You are here: home > Forum

IKALOYNA VONY : iza moa ?

Lohahevitra : Kolotsaina
Fitohizan'ny hafatra : IKALOYNA VONY : iza moa ?
Valiny : 0
vonynive - 15/02/2017 07:46
Mangina ry foko.
Aza misento,
na mitoloko.
Fa izany ny eto :
tsiky ny omaly,
anio mitomany.

Tandrimo ny tany.
Tandrimo ny Tany.
Mihodina hatrany,
mieva eny an-kintana.

Ka inona ianao
singa sa vondrona ?
Singan'ny nofo
fa, vondrom-panahy
voarafitra maro :
afo sy rano,
rivotra, tany,
ngidy sy mamy.

Izany ianao :
nofo fanahy
mitepo mitepo
manaraka mora
ny onjan'ny rano,
ny fofon'ny rivotra,
ny rehitry ny afo,
ny fihodin'ny tany.

Hereza ry Foko
fa sangodina izany !

Ikaloyna Vony


- See more at: http://www.lakroa.mg/item-957_articles_culture_18-sangodina.html#sthash.sNn4NzoT.dpuf


Ndao hofantarintsika ny momba azyhttp://www.lakroa.mg/item-957_articles_culture_18-sangodina.html
Valio | Miverina eny ambony