Inona ny dikan'ny hoe

41. endriny ( 01/03/2017 07:34)
Dia nanonona mihintsy ilay jesosy hoe omena an'i RBNIR ny 1/10 hareko.
42. RBNIR ( 01/03/2017 07:51)
Averiko hatrany endriny izao dia mpandoa fa tsy mpandray ny 1/10

Izao no voasoratra fahiny...
« Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. » (Mal.3:10)

Misy ny atao hoe tranon'i Jehovah, tsy misy hanina ao amin'io trano io raha tsy misy manatria 1/10 mankao....

Ny tena mpanompon'Andriamanitra ry endriny dia tsy tokony hahazo fivelomana amin'ny fitoriana ny filazan-tsara....« Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Kor.9:14)

43. RBNIR ( 01/03/2017 07:53)
Diovy ny saina ry endriny sy rhajo a, io ange tsy hoe ilay olona no.....fa ny teny no efa mipetraka e.....Raha manaja an'Andriamanitra ny olona iray dia mandeha ho azy io fa ny mpitazana no....

Izay ilay hoe any amin'ny tsy mivonto no manaintaina ....Fa raha tena tafiditra ao ianao satrinao ny handoa na dia mihoatra ny 1/10.....
44. RBNIR ( 01/03/2017 07:58)
fa maninona moa no satry handoa??? satria raha tsapanao fa mendrika hotoriana ny filazantsara izay famonjena ho an'izao tontolo izao....dia fanehoampitiavana lehibe ny fanohanana ny asan'Andriamanitra....

Mety tsy horaharahiandry rhajo sy ry endriny izany (tsy maninona) fa mino aho fa any ho any misy maro iantefany ary ny teniny voalohany dia hoe Misaotra Anao aho Jesosy na dia toy izao aza dia mbola nampiasa olona hatrany ianao mba handrenesako ilay feonao....
45. irakiraka ( 01/03/2017 09:17)
Sarotra ho ana tsy mino io sitrapon'Dieu 1/10 io. Entin'Dieu hitahiana ny mpino ihany koa ny 1/10. Rehefa miaraka @ Dieu nge mahagaga ee. Mi-dépasse ny lojika tanteraka. Ra ny lojika matsy ra manome 1/10 foana eo enao tsy enao ndray no borina? :). Fa rehefa mino an'Dieu enao, tia an'Dieu enao, manatanteraka ny sitrapon'Dieu enao, Dieu mpanankarena nge ny Dieu antsika ee, tsy dia lé avy aty amintsika loatra no andrasany hampandrosoana ny fanjakàny, fa le 1/10 omentsika iny no hitahiany antsika. Am-panetre-tena, za tena tia manohana, tia manome ho an'Tompo, fa tsy takatry ny saina ny valiny e. Dia araka ilay Teniny hoe:"Izahao toetra @ zany aho,raha tsy ho vohaiko ny varavan'lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ..."
46. RBNIR ( 01/03/2017 09:26)
mahafinaritra rehefa misy mahatsapa (ankoatran'ny tenako) fa tena ilaina tokoa ny mandoa ilay 1/10.....

Mba hahiratra amin'izay ngamba ny mason-dry zalahy ato...
47. rhaj0 ( 01/03/2017 11:59)
Misy diso tokoany ny famakiko azy izany fa dia ialan-tsiny [size=8](izany no fatao ry RBNIR rehefa diso, fa tsy manao kiri-biby sy manesika lamentation na miavonavona aaa...)[/size]

Rehefa namerina namaky aho, dia marina tokoa fa ilay "dime" dia 1/10-karena, fa izy io dia ho amena ny Fiangonana. Ny Fiangonana t@ izany fotoan'andron'i Jesosy izany dia ny SINAGOGA.

Ka i Jesosy, io hita mazavabe io, dia TSY nanorina fiangonana ho azy, fa ilay "tranon'ny Ray", dia ny SINAGOGA, no nohajainy.


Fa ry Herinirina moa fatsora lahy, ka dia
- nanorina ny tranony i Herinirina,
- fa tsy mba nandeha tany @ Sinagogy, toa an'i Jesosy,
- dia nampinoany ny olona hoe, "tranon'ny Ray" koa ny tranon'i Herinirna,
- ary dia notatahan'i Herinirina ny mahantra ee...
- Dia i RBNIR @ io mitam-bola ary mba mikepokepoka koa eee...

ka malhonnete ianao io ry RBNIR sa tsia??

(ataovy ao foana ho'a ry RBNIR, fa amen'i Jesosy ny daka-tsy-hita-maso ao ianao rehefa tsy tonga saina... inoy hoe, nirahiny aho hiteny anao an'izany.. hanontanio mihintsy i Irakiraka fa programany, programan'i Jesosy mihintsy ny itenenako anao an'io :-)
48. RBNIR ( 01/03/2017 12:08)
Efa impiry aho niteny hoe ny fahafolokarena dia natao ho an'ireo olona voafidin'Andriamanitra (tsy manana anjara intsony amin'izao fiainana izao) izaho manana ny asaka tsy mahazo mandray ny fahafolonkarena...fa kosa ampandoavina 1/10....ARY FALY BE AHO MANDOA AN'IZANY....
49. rhaj0 ( 01/03/2017 12:19)
Raha "mino" toa anao hoe, i Paoly dia voafidin'Atra.. Dia ho an'i Paoly izany ny 1/10-karena???

Avilivilio ihany ho'a ny resaka eee... ho an'ny SINAGOGA re ny 1/10-karena eee... IZay no rafitra napetraka t@ SInagoga, araky ny didy namen'ny RAy an'i MOsesy izy teo.

Dia averiko ihany, ho an'ny Sinagoga io fa TSY ho an'i Herinirna na ny Vatican ohatra, ka kepokepohan-dreo, na hihaingon-dreo, na hanaovany lapabe ao.

irakiraka:
Dieu mpanankarena nge ny Dieu antsika ee, tsy dia lé avy aty amintsika loatra no andrasany hampandrosoana ny fanjakàny, fa le 1/10 omentsika iny no hitahiany antsika.

ka raha hiaingoan'i Herinirina sy Vatican ny 1/10 amenao, dia ao ianao izany ee...

Fa mampihomehy koa anie Dieu-nao, araka ny finoanao Irrakiraka azy anokana io eee... IZY izany, hozy Irakiraka, ka dia "manankarena" BE, fa tena TSY mizara eee...
50. RBNIR ( 01/03/2017 13:28)

rhaj0:

Raha "mino" toa anao hoe, i Paoly dia voafidin'Atra.. Dia ho an'i Paoly izany ny 1/10-karena???

Avilivilio ihany ho'a ny resaka eee... ho an'ny SINAGOGA re ny 1/10-karena eee... IZay no rafitra napetraka t@ SInagoga, araky ny didy namen'ny RAy an'i MOsesy izy teo.

Dia averiko ihany, ho an'ny Sinagoga io fa TSY ho an'i Herinirna na ny Vatican ohatra, ka kepokepohan-dreo, na hihaingon-dreo, na hanaovany lapabe ao.

irakiraka:
Dieu mpanankarena nge ny Dieu antsika ee, tsy dia lé avy aty amintsika loatra no andrasany hampandrosoana ny fanjakàny, fa le 1/10 omentsika iny no hitahiany antsika.

ka raha hiaingoan'i Herinirina sy Vatican ny 1/10 amenao, dia ao ianao izany ee...

Fa mampihomehy koa anie Dieu-nao, araka ny finoanao Irrakiraka azy anokana io eee... IZY izany, hozy Irakiraka, ka dia "manankarena" BE, fa tena TSY mizara eee...

Raha araka ny baiboly aloha dia ny olona atao hoe mpisorona no homena ny ampahafolony,
Ohatra i melkizedeka mpisoron'ny avo indrindra dia nandray ny ampahafolony tamin'i Abrahama
« Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy 14:18)
« Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; » (Genesisy 14:19)
« Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. » (Genesisy 14:20)


Ohatra ihany koa ny levita (ireo mpisorona tamin'ny andron'ny zanak'israely)
« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Nomery 18:25)
« Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany. » (Nomery 18:26)


Hoy aho tany ampiandohana hoe olona efa voatendry tsy hanana anjara intsony amin'izao fiainana izao...Izao no nolazain'i JEHOVAH Andriamanitra tamin'ny levita...
« Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin'ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin'ny Zanak'Isiraely. » (Nom. 18:20)
« Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana. » (Nom.18:21)

Fehiny, ny fahafolonkarena dia natao ho an'ireo olona voafidy ho mpisoron'Andriamanitra ary tsy natao hanana anjara intsony amin'ny fitadiavana eto amin'izao fiainana izao....

Efa nambarako hatrany fa izaho dia manana ny asako ary "tsy mahazo" manana anjara amin'ny ampahafolony na ankolaka na mivantana (raha ny baiboly no jerena)....
51. rhaj0 ( 01/03/2017 13:58)
RBNIR:
Fehiny, ny fahafolonkarena dia natao ho an'ireo olona voafidy ho mpisoron'Andriamanitra ary tsy natao hanana anjara intsony amin'ny fitadiavana eto amin'izao fiainana izao....

ok.. io izany toa ilay fombafomba ataon'ny Karana (sasany) hitako t@ tv in-1 mandeha.

Hoe, hozy ny "fampianarana" hoe, misy olombe vitsivitsy, voafidy, dia "tsy mila mirotsaka @ fitadiavana" intsony, fa velomin'ny mpiara-monina. Ary ireo olombe ireo, rahefa tonga ilay fotoan-dehibe, dia mamely daina mafy daka be. Rahefa midaina izy, dia amina état akaikin'Andmntra, ary eo izy no mi-négocier amin'Andtrmna ny @ "fanavotana" ny olona tsi11.


Ka ampio "daina" io izany ry RBNIR dia mitovy daholo ny ataonareo izany ee... Izay ilay revin'Andrmntra.
52. endriny ( 01/03/2017 14:08)
Rehefa tiatiana sy ahazoana tmbontsoa ny lalana taloha dia tsy maninona fa hajaina sy atao. Rehefa somary manahirana kely amin'ny famoriana ny ondry dia ampiasaina ny fanekena vaovao.

Raha nilaza Ezekiela 18 manambara: "Fa ny heloky ny Ray tsy heloky ny zanaka", noho izany tokony efa foana ny fahotana tamin'ny andron'i Adama sy Eva eo anatrehan'Atra. Dia minia marenina ny Kristianina satria ho very ny ondry volosana, ary tsy testamenta vaovao io filazana io.

Fa raha i Levi no lasa foko lehibe tamin'ny 12 taranak'Israely, dia nangataka sy nanery ny 11 foko ambiny mba tsy maintsy hanome azy ny 1/10. Dia lasa fomba nahomby hakana hetra sy hametsena ny mpiara-belona ilay izy.

Fa i Jesosy moa fetsilahy: "tsy tonga handrava aho" hoy izy. Ka "Omeo an'i Sezara izay an'i Sezara dia aloavy ny 1/10 ho an'ny Sinagaoga". Ka tsy gaga izany isika raha fangoloka ny fiangonana. Ilay fiangonana sy mpiangona tsy mino ny siansa kanefa manangana fianarana isaky ny elakela-trano.

Izany hoe izay rehetra misy harena sy hdiram-bola dia ahitana asan'ny fiangonana daholo, hatramin'ny piraty.
53. RBNIR ( 02/03/2017 00:27)
rhaj0:

RBNIR:
Fehiny, ny fahafolonkarena dia natao ho an'ireo olona voafidy ho mpisoron'Andriamanitra ary tsy natao hanana anjara intsony amin'ny fitadiavana eto amin'izao fiainana izao....

ok.. io izany toa ilay fombafomba ataon'ny Karana (sasany) hitako t@ tv in-1 mandeha.

Hoe, hozy ny "fampianarana" hoe, misy olombe vitsivitsy, voafidy, dia "tsy mila mirotsaka @ fitadiavana" intsony, fa velomin'ny mpiara-monina. Ary ireo olombe ireo, rahefa tonga ilay fotoan-dehibe, dia mamely daina mafy daka be. Rahefa midaina izy, dia amina état akaikin'Andmntra, ary eo izy no mi-négocier amin'Andtrmna ny @ "fanavotana" ny olona tsi11.
Ka ampio "daina" io izany ry RBNIR dia mitovy daholo ny ataonareo izany ee... Izay ilay revin'Andrmntra.

Finoana io e, izay milaza fa mino an'i Jehovah Andriamanitra dia lojika tokony hino ny fampianarany rehetra......

Rehefa tsy izay no misy dia mpiatsaraveatsihy ilay olona, ny milony milaza fa mino an'i Jehovah, nefa ny fony manndà izay rehetra takian'ilay inoany....

Dia hotanteraka aminy ity...« Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. » (Matio 15:8)
54. endriny ( 02/03/2017 05:48)
Ianao aza manaja ny fiangonana mba anangonanao ny 1/10 harenan'ny olona fotsiny koa. Angaha ianao no taraky ny Levi, no ahazo alalana haka ny 1/10
55. rhaj0 ( 02/03/2017 13:19)
Io tokoany anie ka dia efa mazavabe ao @ Baiboly... asa mba ahoana mihintsy no famakian-dry RBNIR sy Hrinirina ny BAiboly ao..

Fanisana 18:21 Indro omeko ho lovan'ny taranak'i Levì ny fahafolon-karena rehetra amin'Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan'ny trano lay fihaonana.
23 Ny Levita ihany no hanao ny raharahan'ny trano lay fihaonana...



Dia tsarovy tsara fa ny "trano lay fihaonana" toa io no nohajain'i Jesosy. Izany no TSY nananganan'ny Jesosy "trano lay fihaonana", fa ny azy, ny "tranon'ny Ray", dia ny efa eo, dia ny Sinagaoga, ary izany ihany no nohajainy, sy naha-saro-piaro Azy.


Ka ry Herinirin sy RBNIR ve dia taranak'i Levita, sa mpisoloky rain-dahiny, no..
- mahasahy "manorina trano lay", nefa na i Jesosy azany tsy nahavita izany??
- sy mikepokepoka ny 1/10-katsembohan'ny olona???? nefa na i Jesosy azany rahefa handoa rakitra dia naniraka ny mpianany hanjono ??


Ataovy ao foana ho'a ry RBNIR fa efa "averti" ianao io izao, ka rahefa ho avy ilay fotoana ka iharan'ny hatezeran'ny Ray ao ianao sy Herinirina dia... ao ianao izany eee..

Fa rahefa tonga izay fotoana izay, dia araky ny fitenin-jatovo, dia ataovy @ ilay hoe, "ialao pas fa alika mivaha" eeee...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3779