Izaho dia olona noforonin'Atra, tsy mino izany fivoarana (evaolisiao) n-doza nareo izany

1. endriny ( 15/02/2017 06:11)
Mahafinaritra be ilay finoana?

Apetraka izany fa tsy misy izany fivoarana ara-tsiansa izany:

Dia mino izany isika fa ny olona rehetra izany dia taranak'i Adama sy Eva daholo, ary nataony nitovy endrika taminy. Tokan'endrika izany ny olona eto: samy manga maso sy fotsy hoditra ary mavo volo daholo.

Satria tsy misy ny fivoarana.

Izaho izao vao avy nijery fitaratra dia hitako fa mitovy amin'ny Madona aho.
novalian'i endriny ny 08/03/2017 06:12
2. rhaj0 ( 15/02/2017 13:44)
io ange ry Endriny hotry ny hoe ironique ianao, fa tena lozabe io izao ao Zamerikan'i Trump ao io ee...

Ilay minisitry nny Fampianarana DeVos ao mihintsy no efa namely hoe:
https://www.nytimes.com/2016/12/13/
At a 2001 gathering of conservative Christian philanthropists, she singled out education reform as a way to “advance God’s kingdom.”

Soa ihany fa raran'ny lalAna federaly ny mampianatra Creationisme any ampianarana..

Fa raha mahita lalana ny anisisisisihana an'io moa i DeVos, dia idiran-doza ao ny zaza amerikana eee... Nefa moa, tsy quoi izany fa ny immigrants sy ny zanaka sinoa sy karana (ary gasy) dia TSY voarebirebin'izany fa mianatra Siansa tsara foana eee

Fa io moa nasian'ilay namako iray izay taty hoe... aza marary fo @ izay Trump ao, fa rahefa atao ny kaonty, hita izao fa dia bebe mihintsy no zamerikana "dondrona" noho isikana ka manaiky sesefan'i Trump sy miboloky an'izany ao eee :-)

3. endriny ( 15/02/2017 13:51)
Tsara izany rehefa mianatra tsara ianareo ka!

Izaho izao mba te hivadika mpino dia mivavaka mba ahazo tapakila ho any Kanada ohatran'i Rhaj0 koa.
4. endriny ( 16/02/2017 05:51)
Fa izaho izany tena lasa mihintsy ny saiko hoe: "miangatra be ilay Atra, fa ny olona sasany omeny volo mitsotra sy malama ary milokom-bolamena, kanefa ny ahy ity tsy maintsy atao biraosinina isaky ny Sabotsy, dia saronana tsara tsy ho lenan'ny rano mandritry ny herinandro, no mbola ividianana loko eny China Town kely vao lasa Madona"

Tena asa angaha inona no nataon'ny razanay talohan'ny nahatongavany teto Madagasikara no tsy mba mitovy amin'ny olon-kafa taranaky Adama sy Eva izahay?
5. rhaj0 ( 16/02/2017 11:56)
Ahoana tokoany no hoe,
1- samy avy @ Madame Eva daholo hono raolombelona,
2- nefa indray toa lasa misy "foko samy hafa ???

Samy ao anaty Baiboly daholo ireo 1 sy 2 ireo, nefa ve, lojika ve izany??

Hany volana hany taona izany, ny zafi-kitrokelinao dia lasa "foko" samy hafa, miady tsy mifampiditra an-trano, ary samy manana ny fiteniny, samy manana ny ngita/malama volony, ets... ??
6. rhaj0 ( 16/02/2017 16:57)
Ilay fiteny samy hafa kay efa no-prevoyer-n'ny mpitantara angano, ary dia nasiany ny chapitre Tour de Babel. Fa mino aho fa tsy fantan-dreo akory ny @ sinoa sy karana, sy ny gasy indrindrindra t@ izany.

Fa ilay tena lasa "foko" samy hafa eee.. na vatana na fombafomba sy fanao hono dia samy hafa ee...

Ny fandehany anefa ho'a ohatra tao Amerika afovoany tao, fa nony tonga ny Tandrefana sy ny armure-ny, dia .. tena nataon'ireo Amerindiana fa Andrmntra ireto izy, fa tsy mba hoe, "havany" avy any Babel.

Izany ny hoe, TSY mba niteny ilay Andrmntra hoe, "mpihavana" ianareo, fa navelany najedak'ireo Tandrefana sy Pretra tao ny "foko" Amerindiana..
7. Strong3 ( 17/02/2017 08:33)
ka ny finoana anie tsy siansa fa mitoky be fahatany ; ka inona no hataonareo eo rehefa izay no ironan'ny olona???

endraso eo ny fikarohana na ho firy taona na ho firy taona hoe : "naninona no samy hafa ny olona nefa taranak'olombelona iray ihany ?" :) :D
8. rhaj0 ( 17/02/2017 14:41)
Strong3:
ka ny finoana anie [size=6]tsy siansa fa[/size] mitoky be fahatany

Dia mahafinaritra fa tonga @ io fehi-kevitra io i Strong3.

Efa noresahina foana teto ihany, fa rahefa "marefo" (na ara-materialy, na ara-pahasalamana na ara-pahalalana..) ny olona, dia desesp, ary dia mitady solution facile. Dia izay "ampinoana" azy, ka mampetimety ny baoliny ao no iantsampazany sy ifikirany ao... "itokiany be fahatany" ao

Strong3:
ka inona no hataonareo eo rehefa izay no ironan'ny olona???

Io ry Strong3 dia toa ny tantaran'i Caillou teo ihany aaa... Asa ianao raha (efa) nitaiza, fa...

1- rahefa mbola kely ny zaza, dia ..
- raha "mino" ny Pere Noel izy, dia...
- raha izany no mampamiramirana azy ao, dia OK izany eee...
- zara azy izy mba miramirana..
- ka sarotsarotra ihany ny manazavazava ny hoe, sarotra ny fiainana ee...

2- rahefa mitombo taona kely eo izy, dia ...
- raha "mino" an'i "ami imaginaire", toa an'i Georges-n'i Caillou, dia...
- raha izany no mampahendry azy ao, dia OK izany eee...
- zara azy izy mba hendry..
- ka sarotsarotra ihany ny manazavazava azy ny hoe, ka izao sy izao no lalam-piainana anaty fiaraha-monina, ets...

3- rahefa mitombo taona ihany izy, dia...
- raha "mino" an'i God izy, dia ...
- raha izany no mampandrimandry ny coco-ny ao, satria "marefo" izy @ io, dia OK izany eee...
- zara azy izy mba mandrimandry ao ny sainy-coco fa tsy misavoritaka sy mivaralila..
- ka sarotsarotra ihany ny manazavazava azy ny Siansa, ohatra: molecules? trou noir? quarks? causalité? correlation?

4- Fa mbola hitombo taona foana ihany ny olona eee...
- Fa @ izao andron'ny Interinety izao, dia moramora kokoa ny "manazavazava"..
- Koa na ilay zaza etsy ambony aza anie, tsy ny RaR-ny intsony no nilaza azy ny @ Pere Noel fa efa teny @ interinety izy no nikarokaroka e..
- dia ho hitany koa, satria izy izany tsy @ ilay "mihidy aman-trano" (anaty box-kely ho'a), ary mahita fa misy ny Siantista sy Atheista, toa an-dry Einstein na koa ry Mandela, tsy mivaralila @ izany finoanoam-poana @ PereNoel/Georges/God izany, fa mampiasa ny coco comme il faut ...

Fa dia misy ny fanantenana eee...


Ka... hono ho'a ry Strong3.. aiza ho aiza @ ireo etapes ireo ianao ao io izao ?? :-)
9. endriny ( 17/02/2017 14:42)

Strong3:

ka ny finoana anie tsy siansa fa mitoky be fahatany ; ka inona no hataonareo eo rehefa izay no ironan'ny olona???

endraso eo ny fikarohana na ho firy taona na ho firy taona hoe : "naninona no samy hafa ny olona nefa taranak'olombelona iray ihany ?" :) :D

Amin'i Strong3 ve izany:

1) Tsy misy fikarohana mihintsy ataon'ny mpino sy ny fiangonana kristianina mikasika ny foto-pinoany?
2) Dia atao inona fotsiny izany ny Theologie?

Raha tsy mino ny fivoarana ianao dia maninona tokony mitovy tarehy amin'ny dadan'ny dadabeanao ny zanakao.

Ny bisikoy iray lasitra mantsy tokony mitovy endrika sy loko daholo satria namboarina.
10. endriny ( 08/03/2017 06:12)
Strong a efa mba niha lehibe ve ilay voatsinefy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1103