You are here: home > Forum

Fomba @vodiondry

Lohahevitra : Fitiavana
Fitohizan'ny hafatra : Fomba @vodiondry
Valiny : 1
domoina17 - 21/02/2017 13:31
Salama daholo,

Saika mba hanontany oe iza kay no tokony hampilaza ny fianakaviana rehefa hanao vodiondry? Ny ray aman-dreny sa ianao lah sy vavy voakasika @zany?

Misaotra ô.
Valio | Miverina eny ambony
RKjeanclaude - 10/03/2017 20:20
salama e! diniky raiaman-dreny ny vodiondry. razazavavy no ilazana ilay tovovavy eo. izany hoe tsy tompon'ny fanapahan-kevitra @ lafiny rehetra. toy izay koa razazalahy. ka tsy anjarany no manasa olona, saingy raha misy olona tiany asaina dia mahazo milaza amin'ny ray aman-dreny izy. ka ireo no manasa ilay olona, na ianareo atao vodiondry araka ny fifanekenareo. fehiny:an'ny ray aman-dreny no manasa fa mahazo manasa ihany razazavavy rehefa vita era amin'izy ireo. NB: ny mariazy kosa dia an'izy roa kely irery ny fanasana ka anjaran'ny ray aman-dreny indray no miera amin'izy ireo. ilaina tsy tapaka mihitsy izany ny dinika ray aman-dreny sy zanaka mandritra ny raharaha rehetra sy amin'ny fanomanana. tanteraha soa ary.
Valio | Miverina eny ambony