Aiza no tinao hiafaran'ny zanakao

1. irakiraka ( 20/02/2017 13:58)
Raha misy olona tiako indrindra aloha dia ny vadiko sy ny zanako. Manao ny faran'izay mba tratrako aho mba hiadana ireo @ resaka matériel, confort, fizarana fitiavana, fampianarana sns sns. Fa ny mahatery ahy miôtra lavitra noho izany, dia ny ho avin'izy ireo ara-panahy. Arak'ilay Tenin'Dieu oe: Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny fanahiny" Lio 9:25. Soa ihany fa tsara ny Tompo, mila izaho aloha no tena mandroso tsara ara-panahy fa raha tanterako izany dia ny Tompo marina @ Teniny hoe: "Minoa an'i Jesosy Tompo dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao" Asa 16:31
novalian'i rhaj0 ny 02/03/2017 13:56
2. rhaj0 ( 20/02/2017 21:13)
Ny Ankizy ankehitrio tompon'ny Interinety... mankaiza hoy ianao izy ireo?

Revirevy (gaigy) ny anao raha hoe mbola irianao (na terenao) hitokona sy higobona ao @ Fivavahana/Finoana (toa anao) ny Anziky. Koa aza alefa alavitra ny imazinasion sy ny vavaka ngo dia diso fanantenana ao, fa hanontanio Ingahy Gogola hoe, ahoana ny sitatisitika
http://lmgtfy.com/?q=what+percent+of+millennials+are+religious

Dia hadihadio ny resaka manodidina ao, fa dia ho hitanao fa... indrisy ry tava-tsosisy, hozy ny gasy izay, fa .. manalavitra hatrany ny relizion ny Ankizy ee...

Ka tsy hita fa misoka-tsaina izy ireo, ary ny fahalalana dia azo am-pahalalahana eraky ny interinety, fa tsy an-teritery sy maizimaizina toa ny ao @ Leglizy ao.. Ka dia tsy voambakambaka na voarebireby (toa anao) intsony ny Ankizy e...

Fa dia tena aleon'ny Ankizy, ary efa ataony io, ny mitoky ny Pisikaolozia ohatra, na koa mamaky Siansa (toa izay mievoka Boky tonta ao). Ohatra..

http://lmgtfy.com/?q=latest+science+discovery+to+fight+global+warming


Izao izao manidina ny imazinasion, ohatra hoe, rahefa miha-mafana ihany ny tany, dia mba hanavotana ny vaingan-dranotany atsy @ tendro-tany avaratra, dia raha mamboatra paompy izay mitroka ny rano ao ambanin'ny vaingan-dranotany, ho alefa hiakatra atondraka ety ambony, mba ho haingankaingana ny fivainganany.. Na hoe izao indray ny fikabe mamboly hazo.. fonosina tany ny voan-kazo, ary dia izay no fafazana raha hamboly coco...

Fa dia @ izany sy izany no ampiasaina ilay coco eee.... efa 2017 ny taona.

http://www.telegraph.co.uk
3. RBNIR ( 21/02/2017 05:24)
rhaj0:

Ny Ankizy ankehitrio tompon'ny Interinety... mankaiza hoy ianao izy ireo?

Raha tsy hidirana ny baiboly fa mbola vao ny hevitry ny olona fotsiny dia mahita 396 000 resultat aho ato....

https://www.google.com/search?q=les+dangers+de+l%27internet+pour+les+jeunes
4. RBNIR ( 21/02/2017 05:26)
http://lmgtfy.com/?q=les+dangers+de+l%27internet+pour+les+jeunes
5. RBNIR ( 21/02/2017 09:58)

rhaj0:

Revirevy (gaigy) ny anao raha hoe mbola irianao (na terenao) hitokona sy higobona ao @ Fivavahana/Finoana (toa anao) ny Anziky. Koa aza alefa alavitra ny imazinasion sy ny vavaka ngo dia diso fanantenana ao, fa hanontanio Ingahy Gogola hoe, ahoana ny sitatisitika
http://lmgtfy.com/?q=what+percent+of+millennials+are+religious

Dia hadihadio ny resaka manodidina ao, fa dia ho hitanao fa... indrisy ry tava-tsosisy, hozy ny gasy izay, fa .. manalavitra hatrany ny relizion ny Ankizy ee...


2 Tim.3:1,2
1 Sache que, dans les derniers jours, il y aura des temps difficiles. 2 Car les hommes seront égoïstes, amis de l'argent, fanfarons, hautains, blasphémateurs, rebelles à leurs parents, ingrats, irréligieux,

Io ange efa fantatry ny kristianina rhajo e! ary izay no mahatonga ny maro mikiakia, manangona ireo ondry satria efa andro farany isika izao......
6. rhaj0 ( 21/02/2017 11:49)
Esy e ry RBNIR.. Koa na ny mitondra tolabila azany misy danzer.. Koa na ny mamaky Baiboly koa angaha TSY mivadika ho loza... Zustement ireo namaky nefa TSY nahay namaky Baiboly, na TSY nanaraka ilay (milaza-tena fa) "tena izy", ireny indrindra no lasa "ondry very"... Fa ny Boudhist sy ny Atheist sy ny Scientist anefa dia mahay miaina tsara.

Fa rahefa TSY mahatoky ny Siansa sy ny fivoarana koa dia, averiko foana, manaova ho'a toa ny Amish eee... Zareo TSY mihatsara velatsihy mampiasa ny Siansa sy ny vokany (ohatra ny interinety), fa tena manaja ara-baki-teny ny Baiboly, h@ fombafomba fiaina ka h@ izay atao ao isan'andro. Hafa ry RBNIR, ny vava avobe @ izao "tsisy kilema" izao, nefa ny atao dia tena mifanalavitra an'ilay izy.
7. RBNIR ( 22/02/2017 07:41)
rhaj0:

Esy e ry RBNIR.. Koa na ny mitondra tolabila azany misy danzer.. Koa na ny mamaky Baiboly koa angaha TSY mivadika ho loza... Zustement ireo namaky nefa TSY nahay namaky Baiboly, na TSY nanaraka ilay (milaza-tena fa) "tena izy", ireny indrindra no lasa "ondry very"... Fa ny Boudhist sy ny Atheist sy ny Scientist anefa dia mahay miaina tsara.

Fa rahefa TSY mahatoky ny Siansa sy ny fivoarana koa dia, averiko foana, manaova ho'a toa ny Amish eee... Zareo TSY mihatsara velatsihy mampiasa ny Siansa sy ny vokany (ohatra ny interinety), fa tena manaja ara-baki-teny ny Baiboly, h@ fombafomba fiaina ka h@ izay atao ao isan'andro. Hafa ry RBNIR, ny vava avobe @ izao "tsisy kilema" izao, nefa ny atao dia tena mifanalavitra an'ilay izy.

Tamin'ny voalohany tsy niankanjo i Adama sy Eva fa nanamboaran'Andriamanitra ankanjo izy,

Tany amboalohany dia mbola ny herimbatana no niasa sy ny herin'ireo biby izay nampiasaina, fa taty aoriana nahita ny kalesy ny olona, tany amboalohany tsy nahay niampita rano fa taty aoriana tsy nahay nanao sambo, dia otran'izay,
Tany amboalohany ny vava no natatatata raha te hiteny mafy, taty aoriana nahita ny anjombona ny olona,
dia otran'izay,
Inona no mahasamihafa ny automobile sy ny kalesy???? moa tsy izay hahafampahasahiranana ny olona no tanjona???
Inona no mahasamihafa ny sambo fahiny sy ny vaisseaux ankehitriny moa tsy izay hahafampahasahiranana ny olona no tanjona????
Dia otran'izay, inona no mahasamihafa ny anjombona sy ny sonorisation ankehitriny (moa tsy izay hahamora ilay fifandraisana no tanjona a?,

Inona no mahasamihafa ny fandefasana olona iray hitondra hafatra sy ny internet???? moa tsy izay hahamora ilay fifaneraserana no tanjona???...

Na izany aza dia mipetraka hatrany ny tenin'Andriamanitra « Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tes.5:21)

Adidiny Ray amandreny ny mitsinjo izay hahatsara ny ho avin'ny taranany, ka asakasak'izay hanao gaboraraka fa ianao dia manantsaina handinika fa tsy rehefa internet akory dia mahasoa avokoa.........
8. rhaj0 ( 22/02/2017 12:14)
Dia tohizo ilay fampiasana coco toa io izany ry RBNIR aa...

-- "Taloha" tena tsy fantatra akoriny hoe, boribory ny tany, ary misy Sinoa anie atsy ambadika atsy, ary na ny tendrombohitr'i Kilimandjaro azany tsy fantatra ny fisiany. Ary dia "nino" daholo ny t@ izany, fa nisy "safo-drano" nandifotra tanteraka ny planeta Latera.
-- "Taty aoriana" dia hihomehezana sisa izao angano "sambofiara Noah" izao

-- "Taloha" tena tsy fantatra ny aretina isan-karazany, ary dia "nino" daholo ny t@ izany, fa rehefa misy mitrifatrifana, dia "devoly" no ao anatiny, ary ampasitrana azy, dia miteny mahery ary "alefa any @ Kisoa" ilay "devoly".
-- "Taty aoriana" dia hihomehezana sisa izao angano "Jesosy manala devoly" izao

9. irakiraka ( 22/02/2017 14:04)
satana, na dia tsy mila azy ara ny olombelona dia tonga dia miditra izy. Jaona 10:10 "Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana" . Mamotika fiainana, izany no fahafinaretany. Tsy resin'ny hery @ maha olombelona. Ary mahita irika foana izy: rehefa matanjaka aloha ny ara-bola dia ohatra any @ fitiavana no asiany, na aretina. Na mifanohitra: salam tsara fa mahantra, tsy mety mahita asa, na koa tonga dia atambany: fahoriana iray lavaka. Mahafinaritra be azy rehefa mijaly isika olombelona.
Jesosy ndray kosa Jaona 10:10b "Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be". Manaja ny safidin'ny tsirairay anefa ny Tompo e:
Deotornomia 30:19 "Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao.
10. rhaj0 ( 22/02/2017 14:54)
Mafonja ny resak'i Irakiraka, fa dia tena mba miezaka mahatakatra ny lojikan-dresaka aho io azany eee...

Ka toa "mijaly" foana ary "mijaly" daholo anie izany raolona, raha ny resakao izany ee.. na ara-bola, na ara-pahasalamana... Dia hoz'ianao hoe, ny "devoly" no mahatonga izany, na koa, "safidintsika" io.

ka dia tena mahery anie izany ny "Devoly" sy ny "sitrapontsika" ee... Ka "mahery" noho ny inona, na hoe noho iza??

Raha mba mandalina kely (aho), dia, raha ny fahitako azy, dia hoe
Tsy ny Devoly no matanjaka, na ny sitrapontsika no mahery, fa ... i Jesosy no "tsy mahavita azy".

Ohatra rahefa resaka politika, dia tena kinga dia kinga daholo ny olona sy mpandalina rehetra, fa rahefa tsy mahomby ny atao, dia hoe, "tsy mahavita azy" ny mpitarika eee...


ka izay ve no tianao tenenina ry Irakiraka, hoe rahefa atao ny kaonty dia, averiko indray :
Tsy ny Devoly no matanjaka, na ny sitrapontsika no mahery, fa ... i Jesosy no "tsy mahavita azy".

11. irakiraka ( 23/02/2017 06:46)
ny Fanahy Masina anie hanokatra ny masom-panahy androany.
Ao @ Genesisy no namoronan'Dieu izao tontolo izao, t@ voaloany tsy nisy endrika sady foana. Nanomboka t@ zany no niasa ny Tenin'Andriamanitra (tsy Iza fa Andriamanitra ihany). Dieu niteny dia ny Fanahy Masina t@ zany no manatanteraka:"Misia mazava dia nisy ny mazava"....
"Dia hitan'Dieu izay rehetra nataony, ary indro, tsara indrindra izany. Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy." Vita izay vao namorona olombelona Izy. Tsara ny Tompo. Noforoniny aloha izay rehetra mety ilain'ny ol,zay vao nataony nisy isika. Tsy afaka misaraka @ Ilay nahary isika ee. Tena mila azy ny fiainantsika iray manontolo.
Marihina fa ilay devoly t@ zany efa avy noroahina avy tany an-danitra. Anjely tany mantsy izy io. Anjely tena tsara tarehy. Nomena anjara asa tena tsara: mpitarika fiderana. (Anisan'ny zava-dehibe @ Tompo matsy ny fiderana). Ary nahatsiaro ny tenany ho lehibe miôtra ny rehetra ary ity satana. Nievitra ny tenany ho zavatra. Dia nanomboka nanangona équipe hoe hikomy, haka ny toeran'Dieu. (Dia gaga enao. Dieu Créateur v no défiénao.) Dia nisy ady lehibe tany an-danitra ary nazera satana sy ireo akamany. (Ny helo dia noforonina ho an'ny satana, kanefa @ maha ratsy saina sy be fialonana azy, tsy mijanona @ zao izy fa dia manao izay hamitahana ny olombelona ka ahatonga azy ireo ho tafasaraka @ Dieu ka tsy handova ny lanitra fa hivarina any @ helo toa an'azy). Rehefa nahita ny zava-boary nataon'Dieu satana dia tsy nisy nahaliana azy. Fa rehefa nahita ny olombelona kosa izy dia taitra satria ny olombelona dia noharin'Dieu hitovy endrika aminy (izany hoe nataony fanahy tahak'azy). Vao hitany fa fanahy, izany hoe afaka miadana mandrakizay miaraka @ Tompo any @ ilay toerana tsara nisy azy taloha.,dia tena vonton'ny hatezerana @ olombelona ilay satana. Nanomboka teo ny plan rehetra hanodonana ny sain'ny ol. Eva dia tratra t@ filàn'ny maso. Dieu efa milaza fa aza mihinana ny voankazo afovoan'ny saha. Ny tentation tokoa nge dia toa otran'ny tena tsara lavitra izany, mampite hizaha, fa zay lay hevi-petsin'ny satana ee. Dia nanomboka teo ny fahotàna. Nanomboka nivary lavo ny fiainan'i Adama sy Eva. Dieu nefa tsy nijanona teo. Hatr@ voalohany dia efa niteny Izy fa "Raha tsy misy rà latsaka, tsy misy famelankeloka"( Ny ràn'ny zanak'ondry t@ testamenta taloha dia efa tandindon'i Jesosy)."Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana ny Fiainana Mandrakizay". Jesosy mintsy avy eo no tonga nofo tety ambonin'ny tany. Fanetre-tena re zao!. Zanak'Andriamanitra fa nanaiky ho faty ahatonga izaho sy enao ho voavela heloka. Ary natsangan'Dieu t@ maty t@ andro fahatelo. Resiny ny fahafatesana. Ka na inona na inona endrika fahafatesana @ fiainan'ny olombelona (be dia be nymety ho ohatra: tsy fahavanonan'anaka, ady lava sns sns) afaka mivadika miova fiainana rehefa mino an'i JEsosy. Io ny plan'Dieu hamojena antsika. Ka na dia efa lasa lavitra be, tafasaraka @ Dieu aza, @ fotoana hanetrenao tena, miala @ fahotana, mandray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy dia ho voavela helokao ary afaka hanana anjara @ Fiaianana Mandrakizay ianao, miala maina satana.
Raha misy olona latsaka anaty lavaka, mila miantso vonjy izy, mampiakatra ny tanany ho sintomina hiala tao satria te ho velona izy. Mahavita azy Jesosy. "Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy" Sal 34:8
12. rhaj0 ( 23/02/2017 13:13)
irakiraka:
sambatra izay olona mialoka aminy...

Raha "sambatra" izany ianao @ fiainanao (miaraka @ Jesosy) ao, dia tsara izany ho anao.

Fa iray minitra monja no angatahiko aminao. @ izay 1 minitra izay dia eritrereto kely fotsiny ny olona hafa miara-velona aminao izao. Dia diniho ohatra hoe,
- ny Dalai Lama koa dia tena sambatra ao @ fiainany ao.. zen.. meditation.. tsikitsiky lava izy.
- Torak'izany koa ry Einstein sy ry Mandela, izay h@ fahanterany be, dia tena mbola matsilo, mitondra fahalalana sy fahendrena (sy fahasambarana) @ mpiara-belona.

Dia inona hoy ianao no iraisan'ny Dalai Lama sy Einstein ary Mandela ??

Samy TSY mino ny Andriamanitra Kristiana rizareo.


Ka raha ho valiana ny lohahevitrao : Aiza no tinao hiafaran'ny zanakao?

Dia hoy aho hoe: Olombe toa inona no tianao atao fitaratra ho an-janakao?
- olona zen toa an'i Dalai Lama ve?
- sa siantista toa an'i Einstein?
- sa politisiana toa an'i Mandela?


Sa mba ameo olombe (Kristiana) azo atao fitaratra ho an-janakao azany hoe eee...
13. RBNIR ( 24/02/2017 05:53)
rhaj0:


Sa mba ameo olombe (Kristiana) azo atao fitaratra ho an-janakao azany hoe eee...


Jesosy irery ihany no azo atao fitaratra satria efa napetraka fa mitovy avokoa ny rehetra ankoatran'izay....

Rehefa tsy mahita ilay TSARA ao amin'i Jesosy ianao dia mazava ho azy tsy natao ho anao ilay finoana izany....
14. RBNIR ( 24/02/2017 05:59)
Ny kristianina rehetra dia mitaona ny olona hanahaka an'i Jesosy (hitafy an'i Jesosy)...

Ny tanjona dia tokana...« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Gal.2:20).....

Tanjona tokana ho an'ny rehetra , KRISTY NO HO VELONA AO ANATY......

Hanahaka an'i Kristy mba ho zanaka afaka handova marina tokoa....

« Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. » (1 Kor.11:1)

Koa rehefa ny olona iray no tsy mahita ilay "TSARA" IZAY AO AMIN'I KRISTY...dia mazava loatra tsy hivonona mihitsy izy hanaraka sy hitaona ny olona hanaraka sy hanahaka an'ILAY KRISTY....

15. rhaj0 ( 24/02/2017 11:36)
rhaj0:
Sa mba ameo olombe (Kristiana) azo atao fitaratra ho an-janakao azany hoe eee...
RBNIR:
Jesosy irery ihany no azo atao fitaratra satria efa napetraka fa mitovy avokoa ny rehetra ankoatran'izay....

Eny zany kouh... Ka efa noresahina lavabe tato hoe "inona no (ho) nataon'i Jesosy", ka dia tahafo ao izany eee... Ohatra iray lehibe :

Matio 10:35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ ny rafozanivavy; 36 ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony

TAiro ao izany eee... atsangano ho fahavalo ao ny fianakams-nao ao.. Zara koa aza zareo misaraka aminao dia tsy voarebirebin'io revy ao @ Matio sain'ady io.
16. irakiraka ( 24/02/2017 12:04)
Na olom-be aza Rhaj0, raha vao tsy ao Jesosy dia misy banga ny fiainana: Ny fijery ety ivelany no toa hoe milamina fa misy banga ao, izay tsy voasaron'ny haren’izao tontolo izao. Tahakan'ny tantaran'ny Zakaiosy e : lehilahy mpanankarena, lehiben'ny mpamory hetra,... olom-be fa tsy nanana fiadanana . Fa rehefa nandre ny @ Jesosy kosa izy dia nangetaheta. Ary hitan'ny Tompo izay fo nangetaheta izay dia navahany tao anatin'ny maro Zakaiosy. Dia nimonomonona ny olona t@ zany hoe lasa nande hiantrano @ zay ol mpanota Izy. Jesosy tsy tonga hiantso ny marina fa ny mpanota mba hibebaka. Rehefa nandray an'i JEsosy Zakaiosy dia izao no teniny:" Indro, Tompoko; ny antsasaky ny fanananako homeko ny malahelo; ary raha misy zavatr'ol nalaiko t@ fanambakana dia onerako avy efatra heny izany": Mampiova fo Jesosy.
Saropady ny fanahin’olona mamaky izao serasera izao ka tsy afaka ny hanome reference olom-be eto satria mety miova ny olombelona. Fa ny Tenin’Andriamanitra, Jesosy ihany no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Izy no ataovy lalana sy fahamarinana ary fiainana dia tsy mila mitady olom-be ianao fa ianao mihintsy no hijoro vavolombelon’ny fahatsaràny. Ary avy @ alalanao dia ho tahiana koa ny ankohonanao.
17. RBNIR ( 24/02/2017 13:01)
rhaj0:

rhaj0:
Sa mba ameo olombe (Kristiana) azo atao fitaratra ho an-janakao azany hoe eee...
RBNIR:
Jesosy irery ihany no azo atao fitaratra satria efa napetraka fa mitovy avokoa ny rehetra ankoatran'izay....

Eny zany kouh... Ka efa noresahina lavabe tato hoe "inona no (ho) nataon'i Jesosy", ka dia tahafo ao izany eee... Ohatra iray lehibe :

Matio 10:35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ ny rafozanivavy; 36 ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony

TAiro ao izany eee... atsangano ho fahavalo ao ny fianakams-nao ao.. Zara koa aza zareo misaraka aminao dia tsy voarebirebin'io revy ao @ Matio sain'ady io.

Izay ilay nambarako hoe rehefa tsy mahita ILAY TSARA AO AMIN'I JESOSY dia mazava ho azy, tsy ho azony velively ILAY FINOANA...
18. rhaj0 ( 24/02/2017 13:08)
irakiraka:
Na olom-be aza Rhaj0, raha vao tsy ao Jesosy dia misy banga ny fiainana

ka iza azany izany olombe (Kristiana) izany ... mba ho tahafin'ny Ankizy eee..


Fa mba hainao ve ry Irakiraka ny @ Dalai Lama sy Einstein ary Mandela ireo?

Takatakaro ihany hoe, inona, na hoe, maninona @ zareo ireo (izany) Jesosy izany...

(mila hadinoinao kely ny traikefanao na fahalalanao, na mihintsy hoe, ny "finoanao", dia ho takatrao izany... iray minitra monja no angatahiko aminao)
19. endriny ( 24/02/2017 15:25)
Aleo aho mba hiaro an'i Satana

irakiraka:

satana, na dia tsy mila azy ara ny olombelona dia tonga dia miditra izy. Jaona 10:10 "Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana" . Mamotika fiainana, izany no fahafinaretany.


Hono ho'a ry Irakiraka aza fady indrindra. Ilay Andriamanitra ivavahanao ve tsy nangalatra
sy nampangalatra ary nandringana?

Taiza tao amin'ny baiboly no nisy Satana nandringana?
20. irakiraka ( 27/02/2017 09:45)
Azoko antsaina ny alahelon'Tompo ra za olombelona ty aza malahelo ihany an :)
Ny zava-dehive aloha dia efa namafy (Lioka8). (ary tsy sasatra mamafy e, izay ilay iraka).
Nomena saina ny olombelona afaka hisafidy. Tompon'andraikitra ny @ safidiny izy avy eo.
Fa indray andro any hiseho eo anoloan'i Tompo. Tsy afaka ny hilaza fa tsy mbola nahare ny @ Jesosy. " Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; Izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana" 1Jaona 5:12

Mba nanotany an'ilay zanako vavikely za:
Fatatry njy v ki i anona? Ie, zao sy zao ny momba azy sns sns. Sady varina milalao ihany. Mijanona ho fahalalana ankapobeny ihany, tsy mitondra na inn na inn.
Ary Jesosy ki? Dia nijery ahy ilay zaza.
Marina loatra ny fihetsiny. Jesosy tsy azo oharina e. Mahagaga, mampiova fiainana.
Dia arak'ilay tenin'i Davida hoe:" Tompoko ianao, tsy misy soa ananako azo oharina aminao"

Rakoto no andrianinao ve? Inona no vitany t@ nao.
"Tsy misy fitiavana lehibe no izao, dia ny manolotra ny ainy ho an'ny sakaizany" Jaona 15:13
Jesosy nanao sorona ny ainy ho ahy. Mino azy aho. Voavela ny heloko. Tena niova ny fiainako.
Nahazo maimaim-poana koa aho ka tsy sasatra ny hizara maimam-poana ee satria tsy natao ho ahy irery ny famonjena.
Isaorako ny Tompo ny zavatra rehetra fa voaporofo izao fa tsy maazo mipetrapetraka fa vao maika mila mihazakazaka @ fanaovana ny asa, Jerosalema ... hatrany am-paran'ny tany izy ty ee :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1014