Aiza no tinao hiafaran'ny zanakao

21. rhaj0 ( 27/02/2017 12:08)
Ka fantatrao tokoany azany ve i Jesosy ry Irakiraka? Fantatrao ve ny nataony?

ohatra... inona no "nataon'i Jesosy" hampasitrana ny moana-marenina?
22. RBNIR ( 27/02/2017 18:29)
rhaj0:

Dia hoy aho hoe: Olombe toa inona no tianao atao fitaratra ho an-janakao?
- olona zen toa an'i Dalai Lama ve?
- sa siantista toa an'i Einstein?
- sa politisiana toa an'i Mandela?

Fa inona marina tokoa moa ilay TSARA tao amin'i JESOSY tsy mba nananan'ireo hafa rehetra hatramin'izay????
« ....... Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. » (Jao.10:10)
Fiainana mandrakizay (vie éternelle)

Ary noporofoiny ny fisiany tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty....Izay ihany koa no tena fototra mampijoro ny finoana kristianina satria Jesosy irery no mbola nahavita nanaporofo fa misy ny fiainana mandrakizay....« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Kor.15:14)

Ireo kristianina tany ampiandohana dia nanamarina an'io,

Ny kristianina ankehitriny koa dia mbola manamarina izany.....

http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe




23. rhaj0 ( 27/02/2017 19:46)
rhaj0:
Dia hoy aho hoe: Olombe toa inona no tianao atao fitaratra ho an-janakao?
- olona zen toa an'i Dalai Lama ve?
- sa siantista toa an'i Einstein?
- sa politisiana toa an'i Mandela?
RBNIR:
(toa ny fanaony i RBNIR, dia manofaofa rivotra, izay faranany amina pub)
http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

Ka tena TSISY Kristiana mba mi-inspirer izany, ka mba hoe, asaina mba ho tarafin'ny Ankizy ee...

Nefa anie izaho izao mahalala Kristiana "tena izy" eee...
- i Mother Teresa, izay efa lasa "masina", sa ny Papa Benoa
- i Thomas Aquinas izay nanaporofo ny "intelligent design" (hoe, dada ka dada ny natiora hono, ka tsisy afa-tsy Andriamanitra no namorona an'ilay izy)
- i Georges W. Bush, izay nilaza-tena fa "born again christian"


Sa mahamenatra anareo ireo Kristiana, havanareo ao @ Tompo ireo??
24. RBNIR ( 28/02/2017 04:41)
[/quote]
RBNIR:
(toa ny fanaony i RBNIR, dia manofaofa rivotra, izay faranany amina pub)
http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

[/quote]
Mba efa nohenoinao v aloha izay nolazainy tao alohan'ny itenenanao hoe pub???
Hoy izy hoe, niseho tamiko i Jesosy (ilay efa maty 2000 taona) nifidy ahy ary nanome baiko ahy hoe Vitao ny asan'ny fahamarinana...

Raha efa maty tokoa Jesosy??? Iza ary ilay nametratanana taminy???? (nisy vavolombelona teo fa tsy hoe izy irery akory no tao tamin'io fotoana io).....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
25. endriny ( 28/02/2017 04:59)

RBNIR:

Ny kristianina rehetra dia mitaona ny olona hanahaka an'i Jesosy (hitafy an'i Jesosy)...

Ny tanjona dia tokana...« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Gal.2:20).....

Tanjona tokana ho an'ny rehetra , KRISTY NO HO VELONA AO ANATY......


Angaha mbola tsy ampy ilay sorona taloha no hanao sorona ny ainao koa ianao. Mahafinaritra be izany.

Fa ny ahy aloha ny akoholahy mena sy ny omby mazava loha ihany dia ampy e
26. rhaj0 ( 28/02/2017 13:05)
RBNIR:
Ny kristianina rehetra dia mitaona ny olona hanahaka an'i Jesosy (hitafy an'i Jesosy)...

tena mbola amina mentalité-na Kristiana (mpanjanaka) de l'an 1900s ry RBNIR.. Na ny Papa azany anefa efa ela no niala t@ io.

Ka tsy mi-inspirer an-dry RBNIR izany ny Papa, izay kristiana havany ao @ Tompo ao ihany anefa.

27. RBNIR ( 28/02/2017 13:15)

rhaj0:

RBNIR:
Ny kristianina rehetra dia mitaona ny olona hanahaka an'i Jesosy (hitafy an'i Jesosy)...

tena mbola amina mentalité-na Kristiana (mpanjanaka) de l'an 1900s ry RBNIR.. Na ny Papa azany anefa efa ela no niala t@ io.

Ka tsy mi-inspirer an-dry RBNIR izany ny Papa, izay kristiana havany ao @ Tompo ao ihany anefa.




Raha manahaka an'i Jesosy tahakan'i Paoly marina moa ny olona iray, inona no antony tsy hanahafana azy????
« Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara. » (1 Kor.4:15)
« Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo. » (1 Kor.4:16)
Ny tsi11 samy mahafantatra tsara hoe iza marina moa no niteraka azy ao amin'i Kristy tamin'ny filazantsara ka tokony ho tahafiny.....

Hoy paoly hoe : « Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. » (1 Kor.11:1)

28. rhaj0 ( 28/02/2017 14:31)
Akanga aloha... i Jesosy ve "nitaona olona hanahaka Azy" ????

12 ihany no "mpianatra" nanaraka azy. Ka ny "hanahaka" zy ve no nangatahin'i Jesosy ny mpianany ireo?? ntss... TSY nanao izany re i Jesosy ee.. raha tsy inona izy koa hangataka voa-tehamaina toa izany???

Koa raha tena tia "hanahaka an'i Jesosy", dia manaova izany toa azy eee.. "TSY mitaona olona" (hanahaka azy).

io ho'a.. avilambilano ao foana ny revin'i Jesosy, fa rahefa mahazo fetaka mandrivorivo avy @ Jesosy ao ianao ry RBNIR indray andro any (sa indray andro hono), dia izay angamba ho'a vao ho tonga saina eee....
29. irakiraka ( 01/03/2017 11:25)
Sanatria va re dia tsy ahalala an'i Jesosy mintsy iz ty mandrindra ny fivahinianany ety e?
"Mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina" 2 Tim 3:7
30. rhaj0 ( 01/03/2017 11:45)
irakiraka:
Sanatria va re dia tsy ahalala an'i Jesosy mintsy iz ty

Tena raha tsy Irakiraka indray tsy mahita an'izany. Izy Irakiraka no toa "TSY mahalala an'i Jesosy", nefa ny olona no hotry ny kitakitainy :-)

Fa na izany na tsy izany, dia sirika be (siriko) aloha ianao fa toa tsy fantatrao akoriny i Jesosy, na ny marimarina kokoa, ny nataon'i Jesosy (nandritra ny androm-piainany), nefa izany dia voarakitra mazavabe ao anaty BAiboly.

Koa dia averiko indray ny fanontaniana (ho an'i Irakiraka manokana):
-- Inona no nataon'i Jesosy hanasitranany ny moana-marenina?
31. RBNIR ( 01/03/2017 11:59)
Tsy misy tokony hahagaga ange io ry irakiraka e:

Misy ny natao...

« mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). » (Mar.4:12)


Misy kosa navela hahalala....
« Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Mat.13:11)

Ny mampalahelo dia ireo jamba indray no milaza fa mahiratra ka hoy i Jesosy aminy hoe « Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo. » (Jao.9:41)


Raha izaho aloha dia te ho afaka heloka aho ka aleoko manao Jamba....Amin'izay aho hampahiratiny ny masoko.....Dia ho faly aho....
32. rhaj0 ( 01/03/2017 12:06)
RBNIR:
Raha izaho aloha dia te ho afaka heloka aho ka aleoko manao Jamba....

Dia ahoana azany ho'a no nataon'i Jesosy ampahiratra ny jamba ee??...

Efa voasoratra mazavabe ao anaty Baiboly anie ny nataon'i Jesosy ee.. Maninona tsy sahinao lazaina mazava eto??

Sa ho'a mahamenatra ny nataon'i Jesosy ampahiratra ny jamba tao?
33. RBNIR ( 01/03/2017 12:15)
rhaj0:

Sa ho'a mahamenatra ny nataon'i Jesosy ampahiratra ny jamba tao?

aleo ampiako ary ianao e, (misy maromaro ihany no nataony ato ka dia ao ianao mitady izany koa...)

https://www.google.com/search?q=comment+jesus+a+gu%C3%A9rit+les+aveugles+dans+le+bible
34. rhaj0 ( 01/03/2017 13:12)
hi hi hi.. tsy mahasahy mi-citer toko aman'andininy i RBNIR.. Nefa io mazavabe ao @ Jaona 9:6 io.. Ka menatra @ io voasoratra io ve ry RBNIR dia miodikodina aa...
35. irakiraka ( 01/03/2017 13:57)
Tsy misy mahamenatra ny nataon'i Jesosy ka. Ny zava-dehibe dia ny hoe jamba izy teo aloha, mahiratra izy ankehitriny. Mahagaga Jesosy. Na dia efa niaina tanaty maizi-kitroka nandritra ny taona maro aza, afaka mbola mahita ny mazava. Jesosy no mahavita an'zany.
36. rhaj0 ( 01/03/2017 14:20)
Manja eee.. rahefa tsy (mahasahy) mamoaka ny "porofo"-n'ny nataon'i Jesosy t@ ilay Jamba i Irakiraka sy RBNIR, ilay "porofo" ao anaty Baiboly dia tantaran'ny "vavolobelona", dia avoakako mangarahara izany eee..

Jaona 9: 6 Nony avy nilaza izany izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rorany, nahosony ny mason'ilay jamba, 7dia hoy izy taminy: Mandehana manasa ny masonao any amin'ny farihin'i Siloa (izany hoe, Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.

Efa nanaovana saynette ilay izy ampazavazava azy tsara.. Fa dia io izany ee.. tsisy mahamenatra fa mampirehareha akoriny azany. Chapeau!.. :-)

37. endriny ( 01/03/2017 14:38)
Ohatran'ny fanesoana ilay hoe mahagaga ary mahavita fahagagana sy manasitrana i Jesosy.

Nahoana aza ilay fiangonana mpino, izay tena mino no manangana ny Hopitaly etsy sy eroa: Ste therese e, Ambohibao e, Ankadidramamy e...

Fa angaha tsy hoe tokony mahafindra tendrombohitra rehefa mino?

Ny tena mahavariana dia ny an'ny fiangonana sasany dia olona nahavita fahagagana mihintsy no tsy maintsy lohany. Kanefa dia io lazaiko io. Manangana hopitaly etsy sy eroa, tsy ho fanasoavana ny mpiara-belona akory, fa ho fampisarahan-tsaranga.
38. RBNIR ( 02/03/2017 00:20)
Tsy azoko, vovontany nasiana fofon'aina aza ninoan'ny maro fa nahavitan'Andriamanitra olona, inona moa no tokony hahagaga raha fotaka nampiana rora nahavitan'i Jesosy nanasitranana jamba iray?????

Rehefa ao aminao ny finoana mety foana io...
39. endriny ( 02/03/2017 05:39)
Maninona raha ravana daholo ny hopitalinareo ry RBNIR, dia ametrahanao tanana fotsiny na osoranao fotaka fotsiny ny marary dia sitrana.

Sa ianao tsy ampy finoana
40. rhaj0 ( 02/03/2017 13:56)
Inty azany mba ampio ny eto, ary mba ataonao devoara ry RBNIR, ny mamoaka toko aman'andininy maneho ny nanasitranan'i Jesosy aretina, Hozy Raneny Gogola hoe, ireto hono nositranin'i Jesosy: ny habokana, ny jamba, ny moana marenina, ny marary malemy (paralytique), ny epileptique, ny voan'ny arthrite, ny fievre, ny vehivavy nitsi-dra, ny efa maty ka natsangany, sy ny devoly noroahiny...

Ka raha avoakanao eto ny antsipirian'ny nataon'i Jesosy @ ireo, toa io fotaka miharo rora io, na ilay rora miharo tain-tsofina, dia ... mba toroy ny hopitaly kristiana mba hanao toa izay eee..

Sa, araka ny lazain'i Endriny io, ndrao kosa IANAO RBNIR (sy ny hopitaly Kristiana) NO TSY AMPY FINOANA ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2538