
14. endriny ( 06/03/2017 16:28)
hihihihihi mahatsiaro ny fahiny indray ry zareo

Misy fiteny Malagasy mihintsy ilazana ireo olona ratsy fanahy sy kiveta manao hoe: manao fanahim-biby

Ary dia misy fanoharana ny maro amin'ny ohabolana Malagasy mampitaha ny fiainan'ny olona amin'ny biby.

Teo amin'ny Malagasy mantsy ireny biby ireny dia endrika iverenan'ny fanahin'ny maty ho velona indray. Ny Bado, ny mandomaitso sy ny amalona ary ny voay no tena inoan'ny Malagasy fa endrika hiverenan'ny Maty eto an-tany indray. Ka dia misy ary tsy vitsy ireo toerana no fady ireo biby ireo, eny fa na ny mahta fotsiny aza ho an'ny sasany dia efa fambara ny mety ho avy.
15. rhaj0 ( 06/03/2017 16:47)
Ny olana (mampalahelo) @ Bor2lais anie, dia ny mpiresaka eto no anamparany (hoe tsy @ 3eme etage dia tsisy fanahy eee...); fa i Bor2lais dia TSY hiresaka mihintsy ny loha-hevitra na ny foto-dresaka, ohatra eto izany ry Mosesy na ny Kristiana, na koa ny Amerindiana sy ny Ntaolo sy ny finoany na fombany na filozofiany ets...

Dia ao (manahaka) Bordeaux ao ianao izany ry Bor2lais aa... :-)


endriny:

hihihihihi mahatsiaro ny fahiny indray ry zareo

Misy fiteny Malagasy mihintsy ilazana ireo olona ratsy fanahy sy kiveta manao hoe: manao fanahim-biby

Ary dia misy fanoharana ny maro amin'ny ohabolana Malagasy mampitaha ny fiainan'ny olona amin'ny biby.

Teo amin'ny Malagasy mantsy ireny biby ireny dia endrika iverenan'ny fanahin'ny maty ho velona indray. Ny Bado, ny mandomaitso sy ny amalona ary ny voay no tena inoan'ny Malagasy fa endrika hiverenan'ny Maty eto an-tany indray. Ka dia misy ary tsy vitsy ireo toerana no fady ireo biby ireo, eny fa na ny mahta fotsiny aza ho an'ny sasany dia efa fambara ny mety ho avy.

Fa amiko kosa aloha ho'a, ny finoana na izay filozofia (taloha) rehetra, dia rahefa ampiharina @ fi(s)ainana ankehitrio, dia... inspiration izany, fa kosa, mila amarinina @ fahalalana (siansa/pisikolozia/...) ankehitrio..

Koa mba hazavao @ jiro-de-l'an-2017 hoe ireo zavatra ireo ry Endriny.. Mety lehibe ihany ny fitombenan'izany rehetra izany, fa ny fanehoana na filazana azy fotsiny no mety hoe, kely ny fitombenany eee :-)

16. bor2lais ( 07/03/2017 10:28)
ramose 2 étages:

Ny olana (mampalahelo) @ Bor2lais anie, dia ny mpiresaka eto no anamparany (hoe tsy @ 3eme etage dia tsisy fanahy eee...); fa i Bor2lais dia TSY hiresaka mihintsy ny loha-hevitra na ny foto-dresaka, ohatra eto izany ry Mosesy na ny Kristiana, na koa ny Amerindiana sy ny Ntaolo sy ny finoany na fombany na filozofiany ets...

1. serasera ny eto ka afaka manoratra izay tiany (hoy ianao izay) ! :-)
2. mila ampahafantarina ny "ankizy" (araka ny fomba fiteninao azy) mandalo eto ihany anefa hoe iza moa io iresahany io (ahitana ny "le meilleur comme le pire" araka ny fitenenana mantsy itony seraseran'ny taonjato faha 21 itony)
3. efa be ny resaka nifanaovantsika teto ramose : averiko (ny hevitro efa nolazaiko taminao) fa ny Baiboly dia boky fitaizana ara-panahy (ho an'ny Kristiana) fa tsy tahaka ny "roman policier" na "livre d'histoire" tsotra akory ...
Ianao anefa mandà (araka ny resaka nifanaovana hatrizay) io lafiny ara-panahy io ka izay ilay tsy mety itovian'ny resatsika mihitsy.
Dia aleoko ihany ramose miandry anao hiakatra ny rihana faha-3 toy izay izaho andeha hidina raha ny resaka Baiboly no atao !!! :-)
4. azafady raha nisy nampalahelo ny voalazako :-)
17. rhaj0 ( 07/03/2017 11:35)
[size=8]eny ho'a ee.. mba mamerina mijery ny resaky ny namana hafa rehetra eto @ serasera ihany aho, fa ny olona rehetra dia ny lohahevitra (ohatra "fanahy" no resaka eto) no (atomboka) resahiny, fa ny an'i Bor2lais dia, tena @ maha-bordelais azy ao, dia ny "olona miresaka" no (hany) ataony foto-dresaka. Visavisao ao ihany io, fa jeren'ny ankizy(-nao) anie ianao ry Bor2lais ee... ary ny eto @ interinety mijanona mandrakizay.. [/size]
18. endriny ( 08/03/2017 06:07)
Teo aloha dia noheverina fa tsy manam-panahy ny homoseksoela na ny mitovitavo. Fa aty aoriana lasa nanaiky indray ny fiangonana fa tsy maninona na miaraka aza ny mitovitavo. Dia asa angaha izay tena famaritana ny atao hoe Fanahy.

Fa ny fahany hono miriorio ohatry ny angidina. Kanefa ny Fanahy dia mitoetra eny an-tsefa-kazo, ka tsy torahina mena masoandro no tsy siohaina harivariva fa tonga manakotaba ny isam-baravarana.

Dia aiza marina ary izany ny fanahy no mitoetra. Fa misy azy eo am-pasam-bazimba ary toa henika azy koa ny toeram-pandihizana.
19. endriny ( 09/03/2017 08:22)
Misy fiteny hoe aza manao fanahin'alika ka antitra vao misary gaigy.
20. endriny ( 13/03/2017 15:15)
Fa manam-panahy mihoatra noho ny rehetra ve ny mpitondra fiangonana sy ny mpitantanana ny firenena?

Valiny: Tsia

Raha ny hafetsena amin'ny fanorata-tena ho ambony noho ny rehetra dia marina. Tonga amin'ny fiteny manao hoe: "Maro ny mahay fa izay fetsy ihany no tafita"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8434