Inona ny dikan'ny hoe

21. rhaj0 ( 15/02/2017 14:31)
Sarotsa be ny an'i Jean sy Voahangy izany kouh... ka tokony TSY (mikasa) mivady koa anie izany zareo, fa zavatra tsy fatao ny "manambady havana" eee... Nefa ry Jean sy Voahangy dia "mpihavana ao @ Tompo" daholo, na dia io mifanipaka tsy mifampiditra an-trano ao intsony io azany...
22. rvnirina8 ( 15/02/2017 14:33)

endriny:

MAhafinaritra be, fa aleo aloha tena mba ifaliako ny didin'ny tany sy ny fiarahamonina misy ahy ary ny fahendrena navelan'ny razana. Fa manjary lasa miady lova sy mifampikitra amin'ny politika ary ny adim-pinoana, ka tsy mifampiditra an-trano intsony izahay mianakavy.

I Jean tsy vangian'i Voahangy intsony izao satria ry Voahangy lasa Advantista dia sady tsy mihinan-kisoa no tsy mihininana ro-patsa.

Dia I Jean koa tsy afaka mamangy an'i Voahangy satria ry Voahangy tsy maintsy mivavaka isaky ny Sabotsy, ary I Jean kosa tsy maintsy miangona ny alahady. Dia tsy hita mihintsy ny daty anaovana fivoriam-pianakaviana, noho ny finoana.

Dia mampahery r'ise a! araka ny nolazaiko any amin'ny serasera dia izay iorenan'ny finoan'ny tsirairay ihany, ka maharesy lahatra azy e! - amiko manokana aloha tsy atoko sakana na oviana na oviana ny tsy fitoviam-piangonana e! fiangonanana hoa fa tsy finoana an! ny finoana manko mety mitovy ihany samy mino an'Andriamanitra - misy ny mino an'Andriamanitra trinité - nefa misy koa ny tsy mino an'i Jesoa ho Andriamanitra,( fa azy izany!!!!) fa jerena foana ny marimaritra iraisana mba tsy hisian'ny olana e! sa ahoana? Ref tafaraka dia hanaovana sakafo hafa ry Voahangy, fa tsy misakana an'i Jean tsy hinankisoa izany!!!! Mahereza e!
23. endriny ( 16/02/2017 05:46)
Misaotra betsaka fa tsy misy misy mpampahery aza moa mitraka ihany fa maika fa misy ny mpampahery toa izao.

Tena sarotra be amin'i Voahangy anefa ny miray latabatra amin'ny mpihinana kisoa.

Ry Zanamalala koa raha vao asiana tongologasy ny sakafo dia tsy mety tonga, fa fady tongolo sy miasa talata.

Sarotra ny fandidiana
24. rhaj0 ( 16/02/2017 12:38)
rvnirina8:
amiko manokana aloha tsy atoko sakana na oviana na oviana ny tsy fitoviam-piangonana e! fiangonanana hoa fa tsy finoana an!

Ka @ Rvnirina8 izany, ny tsy mitovy fingonana dia OK.
Ka dia hono ho'a ry Rvnirina8, rahefa "tsy mitovy finoana" aminao kosa izany ilay olona dia ahoana?
- "asianao olana" kosany ve,
- sa "asianao sakana",
- sa "enjehinao, analanao ny devoliny",
- sa "anaovanao toera-tsy-zaka",
- sa "tsy iarahanao monina",
- sa "iavonavonanao" tsy iresahanao
- sa ...??
25. rvnirina8 ( 16/02/2017 15:40)

rhaj0:

Asa na novakianao tsara ny valinteniko na tsia, fa aleo averiko kely eto ary e! : "amiko manokana aloha tsy atoko sakana na oviana na oviana ny tsy fitoviam-piangonana e! fiangonanana hoa fa tsy finoana an! ny finoana manko mety mitovy ihany samy mino an'Andriamanitra - misy ny mino an'Andriamanitra trinité - nefa misy koa ny tsy mino an'i Jesoa ho Andriamanitra,( fa azy izany!!!!) fa jerena foana ny marimaritra iraisana mba tsy hisian'ny olana e! sa ahoana? " io ny valinteniko -ka asa na mahavly ny fanontanianao rehetra io na tsia, fa efa nambarako tamin'ny voalohany hoy aho " Miorena tsara aza miova" izay ihany, ny tanjon'ny rehetra dia ny handova ny fiainana mandrakizay, ka na inona finoany, na inona finoany, dia azy izany, tsy manenjika azy aho, ary tsy mitsara azy na oviana na oviana, fa mampirisika azy ireo kosa hitazona tsara izany finoany izany. Mety ve ny valinteniko?
26. rhaj0 ( 16/02/2017 18:20)
(ny "tsy mitovy fiangonana" izany efa mazava; na protesta izy na temoins, na mormons izy na mpanaraka any profeta Herinirina, dia samy mivavaka @ Andrmntra ao @ Baiboly, dia OK i Rvnirina8...)

Fa rehefa "tsy mitovy finoana" aminao, tsipihiko indray, "finoana" no tsy itovizany aminao, dia ataonao ahoana?

Ny Moslimo, ny Boudiste, ny Atheist, ny mivavaka @ Razany, ets... Toa TSY kapoakanao ireo olona ireo oo ?..

27. rvnirina8 ( 17/02/2017 15:09)

Ny hoe tsy kapoakako, ngamba tsy dia hoe izany e! fa zao, azy ny azy, ahy ny ahy, raha miteny amiko zao ianao hoe "Boudhiste ianao" dia tsy hanaratsy ny finoanao aho tsy akory, kanefa tsy mahasakana ahy hanambara aminao ihany koa ny finoako an'i Jesoa Kristy izany - ary tiako raha ambaranao amiko koa, inona ny foto-pinoanao - fa hamafisiko foana ny teniko e! zà efa resy lahatra, ka tsy mahahozongozona ahy na inona finoan'ny hafa na inona, fa mampirisika koa aza aho hoe "Miorena tsara, aza miova", raha toa moa ka tena efa resy lahatra toa ahy i Boudhiste dia hitana ny azy raha toa kosa moa ka resiko lahatra tamin'ny fitoriana an'i Jesoa Kristy izy dia atao izay hampiorina azy tanteraka sa ve tia tena aho?
28. endriny ( 17/02/2017 15:26)
Ny fiangonana hono dia harato handratoana ny trondro sy ny hazandrano. Ary vala hamoriana ny ondry. Ka ny fiangonana samy hafa dia manao izay ahabetsaka ny hazandrano ao anaty haratony daholo, ary manao izay hampitombo ny ondry ao am-balany.

Fehiny tsy maintsy miady kil
29. rhaj0 ( 17/02/2017 15:37)
rvnirina8:
raha miteny amiko zao ianao hoe "Boudhiste ianao" dia tsy hanaratsy ny finoanao aho tsy akory, kanefa tsy mahasakana ahy hanambara aminao ihany koa ny finoako an'i Jesoa Kristy izany - ary tiako raha ambaranao amiko koa, inona ny foto-pinoanao -

Izaho dia Atheist. Dia hotry ny hoe, dia ry Einstein sy ry Mandela no nianarako izany eee...

Fa mety vaovao ianao izany fa efa lavabe ny resaka teto.. Ohatra zahavo eto
http://forum.serasera.org/forum/message/m3fccf477bf0af

na koa, efa naraviko tatsy @ bilaogiko
https://rahampitso.blogspot.ca/2017/01/ny-fivavahana-ny-aty-sy-ny-any.html
30. rvnirina8 ( 20/02/2017 07:10)

Tena marina ny nolazainy - ary tena izany mihitsy no izy, mbola manamafy izay olazaiko izany manao hoe "Tao mafy izay anananao"
31. rhaj0 ( 20/02/2017 21:44)
Tsara izany raha ianao Rvnirina8 dia isan'ireo Kristiana, mba manaja ny hafa sy ny finoan'ny hafa, fa tsy manao amboletra manesika an'i Jesosy @ fi(s)ainan'ny olona, nefa dia mody hoe, "tafika masina" eee.. evanzelizasion ee...
32. endriny ( 28/02/2017 05:16)

RBNIR:

endriny:

Avereno ny 1/10 karenan'ny olona ry RBNIR vao mitabataba eto a. Tsy hihaino anao Jesosy raha tsy averinao amin'ny tompony ny vola hasasaran'ny mpivavaka nalainao an-kafetsena

1 Izaho tsy mandray ny 1/10 satria olona efa voatokana ho an'Andriamanitra no omena izany,
2 Jesosy dia nampirisika ny olona hanao ny 1/10
Toy izao no nolazainy amin'ny dikan-teny malagasy:
« Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto (1/10n'ny solila sy ny rota) tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.(fitsarana, sy ny fitiavana an'Andriamanitra) » (Lioka 11:42)

Toy izao ny amin'ny dikan-teny frantsay:
« Mais malheur à vous, pharisiens ! car vous payez la dîme de la menthe et de la rue et de toute sorte d'herbe, et vous négligez le jugement et l'amour de Dieu : il fallait faire ces choses-ci (payez la dîm de la menthe et de la rue), et ne pas laisser celles-là.(jugment et l'amour de Dieu) » (Luc 11:42)

Toy izao ny amin'ny dikan-teny angilisy:
luke 11:42 But alas for you Pharisees, because you pay your tithe of mint and rue and all sorts of garden herbs and neglect justice and the love of God! These (pay your tithe of mint and rue) you should have practised, without neglecting the others (justice and love of God!).

Ilay Atra izany tsy vitan'ny hoe nanao sorona ny zanany fotsiny hanadiovana ny olona tamin'ny fahotan'ny razany, fa mbola akan'Atra hetra koa. Ary nataoko fa hoe rehefa natao sorona i Jesosy dia tokony atsahatra ny hetra ho an'Atra. Dia ianareo izany no manoratena ho mpitango ny 1/10? Mahafinaritra izany fiadananareo izany
33. RBNIR ( 28/02/2017 10:56)

Ny fanontanian'i rhajo ery ambony endriny dia hoe moa v i Jesosy nampianatra ny olona handoa ny 1/10??? valiny dia eny ary io nozaraiko io ny toko sy andininy manamarina izany...
34. rhaj0 ( 28/02/2017 13:15)
Tsy i Jesosy no nampianatra ny handoa 1/10 fa i Paoly.
I Jesosy niteny hoe "Mandehana manjono".

Fa dia avilivilio ho @ tombotsoanao ao foana ho'a ny revin'i Jesosy ry RBNIR aaa....
raha tsy fetahiny ao angamba ianao tsy ho tonga saina an...
35. RBNIR ( 28/02/2017 13:32)
Efa mazava be io Luc 11:42 io rhajo fa conseil, na mianara grammaire, na mianara amin'ny olona hafa hanazava anao...

Mbola manamafy an'io ny voasoratra ao amin'ny Mat.23:23 « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo] » (Matio 23:23)
Louis Segond Bible
Malheur à vous, scribes et pharisiens hypocrites! parce que vous payez la dîme de la menthe, de l'aneth et du cumin, et que vous laissez ce qui est plus important dans la loi, la justice, la miséricorde et la fidélité: c'est là ce qu'il fallait pratiquer, sans négliger les autres choses (payer la dîme).

King James Bible
Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye pay tithe of mint and anise and cummin, and have omitted the weightier matters of the law, judgment, mercy, and faith: these ought ye to have done, and not to leave the other undone (pay tithe).

36. rhaj0 ( 28/02/2017 14:48)
Tena mila manao fampitaha azahoana mahazo io Matio 23:23 io, fa hotry ny tailatailana be ny fandikan-dry RBNIR ity izy..

Ohatra, fampitaha..

Lozanao ry RBNIR mpihatsaravelatsihy! fa maka sy manambaka dia mikatsetsitra ny 1/10-katsembohan'ny mahantra ity ianao, fa navelanao izay lehibe @ lalàna, dia ny fitserana (compassion) sy fitsinjovana ny Mahantra.

Ka @ io ve dia misy "mampirisika" hoe mandehana "maka sy manambaka dia mikatsetsitra ny 1/10-katsembohan'ny mahantra" ???
37. rhaj0 ( 28/02/2017 20:06)
Fa na iverenana azany ilay toko tao @ Baiboly
Mat.23:23 « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana

Vakio tsara fa ilay 1/10 dia TSY ho an'i Jesosy, na ho an'ny fiangonana, fa hetra angomin'ny Romana.

Izany no tena hoe 2 fois malhonnete mihintsy i RBNIR ity...
1- vao mahita 1/10 ao anaty Baiboly izy, tonga dia akapony hoe, an'azy ilay izy
2- Lozanao ry RBNIR mpihatsaravelatsihy! fa maka sy manambaka dia mikatsetsitra ny 1/10-katsembohan'ny mahantra ity ianao, fa navelanao izay lehibe @ lalàna, dia ny fitserana (compassion) sy fitsinjovana ny Mahantra.

Sa tsy malhonnete izany ry RBNIR, fa ilay coco mihintsy no hafahafa, dia manodikodina ny resa-baiboly ao, dia izay no atao dridran-gilo sy atao fiki-maty ao?.. dia hehezin'ny akoho toka-nify, sy ihomehezan'ny Ankizy ilay lahiantitra ee... :-)
38. RBNIR ( 01/03/2017 06:28)

Averiko hatrany, mamaly ilay fanontaniana aho hoe i Jesosy ve namporisika ny olona hanao 1/10....???

Maninona no tsy adikan'i rhajo ilay hoe "......nefa tsy tokony havelanareo ireroana" misolo anarana inona ilay teny hoe ireroana eto (valiny : misolo ilay 1/10) Azo adika io izany hoe nefa tsy tokony havelanareo ny 1/10....
39. endriny ( 01/03/2017 07:00)
Taiza sy oviana i Jesosy no niteny sy namporisika ny fanomezana ny 1/10 ho an'ny fiangonana? Mba namadika baiboly ihany aho fa tsy nahita Jesosy nilaza izany
40. RBNIR ( 01/03/2017 07:12)
dia tratra koa ianao ry endriny a, mianara grammaire daholo dia averimbereno io luc.11:42 sy Mat.23/23 e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1022