YAHOSHUAH no tena Andriamanitra marina, ilay nahary izao tontolo izao

21. RA TAN ( 21/03/2017 08:33)
Ra hiresaka jesosy ianao dia ndana mankany @ FFKM, dia any ianao mametraka an'io fanontanianao io; fa a/try ny FFKM mantsy iojesosy (sampy grika) lazainao io. Fa tsy maintsy hiteny ny FFKM hoe "tsy mandrava didy folo jesosy".
Dia tongava saina @ zay fa HAFA ilay hoe "mandrava didy folo", fa tsy jesosy izany.
Fa ny tena marina dia izany mesia (ivavahan'i stahtam izay tsy sahiny tononina anarana) izany no mitovy @ jesosy (sampy grika); satria samy mampitandrina didy folo anareo.
22. stahtam ( 21/03/2017 09:02)

[quote=RA TAN]
Ra hiresaka jesosy ianao dia ndana mankany @ FFKM, dia any ianao mametraka an'io fanontanianao io; fa a/try ny FFKM mantsy iojesosy (sampy grika) lazainao io. Fa tsy maintsy hiteny ny FFKM hoe "tsy mandrava didy folo jesosy".
Dia tongava saina @ zay fa HAFA ilay hoe "mandrava didy folo", fa tsy jesosy izany.
Fa ny tena marina dia izany mesia (ivavahan'i stahtam izay tsy sahiny tononina anarana) izany no mitovy @ jesosy (sampy grika); satria samy mampitandrina didy folo anareo.

[quote=stahtam]
- Fa angaha ianareo FFKM t@ 1996-2008?
- Tena efa tonga saina mihitsy ka, tonga saina aho hoe: jesosy mandrava didy folo no notononinareo dia lazainao indray fa HAFA no mandrava didy folo, fa tsy jesosy izany. Izany hoe tsy naharava na inona na inona izany ianareo t@ 1996-2008. Teny faran'ny tsy hay kely: C'est très très amusant de vous entendre parler comme ça içi !! hi! hi! hi!
23. MINDAOZY ( 25/08/2017 14:14)
Hay ve inty herilanto inty ilay mampikoraraika an'i stahtam mivavaka @ ilay devoly tsy sahy mitonona anarana e.

Vao mainka amafisiko ny tenin'i Herilanto:

YAHOSHUAH no nanamboatra ny zavatra rehetra.
YAH A/tra Ray no nahary ny zava-drehetra, fa raha tsy teo YAHOSHUAH tsy nisy ary izao rehetra izao.
A/tra no nahary ny lanitra sy ny tany.
YAHOSHUAH sy ny Ray YAH dia iray ihany, izahay rehetra dia Andriamanitra daholo.
Hafa YAHOSHUAH ary hafa koa YAH A/tra Ray fa mitovy ihany Izy ireo na dia tsy mitovy aza fa izahay rehetra mitovy aminy daholo na dia tsy mitovy aminy Tanaka an'i YAHOSHUAH aza fa YAHOSHUAH dia tenany.
Tsy antonona An'A/tra ny zavatra rehetra sady asan'ny tanany avokoa ireny fa ato anatiko Izy sady ao anatin'ny zanak'A/tra rehetra fa tokana Izy ary roa no A/tra ivavahana.
YAHOSHUAH efa nisy hatrizay hatrizay dia A/tra nahary ny zava-drehetra Izy, dia tonga nofo Izy dia maty fa ny nofo rehetra dia asan'ny tanany, fa velona mandrakizay Izy fa tsy maty porofon'izany izahay rehetra.

Tena fanina mihintsy ny devolin'i stahtam amin'izao, Tanaka ny efa nahafanina azy taloha ihany.
24. stahtam ( 28/08/2017 07:19)
A°) Raha jerena ilay lohahevitra (abobo) saika hanasan-dRA TAN ati-doha farany teto dia tsapa fa nitsaha-ketrika tahaka ny sosoa voatampo-drano. Niala aloha izy naka saina! Izay mihitsy no tsy maintsy hiafaràny ka tena zava-dehibe ny fahatsapan-tena tahaka izany!
B°) MINDAOZY indray izany no te-hisolo vaika ny ankalana ka bebe fiavy tahaka ny akoho fantàka tahaka ny fanaony ihany. Raisina ianao fa tsy atao latsa-danja noho ny hafa efa teto ny hahazo anao e!
1°) "Hay ve inty herilanto inty ilay mampikoraraika an'i stahtam mivavaka @ ilay devoly tsy sahy mitonona anarana e"
- Ilay anarana aloha afoizo tahaka ny maty na hiofo ho angidina eo aza ianao e!
2°) "Vao mainka amafisiko ny tenin'i Herilanto"
- Mendri-piderana ilay herim-po fa ny vovok'aina no tsy mahasehaka.
3°) "YAHOSHUAH no nanamboatra ny zavatra rehetra; YAH A/tra Ray no nahary ny zava-drehetra"
- Izany hoe ny Ray izany no nahary fa Yahoshuah no nanamboatra. Ny nolazain'i Herilanto 777 anefa dia hoe Yahoshuah no NAHARY. Dia i MINDAOZY mamely ny hoe "A/tra no nahary". Ka izao e: mitenena ihany dia aolankolàny eo ny jeu de mots sy ny talentanao fa mety hihaino ihany angamba ny nandra sy ny sagnagna rehetra.
4°) "fa raha tsy teo YAHOSHUAH tsy nisy ary izao rehetra izao"
- Ka noho izany ve dia Yahoshuah no nahary ? (mdr)
5°) "YAHOSHUAH sy ny Ray YAH dia iray ihany"
- Iza àry no nahary an'i Yahoshuah?
6°) "izahay rehetra dia Andriamanitra daholo"
- Ka inona no olana? Tsy misy idirako ange izany na God ianareo na Dieux na inona e!!
7°) "Hafa YAHOSHUAH ary hafa koa YAH A/tra Ray"
- Raha araka ny voalazanao tetsy @ 5°) anefa dia iray ihany izy ireo! Sao dia mba bala maso kosa ianao ry MINDAOZY ?
8°) "fa mitovy ihany Izy ireo na dia tsy mitovy aza"
- Amiko aloha débilité du second degré no fieritreretako izany fisainana izany. Maso samy hafa mantsy no ijerena azy.
9°) "... fa YAHOSHUAH dia tenany"
- Dia mbola velona ve ilay Ray t@ fotoana nahafaty ilay TENANY teo ambony hazofijaliana ? Tsy gaga intsony aho raha nivaralila hatr@ vavanao ka niteny hoe:
10°) "fa izahay rehetra mitovy aminy daholo na dia tsy mitovy aminy Tanaka an'i YAHOSHUAH aza"
- "Mitovy @ Ray ianareo": Ho anareo rehetra koa izany dia Yahoshuah no tenanareo satria Yahoshuah no tenan'ny Ray! sao dia mba ilay teninao manaraka eo no marina:"...Tanaka an'i YAHOSHUAH?". Izany hoe mitanàka amin'i Yahoshuah ianareo!!... Tena afaka andro aho MINDAOZY fa misaotra a!
11°) "Tsy antonona An'A/tra ny zavatra rehetra sady asan'ny tanany avokoa ireny fa ato anatiko Izy sady ao anatin'ny zanak'A/tra rehetra"
- Izany hoe tsy antonona Azy ny zava-drehetra fa antonona ao anatina(re)o izy. Brrr!!! Inona re ity rey olona e ?!
12°) "fa tokana Izy ary roa no A/tra ivavahana"
- Ny an'ny sasany telo izay iray. Ny an-dry MINDAOZY indray roa izay Iray. Ny lohany Ray, fa ny tenany Yahoshuah. Moa va tsy irony sirène mitanina andro eny ambony vatolampy irony? Ny lohany olona fa ny rambony trondro! Hay ve izany ilay A/tra mitovy aminareo mianakavy e ? 13°) "YAHOSHUAH efa nisy hatrizay hatrizay dia A/tra nahary ny zava-drehetra Izy"
- Dia izy koa ve no nahary ny Ray ? Tena mampivanitika ilay izy MINDAOZY a!
14°) "dia tonga nofo Izy dia maty fa ny nofo rehetra dia asan'ny tanany"
- Dia nohomboan'ilay asan'ny tanany izany izy dia maty eee ! oee !
15°) "fa velona mandrakizay Izy fa tsy maty porofon'izany izahay rehetra.
- Rehefa misy maty izany ao aminareo ka manao faire-part dia hoe: "nodimandry i... fa tsy maty" Alefaso ihany fa tena mampikoraraika e!
16°) "Tena fanina mihintsy ny devolin'i stahtam amin'izao, Tanaka ny efa nahafanina azy taloha ihany"
- Inona aloha no tena tianao hambara @ ilay hoe "Tanaka" e ? maninona raha mijery spécialiste @ ORL mihitsy aloha e? Tsy dia lafo ange ireny e! Ny bala maso mantsy tena mampi...TANAKA an! Fanina dia mi...tanàka.
25. stahtam ( 29/08/2017 12:32)
Ho an'i MINDAOZY:
T@ 21/03/2017 dia namoaka resaka i RA TAN, ka rehefa mba avy mikopakopaka azy ianareo ka efa mihiratra ny masony na mba efa mahazo sakafo kely izy dia mba ampahatsiahivo azy fa mbola tsy novaliany ity fanontaniana nanaraka teo ambaniny! Toa izao ilay resaka:

- "Ra hiresaka jesosy ianao dia ndana mankany @ FFKM, dia any ianao mametraka an'io fanontanianao io; fa a/try ny FFKM mantsy iojesosy (sampy grika) lazainao io. Fa tsy maintsy hiteny ny FFKM hoe "tsy mandrava didy folo jesosy".
Dia tongava saina @ zay fa HAFA ilay hoe "mandrava didy folo", fa tsy jesosy izany.
Fa ny tena marina dia izany mesia (ivavahan'i stahtam izay tsy sahiny tononina anarana) izany no mitovy @ jesosy (sampy grika); satria samy mampitandrina didy folo anareo.

Valiny t@ stahtam t@ io fotoana io:

- Fa angaha ianareo FFKM t@ 1996-2008?
- Tena efa tonga saina mihitsy ka, tonga saina aho hoe: jesosy mandrava didy folo no notononinareo dia lazainao indray fa HAFA no mandrava didy folo, fa tsy jesosy izany. Izany hoe tsy naharava na inona na inona izany ianareo t@ 1996-2008. ..!

Androany 29/08/17 kosa dia ampiako hoe:
- Rehefa mifamatotra sy misavoritaka toa ny adin-drenikisoa tahaka io sisa ny resaka(re)o dia azo lazaina fa efa miseho tanteraka ny saron-tava ankehitriny. Fantatra ilay fanahy miasa ao aminareo. Fanahy tsy mahataka-javatra fa atao contre-attaque @ hatezerana. Fanahy be hambo sy mpandainga ka na miezaka manarontsarona sy mampiasa hafetsena aza ianareo izay nidirany dia voazaitra hatr@ vava ary voaparapaingo ny tongony.
Raha mbola tsy salama nefa izy (RA TAN io) dia aza mbola ampiresahana be loatra aloha fa aleo ho rétabli tsara.
- Ity indray fandrika (tsoriko mihitsy hoe FANDRIKA) ho anareo. saingy fandrika hanafaka anareo raha mahay manararaotra ianareo. Tokony hahatonga saina anareo @ io testamenta vaovao (lazainareo fa filazantsara) io. Ka izao ilay izy:

- NY VOASORATRA MOMBA AN'I PETERA :
1°) Nolazain'ny Asan'ny Apostoly: 1/26 fa nifidy an'i Matia hahafeno ny isan'ny Apostoly ho 12 indray izy
2°) Nolazainareo (na ny filazantsaranareo) fa nanaiky an'i Paoly ho "rahalahy malala" izy (II Pet: 3/15). Raha Apostoly anefa ity Paoly(nareo) ity dia efa tsy n° 12 intsony izy izany raha ny marina fa efa n° 13 na n° 14 any ho any.

Dia hoy aho hoe: ny bokin'iza no marina ? II Petera sa Asan'ny Apostoly 1 sa ... ? Dia tsakotsakoy tsara, avadibadiho, fa rehefa tsy voavaly dia azonareo tsorina hoe "tsy misy idiranao izany".
Azonareo atao koa anefa ny mangina tanteraka satria izay aza no manakaiky ny fahendrena kokoa, Toa izay hilelalela @ zavatra tsy hay tahaka ny biby tsy misy s... eo. Safidy anefa io!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.271