secte

21. endriny ( 17/02/2017 14:56)

rvnirina8:

ts manin fa ataovy hoe Tano mafy Jesoa fa efa anao, Aza mierikerika intsony izay no aoka ataontsika ho filamatra - Mahereza e!

Ohatran'ny an'ilay soavaly voalamboridy izany izy eto.

Tsara ilay filamatra, saingy filamatra tsy mifandraika velively amin'ny zavatra iainana sy atrehina isan'andro. Hany ka toa nofinofin'ilay nandalovam-balala, na dia manan-tsira aza tsy manan-katono.

Ny filamatra raha mitondra fiara ny olona iray dia tsy miherikerika mihintsy, fa mibanjina ny lalan-kizorana eo aloha. Nety be izany angamba taloha dia tsy nisy retiraovizera mihintsy ny fiara taloha. Fa amin'izao andro izao ve afaka mitondra fiara tsy misy retiraovizera?

"Tano mafy Jesoa fa efa anao", voakazo an'ala io ka ny mangidy aloha ny mamy atelina. Tsy ny fampianaran'i Jesoa rehetra no tsara, ary tsy izy rehetra koa dia ratsy daholo. Ary betsaka ny Filaozaofa sy ny mpampianatra lehibe mbola manana ny tsara lavitra noho ny fampianaran'i Jesoa.
22. rvnirina8 ( 17/02/2017 15:15)

endriny:

Izao an, aza ampitoviana kosa alou ny finoana sy ny fiara e! ary ny fiainana andavanandro dia araka izany maha andavanandro azy izany, tsy mahasakana ny finoana an'i Jesoa Kristy izany e! aleo mihary harena ho any an-danitra toy izany ety an-tany ho hanin'ny kalalao!!!!! Raha ny filozofia no ho jerena sy alalinina dia marina ny filazanao, betsaka izany, ary noho ireny no mahatonga ny olona tsy hino, fa zà hoa efa resy lahatra tsy azo ka na iza milaza ho mpampianatra mahay na iza dia zà zany le sovaly efa tapi-maso de ts mierikerika intsony raha izay no ilazanao azy e! ihihihhii!!!!
23. endriny ( 17/02/2017 15:18)
Jesosy aza nampitovy ny fanjakan'Atra tamin'ny fangoronan-karena teto ambonin'ny tany koa. Jereo ilay fanoharana talenta
24. endriny ( 17/02/2017 15:24)
Filaozaofia ny an'i Jesosy. Ary sahiko lazaina fa mandainga izay milaza fa tsy marina izany.

Raha tsy marina aza fa filaozaofia ny an'i Jesosy: Inona no mahatonga ny mpitandrina sy ny Pretra hianatra Filaozaofia aloha alohan'ny ianarana Teaolaojia?

Raha nandefa ny mpianany history tany amin'ny Tanana hafa I Jesosy, dia niverina ireo ary nilaza hoe: "Ry mpampianatra. misy olona mitory toa ny zavatra toriana koa any amin'ilay nalehanay. Ka inona no tokony ataonay"

Izany hoe tamin'izany andro izany dia efa tsy I Jesosy irery araka ny atao tsianjery ampinoana an-jambany antsika no efa nitory an'ity filaozaofian'i Jesosy (faehendren'i Jesosy) ity.
25. rvnirina8 ( 20/02/2017 09:34)

endriny:

Jesosy aza nampitovy ny fanjakan'Atra tamin'ny fangoronan-karena teto ambonin'ny tany koa. Jereo ilay fanoharana talenta

Manahoana indray, tsy nampitovy kosa izy e! fa fanoharana no nataony, ny azy ange ny fampianarana dia fanoharana daholo e! mba ahazahoany mampita tsara ny soratra Masina izany, sa ve diso zà?
26. rhaj0 ( 21/02/2017 14:33)
rvnirina8:
ny azy (Jesosy) ange ny fampianarana dia fanoharana daholo e!

O ry Rvnirina aa... jereo kely azany hoe Matio 8:32, na koa Lioka 8:32. Seho mitovy no tantaraina, ary samy mitatitra ny natao na fiainan'i Jesosy ireo boky roa samy hafa ireo.

-- Ka "fampianarana" (recette ho falain-tahaka) ve io nataon'i Jesosy, ka tantaraina ao @ Lioka sy Matio?
-- Sa... "fanoharana" fotsiny??
27. endriny ( 24/02/2017 15:16)

rvnirina8:

Manahoana indray, tsy nampitovy kosa izy e! fa fanoharana no nataony, ny azy ange ny fampianarana dia fanoharana daholo e! mba ahazahoany mampita tsara ny soratra Masina izany,

Tsy maninona fa noharin'i Jesosy t@ talenta ny fanjakan'ny lanitra aza e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5002