Inona ny dikan'ny hoe

1. rhaj0 ( 13/02/2017 18:06)
Mipetraka io fanontaniana io, satria mantsy hozy mantsy i RBNIR teo hoe ...
RBNIR:
Te hovonjena v ianao? : Mino an'i Jesosy dia hesorina tsy ho ao anatinao intsony ilay ota izay mitondra fahafatesana ho anao....

Efa nampanontany an'ingahy gogola aho, fa dia io izany ndao hiaraha-midinika

http://lmgtfy.com/?q=believe+in+jesus+meaning
novalian'i rhaj0 ny 02/03/2017 13:19
2. rhaj0 ( 13/02/2017 18:07)
TApaka iliay lohateny fa izao ilay izy:

[size=16]Inona ny dikan'ny hoe "mino an'i Jesosy" [/size]

3. RBNIR ( 14/02/2017 04:55)
rhaj0:

TApaka iliay lohateny fa izao ilay izy:
[size=16]Inona ny dikan'ny hoe "mino an'i Jesosy" [/size]

Tsara ny fanamarihina rhajo

Ny devoly koa mantsy dia mino (sy mahafantatra an'i Jesosy) « Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany » (Mar.5:6)
« sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy, » (Mar.5:7)
« satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. » (Mar.5:8)

Ary ankehitriny dia b dia b (na dia ireo tsy mpivavaka aza) no mahafantatra tsara an'i JEsosy ary maro amin'izy ireny no milaza fa "mino" an'i Jesosy ihany koa...
4. rvnirina8 ( 14/02/2017 06:00)

Marina ary tsy misy azo lavina mihitsy nyvfanamarihana ataonareo, mahafinaritra ny dinika sy ny adihevitra - Amiko dia izao :
Ny dikan'ny hoe "Mino an'i Jesoa" da izao : Mino ny famonjena nataony, ny fanadiovana ahy tamin'ny ota, mino ny nanoloran'Andriamanitra Azy ho famonjena an'izao tontolo izao araka ny Jaona 3-16 -
Mino aho fa Izy no Tompo sy Mpamonjy ahy, azoko ny famonjena, ary voavela ny heloko noho ny nanolorany ny Ainy ho faty hisolo ahy teo amin'ny hazo fijaliana.
Mahafantatra an'i Jesoa, Mino azy, na ny devoly aza satria mahafantatra ny heriny, kanefa tsy mino ny famonjena nataony ho fanavotana izao tontolo izao. Toy ny tantara ihany no ahafantarany azy.
5. endriny ( 14/02/2017 07:56)

rvnirina8:

Mino aho fa Izy no Tompo sy Mpamonjy ahy, azoko ny famonjena, ary voavela ny heloko noho ny nanolorany ny Ainy ho faty hisolo ahy teo amin'ny hazo fijaliana.

Tsarovy anefa fa hoy I Jesosy: "Mandehana aloha ianao mihavana amin'izay nanaovanao heloka, vao mifona aty amin'ny Sinagaoga"

Izany hoe tsy voavela ny helokao raha tsy ilay olona nanaovanao heloka mihintsy no ifonanao, na hino an'i Jesosy 1000 avo heny aza ianao. Fanamboaran-tsaina amin'ny fitia kely tsy mitsinjo afa tsy ny tenanao, ary tahotra ny tsy fahasahiana mifona any amin'ny olona nanaovana heloka.

Noho izany ny fiantsoana vavaka fanalana ny ota kanefa tsy miaiky heloka amin'ny olona nanao hadisoana dia fiatsarambelatsihy ohatran'ny an'ny Fariseo ihany fotsiny.
6. RBNIR ( 14/02/2017 08:02)
endriny:

Mahay baiboly ianao, tandremo fotsiny ary fa mila "tanterahina" ilay izy satria ny olona indray andro any dia tsy maintsy hotsaraina amin'izay fantany avokoa.....
7. RBNIR ( 14/02/2017 08:05)
Tsy ampy ny mamantatra, fa ny manantateraka no tena ilainy.....

« Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. » (Matio 21:28)
« Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. » (Matio 21:29)
« Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. » (Matio 21:30)
« Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Matio 21:31)
8. RBNIR ( 14/02/2017 08:06)
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
9. endriny ( 14/02/2017 08:12)
Avereno ny 1/10 karenan'ny olona ry RBNIR vao mitabataba eto a. Tsy hihaino anao Jesosy raha tsy averinao amin'ny tompony ny vola hasasaran'ny mpivavaka nalainao an-kafetsena
10. rvnirina8 ( 14/02/2017 08:48)

endriny:

rvnirina8:

Mino aho fa Izy no Tompo sy Mpamonjy ahy, azoko ny famonjena, ary voavela ny heloko noho ny nanolorany ny Ainy ho faty hisolo ahy teo amin'ny hazo fijaliana.

Tsarovy anefa fa hoy I Jesosy: "Mandehana aloha ianao mihavana amin'izay nanaovanao heloka, vao mifona aty amin'ny Sinagaoga"

Izany hoe tsy voavela ny helokao raha tsy ilay olona nanaovanao heloka mihintsy no ifonanao, na hino an'i Jesosy 1000 avo heny aza ianao. Fanamboaran-tsaina amin'ny fitia kely tsy mitsinjo afa tsy ny tenanao, ary tahotra ny tsy fahasahiana mifona any amin'ny olona nanaovana heloka.

Noho izany ny fiantsoana vavaka fanalana ny ota kanefa tsy miaiky heloka amin'ny olona nanao hadisoana dia fiatsarambelatsihy ohatran'ny an'ny Fariseo ihany fotsiny.

Tena marina ny voalazanao, kanefa aoka aloha isika tsy hivaona amin'ilay fanontaniana hoe "Inona no dikan'ny hoe Minoa an'i Jesoa Tompo?" Ny finoana Azy no fanontaniana mipetraka - ny fanarahana ny didiny, ny manao ny sitrapony, ny manaraka ny teniny izany rehetra izany dia manaraka ho azy rehefa mino Azy amin'ny fo sy ny saina ianao, satria ireo voatanisanao ireo dia efa didy napetrany avokoa ka mila tanterahintsika - aza manao fanatitra ho Azy tokoa raha tsy efa namela izay manana ady aminao, ary tsy maintsy ataontsika izany raha te ahazo ny famindrampony isika - tsy misy mampatahotra ny mifona raha misy heloka vita - Izy Tompo mihitsy no hifonana voalohany, ary mila mahay mamela heloka koa isika tsy tononina fahatany ny vavaka nampianariny fa hampiarina tanteraka izany - Tena tsy sarotra ny mangata-pamelana na amin'ny olona izay nanaovanao fahadisoana izany, indrindra moa fa amin'Izy Tompo izay efa nisolo heloka antsika rahateo - mila manetry tena hatrany ihny koa
11. rvnirina8 ( 14/02/2017 08:50)

12. RBNIR ( 14/02/2017 15:38)
endriny:

Avereno ny 1/10 karenan'ny olona ry RBNIR vao mitabataba eto a. Tsy hihaino anao Jesosy raha tsy averinao amin'ny tompony ny vola hasasaran'ny mpivavaka nalainao an-kafetsena

1 Izaho tsy mandray ny 1/10 satria olona efa voatokana ho an'Andriamanitra no omena izany,
2 Jesosy dia nampirisika ny olona hanao ny 1/10
Toy izao no nolazainy amin'ny dikan-teny malagasy:
« Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto (1/10n'ny solila sy ny rota) tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.(fitsarana, sy ny fitiavana an'Andriamanitra) » (Lioka 11:42)

Toy izao ny amin'ny dikan-teny frantsay:
« Mais malheur à vous, pharisiens ! car vous payez la dîme de la menthe et de la rue et de toute sorte d'herbe, et vous négligez le jugement et l'amour de Dieu : il fallait faire ces choses-ci (payez la dîm de la menthe et de la rue), et ne pas laisser celles-là.(jugment et l'amour de Dieu) » (Luc 11:42)

Toy izao ny amin'ny dikan-teny angilisy:
luke 11:42 But alas for you Pharisees, because you pay your tithe of mint and rue and all sorts of garden herbs and neglect justice and the love of God! These (pay your tithe of mint and rue) you should have practised, without neglecting the others (justice and love of God!).
13. rhaj0 ( 14/02/2017 15:38)
rvnirina8:
Mino ny famonjena nataony, ny fanadiovana ahy tamin'ny ota, mino ny nanoloran'Andriamanitra Azy ho famonjena an'izao tontolo izao

Izay izany ny an'i Rvnirina8.

Ny an'ny United Church of God ao Zamerika ao kosany ohatra dia, ny dikan'izany hoe "mino an'i Jesosy", dia hoe

https://www.ucg.org/the-good-news/what-does-it-mean-to-believe-in-jesus
Believing means accepting all of Jesus' teaching, Believing means conviction to obey...
== manaiky ny fampianarany rehetra, ary mankatoa sy manaraka izany.

Ny fahitako azy, fahitako ho'a an.. dia TSY mitovy ny eritreritr'i Rvnirina8 raha mitaha @ ny an'ny United Church of God ao Zamerika ao

- ny an'i Rvnirina8 dia (toa) mifototra @ izy tenabeny, "voavonjy ary voadio" ny mpino

- ny an'ny UCG kosany, dia mifototra @ atao sy eritreritry ny olona : "manaiky, mankatoa ary manaraka ny didy sy fampianarana" ny mpino: izay no zava-dehibe ary voalohany mamaritra ny "finoana".

14. RBNIR ( 14/02/2017 15:39)
mila mahay grammaire kely dia mahatakatra an'io endriny...
15. RBNIR ( 14/02/2017 15:57)
Tokony hisy fiavahany mazava tsara ny olona "mino an'i JEsosy" sy ny olona (tsy mino an'i Jesosy)

Ny olona "mino an'i Jesosy dia:
1 natao ho afaka tamin'ny ny ota « ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. » (Rom.6:18)

2 tsy izy intsony no velona fa ilay Jesosy Izay tonga nitoetra ao anatiny « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Gal.2:20)

3 Efa lasa ny zavatra teo aloha rehetra ary fiainana vaovao no hiainan'ilay olona...« Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. » (2 Kor.5:17)

Ireo rehetra ireo dia tsy ho hita mihitsy ao anatin'ny olona iray izay "tsy mino an'i Jesosy" , na milaza ny tenany ho mino ihany nefa.......

Ny atao hoe, "mino an'i Jesosy araka izany dia olona iray efa nohafahana tamin'ny ota, miaina fiainana vaovao izay fiainanan'i Kristy ilay velona ao anatiny...tsy andevon'ny ota intsony fa tonga mpanompon'ny fahamarinana kosa indray....« ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. » (Romana 6:18)
« Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. » (Romana 6:19)

16. rhaj0 ( 14/02/2017 20:11)
rhaj0:
- ny an'i Rvnirina8 dia (toa) mifototra @ izy tenabeny, "voavonjy ary voadio" ny mpino

- ny an'ny UCG kosany, dia mifototra @ atao sy eritreritry ny olona : "manaiky, mankatoa ary manaraka ny didy sy fampianarana" ny mpino: izay no zava-dehibe ary voalohany mamaritra ny "finoana".

Dia toraky ny an'i Rvnirina8 koa ny an'i RBNIR (raha ny fahitako azy).
1-- rehefa "tena mino (an'i Jesoa)" tonga dia (automatikema) "voavonjy sy voadio"; ary aorian'izay, izay vao "manompo ny fahamarinana"

Ny an'ny hafa anefa, ohatra ry UCG, dia
2-- rehefa "tena mino (an'i Jesoa)" tonga dia (automatikema) "manaraka ny didy sy fampianarana", ary rahefa lasa "tsy manota" toa izay, izay vao "voavonjy (sy voadio)"

Asa raha hitana(re)o ny maha-samy hafa an'ireo. Fa ny fahitako azy aloha dia ..

-- ilay #1, dia ho an'ireo "marefo" (ara-pahalalana sy fieritreretana) tiana jonoina haingakaingana, dia tonga dia alefa any @ ilay manaiky (tsisy-porofo) dia ao

-- ilay #2 kosa, dia ho an'ireo mba mampiasa lojika ihany, ka raha jonoina, dia mila amena défi, asaina manaraka fampianarana mila voa tsy hary
17. endriny ( 15/02/2017 06:03)

rhaj0:

TApaka iliay lohateny fa izao ilay izy:
[size=16]Inona ny dikan'ny hoe "mino an'i Jesosy" [/size]

Ny dikan'ny hoe mino an'i Jesosy dia tsotra: "Mino izay nolazain'ilay Jiosy lahy, fotsy hoditra lava volom-bava teraka tamin'ny taona aorta. Mino izay nolazainy tsy misy fe-petra na fanontaniana".

Fa iza tokoa moa izany no nahatahiry izay nolazainy tamin'ny izany taona 0-33 izany? Sa efa tadidin'ny mpanaraka no nosoratan'ny havany tamin'io?

Raha mamaky TV mantsy dia toa fohy kely ny andro nitorian'i Jesosy fa toa tsy ampy 1 volana akory. Mba isao ange ny teny hoe:" NY AMPITSON'IO" ao e? Dia I'm-piry ampitso dia novonoina I Jesosy?
18. endriny ( 15/02/2017 06:06)

rvnirina8:

endriny:

rvnirina8:

Mino aho fa Izy no Tompo sy Mpamonjy ahy, azoko ny famonjena, ary voavela ny heloko noho ny nanolorany ny Ainy ho faty hisolo ahy teo amin'ny hazo fijaliana.

Tsarovy anefa fa hoy I Jesosy: "Mandehana aloha ianao mihavana amin'izay nanaovanao heloka, vao mifona aty amin'ny Sinagaoga"

Izany hoe tsy voavela ny helokao raha tsy ilay olona nanaovanao heloka mihintsy no ifonanao, na hino an'i Jesosy 1000 avo heny aza ianao. Fanamboaran-tsaina amin'ny fitia kely tsy mitsinjo afa tsy ny tenanao, ary tahotra ny tsy fahasahiana mifona any amin'ny olona nanaovana heloka.

Noho izany ny fiantsoana vavaka fanalana ny ota kanefa tsy miaiky heloka amin'ny olona nanao hadisoana dia fiatsarambelatsihy ohatran'ny an'ny Fariseo ihany fotsiny.

Tena marina ny voalazanao, kanefa aoka aloha isika tsy hivaona amin'ilay fanontaniana hoe "Inona no dikan'ny hoe Minoa an'i Jesoa Tompo?" Ny finoana Azy no fanontaniana mipetraka - ny fanarahana ny didiny, ny manao ny sitrapony, ny manaraka ny teniny izany rehetra izany dia manaraka ho azy rehefa mino Azy amin'ny fo sy ny saina ianao, satria ireo voatanisanao ireo dia efa didy napetrany avokoa ka mila tanterahintsika - aza manao fanatitra ho Azy tokoa raha tsy efa namela izay manana ady aminao, ary tsy maintsy ataontsika izany raha te ahazo ny famindrampony isika - tsy misy mampatahotra ny mifona raha misy heloka vita - Izy Tompo mihitsy no hifonana voalohany, ary mila mahay mamela heloka koa isika tsy tononina fahatany ny vavaka nampianariny fa hampiarina tanteraka izany - Tena tsy sarotra ny mangata-pamelana na amin'ny olona izay nanaovanao fahadisoana izany, indrindra moa fa amin'Izy Tompo izay efa nisolo heloka antsika rahateo - mila manetry tena hatrany ihny koa

Ohatran'ny misamboaravoara be ny valiteninao kanefa dia ianao ihany no miaiky avy eo fa "Ny finoana azy dia ny fanarahana ny didiny.. ary anisan'ny didiny ny zavatra nolazaiko"
19. rvnirina8 ( 15/02/2017 12:25)

Mnaiky aho fa voalazanao ireo ary nohamafisiko fotsiny ny amin'ny ho " ny fanarahana ny didiny, ny manao ny sitrapony, ny manaraka ny teniny izany rehetra izany dia manaraka ho azy rehefa mino Azy amin'ny fo sy ny saina ianao"
Tsy misamboaravoara ny valinteny fa tena manamafy tokoa -
20. endriny ( 15/02/2017 13:57)
MAhafinaritra be, fa aleo aloha tena mba ifaliako ny didin'ny tany sy ny fiarahamonina misy ahy ary ny fahendrena navelan'ny razana. Fa manjary lasa miady lova sy mifampikitra amin'ny politika ary ny adim-pinoana, ka tsy mifampiditra an-trano intsony izahay mianakavy.

I Jean tsy vangian'i Voahangy intsony izao satria ry Voahangy lasa Advantista dia sady tsy mihinan-kisoa no tsy mihininana ro-patsa.

Dia I Jean koa tsy afaka mamangy an'i Voahangy satria ry Voahangy tsy maintsy mivavaka isaky ny Sabotsy, ary I Jean kosa tsy maintsy miangona ny alahady. Dia tsy hita mihintsy ny daty anaovana fivoriam-pianakaviana, noho ny finoana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3766